Inona no Atao Raha Te ho Ela Velona sy ho Sambatra?
Inona no Atao Raha Te ho Ela Velona sy ho Sambatra?
MISY olona milaza hoe te ho ela velona daholo ny rehetra, nefa tsy misy te ho antitra. Tsy andrin’ny olona maro efa hisotro ronono ny hananany fotoana betsaka kokoa sy hihenan’ny andraikiny. Matahotra anefa izy ireo sao tsy hanana zava-kendrena intsony, ary sao tsy hisy ilana azy intsony. Matahotra koa izy sao ho lasa manirery sy tsy sambatra ary marary.
Ahoana àry no ananana fiainana sambatra? Samy mahasambatra ny tanora sy ny antitra ny namana tsara sy ny fianakaviana be fitiavana. Tsy izay ataon’ny hafa ho an’ny zokiolona anefa no tena mahasoa azy, fa izay ataony ho an’ny hafa.
Hita tamin’ny fandinihana naharitra fotoana lava, natao tamin’ny mpivady zokiolona niisa 423, fa “mety ho ela velona kokoa isika raha manampy ny olon-kafa.” Nanazava momba izany i Stephanie Brown, izay anisan’ny nanao io fandinihana io. Hoy izy: “Hita tamin’io fandinihana io, fa tsy izay zavatra ataon’ny hafa ho antsika no tena mitondra soa ho antsika, fa izay ataontsika ho azy.” Mety ho voafaoka amin’izany ny fanampiana azy amin’ny raharaha ao an-trano, fiambenana ny zanany, fandehanana mikarakara zavatra ho azy, fitondrana azy amin’ny fiara, na fihainoana azy rehefa te hiresaka izy.
Hoy i Jesosy Kristy, 2 000 taona lasa izay: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Tsy mahela velona sy mahasambatra ny olona ny fananany vola be any amin’ny banky, na ny fitsaboany tena mba ho tanora lalandava, na ny fitandremany ny sakafo haniny. Ela velona sy sambatra kosa izy, raha manao zavatra foana, sy manome ny fotoanany sy ny heriny mba hahasoa ny hafa.
Tsy mahafoana ny fahanterana sy ny aretina ary ny fahafatesana anefa ny fanampiana ny hafa. Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hahavita izany. Ho foana ny aretina rehefa hitondra izy io, ary ‘tsy hisy intsony’ na dia ny fahafatesana aza. (Apokalypsy 21:3, 4; Isaia 33:24) Hiaina mandrakizay sy ho sambatra ao amin’ny paradisa eto an-tany ny olombelona mankatò. (Lioka 23:43) Faly ny Vavolombelon’i Jehovah, satria afaka nampahafantatra ny olona an’izany zavatra tokony hatao izany, raha te ho ela velona sy ho sambatra.