Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Adidin’ny Kristianina ny Mikarakara ny Zokiolona

Adidin’ny Kristianina ny Mikarakara ny Zokiolona

Adidin’ny Kristianina ny Mikarakara ny Zokiolona

“Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsi-volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo.”​—ISAIA 46:4.

1, 2. Inona no maha samy hafa ny fiahian’ilay Raintsika any an-danitra amin’ny fiahian’ny ray aman-dreny?

MIKARAKARA ny zanany ny ray aman-dreny mahafatra-po mandritra ny fahazazan’izy ireo, sy ny taona maha zatovo azy. Mbola miahy amim-pitiavana sy manampy ny zanany ihany izy ireo, na dia rehefa lehibe sy manana ny tokantranony aza ireo zanany ireo.

2 Misy fetrany ny zavatra azon’ny olombelona atao ho an-janany, fa ilay Raintsika any an-danitra kosa dia afaka miahy amim-pitiavana sy manampy ny mpanompony mahatoky foana. Hoy i Jehovah tamin’ilay vahoakany fahiny: “Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsi-volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo.” (Isaia 46:4) Tena mampahery ny Kristianina be taona tokoa izany! Tsy manary ny olona tsy mivadika aminy i Jehovah. Mampanantena kosa izy fa homba azy ireo, ary hanampy sy hitari-dalana azy mandritra ny androm-piainany manontolo, na dia rehefa antitra aza izy ireo.​—Salamo 48:14.

3. Inona no hodinihintsika amin’ity lahatsoratra ity?

3 Ahoana no ampisehoantsika fa miahy amim-pitiavana ny zokiolona toa an’i Jehovah isika? (Efesianina 5:1, 2) Andeha isika handinika izay azon’ny zanaka sy ny mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana ary ny Kristianina tsirairay atao, mba hikarakarana izay ilain’ny be taona eo anivon’ny fianakavian’ny mpirahalahy eran-tany.

Ny adidintsika zanaka

4. Inona no adidin’ny zanaka amin’ny ray aman-dreniny?

4 “Hajao ny rainao sy ny reninao.” (Efesianina 6:2; Eksodosy 20:12) Tsotra nefa lalina tokoa ireo teny nalain’ny apostoly Paoly avy tao amin’ny Soratra Hebreo ireo. Namerina izany izy mba hampahatsiahivana ny zanaka ny adidin’izy ireo amin’ny ray aman-dreniny. Ahoana anefa no ampiharana an’ireo teny ireo rehefa mikarakara ny zokiolona? Hitantsika amin’ny ohatra tsara navelan’ny olona iray niaina talohan’i Kristy ny valin’izany.

5. a) Ahoana no ahitana fa tsy nanadino ny andraikiny ara-pianakaviana i Josefa? b) Inona no dikan’ny hoe manaja ray aman-dreny, ary inona no ohatra tsara navelan’i Josefa amin’izany?

5 Tsy nifandray tamin’i Jakoba rainy izay efa zokiolona mihitsy i Josefa, nandritra ny 20 taona mahery. Kanefa, mbola tiany foana io rainy io. Rehefa nanambara tamin’ireo rahalahiny i Josefa hoe iza izy, dia nanontany koa hoe: “Mbola velona ihany va [ny raiko]?” (Genesisy 43:7, 27; 45:3) Namely mafy ny mosary tany Kanana tamin’izany fotoana izany. Noho izany, dia nampilaza tamin-drainy i Josefa hoe: “Midìna hankany amiko fa aza mijanona; dia honina eo amin’ny tany Gosena ianao, ka ho eo akaikiko hianao . . . Dia hamelona anao eo aho.” (Genesisy 45:9-11; 47:12) Ny hoe manaja ny ray aman-dreny be taona àry, dia midika koa hoe miaro azy ireo sy manome izay ilainy, raha tsy afaka mamelon-tena intsony izy. (1 Samoela 22:1-4; Jaona 19:25-27) Neken’i Josefa tamim-pifaliana izany andraikitra izany.

6. Ahoana no nampisehoan’i Josefa fa tena tiany ny rainy, ary ahoana no azontsika anahafana azy?

6 Nanjary anisan’ny lehilahy nanan-karena sy nanam-pahefana indrindra tao Ejipta i Josefa, noho ny fitahian’i Jehovah. (Genesisy 41:40) Tsy nihevi-tena ho olona ambony loatra na sahirana loatra anefa izy, ka hoe tsy hanaja ilay rainy efa 130 taona. Rehefa fantatr’i Josefa fa teny an-dalana i Jakoba (na Israely), dia ‘nampanamboatra ny kalesiny izy, ary niakatra hitsena an’Israely rainy tany Gosena, ary raha niseho taminy izy, dia namihina ny vozony ka nitomany ela teo amin’ny vozony.’ (Genesisy 46:28, 29) Tsy fombafomba fotsiny izany fandraisan’i Josefa ny rainy tamim-panajana izany. Tiany fatratra kosa ilay rainy efa zokiolona, ary tsy menatra izy nampiseho ny fitiavany azy. Ary isika? Moa ve isika koa tsy misalasala maneho ny fitiavantsika amin’ny ray aman-drenintsika efa be taona?

7. Nahoana i Jakoba no naniry halevina tany Kanana?

7 Tsy nivadika tamin’i Jehovah i Jakoba mandra-pahafatiny. (Hebreo 11:21) Nino ny fampanantenan’Andriamanitra izy, ka nangataka mba halevina any Kanana. Nanaja ny rainy i Josefa rehefa nanao izay nangatahiny, na dia nitaky vola sy ezaka be aza izany.​—Genesisy 47:29-31; 50:7-14.

8. a) Inona no antony lehibe indrindra hikarakarantsika ireo ray aman-drenintsika be taona? b) Inona no nataon’ny mpanompo manontolo andro iray, mba hikarakarana ny ray aman-dreniny be taona? (Jereo ny efajoro ao amin’ny pejy 17.)

8 Inona no nanosika an’i Josefa hikarakara an-drainy? Azo inoana fa tao ny fitiavana sy ny fankasitrahana, satria i Jakoba no nanome aina azy sy nikarakara azy. Azo antoka anefa fa naniry mafy hampifaly an’i Jehovah koa i Josefa. Tokony hanana izany faniriana izany koa isika. Nanoratra i Paoly hoe: “Raha misy mpitondratena manan-janaka na zafy, dia aoka ireo aloha hianatra hampiseho fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra amin’ny ankohonany, sy hamaly babena ny ray aman-dreniny mbamin’ny raibe sy ny renibeny, fa izany no ankasitrahana eo imason’Andriamanitra.” (1 Timoty 5:4) Ny fitiavana sy fanajana lalina an’i Jehovah dia tena hanosika antsika hikarakara ireo ray aman-drenintsika be taona, na inona na inona zava-tsarotra atrehina amin’izany. *

Ahoana no ampisehoan’ny anti-panahy ny fiahiany ny zokiolona?

9. Iza no notendren’i Jehovah hiandry ny andian’ondry, anisan’izany ny Kristianina zokiolona?

9 Rehefa ho faty i Jakoba, dia niantso an’i Jehovah hoe “Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatr’izay niainako ka mandraka andro-any.” (Genesisy 48:15) Miandry ny mpanompony eto an-tany i Jehovah ankehitriny, amin’ny alalan’ireo mpiandraikitra na anti-panahy kristianina, izay tarihin’i Jesosy Kristy, Zanany sy “mpiandry lehibe indrindra.” (1 Petera 5:2-4) Ahoana no anahafan’ireo mpiandraikitra an’i Jehovah, rehefa mikarakara ny be taona eo anivon’ny andian’ondry izy ireo?

10. Inona no fanampiana mivaingana natao ho an’ny Kristianina zokiolona? (Jereo ny efajoro ao amin’ny pejy 19.)

10 Taoriana kelin’ny niandohan’ny fiangonana kristianina, dia nanendry ‘fito lahy tsara laza sady feno fanahy masina sy fahendrena’ ireo apostoly, mba hiandraikitra ny “fizaran-tsakafo isan’andro” tamin’ireo Kristianina mpitondratena nahantra. (Asan’ny Apostoly 6:1-6) Nilaza tamin’ilay mpiandraikitra atao hoe Timoty i Paoly tatỳ aoriana, mba hanao lisitry ny mpitondratena be taona fakan-tahaka, izay tokony hahazo fanampiana. (1 Timoty 5:3, 9, 10) Ny mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana ankehitriny koa dia faly mandamina ny fanampiana ireo Kristianina zokiolona, rehefa ilaina izany. Misy zavatra hafa ilaina anefa rehefa mikarakara ireo zokiolona mahatoky.

11. Inona no nolazain’i Jesosy momba ilay mpitondratena nahantra, izay nanao fanomezana kely?

11 Taloha kelin’ny nifaranan’ny fanompoany teto an-tany, dia nipetraka “nijery ny vahoaka nandatsaka vola tao amin’ireo vata fandatsaham-bola” i Jesosy. Nahamarika olona iray izy tamin’izay. Hoy ny fitantarana: ‘Tonga ny vehivavy mpitondratena mahantra iray nandatsaka vola madinika roa faran’izay kely vidy.’ Niantso ny mpianany i Jesosy ary nilaza tamin’izy ireo hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa io vehivavy mpitondratena mahantra io no nandatsaka betsaka kokoa noho izay rehetra nandatsaka vola tao amin’ny vata fandatsaham-bola. Fa izy rehetra nandatsaka avy tamin’ny ambim-bavany, fa ravehivavy kosa na mahantra aza, dia nandatsaka izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.” (Marka 12:41-44) Kely ny vola narotsak’ilay mpitondratena, nefa fantatr’i Jesosy fa tena zava-dehibe amin’ilay Rainy any an-danitra ny fanehoana fandavan-tena amin’ny fo manontolo toy izany. Tsy nodian’i Jesosy tsy hita ny zavatra nataon’ilay mpitondratena, na dia efa antitra aza izy.

12. Ahoana no azon’ny anti-panahy ampisehoana fa ankasitrahany ny zava-bitan’ny Kristianina zokiolona?

12 Toa an’i Jesosy, dia tsy odian’ny mpiandraikitra kristianina tsy hita ny zavatra ataon’ireo zokiolona mba hampandrosoana ny fivavahana marina. Tokony hidera ny be taona ireo anti-panahy, noho izy ireo mandray anjara amin’ny fanompoana sy ny fivoriana, sady mampirisika ny fiangonana hanao izay tsara, ary maneho fiaretana. Hanana “antom-pifaliana” eo amin’ny fanompoana masina ataony ny zokiolona, raha ilazana teny mampahery vokatry ny fo. Tsy ho kivy koa izy ireo amin’izay, satria tsy hifampitaha amin’ny Kristianina hafa, no sady tsy hampitaha izay ataony amin’ny zava-bitany taloha.​—Galatianina 6:4.

13. Ahoana no azon’ny anti-panahy ampiasana ny zavatra niainan’ireo be taona sy ny fahaizany?

13 Afaka mampiasa ny zavatra niainan’ireo zokiolona sy ny fahaizany koa ny anti-panahy, mba hampisehoana fa sarobidy tokoa ny fanampian’izy ireo. Azo asaina handray anjara amin’ny fampisehoana na fanadinadinana ireo be taona fakan-tahaka. Hoy ny anti-panahy iray: “Tena mifantoka sy mihaino tsara ny mpanatrika, rehefa manadinadina rahalahy na anabavy be taona nitaiza ny zanany hanaraka ny fahamarinana, aho.” Nilaza koa ny anti-panahy avy amin’ny fiangonana iray hafa, fa nanampy mpitory maromaro mba tsy ho tapatapaka amin’ny fanompoana ny anabavy mpisava lalana iray, 71 taona. Mampirisika azy ireo koa izy mba hanao ireo zavatra fanaon’ny mpanompon’i Jehovah, toy ny famakiana Baiboly sy ny fandinihana ny andinin-teny ho an’ny andro, ary ny fisaintsainana izay vakina avy eo.

14. Ahoana no nampisehoan’ny anti-panahy teo anivon’ny fiangonana iray fa nankasitrahan’izy ireo ny namany efa be taona?

14 Sarobidy amin’ny anti-panahy koa ny fanampian’ireo mpiandraikitra be taona. Nodidiana, ohatra, i José, izay eo amin’ny faha-70 taonany ary efa anti-panahy nandritra ny taona maro. Nila fotoana naharitraritra izy mba hampahatanjaka azy indray, ka nieritreritra hoe aleo afoy ny tombontsoa ho mpiandraikitra mpitantan-draharaha. “Nahagaga ahy ny nataon’ireo anti-panahy”, hoy i José. “Tsy nanaiky ny soso-kevitra narosoko izy ireo, fa nanontany hoe inona no fanampiana nilaiko, mba hahafahako hanohy hiantsoroka ny andraikitro.” Nisy anti-panahy iray tanora kokoa nanampy an’i José, ka afaka nanohy tamim-pifaliana ny asan’ny mpiandraikitra izy, ary nitondra soa be dia be ho an’ny fiangonana izany. Hoy ny anti-panahy iray hafa: “Tena ankasitrahan’ny fiangonana ny asa ataon’i José amin’ny maha mpiandraikitra mpitantan-draharaha azy. Tian’izy ireo izy sady hajainy, noho ny zavatra hainy sy ny finoany fakan-tahaka. Mitondra soa maro be ho an’ny fiangonanay izy.”

Aoka isika hifampiahy

15. Nahoana ny Kristianina rehetra no tokony hiahy izay hahasoa ireo zokiolona eo anivon’izy ireo?

15 Tsy ireo manana ray aman-dreny be taona sy ny mpiandraikitra voatendry ihany no tokony hiahy ny zokiolona. Hoy i Paoly, rehefa nampitaha ny fiangonana kristianina tamin’ny vatan’olombelona: “Nakamban’Andriamanitra ireo anisan’ny vatana, ka nomeny voninahitra bebe kokoa ny faritra tsy nanana voninahitra, mba tsy hisy fisaratsarahana eo amin’ny vatana, fa mba hifampiahy ireo rantsany.” (1 Korintianina 12:24, 25) Izao no nandikana izany ao amin’ny Baiboly Katolika: “[Tokony] hifanasoa avokoa ny rantsam-batana rehetra.” Mba hisian’ny firaisan-tsaina eo anivon’ny fiangonana, dia tsy maintsy ahin’ny tsirairay izay hahasoa ny mpiray finoana aminy, anisan’izany ny zokiolona.​—Galatianina 6:2.

16. Ahoana no ampisehoantsika fa mihevitra izay hahasoa ny be taona isika any am-pivoriana?

16 Afaka mihevitra izay hahasoa ny zokiolona isika any am-pivoriana. (Filipianina 2:4; Hebreo 10:24, 25) Maka fotoana hiresahana amin’izy ireny ve isika any? Tsara ny manontany momba ny fahasalamany, nefa nahoana raha ‘mampita fanomezana ara-panahy’ aminy koa, ka angamba hiresaka zava-nitranga nampahery, na hevitra iray avy ao amin’ny Soratra Masina? Koa satria sahirankirana ihany ny zokiolona sasany rehefa mandeha, dia tsara angamba raha isika mihitsy no mankany aminy, fa tsy miandry azy hanatona antsika. Raha tsy mahare tsara izy, dia mila miteny miadana sy manonona tsara angamba isika. Ary tsy maintsy mihaino tsara izay lazain’izy ireo koa isika, mba tena hisy “fifampaherezana.”​—Romanina 1:11, 12.

17. Ahoana no ampisehoantsika fa mihevitra izay hahasoa ny Kristianina zokiolona, izay tsy afaka mivoaka ny tranony, isika?

17 Inona no azo atao raha misy zokiolona tsy afaka manatrika fivoriana? Asehon’ny Jakoba 1:27 fa adidintsika “ny mikarakara ny kamboty sy ny vehivavy mpitondratena amin’ny fahoriany.” Ilay teny grika nadika hoe “mikarakara” dia midika koa hoe ‘mitsidika.’ (Asan’ny Apostoly 15:36) Ary tena ankasitrahan’ireo be taona tokoa ny fitsidihantsika azy! Tavela irery i Paoly, izay “efa antitra”, rehefa nigadra tany Roma tamin’ny taona 65 tany ho any. Naniry mafy hahita an’i Timoty mpiara-miasa taminy izy, ka nanoratra hoe: “Ataovy izay rehetra azonao atao mba hahatongavana haingana atỳ amiko.” (Filemona 9; 2 Timoty 1:3, 4; 4:9) Tsy hoe gadra ara-bakiteny akory ny zokiolona sasany, fa tsy afaka mivoaka ny tranony izy noho ny aretina mahazo azy. Toy ny milaza koa izy ireo hoe: ‘Mba ataovy izay rehetra azonareo atao hitsidihana ahy haingana.’ Mamaly izany fiangaviana izany ve isika?

18. Inona no soa azon’ny be taona avy amin’ny fitsidihantsika azy?

18 Aza hamaivanina mihitsy ny soa azon’ny rahalahy na anabavy be taona avy amin’ny fitsidihantsika azy. Nitady mafy an’i Paoly ilay Kristianina atao hoe Onesiforosy fony izy tany Roma. Ary rehefa nahita an’i Paoly izy, dia “nitondra famelombelomana matetika” ho azy. (2 Timoty 1:16, 17) “Tena tiako ny miaraka amin’ny tanora”, hoy ny anabavy iray be taona. “Ny tena mahafinaritra ahy, dia hoe raisin’izy ireo ho toy ny fianakaviany aho, ary tena mampahery ahy izany.” Ny Kristianina zokiolona iray hafa indray nilaza hoe: “Tena velom-pisaorana aho, rehefa misy mandefa taratasy kely ho ahy, na miantso ahy amin’ny telefaonina mandritra ny minitra vitsivitsy monja, na mitsidika ahy vetivety. Toy ny tsiotsio-drivotra mamelombelona mihitsy izany.”

Mamaly soa an’ireo mikarakara ny be taona i Jehovah

19. Inona avy no fitahiana azon’ireo mikarakara be taona?

19 Ahazoana fitahiana maro ny fikarakarana ny be taona. Tombontsoa tokoa ny miaraka amin’izy ireo sy ny hoe afaka mandray soa avy amin’ny fahalalany sy ny zavatra niainany. Sambatra kokoa ireo mikarakara ny zokiolona, satria manome. Mahatsiaro ho nahavita zavatra tsara koa izy ireo, sady miadan-tsaina, satria manefa ny adidiny, araka ny takin’ny Soratra Masina. (Asan’ny Apostoly 20:35) Ankoatra izany, dia tsy tokony hanahy mihitsy ny olona mikarakara ny be taona hoe tsy hisy hikarakara izy rehefa antitra. Manome toky antsika ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Izay manisy soa olona hohatavezina; ary izay mandena dia mba holemana kosa.”​—Ohabolana 11:25.

20, 21. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny olona mikarakara ny zokiolona, ary tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?

20 Homen’i Jehovah valisoa ny zanaka sy ny mpiandraikitra matahotra azy, ary ny Kristianina hafa, izay mazoto mikarakara ny zokiolona mpiray finoana aminy. Izany indrindra no asongadin’ity ohabolana ity: “Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an’i Jehovah, ary izay nomeny dia honerany kosa.” (Ohabolana 19:17) Raha atosiky ny fitiavana hiantra ny malahelo sy ny mahantra isika, dia toy ny mampisambotra an’Andriamanitra, ka fitahiana no anonerany izany. Homeny valisoa koa isika, satria mikarakara amim-pitiavana ny zokiolona mpiray finoana amintsika, izay “mahantra eo amin’izao tontolo izao” ny ankamaroany, fa ‘manankarena amin’ny finoana’ kosa.​—Jakoba 2:5.

21 Lehibe dia lehibe tokoa ny valisoa omen’Andriamanitra! Mampanantena fiainana mandrakizay mihitsy aza izy. Hiaina mandrakizay eto amin’ny tany paradisa ny ankamaroan’ny mpanompon’i Jehovah. Amin’izany andro izany, dia tsy hisy intsony ny vokatry ny fahotana nolovantsika avy tamin’i Adama, ary hatanjaka toy ny tamin’ny fahatanorany indray ny zokiolona mahatoky. (Apokalypsy 21:3-5) Eo am-piandrasana izany fotoam-pahasambarana izany, dia enga anie isika hanefa ny adidintsika kristianina, ka hikarakara ny zokiolona.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Misy soso-kevitra momba ny fikarakarana ray aman-dreny be taona ao amin’ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, pejy 173-182.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no hanajan’ny zanaka ny ray aman-dreniny be taona?

• Ahoana no ampisehoan’ny anti-panahy fa mankasitraka ny be taona eo anivon’ny andian’ondry izy ireo?

• Ahoana no ampisehoan’ny Kristianina tsirairay fa tena mihevitra izay hahasoa ny zokiolona izy?

• Inona avy no fitahiana azon’izay mikarakara ny Kristianina zokiolona?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 17]

Nila Fanampiana ny Ray Aman-dreniny

Mpiasa an-tsitrapo manao fanorenana i Philip. Teo am-perinasa tany Liberia izy tamin’ny 1999, ary reny fa narary mafy ny rainy. Fantany tsara fa tsy ho vitan’ny reniny irery ny hiatrika izany. Nody àry izy mba hikarakara ny fitsaboana an-drainy.

“Tsy mora ny niverina nody”, hoy i Philip, “nefa tsapako fa ny hikarakara ny ray aman-dreniko no adidiko voalohany indrindra.” Tao anatin’ireo telo taona nanaraka, dia nafindrany tao amin’ny trano tsara kokoa ny ray aman-dreniny, ary namboariny izy io mba hifanaraka amin’izay ilain’ilay rainy marary. Nisy Kristianina hafa koa nanampy azy tamin’izany.

Mora kokoa amin’ny renin’i Philip izao ny mikarakara ny vadiny. Ary vao haingana, dia nasaina hiasa an-tsitrapo any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Macédoine i Philip, ka afaka nanaiky izany.

[Efajoro, pejy 19]

Tsy Nataon’izy Ireo An-tsirambina ny Zavatra Nilainy

Narary mafy ka tsy afaka nivoaka ny tranony intsony i Ada, vehivavy kristianina 85 taona any Aostralia. Nikarakara ny fomba hanampiana azy àry ny anti-panahin’ny fiangonany. Nisy fandaharana natao mba hahafahan’ny mpiray finoana taminy hanampy azy. Faly izy ireo nanadio ny tranony, nanasa ny lambany, nahandro ny sakafony, ary niantsena ho azy koa.

Efa hatramin’ny folo taona no nisian’izany fanampiana izany, ary Vavolombelon’i Jehovah 30 mahery no efa nandray anjara tamin’ny fikarakarana an’i Ada. Mbola mitsidika azy foana izy ireo hatramin’izao, sady mamaky aminy ny boky sy gazety ara-baiboly. Tantarain’izy ireo aminy koa ny fandrosoana ataon’ny olona eo anivon’ny fiangonana, ary miara-mivavaka aminy tsy tapaka izy ireo.

Hoy ny anti-panahy iray: “Fifaliana ho an’ny olona mikarakara an’i Ada ny manampy azy. Nampahery olona be dia be ny fanompoana nataony tamim-pahatokiana nandritra ny taona maro, hany ka tsy nieritreritra ny hanao tsirambina ny zavatra nilainy mihitsy izy ireo.”

[Sary, pejy 16]

Tsy misalasala ve isika maneho ny fitiavantsika amin’ny ray aman-drenintsika efa be taona?

[Sary, pejy 18]

Ny Kristianina rehetra eo anivon’ny fiangonana, dia afaka mampiseho fitiavana ny zokiolona mpiray finoana aminy