Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Abrahama sy Saraha—Tahafo ny Finoan’izy Ireo!

Abrahama sy Saraha—Tahafo ny Finoan’izy Ireo!

Abrahama sy Saraha​—Tahafo ny Finoan’izy Ireo!

ANTSOINA hoe “rain’izay rehetra manam-pinoana” ilay lehilahy. (Romanina 4:11) Nanam-pinoana koa ilay vehivavy. (Hebreo 11:11) Tsy iza izany fa i Abrahama sy Saraha, izay mpivady natahotra an’Andriamanitra. Nahoana izy ireo no nanana finoana fakan-tahaka toy izany? Inona avy no fisedrana niaretan’izy ireo? Ary nahoana no ilaintsika ny mandinika ny tantaram-piainany?

Naneho finoana i Abrahama rehefa nandidy azy handao ny tany niaviany Andriamanitra. Hoy i Jehovah: “Mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ny rainao hankany amin’ny tany izay hasehoko anao.” (Genesisy 12:1) Nankatò i Abrahama nahatoky, satria lazaina amintsika fa: “Finoana no nankatoavan’i Abrahama rehefa nantsoina izy, eny, nankatò izy ka nandeha ho any amin’ny toerana voatendry ho lovany. Ary nandeha tokoa izy, na dia tsy fantany aza izay halehany.” (Hebreo 11:8) Inona avy no tafiditra tamin’io fifindra-monina io?

Nipetraka tany Ora, atsimon’i Irak ankehitriny, i Abrahama. Faritra miroborobo sy be mponina any Mezopotamia i Ora, ary nifandray ara-barotra tamin’ireo tanin’ny Hoala Persika sy ny Lohasahan’i Indus. Nanao fikarohana momba ny tanànan’i Ora, Atoa Leonard Woolley. Nilaza izy fa natao tamin’ny biriky voalalotra fotsy ny ankamaroan’ny trano tamin’ny andron’i Abrahama. Nanana trano nisy rihana nisy tokotany voarary vato, ohatra, ny olona mpanankarem-be iray. Tao ambany no nipetraka ny mpiasa an-trano sy ny vahiny, ary tao ambony ny efitranon’ny fianakaviana. Nisy lavarangana hazo koa tany ambony nampitohy ireo efitrano. Tena lehibe ireny trano ireny, nisy efitra 10 ka hatramin’ny 20. “Raha ho an’ny Tatsinanana dia tena trano nampiadana sy nirenty izy ireny”, hoy i Woolley. “Nipetrahan’ny olona mpanankarena ireny trano ireny tamin’ny ankapobeny, sady natao indrindra ho an’ny mponina an-tanàn-dehibe.” Nanao sorona lehibe i Abrahama sy Saraha rehefa nankatò ny didin’i Jehovah mba handao ny fonenany ka hipetraka an-day.

Nifindra niaraka tamin’ny fianakaviany tany Harana, any avaratr’i Mezopotamia, aloha i Abrahama, ary nankany Kanana avy eo. Nisy 1 600 kilaometatra teo ho eo ny elanelan’ireo toerana ireo. Tena fifindrana lehibe mihitsy izany ho an’ilay mpivady be taona! Efa 75 taona i Abrahama rehefa nandao an’i Harana izy, ary 65 taona i Saraha.​—Genesisy 12:4.

Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Saraha rehefa nilaza i Abrahama fa tsy maintsy niala tany Ora izy ireo? Mety ho nampanahy azy ny handao tanàna nahafinaritra sy nampiadana, ka hifindra any amin’ny tany tsy fantatra sady mety tsy hahatamana, ary hanana fari-piainana ambany. Nanaiky anefa i Saraha, ka nihevitra an’i Abrahama ho toy ny ‘tompony.’ (1 Petera 3:5, 6) Misy manam-pahaizana milaza fa ‘tena vokatry ny fon’i Saraha ny fanajany ny vadiny, fa tsy an-tendro-molotra fotsiny’, ka izany dia porofon’ny “tena fiheverany sy fitiavany azy.” Ambonin’ny zavatra rehetra anefa dia natoky an’i Jehovah i Saraha. Ohatra tsara ho an’ny vehivavy kristianina manambady ny fanekeny ny vadiny sy ny finoany.

Marina aloha fa tsy asaina handao ny fonenantsika isika mba hankatoavana an’Andriamanitra. Misy mpitory manontolo andro anefa nandao ny taniny mba hitory ny vaovao tsara any amin’ny tany hafa. Na aiza na aiza hanompoantsika an’Andriamanitra, dia hikarakara antsika izy, raha mbola ataontsika ho voalohan-toerana eo amin’ny fiainantsika ny zavatra ara-panahy.​—Matio 6:25-33.

Samy tsy nanenina tamin’ny fanapahan-kevitra nataony na i Saraha na i Abrahama. “Raha nieritreritra foana ny toerana nilaozany anefa izy ireo, dia ho nahita fomba niverenana”, hoy ny apostoly Paoly. Tsy niverina anefa izy ireo. Natoky izy ireo fa “mpamaly soa an’izay mitady azy fatratra” i Jehovah, ka nino ny fampanantenany izy ireo. Tsy maintsy manao toy izany koa isika raha tiantsika ny hifikitra hatrany amin’i Jehovah amin’ny fontsika manontolo.​—Hebreo 11:6, 15, 16.

Nanan-karena sady tsara fihavanana tamin’Andriamanitra

Rehefa tonga tany Kanana i Abrahama, dia hoy Andriamanitra taminy: “Ny taranakao no homeko ity tany ity.” Nino izany i Abrahama, ary nanorina alitara ho an’i Jehovah, ka “niantso ny anaran’i Jehovah.” (Genesisy 12:7, 8) Nanome harena ho an’i Abrahama i Jehovah, ary maro be ny olona tao amin’ny tobiny. Nitondra miaramila 318, izay efa nahay niady, izy, indray mandeha, ka azo inoana fa “naherin’ny arivo ny fitambaran’ny olona tao amin’ny tobiny.” Nantsoin’ny olona hoe “tompokolahy andriandehibe” mihitsy aza izy.​—Genesisy 13:2; 14:14; 23:6.

Nitarika ny ankohonany hanompo an’Andriamanitra i Abrahama, ka nampianatra azy ireo mba “hitandreman’ireo ny làlan’i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy.” (Genesisy 18:19) Mampahery an’ireo raim-pianakaviana kristianina ny ohatr’i Abrahama. Nampianatra ny ankohonany hiantehitra tamin’i Jehovah sy hanao zavatra tamin’ny fahamarinana izy. Tsy mahagaga àry raha nitoky tamin’i Jehovah Andriamanitra i Hagara, mpanompovavin’i Saraha, sy ilay mpanompo lehibe indrindran’i Abrahama, ary Isaka zanany.​—Genesisy 16:5, 13; 24:10-14; 25:21.

Tia fihavanana i Abrahama

Nanana toetra nitovy tamin’ny an’Andriamanitra i Abrahama, araka ny zava-nitranga teo amin’ny fiainany. Tsy navelany hisy fifandirana teo amin’ny mpiandry ombiny sy ny an’i Lota, zana-drahalahiny. Nilaza àry izy fa tokony hisaraka izy ireo, ka i Lota no nasainy hifidy voalohany ny tany tiany. Tia fihavanana tokoa i Abrahama.​—Genesisy 13:5-13.

Mety hanao safidy koa isika hoe hitaky ny zontsika sa handefitra mba hitandroana ny fihavanana. Tokony hotadidintsika fa tsy navelan’i Jehovah ho maty antoka i Abrahama, noho izy naneho fiheverana an’i Lota. Nampanantena kosa i Jehovah fa homeny an’i Abrahama sy ny taranany ny tany rehetra izay tazan’ny mason’i Abrahama. (Genesisy 13:14-17) “Sambatra ny mpampihavana, fa izy no hantsoina hoe ‘zanak’Andriamanitra’”, hoy i Jesosy.​—Matio 5:9.

Iza no ho mpandova an’i Abrahama?

Momba i Saraha, na dia efa nampanantenaina ny hanan-taranaka aza izy. Nanontany an’Andriamanitra àry i Abrahama. I Eliezera mpanompony ve no handova izay rehetra ananany? Tsia, satria hoy i Jehovah: “Tsy handova anao izany; fa izay haterakao, dia izy no handova anao.”​—Genesisy 15:1-4.

Mbola tsy nanan-janaka ihany i Saraha sy Abrahama. Tsy nanantena ny hanan-janaka intsony i Saraha, izay efa 75 taona. Hoy àry izy tamin’i Abrahama: “Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah, masìna hianao, mivadia amin’ny mpanompovaviko, angamba hahazo zaza aminy aho.” Naka an’i Hagara ho vadikeliny i Abrahama, ka nanao firaisana taminy, ary bevohoka izy. Nanjary nanambany ny tompovaviny i Hagara, raha vao fantany fa bevohoka izy. Nitaraina mafy tamin’i Abrahama i Saraha, ary nampietry an’i Hagara, ka nahatonga azy handositra.​—Genesisy 16:1-6.

Izay no noheverin’i Abrahama sy Saraha fa nety, satria nekena ny fanao toy izany tamin’ny androny. Tsy izany anefa no fomba hanomezan’i Jehovah taranaka an’i Abrahama. Mety hety eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika koa àry ny fanao sasany, kanefa tsy voatery heken’Andriamanitra izany. Mety ho hafa tanteraka ny fomba fijeriny ny toe-javatra misy antsika. Ilaintsika àry ny mitady ny tari-dalan’Andriamanitra, ka hivavaka mba hampisehoany amintsika izay iriny hataontsika.​—Salamo 25:4, 5; 143:8, 10.

Tsy “misy zavatra mahagaga izay tsy hain’i Jehovah”

Niteraka zazalahy tamin’i Abrahama i Hagara tatỳ aoriana. Nantsoina hoe Isimaela izy io. Tsy izy anefa ilay taranaka nampanantenaina. I Saraha no tokony hiteraka an’io taranaka nampanantenaina io, na dia efa antitra aza izy.​—Genesisy 17:15, 16.

Rehefa nilaza mazava Andriamanitra fa hiteraka zazalahy amin’ny vadiny i Saraha, dia “niankohoka Abrahama ary nitsiky, dia nanao anakampo hoe: Hiteraka va aho, izay efa zato taona? ary hiteraka va Saraha, izay efa sivi-folo taona?” (Genesisy 17:17) “Nihomehy anakampo” i Saraha, rehefa nisy anjely niteny taminy an’io hafatra io, kanefa tsy “misy zava-mahagaga izay tsy hain’i Jehovah.” Afaka matoky isika fa afaka manao izay rehetra iriny i Jehovah.​—Genesisy 18:12-14.

“Finoana koa no nahazoan’i Saraha hery hananana anaka, na dia efa nihoatra ny taona ahafahana miteraka aza izy. Nihevitra mantsy izy fa tsy mivadika amin’ny teniny ilay nampanantena.” (Hebreo 11:11) Tamin’ny farany, dia niteraka an’i Isaka, izay midika hoe “Fihomehezana”, i Saraha.

Matoky tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra

Nilaza i Jehovah fa i Isaka no ilay mpandova nandrasana hatry ny ela. (Genesisy 21:12) Taitra be àry i Abrahama rehefa nasain’Andriamanitra hatao sorona ny zanany. Natoky tanteraka an’Andriamanitra anefa i Abrahama. Tsy afaka hanangana an’i Isaka amin’ny maty tokoa ve i Jehovah? (Hebreo 11:17-19) Tsy nampiseho ny heriny ve Andriamanitra rehefa nanao fahagagana tamin’i Abrahama sy Saraha, ka nahatonga azy ireo hiteraka an’i Isaka? Vonona ny hankatò i Abrahama, satria azony antoka fa ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah. Marina aloha fa tsy navela hamono ny zanany izy. (Genesisy 22:1-14) Hitantsika tamin’io zava-nitranga tamin’i Abrahama io anefa fa tsy maintsy ho sarotra tamin’i Jehovah ny hanome “ny zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”​—Jaona 3:16; Matio 20:28.

Nino an’Andriamanitra i Abrahama, ka fantany fa tsy afaka ny hanambady mpivavaka tamin’ny andriamani-diso tany Kanana, ilay mpandova ny fampanantenan’i Jehovah. Ahoana no ahafahan’ny ray na reny matahotra an’Andriamanitra hanaiky ny hanambadian-janany olona tsy manompo an’i Jehovah? Nitady vady mety ho an’i Isaka àry Abrahama. Tany amin’ny havany tany Mezopotamia, izay 800 kilaometatra miala eo aminy no nakany vady ho an’ny zanany. Nitahy ny fiezahany Andriamanitra ka nilaza fa i Rebeka no ilay vehivavy nofidiny ho vadin’i Isaka, sy ho tonga razamben’ny Mesia. Eny tokoa, “nitahy an’i Abrahama tamin’ny zavatra rehetra” i Jehovah.​—Genesisy 24:1-67; Matio 1:1, 2.

Fitahiana ho an’ny firenena rehetra

Niaritra fisedrana sy nino ny fampanantenan’Andriamanitra i Abrahama sy Saraha, ary ohatra tsara ho antsika izany. Tena misy akony eo amin’ny hoavin’ny olombelona ny fahatanterahan’izany fampanantenana izany, satria nanome toky toy izao an’i Abrahama i Jehovah: “Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,​—satria nanaiky ny teniko hianao.”​—Genesisy 22:18.

Mazava ho azy, fa tsy lavorary toa antsika i Abrahama sy Saraha. Rehefa nazava taminy anefa ny sitrapon’Andriamanitra, dia nankatò izany avy hatrany izy, na inona na inona vokany. Nantsoina hoe “sakaizan’i Jehovah” àry i Abrahama, ary “vehivavy masina izay nanantena an’Andriamanitra” i Saraha. (Jakoba 2:23; 1 Petera 3:5) Afaka mifandray akaiky amin’Andriamanitra koa isika, raha manahaka ny finoan’i Abrahama sy Saraha. Afaka mandray soa avy amin’ny fampanantenana sarobidy nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama koa isika.​—Genesisy 17:7.

[Sary, pejy 26]

Nanam-pinoana i Abrahama sy Saraha, ka nomen’i Jehovah zanakalahy na dia efa be taona aza

[Sary, pejy 28]

Manampy antsika hahatakatra izay tsapan’i Jehovah rehefa namela ny zanany lahitokana ho faty ny ohatra navelan’i Abrahama