Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tao Anatin’ny Fahajambana Aho no Nahiratra!

Tao Anatin’ny Fahajambana Aho no Nahiratra!

Tantaram-piainana

Tao Anatin’ny Fahajambana Aho no Nahiratra!

NOTANTARAIN’I EGON HAUSER

Tsy dia niraharaha izay voalazan’ny Baiboly aho taloha. Nanjary nanaiky ny fahamarinana anefa aho, taorian’ny roa volana nahajamba ahy.

REHEFA manao jery todika ireo fitopolo taona lasa aho, dia nahafa-po ahy ny fiainako. Raha azoko natao anefa, dia taloha kokoa aho no ho nifidy hahafantatra momba an’i Jehovah Andriamanitra.

Teraka tamin’ny 1927 teto Orogoay aho. Firenena kely eo anelanelan’i Arzantina sy Brezila i Orogoay, ary ahitana toerana tsara tarehy manamorona ny Morontsirak’i Atlantika. Taranaky ny Italianina sy ny Espaniola mpifindra monina ny ankamaroan’ny mponina eto. Mpifindra monina hongroà kosa ny ray aman-dreniko. Tanàna tsotsotra nisy mponina niray hina no nipetrahanay tamin’izaho mbola kely. Tsy nilaina ny nanidy mafy ny varavaranay na ny varavarankelinay. Tsy nisy fanavakavahana ara-poko teo aminay. Samy mpinamana daholo ny vahiny sy ny teratany, ary ny mainty sy ny fotsy.

Katolika ny ray aman-dreniko, ary mpiserivy lamesa aho, tamin’izaho folo taona. Niara-niasa tamin’ny paroasy sy anisan’ny mpanolo-tsain’ny eveka tao amin’ny diosezy aho rehefa lehibe. Nasaina nandray anjara tamin’ny fiofanana momba ny fitsaboana nalamin’ny Eglizy Katolika tany Venezoelà aho, satria nifidy ny hanao dokotera. Dokotera mpitsabo aretim-behivavy izahay, ka notendrena handinika ireo pilina tsy mampiteraka, izay vao navoaka tamin’izany fotoana izany.

Nahagaga ahy ny firafitry ny vatan’olombelona

Nianatra momba ny firafitry ny vatan’olombelona aho. Nanaitra ahy ny fahendrena hita tamin’ny namoronana azy io. Gaga aho, ohatra, rehefa nahita fa afaka manasitran-tena ny vatana. Afaka miverina amin’ny habeny teo aloha koa ny aty na ny taolan-tehezana, rehefa avy nanesorana.

Nahita olona niharan-doza maro koa aho, tamin’izany. Nalahelo aho rehefa maty noho ny fampidiran-dra izy ireo. Tadidiko mandraka androany fa sarotra ny niresaka tamin’ireo olona nanana havana maty noho ny fampidiran-dra. Mazàna no tsy nilazana ireo fianakaviana fa maty noho ny fampidiran-dra ny havany. Antony hafa kosa no nolazaina fa nahafaty azy ireo. Tsy dia azoazoko loatra ny fampidiran-dra, ary mbola tsaroako foana izany, na dia taona maro aza no lasa. Nanatsoaka hevitra aho tamin’ny farany fa misy tsy mety amin’io fanao io. Raha mba nahafantatra ny lalàn’i Jehovah momba ny fahamasinan’ny ra mantsy aho, dia tsy ho nisalasala fa tsy mety ny mampiditra ra!​—Asan’ny Apostoly 15:19, 20.

Faly nanampy ny olona

Lasa dokotera mpandidy sy mpitantana ny foibem-pitsaboana teto Santa Lucía aho, rehefa nandeha ny fotoana. Nanana andraikitra tao amin’ny Foibe Fikarohana Momba ny Zavamananaina koa aho. Tena nahafaly ahy izany. Nanampy ny olona hiatrika ny aretiny sy nanamaivana ny fanaintainany aho. Imbetsaka aho no namonjy aina sy nampiteraka. Noho ny zavatra hitako taloha momba ny fampidiran-dra, dia tsy nampiasa azy io mihitsy aho. Nanao fandidiana an’arivony aho, ary tsy nampiasa ra. Heveriko fa ny fahaverezan-dra dia toy ny rano mitete avy ao amin’ny barìka loaka. Ny hany fanafodiny dia ny manentsina ilay loaka, fa tsy mameno rano foana ilay barìka.

Fitsaboana ireo Vavolombelona marary

Nanomboka nahafantatra ny Vavolombelon’i Jehovah aho tamin’ireo taona 1960, rehefa tonga tao amin’ny hopitalinay izy ireo mba hanaovana fandidiana tsy ampiasana ra. Tsy hohadinoiko mihitsy ny tantaran’ny marary mpisava lalana iray (mpanompo manontolo andro), antsoina hoe Mercedes Gonzalez. Tsy ampy ra izy, ka tsy sahy nandidy azy ny dokotera tao amin’ny hopitalin’ny oniversite, satria nihevitra izy ireo hoe tsy ho velona izy. Nodidiana tao amin’ny hopitalinay ihany izy, na dia very ra be aza. Vita soa aman-tsara ilay fandidiana, ka mbola afaka nanao mpisava lalana nandritra ny 30 taona izy, mandra-pahafatiny tamin’izy 86 taona.

Tena nahagaga ahy ny fitiavana sy fiahiana nasehon’ireo Vavolombelona, rehefa nikarakara ny rahalahiny kristianina niditra hopitaly. Rehefa nitsidika ny marary aho, dia tiako ny nihaino azy ireo niresaka momba ny finoany, ary noraisiko ny boky sy gazety nomeny ahy. Tsy noeritreretiko mihitsy hoe tsy ho dokoterany fotsiny aho tsy ho ela, fa ho mpiray finoana aminy koa.

Nanjary nifandray akaiky tamin’ny Vavolombelona aho, rehefa nanambady an’i Beatriz, zanaky ny marary iray notsaboiko. Efa nifanerasera tamin’ny Vavolombelona ny ankamaroan’ny fianakaviany, ary lasa Vavolombelona marisika koa izy, taorian’ny nivadianay. Revo tanteraka tamin’ny asako anefa aho, ary nanana toerana ambony teo amin’ny sehatry ny fitsaboana. Toa nandeha tsara erỳ ny fiainana. Tsy noeritreretiko mihitsy hoe hiova tanteraka ny fiainako.

Namely ny loza

Anisan’ny zava-dratsy indrindra mety hitranga amin’ny mpandidy ny fahajambana. Izany no nitranga tamiko. Rovitra tampoka ny hodi-maso manify tao amin’ny masoko roa, ka jamba aho. Tsy fantatro tamin’izay raha mbola ho afaka hahita indray aho. Rehefa avy nodidiana aho, dia natory teo am-pandriana sady notampenana ny masoko roa. Kivy tanteraka aho. Nahatsapa ho tsy nilaina intsony sy tsy nanana fanantenana aho, ka nanapa-kevitra ny hamono tena. Tany amin’ny rihana fahefatra no nisy ahy tao amin’ny hopitaly. Niarina tao am-pandriana aho ary nitsapatsapa nanara-drindrina, niezaka hikaroka ny varavarankely, mba hitsambikina avy eny ka ho faty. Lasa tsy nahy tany amin’ny lalantsaran’ny hopitaly anefa aho, ka nisy mpitsabo mpanampy iray namerina ahy teo am-pandriana.

Tsy nanandrana namono tena intsony aho. Kivy sy mora tezitra foana anefa aho noho izaho jamba. Nampanantena an’Andriamanitra anefa aho tamin’izay fa hamaky ny Baiboly manontolo raha mahita indray. Nihasitrana ny masoko tamin’ny farany, ka afaka namaky teny aho. Tsy afaka nandidy intsony anefa aho. Na izany aza, dia hitako ny fahamarinan’ilay fomba fiteny eto Orogoay hoe “No hay mal que por bien no venga”, midika hoe “Ao anatin’ny mangidy no misy ny mamy.”

Fihaonana voalohany tsy nahafinaritra

Te hividy Ny Baibolin’i Jerosalema (anglisy) amin’ny sora-baventy aho. Fantatro anefa fa mora kokoa ny Baibolin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy tanora Vavolombelona iray vonona hanatitra azy io tany an-tranonay. Nijoro teo anoloan’ny varavaranay nitondra ilay Baiboly izy ny ampitson’iny. Ny vadiko no namoha ny varavarana sy niresaka taminy. Nivazavaza avy tao an-trano aho hoe: ‘Rehefa voaloa ny vidin’ilay Baiboly dia asaivo mandeha izy.’ Lasa haingana ilay tovolahy. Tsy noeritreretiko mihitsy hoe hanana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainako io olona io.

Nampanantena zavatra tamin’ny vadiko aho indray andro, nefa tsy vitako ny nanatanteraka azy. Mba hanonerana izany sy hampifaliana azy, dia nilaza taminy aho fa hiaraka aminy hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, izay ankalazaina isan-taona. Rehefa tonga ilay fotoana, dia tadidiko ny fampanantenako, ka niaraka taminy aho mba hanatrika io fotoan-dehibe io. Nanohina ny foko ny zava-nitranga tao, sady noraisina tsara aho. Rehefa nanomboka ny lahateny, dia gaga aho nahita fa ilay tovolahy noroahiko hiala ny tranonay no mpandahateny. Tena nisy vokany lalina teo amiko ny lahateniny, ka nalahelo mafy aho noho ny haratsiam-panahiko taminy. Ahoana no hanonerako izany?

Nangataka tamin’ny vadiko aho mba hanasa azy hisakafo hariva. Nilaza anefa izy hoe: “Tsy heverinao ve fa ho tsara kokoa raha ianao no manasa azy? Mijanòna eto fotsiny, fa hanatona antsika izy.” Marina ny teniny. Tonga niarahaba anay ilay tovolahy nandaha-teny, ary faly nanaiky ilay fanasana.

Ny resaka nifanaovanay tamin’iny takariva nitsidihany anay iny no fiandohan’ny fiovana maro teo amiko. Nasehony ahy ny boky Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. * Nanana enina tamin’io boky io koa aho, ka nasehoko azy. Nomen’ny Vavolombelona marary ahy tany amin’ny hopitaly ireo, nefa tsy novakiko mihitsy. Nametraka fanontaniana maro aho, nandritra sy taorian’ny sakafo, izay tena efa alim-be tokoa. Novaliany tamin’ny Baiboly daholo ireo. Naharitra hatramin’ny ampitso maraina ilay resadresaka. Talohan’ny nandehanany, dia nangataka ny hiara-mianatra Baiboly tamiko izy, ka ny boky Fahamarinana no nampiasainy. Tao anatin’ny telo volana no namitanay io boky io, ary notohizinay tamin’ny boky “Nianjera i Babylona Lehibe!” Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!* Nanolo-tena ho an’i Jehovah aho taorian’izay, ary natao batisa.

Nahatsapa ho nilaina indray

Tamin’izaho jamba no nampahiratina ny ‘mason’ny foko’, ka nahita ny fahamarinana ara-baiboly, izay tsy noraharahaiko hatramin’izay aho! (Efesianina 1:18) Nanjary nahafantatra an’i Jehovah sy ny fikasany aho, ka nanova ny fiainako manontolo izany. Nahatsapa ho nilaina sy sambatra indray aho. Nanampy olona aho mba hahela velona azy ireo kokoa eto amin’ity tontolo ity, sy mba hahazoany fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao.

Naharaka ny fandroson’ny fitsaboana aho, ary nanao fikarohana momba ny loza entin’ny fampidiran-dra, sy ny fitsaboana hafa azo fidina, ary ny zon’ny marary. Afaka nizara io fanazavana io tamin’ny mpiasan’ny fahasalamana teo an-toerana aho, rehefa nasaina hiresaka momba ireo loha hevitra ireo tao amin’ny fiofanana ara-pitsaboana. Tamin’ny 1994 aho no nanatrika voalohany ny fihaonam-be momba ny fitsaboana tsy ampiasana ra, tany Rio de Janeiro, any Brezila. Nanao lahateny mahakasika ny fomba atao rehefa misy fahaverezan-dra aho tamin’izay. Nisy tamin’io fanazavana io nampidirina tao amin’ny lahatsoratra iray nosoratako hoe “Una propuesta: Estrategias para el Tratamiento de las Hemorragias” (“Fomba Azo Isorohana ny Fahaverezan-dra”), nivoaka tao amin’ny gazety ara-pitsaboana hoe Hemoterapia.

Tsy nivadika na dia teo aza ny fanerena

Tamin’ny voalohany, dia noho ny fahalalana ara-tsiansa nananako no nahatonga ahy hisalasala ny amin’ny fampidiran-dra. Rehefa izaho mihitsy anefa no narary tany amin’ny hopitaly, dia hitako fa tsy mora ny mandà fampidiran-dra sy mitana hatrany ny finoako eo anatrehan’ny faneren’ny dokotera. Tratran’ny aretim-po aho, ka tsy maintsy niresaka tamin’ilay dokotera mpandidy. Nohazavaiko taminy nandritra ny adiny roa fa tsy te hampidiran-dra aho. Zanaky ny namako izy io, ary nilaza fa tsy hamela ahy ho faty izy, raha heveriny fa ny fampidiran-dra no ahafahana mamonjy ny aiko. Nivavaka mangina aho, ka nangataka tamin’i Jehovah mba hanampy an’io dokotera io hahatakatra sy hanaja ny faniriako, na dia tsy nanaiky ny fomba fihevitro momba ny fampidiran-dra aza izy. Nampanantena ny hanaja ny faniriako ilay dokotera, tamin’ny farany.

Indray mandeha, dia tsy maintsy nesorina ny fivontosana lehibe tao amin’ny prostatiko. Nisy fahaverezan-dra tamin’izay. Mbola nanazava ny antony handavako fampidiran-dra indray aho tamin’io. Nanaja ny fanapahan-kevitro anefa ny mpitsabo, na dia very aza ny androatokon’ny rako.

Niova ny fihetsik’ireo mpitsabo

Anisan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fitsaboana sy ny Zon’ny Marary aho, ary faly rehefa nahita fa niova ny fihetsik’ireo mpitsabo, ka nanome zo ara-dalàna ny marary izy ireo. Nanjary nanaja ny fanirian’ny marary ireo dokotera tia manampatra ny fahefany. Mamela ny marary hifidy ny fitsaboana atao aminy izao izy ireo. Tsy noheverina ho mafana fo tafahoatra, izay tsy mendrika ny hahazo fitsaboana intsony, ny Vavolombelon’i Jehovah. Noheverina ho marary mahalala tsara izay tokony hataony kosa izy ireo, ka tokony hohajaina ny zony. Matetika ireo dokotera malaza no nanambara tany amin’ny fiofanana momba ny fitsaboana sy tamin’ny fandaharan’ny televiziona hoe: “Noho ny ezaka nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah no nahatakaranay izao . . .”, sy hoe: “Niana-javatra avy tamin’ireo Vavolombelona izahay . . .”, ary koa hoe: “Nampianatra anay hanatsara ny asanay izy ireo.”

Voalaza fa ny aina no zava-dehibe indrindra, satria tsy misy dikany ny fahafahana sy ny fahamendrehana raha tsy misy azy io. Dokotera maro anefa izao no manaiky fa manana ny zony manokana ny tsirairay. Eken’izy ireo àry fa ny tsirairay no tokony hanapa-kevitra hoe inona no ho zava-dehibe indrindra rehefa misy toe-javatra miseho. Amin’izay, dia ny fahamendrehana sy ny fahafahana hanao safidy, ary ny zavatra inoana ara-pivavahana no tokony ho zava-dehibe kokoa. Afaka misafidy izay fitsaboana tiany ny marary. Nanampy dokotera maro hahatakatra tsara kokoa momba ny fampidiran-dra ny Sampan’asan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly, naorin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Mbola ilaina eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah aho, ary anti-panahy eo anivon’ny fiangonana, satria manampy ahy foana ny fianakaviako. Araka ny efa nolazaiko, dia tena malahelo aho tsy nahafantatra momba an’i Jehovah taloha kokoa. Velom-pankasitrahana anefa aho satria nanokatra ny masoko izy hahita ilay fampanantenana mahatalanjona hiaina eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra, izay ‘tsy hisian’ny mponina hilaza hoe: Marary aho.’​—Isaia 33:24. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 24 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 34 Nodimandry ny Rahalahy Egon Hauser, raha mbola nomanina ity lahatsoratra ity. Nahatoky mandra-pahafatiny izy, ary miara-mifaly aminy isika satria azo antoka ny fanantenany.

[Sary, pejy 24]

Tamin’izaho 30 taona mahery, niasa tao amin’ny hopitalin’i Santa Lucía

[Sary, pejy 26]

Miaraka amin’i Beatriz vadiko, tamin’ny 1995