Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Aoka Hiteha-tànana ny Riaka”

“Aoka Hiteha-tànana ny Riaka”

Ny Hakanton’ny Zavaboarin’i Jehovah

“Aoka Hiteha-tànana ny Riaka”

MBA mijere sarintanin’izao tontolo izao ange ianao e! Saika ahitana tsipika miolakolaka eny amin’ny tany maina rehetra, na tany lemaka izany, na tany efitra, na tany lava volo. Mamakivaky lohasaha sy hadilanana ary ala koa ireo tsipika ireo. (Habakoka 3:9) Tsy inona akory izy ireo fa renirano, izay azo lazaina hoe mamelona ny tanintsika. Mampiharihary amintsika izy ireny, fa hendry sy mahery i Jehovah, ilay namorona ny tany. Rehefa mandinika azy ireny isika, dia manjary miombom-pihetseham-po amin’ny mpanao salamo, izay nihira hoe: “Aoka hiteha-tànana ny riaka; aoka hiara-mihoby aminy koa ny tendrombohitra eo anatrehan’i Jehovah.”​—Salamo 98:8, 9. *

Hita teo amin’ny tantaran’ny olombelona foana ny renirano. Ny Baiboly dia miresaka renirano lehibe efatra nipoitra avy tamin’ny renirano iray, izay nivoaka avy tao Edena. (Genesisy 2:10-14) Tany amin’ny lohasaha lonaka amoron’ny renirano Tigra sy Eofrata, any Moyen-Orient, no niforona ny iray tamin’ireo firenena voalohany nandroso. Anisan’ny nampandroso firenena maro ny Renirano Hwang, any Chine, sy ny Renirano Gange sy Indus, any amin’ny faritra atsimon’i Azia, ary ny Renirano Nil, any Ejipta.

Tsy mahagaga àry raha nahazendana ny olona foana ny herin’ny renirano sy ny habeny ary ny hakantony. Tokony ho 6 670 kilaometatra ny halavan’i Nil, any Ejipta. I Amazone, any Amerika Atsimo, kosa no renirano lehibe indrindra eran-tany. Mahavariana tokoa ny renirano lehibe toy ireny. Tsara tarehy koa anefa ny renirano kely kokoa, anisan’izany ny Renirano Tone, any Japon. Tena kely izy io, nefa mikoriana haingana be.

Inona no mahatonga ny renirano hikoriana? Raha lazaina amin’ny teny tokana, dia ny sinton’ny tany. Izy io no misintona ny rano avy any amin’ny toerana ambony ho any ambany. Miteraka riandrano mitalakotrokotroka izany indraindray. Izao no ilazan’ny Baiboly izany hery sy hakanton’ny renirano izany: “Manandra-peo ny riaka, Jehovah ô, eny, manandra-peo ny riaka; mampirohondrohona ny feony ny riaka.”​—Salamo 93:3.

Nanontany an’i Joba, lehilahy tia azy, i Jehovah hoe: “Iza moa no nihady làlan-drano ho an’ny ranonorana mirotsaka be?” (Joba 38:25) Avy aiza tokoa moa ny rano? Manampy antsika hahalala ny valin’izany ny fahafantarana ny tsingerin’ny rano, izay tena mahavariana. Tsy mijanona amin’ny toerana iray mihitsy ny rano noho ny herin’ny masoandro sy ny sinton’ny tany. Miakatra eny amin’ny habakabaka izy, rehefa lasa etona. Mihamangatsiaka ilay etona avy eo, ary mitambatra ho rahona. Lasa orampanala na orana iny etona iny amin’ny farany, ka miverina eto an-tany. Lasa ranomasimbe, farihy, renirano, ary vongan-dranomandry ilay rano. Mankany ambanin’ny tany koa ny sasany.

Hoy ny Baiboly, momba io tsingerina hafakely io: “Ny renirano rehetra dia samy mankamin’ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin’izay falehan’ny renirano ihany no iverenany indray.” (Mpitoriteny 1:7) I Jehovah, ilay Andriamanitra manana fahendrena tsy hita lany sy miahy antsika, ihany no mahavita mampandeha io tsingerina io. Inona no toetrany hitantsika taratra avy amin’izany fahaizany izany? Andriamanitra tena hendry sy miahy antsika izy.​—Salamo 104:13-15, 24, 25; Ohabolana 3:19, 20.

Tena kely ny rano madio azon’ny olombelona avy amin’ny renirano, na dia lehibe sy maro aza izy ireny. Tena ilaina eo amin’ny fiainana anefa ny renirano. Hoy ny boky Rano (anglisy): “Raha tsy mahazo rano sy tsy mahay mampiasa azy io tsara ny olombelona, dia tsy hahazo ny zavatra ilainy eo amin’ny fiainana mihitsy, manomboka amin’ny zavatra madinika indrindra, ka hatramin’ny zavatra lehibe indrindra. Raha mandinika ny tantara isika, dia ho hitantsika fa nandroso ireo firenena nanao izay hahazoana rano, sy nahay nampiasa azy io tsara.”

Nandritra ny an’arivony taona, dia nahazo rano hosotroina sy afaka nanondraka ny zaridainany ny olona, noho ny renirano. Tena mahavokatra ny tany lonaka manamorona renirano. Izao no ilazana izany ao amin’ny andinin-teny iray miresaka ny fitahiana ho azon’ny mpanompon’i Jehovah: “Endrey ny hatsaran’ny lainao, ry Jakoba ô! Sy ny lasinao, ry Isiraely ô! Tahaka ny lohasaha malalaka, tahaka ny saha ao amoron’ony, tahaka ny hazo manitra nambolen’i Jehovah, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano.” (Nomery 24:5, 6) Manampy ny biby sasany ho velona koa ny renirano, toy ireo ganagana sy fosa hitanao eo amin’ny sary ireo. Raha mbola mianatra bebe kokoa momba ny renirano isika, dia vao mainka ho voatosika hidera an’i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Jereo ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2004, Mey/Jona.

[Efajoro/Sary, pejy 8]

Anisan’ny riandrano lehibe indrindra i Iguaçú, any amin’ny sisin-tany mampisaraka an’i Arzantina sy Brezila. Telo kilaometatra mahery ny sakany. Riandrano kely efa ho 300 no mahaforona an’i Iguaçú, ary ao anaty ala tropikaly mbola tsy simban’ny olona no misy azy. Rano efa ho 10 000 metatra toratelo isan-tsegondra no milatsaka eo aminy, amin’ny fahavaratra.

[Sary, pejy 9]

Renirano Tone, Japon