Tokony Hanao Politika ve ny Mpitondra Fivavahana?
Tokony Hanao Politika ve ny Mpitondra Fivavahana?
“AFAKA manampy ny mahantra ianao rehefa manao politika, hoy ny arseveka kanadianina iray tamin’ireo mpanao fivahiniana masina . . . Na toa tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra aza ny rafitra ara-politika, dia ‘mila manao politika isika, mba hanomezana rariny ny mahantra.’”—Vaovao Katolika (anglisy).
Tsy mahalana isika no mahare mpitondra fivavahana mampirisika ny hanaovana politika. Fahita koa ny mpitondra fivavahana manao politika mihitsy. Ny sasany nanandrana nanatsara ny politika, ary ny hafa noderaina sy notsarovana noho ny ezaka manokana nataony mba hisian’ny fitovian-jo eo amin’ny olona samy hafa volon-koditra sy mba hanafoanana ny fanandevozana.
Na izany aza anefa dia lahika maro no tsy mankasitraka ny hanaovan’ny mpitondra fivavahany politika. “Misalasala indraindray ny mpiangona protestanta, raha tokony hitsabaka amin’ny raharaham-panjakana ny mpitondra fivavahana ao aminy na tsia”, araka ny lahatsoratra momba ny politika sy ny teolojia tao amin’ny gazety Taonjato Kristianina (anglisy). Mpivavaka maro no mihevitra fa toerana masina ny eglizy ka tsy tokony hiresahana politika.
Mampipoitra fanontaniana mahaliana an’izay rehetra maniry tontolo tsaratsara kokoa izany. Afaka manatsara ny politika ve ny mpitondra fivavahana ao amin’ny Kristianisma? * Moa ve izy ireo nasain’Andriamanitra nanao politika mba hanorenana fitondram-panjakana sy tontolo iray tsaratsara kokoa? Ny hitady fomba vaovao hanatsarana ny politika ve no zava-kendren’ny Kristianisma tany am-boalohany?
Ny nanombohan’ny mpitondra fivavahana nanao politika
Milaza ilay boky hoe Ny Fiangonana Voalohany (anglisy), nosoratan’i Henry Chadwick, mpahay tantara, fa “nalaza ho tsy liana ny hahazo fahefana teto amin’ity tontolo ity” ny Kristianina voalohany. “Tsy nanao politika izy ireo, tsy nanakorontana ary tsy tia ady.” Hoy koa ny Tantaran’ny Kristianisma (anglisy): “Niaiky ny ankamaroan’ny Kristianina fa tsy tokony hisy hanao politika izy ireo . . . Nilaza i Hippolyte tany am-piandohan’ny taonjato fahatelo fa fanaon’ny Kristianina ny nitaky ny hialan’ny olona nitana andraikitra ara-politika tamin’ny asany, raha tiany ny ho anisan’ny Fiangonana.” Lasa nisy olona fatra-paniry fahefana anefa nanomboka nitarika teo anivon’ny fiangonana maro, ka nanome anarana nipoapoaka ho an’ny tenany. (Asan’ny Apostoly 20:29, 30) Sady te ho mpitondra fivavahana ny sasany no te hanao politika. Nanome fahafaham-po azy ireo ny fiovana tsy nampoizina teo amin’ny fitondram-panjakan’i Roma.
Lasa nankasitraka ny Kristianina anarana i Constantin, ilay Emperora Romanina mpanompo sampy, tamin’ny taona 312. Nahagaga fa vonona hifanaraka tamin’ilay emperora mpanompo sampy ny evekan’ny eglizy, ho takalon’ny tombontsoa omeny. “Nandray anjara kokoa ihany tamin’ireo fanapahan-kevitra lehibe ara-politika ny Eglizy”, araka ny nosoratan’i Henry Chadwick. Inona no vokatry ny fanaovana politika teo amin’ny mpitondra fivavahana?
Ny herin’ny politika teo amin’ny mpitondra fivavahana
I Augustin, teolojianina katolika izay to teny tamin’ny taonjato fahadimy, no tena nampandroso ilay hevitra hoe ny mpitondra fivavahana no ampiasain’Andriamanitra mba hanao politika. Nihevitra izy fa hanapaka eo amin’ny firenena ny eglizy, ka hitondra fiadanana ho an’ny olombelona. Izao anefa no nosoratan’i H. Wells, mpahay tantara: “Porofoin’ny tantaran’i Eoropa, nanomboka tamin’ny taona 400 ka hatramin’ny taona 1400, fa tsy tanteraka io nofinofy ny amin’ny tany tarihin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra io.” Tsy nitondra fiadanana ho an’i Eoropa ny Kristianisma Anarana, ary azo antoka fa tsy hahavita hitondra izany ho an’izao tontolo izao. Nanjary tsy natokisan’ny olona intsony ilay noheverin’izy ireo hoe Kristianisma. Fa inona no nitranga?
Betsaka tamin’ireo nilaza ho Kristianina no voasinton’ny politika noho ny antony tsara, kanefa lasa nanao zava-dratsy avy eo. Nampahalaza an’i Martin Luther, mpitondra fivavahana sy mpandika Baiboly, ny ezaka nataony mba hitondra fanavaozana teo anivon’ny Eglizy Katolika. Lasa tian’ireo nikomy tamin’ny fitondram-panjakana anefa izy, satria sahy nanohitra ny fampianaran’ny eglizy. Tsy nohajain’ny olona firy intsony izy, rehefa nanomboka nanome ny heviny teo amin’ny politika. Nankasitraka ny fikomian’ny vahoaka tamin’ireo andriana mampahory izy tamin’ny voalohany. Rehefa nampiasa herisetra anefa ireo mpikomy, dia nampirisihiny indray ireo andriana hamono azy ireo, ka an’arivony no maty. Koa tsy nahagaga àry raha nihevitra azy ho mpamadika ny vahoaka. Nampirisika ireo andriana hikomy tamin’ny emperora katolika koa i Luther. Raha ny marina, dia efa hatramin’ny fiandohan’ilay fikomiana no nanangana antoko politika ny Protestanta, na ireo mpanara-dia an’i Luther. Inona no nitranga rehefa nahazo fahefana i Luther? Nanimba azy izany. Notoheriny, ohatra, tamin’ny voalohany ny fampiasan-kery mba handresen-dahatra ireo tsy nanaiky ny fampianarany. Nampirisika ny namany mpanao politika anefa izy tatỳ aoriana mba handoro izay rehetra tsy nanaiky ny fanaovana batisa zazakely.
Mpitondra fivavahana nalaza tany Genève i Jean Calvin, nefa lasa nanana fahefana be teo amin’ny politika. Rehefa nohazavain’i Michel Servet fa tsy ao amin’ny Baiboly ny fampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray, dia nampiasa ny fahefana nananany i Calvin mba hanohanana ny fandoroana azy tamin’ny tsato-kazo. Tsy nanaraka ny fampianaran’i Jesosy mihitsy izy!
Hadinon’ireny lehilahy ireny, angamba, ny voalazan’ny 1 Jaona 5:19 hoe: “Izao tontolo izao manontolo kosa dia eo ambany fahefan’ilay ratsy.” Tena naniry hanatsara ny politika tamin’ny androny ve izy ireo, sa te hahazo fahefana sy hanana namana manana toerana ambony? Na ahoana na ahoana, dia tokony hotsaroan’izy ireo ny teny nampanoratin’Andriamanitra an’i Jakoba, mpianatr’i Jesosy, hoe: “Tsy fantatrareo ve fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho naman’izao tontolo izao, dia mitsangan-ko fahavalon’Andriamanitra izy.” (Jakoba 4:4) Fantatr’i Jakoba izay nolazain’i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy hoe: “Tsy anisan’izao tontolo izao [izy], tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.”—Jaona 17:14.
Olona maro no manaiky fa tsy tokony hanaraka ny fitondran-tena ratsin’ity tontolo ity ny Kristianina. Tsy ekeny kosa anefa izany hoe tsy hanao politika, na tena “tsy ho anisan’izao tontolo izao” izany. Lazain’izy ireo fa misakana ny Kristianina tsy haneho fitiavana ny hafa izany. Mihevitra izy ireo fa tokony ho sahy hiteny sy hiady amin’ny tsolotra sy ny tsy rariny koa ny mpitondra fivavahana. Tsy afaka miaraka tokoa anefa ve ny hoe tsy anisan’izao tontolo izao, araka ny nolazain’i Jesosy, sy ny fiahiana ny hafa? Afaka ny tsy hanao politika ve ny Kristianina no sady tena hanampy ny hafa? Mamakafaka ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 5 Ny politika dia faritana ho “ny raharaha mifandray amin’ny fitantanana firenena na faritra iray, indrindra fa ny adihevitra na fifandonana eo amin’ny isam-batan’olona sy ny antoko izay manam-pahefana na manantena hahazo fahefana.”—Diksionera Vaovaon’i Oxford (anglisy).
[Sary, pejy 4]
Nifanaraka tamin’ny emperora toa an’i Constantin ireo mpitondra fivavahana, mba hahazoana fahefana ara-politika
[Sary nahazoan-dalana]
Musée du Louvre, Paris
[Sary, pejy 5]
Nahoana no nanao politika ireo mpitondra fivavahana fanta-daza?
Augustin
Luther
Calvin
[Sary nahazoan-dalana]
Augustin: ICCD Photo; Calvin: Sary nataon’i Holbein, avy amin’ny boky hoe The History of Protestantism (Vol. II)