Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nahoana isika no mety hanao izay hampalahelo ny fanahy masin’Andriamanitra, nefa tsy olona izy io?

Ny apostoly Paoly no nanoratra hoe: “Aza manao izay hampalahelo ny fanahy masin’Andriamanitra.” (Efesianina 4:30) Misy mihevitra hoe olona ny fanahy masina, noho ireo teny ireo. Matetika anefa ny boky sy gazetin’ny “mpanompo mahatoky” no nanome porofo araka ny Soratra Masina sy ara-tantara, fa tsy noheverin’ny Kristianina voalohany ho olona ny fanahy masina. Tsy nihevitra koa izy ireo fa andriamanitra mitovy amin’ilay Avo Indrindra izy io, ka anisan’ilay antsoina hoe Andriamanitra telo izay iray. * (Lioka 12:42) Tsy nilaza àry i Paoly eo amin’io andininy io fa olona ny fanahy masina.

Hery tsy hita maso ampiasain’Andriamanitra ny fanahy masina. (Genesisy 1:2) Voalaza mialoha fa hanao batisa “amin’ny fanahy masina” i Jesosy, toy ny nanaovan’i Jaona batisa tamin’ny rano. (Lioka 3:16) “Feno fanahy masina” ny mpianatra 120 teo ho eo, tamin’ny Pentekosta taona 33. Mazava ho azy fa tsy feno olona izy ireo. (Asan’ny Apostoly 1:5, 8; 2:4, 33) Nanantena ny ho any an-danitra ireo olona voahosotra ireo, ka notarihin’ny fanahin’Andriamanitra mba hahatoky hatrany. (Romanina 8:14-17; 2 Korintianina 1:22) Nanampy azy ireo hamokatra voa nampifaly an’i Jehovah io fanahy io, ka nahafahan’izy ireo nanalavitra ny asa ratsin’ny nofo, izay mety hahatonga azy ireo tsy hahazo sitraka aminy intsony.​—Galatianina 5:19-25.

Tsy voahosotry ny fanahy masina isika, raha mpanompon’Andriamanitra manantena ny hiaina eto an-tany. Mitovy ihany anefa ny habetsahan’ny fanahy masin’Andriamanitra azontsika sy ireo manantena ny ho any an-danitra. Mety hampalahelo ny fanahy masina koa àry isika. Amin’ny fomba ahoana anefa?

Ny fanahy masina no nitarika ny fanoratana ny torohevitra ao amin’ny Soratra Masina. Raha tsy miraharaha ireny torohevitra ireny isika, dia mety hanomboka hanana toetra ratsy, ary mety hinia hanota amin’ny fanahy masina amin’ny farany. Tsy hahazo sitraka amin’i Jehovah intsony isika, ary ho ringana. (Matio 12:31, 32) Angamba mbola tsy manao fahotana lehibe isika amin’ny voalohany. Mety hanomboka hanao zava-dratsy anefa isika, ary mety hanohitra ny fitarihan’ny fanahy masina amin’ny farany. Hanao izay hampalahelo ny fanahy masina isika amin’izany.

Inona àry no tokony hataontsika, raha tsy tiantsika ny hanao izay hampalahelo ny fanahy masina? Tena mila tandremantsika ny eritreritsika sy ny zavatra ataontsika. Nampitandrina antsika ny apostoly Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Efesianina, eo amin’ny toko faha-4, mba tsy handainga, tsy hitana lolompo, tsy ho kamo, ary tsy hiteny ratsy. Inona no ho vokany, raha efa nitafy ny “toetra vaovao” isika, nefa mbola manao ireo zavatra ireo indray? Handika ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra, azo avy tamin’ny fanahy masina isika. Hampalahelo ny fanahy masina isika amin’izany.

Manoro hevitra antsika i Paoly eo amin’ny Efesianina toko faha-5, mba tsy ho liana amin’ny fijangajangana. Mampirisika antsika koa izy mba tsy hanana fitondran-tena mahamenatra na hanao vazivazy vetaveta. Raha tsy te hanao izay hampalahelo ny fanahy masina isika, dia tokony hitadidy an’io torohevitra io, rehefa mifidy fialam-boly. Tsy tokony ho liana amin’ireo zavatra voalaza etsy ambony ireo isika, ka hiresaka na hamaky momba azy ireo, na hijery azy ireo ao amin’ny tele na any an-kafa.

Mety hanao izay hampalahelo ny fanahy masina amin’ny fomba hafa koa anefa isika. Ny fanahin’i Jehovah, ohatra, no mampisy ny firaisan-tsaina eo anivon’ny fiangonana. Aoka anefa hatao hoe mifosa na manao izay hisian’ny fitokotokoana eo anivon’ny fiangonana isika. Tsy manohitra ny fitarihan’ny fanahy masina ve isika amin’izany? Hanao izay hampalahelo azy io isika, toy ireo olona nampisy fisaratsarahana teo anivon’ny fiangonan’i Korinto. (1 Korintianina 1:10; 3:1-4, 16, 17) Mampalahelo ny fanahy masina koa isika, raha minia manao izay tsy hanajan’ny hafa ireo lehilahy notendren’izy io eo anivon’ny fiangonana.​—Asan’ny Apostoly 20:28; Joda 8.

Hitantsika teo fa nitarika ny fanoratana ny torohevitra ao amin’ny Baiboly ny fanahy masina, sady miasa eo anivon’ny fiangonana. Noho izany, dia tokony hojerentsika raha manaiky ny fitarihan’izy io isika eo amin’ny zavatra eritreretintsika sy ataontsika. Aoka koa isika ‘hivavaka eo ambany fitarihan’ny fanahy masina’, sy hanaiky ny heriny. Aoka isika hanao zavatra mifanaraka amin’izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra hatrany. (Joda 20) Enga anie isika ho tapa-kevitra hatrany ny tsy hampalahelo ny fanahy masina, fa hanaiky hotarihiny, mba hanomezam-boninahitra ny anarana masin’i Jehovah.

Nilaza i Jesosy Kristy fa sarotra ny hidiran’ny mpanankarena ao amin’ilay Fanjakana, toy ny maha sarotra ny hidiran’ny rameva ao amin’ny vodifanjaitra. Rameva sy fanjaitra ara-bakiteny ve no noresahin’i Jesosy?

Mitovy ireo andinin-teny telo niresahan’i Jesosy momba izany. Izao, ohatra, no nolazainy, araka ny fitantaran’i Matio: “Mora kokoa ny hidiran’ny rameva ao amin’ny vodifanjaitra, noho ny hidiran’ny mpanan-karena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Matio 19:24) Mitovy amin’izany koa ny Marka 10:25, manao hoe: “Mora kokoa ny hidiran’ny rameva ao amin’ny vodifanjaitra, noho ny hidiran’ny mpanan-karena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.”

Misy boky milaza fa anarana niantsoana ny vavahady kely teo amin’ny iray amin’ireo vavahady lehiben’i Jerosalema io teny hoe “vodifanjaitra” io. Azo novahana ilay vavahady kely, raha nihidy ilay vavahady lehibe tamin’ny alina. Voalaza fa tafiditra teo amin’izy io ny rameva. Izany ve no tao an-tsain’i Jesosy?

Miharihary fa tsia. Fanjaitra ara-bakiteny no tao an-tsainy. Nisy fanjaitra taolana sy vy efa taloha be, hita tany amin’ny faritr’i Jerosalema, ka azo antoka fa anisan’ny fitaovana fampiasa tao an-tokantrano tamin’izany fotoana izany izy ireny. Vao mainka manamarina ny tian’i Jesosy holazaina ny Lioka 18:25, satria hoy koa izy io hoe: “Mora kokoa ny hidiran’ny rameva ao amin’ny vodifanjaitra, noho ny hidiran’ny mpanan-karena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.”

Maro ny mpanao diksionera no manaiky fa marina ilay dikan-teny hoe “vodifanjaitra” ampiasain’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Nalaina avy tamin’ny matoanteny grika midika hoe “manjaitra” ny teny grika hoe “fanjaitra” (rha·phisʹ) ao amin’ny Matio 19:24 sy Marka 10:25. Fanjaitra fampiasa amin’ny fandidiana kosa no tiana holazaina amin’ilay teny grika hoe “fanjaitra” (be·loʹne) ao amin’ny Lioka 18:25. Hoy ny Diksionerani Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao (anglisy): “Toa vao haingana vao nisy nieritreritra fa vavahady kely no tiana holazaina amin’ilay hoe ‘vodifanjaitra.’ Tsy misy porofo azo anamarinana anefa fa izany koa no dikan’izy io taloha. Ny tian’ny Tompo holazaina amin’ireo teny ireo dia hoe misy zavatra tsy ho azo atao mihitsy. Tsy tokony hohamaivanina àry izany, ka holazaina fa zavatra hafa no dikan’ilay teny hoe fanjaitra.”​—1981, Boky 3, pejy 106.

Misy milaza fa tokony hadika hoe “tady” ilay hoe “rameva.” Mitovitovy mantsy ny teny grika midika hoe tady (kaʹmi·los) sy ny hoe rameva (kaʹme·los). Ilay teny grika midika hoe “rameva” anefa, fa tsy ilay hoe “tady”, no hita ao amin’ny Matio 19:24, ao amin’ireo sora-tanana grika tranainy indrindra amin’ny Filazantsaran’i Matio (ny Sinaiticus sy ny Vaticanus No. 1209 ary ny Alexandrinus). Voalaza fa nosoratan’i Matio tamin’ny teny hebreo ny Filazantsarany tamin’ny voalohany, ary toa izy ihany no nandika azy io tamin’ny teny grika tatỳ aoriana. Fantany tsara àry izay nolazain’i Jesosy, ka nampiasa ny teny mety izy.

Fanjaitra sy rameva ara-bakiteny àry no tian’i Jesosy holazaina. Nampiasa azy ireo izy mba hanamafisana fa misy zavatra tsy ho azo atao mihitsy. Te hiteny ve anefa i Jesosy fa tsy hisy mpanankarena ho afaka hiditra ao amin’ilay Fanjakana mihitsy? Tsia, satria tsy natao horaisina ara-bakiteny ny tenin’i Jesosy. Nampiasa fampitomboana fomba filaza izy tamin’ireo andininy ireo. Ny tiany holazaina dia hoe toy ny tsy hahafahan’ny rameva miditra ao amin’ny vodifanjaitra, dia tsy ho tafiditra ao amin’ilay Fanjakana mihitsy ny olona mpanankarena, raha mbola tsy mahafoy ny harenany, ary tsy i Jehovah no voalohany eo amin’ny fiainany.​—Lioka 13:24; 1 Timoty 6:17-19.

Nilaza izany i Jesosy rehefa nisy filoha tanora iray nanan-karena, nanda ny tombontsoa lehibe ho tonga mpanara-dia azy. (Lioka 18:18-24) Tsy afaka manantena ny hiaina mandrakizay eo ambany fitondran’ilay Fanjakana, ny mpanankarena tia kokoa ny fananany noho ny fanompoana an’Andriamanitra. Na izany aza, dia nisy mpanankarena lasa mpianatr’i Jesosy. (Matio 27:57; Lioka 19:2, 9) Afaka mahazo ny famonjen’Andriamanitra àry ny mpanankarena, izay mahatsapa fa mila azy, ka mangataka ny fanampiany.​—Matio 5:3; 19:16-26.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Jereo ny bokikely Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.