Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sarobidy Amin’ny Fianakavian’ny Mpirahalahy Kristianina ny Zokiolona

Sarobidy Amin’ny Fianakavian’ny Mpirahalahy Kristianina ny Zokiolona

Sarobidy Amin’ny Fianakavian’ny Mpirahalahy Kristianina ny Zokiolona

“Efa nambolena tao an-tranon’i Jehovah izy ka maniry . . . mbola manorobona ihany izy, na dia efa antitra aza.”​—SALAMO 92:13, 14.

1. Ahoana no fiheveran’ny olona maro ny zokiolona?

TIAN’I Jehovah ny mpanompony mahatoky rehetra, anisan’izany ireo be taona. Araka ny tatitra azo anefa, dia zokiolona 500 000 eo ho eo isan-taona no ampijalina na tsy misy miraharaha, any Etazonia. Izany koa no miseho any an-tany hafa, ka hita tokoa fa olana eran-tany ny fampijaliana ny zokiolona. Milaza ny fikambanana iray fa ny tena anton’izany, dia satria ‘mihevitra ny olona maro fa tsy misy ilana azy intsony ny zokiolona, sady tsy mahavita na inona na inona, ary diso miantehitra loatra amin’ny hafa.’

2. a) Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny zokiolona manompo azy amim-pahatokiana? b) Inona no teny mampahery hitantsika ao amin’ny Salamo 92:12-15?

2 Sarobidy amin’i Jehovah Andriamanitra anefa ny zokiolona manompo azy amim-pahatokiana. Ny ‘tenantsika anaty’ no tena ifantohany, izany hoe ny maha izy antsika, fa tsy izay tsy vitantsika akory. (2 Korintianina 4:16) Manome toky sy mampahery antsika toy izao ny Teniny: “Ny marina hamololona tahaka ny rofia; hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy; efa nambolena tao an-tranon’i Jehovah izy ka maniry eo an-kianjan’Andriamanitsika; mbola manorobona ihany izy, na dia efa antitra aza; dofodofotra sy maitso izy, mba hanambara fa mahitsy Jehovah.” (Salamo 92:12-15) Hamakafaka ireo andinin-teny ireo isika, ka ho hitantsika fa afaka mitondra soa be dia be ho an’ny fianakavian’ny mpirahalahy kristianina ianareo zokiolona.

‘Mandrobona na dia efa antitra aza’

3. a) Nahoana no oharina amin’ny palmie ny marina? b) Ahoana no ahafahan’ny zokiolona ‘mandrobona na dia efa antitra aza’?

3 Oharin’ny mpanao salamo amin’ny rofia na palmie ‘maniry eo an-kianjan’Andriamanitra’ ny marina. ‘Mandrobona ihany izy ireo, na dia efa antitra aza.’ Ny Baiboly Katolika kosa milaza hoe: “Mbola hamoa izy amin’ny fahanterany.” Tsy mampahery anareo ve izany hevitra izany? Fahita teny amin’ny tokotanin’ny olona fahiny tany Orient, ny hazo palmie tsara tarehy sy mahitsy. Nandravaka ny tanàna izy ireny, nefa koa tena tian’ny olona satria namokatra be. Namoa nandritra ny zato taona mahery mihitsy aza ny hazo sasany. * ‘Hahavokatra hatrany amin’ny asa tsara rehetra’ toy izany koa ianareo, raha mifototra tsara hatrany amin’ny fivavahana marina.​—Kolosianina 1:10.

4, 5. a) Inona no tena ilain’ny Kristianina hovokarina? b) Milazà olona efa be taona resahin’ny Soratra Masina, fa namokatra ny “vokatry ny molotra.”

4 Antenain’i Jehovah ny hamokaran’ny Kristianina “ny vokatry ny molotra”, izany hoe teny fiderana azy sy ny fikasany. (Hebreo 13:15) Takina aminareo zokiolona koa ve izany? Izany tokoa.

5 Ny Baiboly dia mirakitra tantaran’olona efa be taona, izay tsy natahotra nitory ny anaran’i Jehovah sy ny fikasany. Efa “fito-polo taona” mahery, ohatra, i Mosesy rehefa notendren’i Jehovah ho mpaminany sy ho solontenany. (Salamo 90:10; Eksodosy 4:10-17) Tsy natahotra nitory momba ny zon’i Jehovah hitondra koa i Daniela mpaminany, na dia efa antitra aza. Sivifolo taona tany ho any angamba izy, rehefa nampanantsoin’i Belsazara mba hanazava ny dikan’ilay sora-tanana nahagaga teny amin’ny rindrina. (Daniela toko faha-5) Ary ahoana ny amin’ny apostoly Jaona be taona, izay nanompo an’i Jehovah hatry ny ela? Nigadra tany amin’ny nosy Patmo izy taloha kelin’ny nahafatesany, “satria niresaka ny amin’Andriamanitra sy vavolombelona nanambara an’i Jesosy.” (Apokalypsy 1:9) Azo inoana fa tadidinareo koa ireo olona maro hafa efa be taona resahin’ny Baiboly, fa namokatra “ny vokatry ny molotra.”​—1 Samoela 8:1, 10; 12:2; 1 Mpanjaka 14:4, 5; Lioka 1:7, 67-79; 2:22-32.

6. Ahoana no ampiasan’i Jehovah ny “lahiantitra” mba haminany amin’izao andro farany izao?

6 Namerina ny tenin’i Joela mpaminany hebreo ny apostoly Petera, rehefa niteny hoe: “‘Amin’ny andro farany’, hoy Andriamanitra, ‘dia handatsahako ampahany amin’ny fanahiko ny karaza-nofo rehetra [anisan’izany ny “lahiantitra”], . . . ka haminany.’” (Asan’ny Apostoly 2:17, 18; Joela 3:1) Tanteraka amin’izao andro farany izao izany, satria ampiasain’i Jehovah mba hanambara ny fikasany ny zokiolona eo anivon’ireo voahosotra sy ny “ondry hafa.” (Jaona 10:16) Ary efa am-polony taona no namokaran’ny sasany ny vokatr’ilay Fanjakana.

7. Hazavao amin’ny ohatra fa mbola mamokatra ny vokatr’ilay Fanjakana ihany ny be taona, na dia efa osa aza.

7 Lasa mpitory ilay Fanjakana manontolo andro, ohatra, i Sonia, tamin’ny 1941. Nampianatra tsy tapaka ny Baiboly tao an-tranony izy, na dia niady hatry ny ela tamin’ny aretina nitaiza azy aza. Hoy i Sonia: “Ampahany amin’ny fiainako ny fitoriana ny vaovao tsara. Efa fiainako mihitsy aza izy io, raha ny marina. Ary tsy hanaiky hisotro ronono mihitsy aho amin’io asa io.” Vao haingana, dia nifankahita tamin’i Janet tao amin’ny efitrano fiandrasana, tany amin’ny hopitaly i Sonia sy Olive rahavaviny. Narary mafy efa ho faty i Janet, ary niresaka taminy momba ny fanantenana omen’ny Baiboly izy mirahavavy. Nanohina ny fon’ny renin’i Janet, izay Katolika hiringiriny, izany fiahiana tamim-pitiavana izany. Nanaiky hianatra Baiboly àry izy, ary tena mandroso tsara izy izao. Afaka manararaotra ny toe-javatra toy izany koa ve ianareo, mba hamokarana ny vokatr’ilay Fanjakana?

8. Ahoana no nampisehoan’i Kaleba fa natoky an’i Jehovah izy na dia efa antitra aza, ary ahoana no anahafan’ny Kristianina zokiolona azy?

8 Manahaka an’ilay Israelita nahatoky atao hoe Kaleba ny Kristianina be taona, rehefa be herim-po ka manohy mitory ilay Fanjakana, na dia tsy mahavita firy intsony aza izy ireo. Nanaraka an’i Mosesy tany an’efitra nandritra ny efapolo taona i Kaleba. Sivy amby fitopolo taona izy, rehefa nita ny Reniranon’i Jordana ka niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Miaramila tao amin’ny tafik’Israely i Kaleba, nandritra ny enin-taona. Ary nandresy foana ny Israely tamin’izay. Azon’i Kaleba natao ny nipetrapetraka taorian’izay, satria efa be no vitany. Tsy izany anefa no nataony, fa naneho herim-po kosa izy, ka nangataka hanao asa sarotra iray. Nangataka izy mba handeha hamabo ireo “tanàna lehibe mimanda” teny amin’ny tendrombohitr’i Joda, faritra nipetrahan’ireo Anakita goavambe. Nampian’i Jehovah i Kaleba, ka ‘naharoaka azy ireo, araka izay nolazain’i Jehovah.’ (Josoa 14:9-14; 15:13, 14) Matokia fa toy ny tamin’i Kaleba, dia homba anareo zokiolona koa i Jehovah, raha manohy mamokatra ny vokatr’ilay Fanjakana ianareo. Ary homeny toerana ao amin’ilay tontolo vaovao nampanantenainy ianareo, raha tsy mivadika.​—Isaia 40:29-31; 2 Petera 3:13.

Ho “dofodofotra sy maitso” foana izy ireo

9, 10. Inona no manampy ny Kristianina be taona mba hatanjaka amin’ny finoana sy harisika hatrany amin’ny fanompoana? (Jereo ny efajoro ao amin’ny pejy 13.)

9 Nasongadin’ny mpanao salamo fa hamokatra be ny zokiolona mpanompon’i Jehovah, rehefa nihira izy hoe: “Ny marina hamololona tahaka ny rofia; hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy; mbola manorobona ihany izy, na dia efa antitra aza; dofodofotra sy maitso izy.”​—Salamo 92:12, 14.

10 Inona no hahatonga anareo harisika hatrany amin’ny fanompoana, na dia efa mandroso taona aza ianareo? Miankina amin’ny fahampian’ny rano madio azony, no mahakanto hatrany ny palmie. Afaka mitondra hery ho anareo toy izany koa ny ranon’ny fahamarinana ara-baiboly, raha mianatra ny Tenin’Andriamanitra sy mifandray amin’ny fandaminany ianareo. (Salamo 1:1-3; Jeremia 17:7, 8) Sarobidy amin’ny mpiray finoana aminareo ianareo, satria marisika amin’ny fanompoana. Manaporofo izany ny tantaran’i Joiada, mpisoronabe efa zokiolona.

11, 12. a) Hazavao fa nandray anjara lehibe teo amin’ny tantaran’ny fanjakan’i Joda i Joiada. b) Ahoana no nampiasan’i Joiada ny fahefany mba hampandrosoana ny fivavahana marina?

11 Zato taona mahery angamba i Joiada, rehefa nandrombaka ny fahefana tao Joda i Atalia Mpanjakavavy fatra-paniry laza, ary namono ireo zafikeliny mba hahavitana izany. Inona àry no nataon’i Joiada? Nafenin’izy sy ny vadiny tao amin’ny tempoly nandritra ny enin-taona i Joasy, izay sisa tsy maty tamin’ny tarana-mpanjaka. Rehefa fito taona i Joasy, dia nambaran’i Joiada tampoka fa io zazalahy io no mpanjaka, ary nasainy novonoina i Atalia.​—2 Tantara 22:10-12; 23:1-3, 15, 21.

12 Mpiaro ny mpanjaka i Joiada, ary nampiasa izany fahefany izany mba hampandrosoana ny fivavahana marina. ‘Nampanaoviny fanekena ny vahoaka rehetra sy ny mpanjaka mbamin’ny tenany mba ho olon’i Jehovah.’ Nanome baiko ny vahoaka i Joiada, ka nandrava ny tranon’ilay andriamani-diso atao hoe Bala izy ireo, sady nandrava ny alitarany sy ny sariny ary namono ny mpisorony. I Joiada koa no nitari-dalana an’i Joasy, rehefa namerina ny fanompoana tao amin’ny tempoly izy sady nanao ny fanamboarana lehibe nilaina natao tamin’izy io. Ary “nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah” foana i Joasy “tamin’ny androny rehetra izay nanoloran’i Joiada mpisorona saina azy.” (2 Tantara 23:11, 16-19; 24:11-14; 2 Mpanjaka 12:3) Nomem-boninahitra lehibe àry i Joiada, rehefa maty teo amin’ny faha-130 taonany. Niara-nalevina tamin’ny mpanjaka mantsy izy, satria “nanao soa teo amin’ny Isiraely ary tamin’Andriamanitra sy ny tranony koa.”​—2 Tantara 24:15, 16.

13. Ahoana no ahafahan’ny Kristianina be taona ‘manao soa amin’Andriamanitra sy ny tranony’?

13 Voafetra angamba ny zavatra azonao atao mba hampandrosoana ny fivavahana marina, noho ianao tsy salama tsara na noho ny antony hafa. Mbola afaka ‘manao soa amin’Andriamanitra sy ny tranony’ anefa ianao. Afaka maneho zotom-po ho an’ny tranon’i Jehovah ianao, rehefa manatrika ny fivorian’ny fiangonana sy mandray anjara amin’izy ireny, ary mandeha manompo eny amin’ny saha rehefa afaka. Hampahery ny fianakavian’ny mpirahalahy kristianina ianao, raha mandray tsara ny torohevitry ny Baiboly, sady manohana hatrany ny “mpanompo mahatoky sy malina” ary ny fiangonana. (Matio 24:45-47) Azonao atao koa ny ‘mandrisika’ ny mpiray finoana aminao “ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara.” (Hebreo 10:24, 25; Filemona 8, 9) Hitondra soa ho an’ny hafa koa ianao, raha manaraka izao torohevitra omen’ny apostoly Paoly izao: “Aoka ny lehilahy zokiolona hahay handanjalanja, ho mato-tsaina, hisaina, hatanjaka amin’ny finoana sy ny fitiavana, ary hampiseho faharetana. Aoka koa ny vehivavy zokiolona hanana fitondran-tena mendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika na handevozin’ny divay be, fa ho mpampianatra zavatra tsara kosa.”​—Titosy 2:2-4.

14. Inona no azon’ny mpiandraikitra zokiolona atao mba hampandrosoana ny fivavahana marina?

14 Efa aman-taonany ve no naha anti-panahy anao? Manoro hevitra toy izao ny anti-panahy iray efa hatramin’ny ela: “Aza hazonina ho anao samirery ny fahendrena nangoninao. Omeo andraikitra ny hafa, ary ampitaho amin’ny olona vonona hianatra ny zavatra nianaranao . . . Miezaha hamantatra ny zavatra mety ho hain’ny hafa, ary ampio izy ireo hampitombo izany fahaizany izany. Omano ny hoavy.” (Deoteronomia 3:27, 28) Raha tena irinao ny itaran’ny asa fitoriana, dia handray fitahiana maro be ny olon-kafa anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy kristianina.

‘Ambarao fa mahitsy i Jehovah’

15. Ahoana no anambaran’ny Kristianina zokiolona fa mahitsy i Jehovah?

15 Mahafaly ny be taona mpanompon’Andriamanitra ny manefa ny adidiny “hanambara fa mahitsy Jehovah.” Raha Kristianina zokiolona ianao, dia azonao aseho amin’ny teninao sy ny ataonao fa ‘Vatolampinao tsy misy tsiny i Jehovah.’ (Salamo 92:15) Mitory ny toetra faran’izay tsara ananan’ny Mpamorona ny palmie, na dia tsy miloa-bava aza. Ianao kosa anefa manana tombontsoa hiresaka momba azy amin’ireo olona vao nanaiky ny fivavahana marina. (Deoteronomia 32:7; Salamo 71:17, 18; Joela 1:2, 3) Nahoana izany no zava-dehibe?

16. Inona no ohatra ao amin’ny Baiboly, izay mampiseho fa ilaina ‘hambara ny fahitsian’i Jehovah’?

16 Rehefa “zoki-olona sady nandroso fahanterana” i Josoa, dia ‘nantsoiny ny Israely rehetra, dia ny loholony sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy.’ Nampahatsiahiviny azy ireo ny fomba nampisehoan’Andriamanitra ny fahitsiany. Hoy izy: “Tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra, izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra.” (Josoa 23:1, 2, 14) Nahatonga ny Israelita ho tapa-kevitra tsara ny tsy hivadika ireo teny ireo. Nony maty anefa i Josoa, dia nisy “taranaka hafa, izay tsy nahalala an’i Jehovah, na ny asa efa nataony ho an’ny Isiraely . . . Ary nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah ny Zanak’Isiraely, fa nanompo ireo Bala.”​—Mpitsara 2:8-11.

17. Inona no nataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany amin’izao androntsika izao?

17 Tsy miankina amin’izay lazain’ny Kristianina zokiolona momba an’Andriamanitra ny tsy fivadihan’ny fiangonana ankehitriny. Kanefa, manjary matoky kokoa an’i Jehovah sy ny fampanantenany isika, rehefa mahare ny fitantaran’ireo olona nahita maso ny “asa lehibe” nataony ho an’ny vahoakany amin’izao andro farany izao. (Mpitsara 2:7; 2 Petera 1:16-19) Raha efa hatramin’ny taona maro ianao no tao amin’ny fandaminan’i Jehovah, dia tadidinao angamba fa vitsy kely ny mpitory ilay Fanjakana tao amin’ny faritra na firenena nisy anao, na notoherina mafy ny fitoriana. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia hitanao ny nanesoran’i Jehovah ny vato nisakana sasany sy ny ‘nanafainganany’ ny fitomboan’ny isan’ny mpitory. (Isaia 54:17; 60:22) Voamarikao koa fa nihanazava ireo fahamarinana ara-baiboly, ary hitanao ny fanatsarana miandalana ny fandaminan’Andriamanitra eto an-tany. (Ohabolana 4:18; Isaia 60:17) Miezaka hampahery ny hafa ve ianao, ka mitantara aminy ny zavatra niainanao izay mampiseho ny fahitsian’i Jehovah? Azo antoka fa handrisika sy hampahery ny fianakavian’ny mpirahalahy kristianina izany!

18. a) Manomeza ohatra hampisehoana fa misy vokany maharitra ny ‘fanambarana ny fahitsian’i Jehovah.’ b) Efa nahatsapa mivantana ny fahitsian’i Jehovah ve ianao teo amin’ny fiainanao? Hazavao.

18 Ary ahoana ny amin’ireo fotoana nahatsapanao hoe niahy anao tamim-pitiavana i Jehovah, sady nitari-dalana anao? (Salamo 37:25; Matio 6:33; 1 Petera 5:7) Fahazaran’i Martha, anabavy iray zokiolona, ny mampahery ny hafa ka milaza amin’izy ireo hoe: “Na inona na inona mitranga, dia aza miala amin’i Jehovah mihitsy, fa hanampy anao izy.” Nomeny izany torohevitra izany i Tolmina, vehivavy iray nampianariny Baiboly sy natao batisa tany am-piandohan’ireo taona 1960. Nisy vokany lehibe teo amin’i Tolmina izany tenin’i Martha izany. Hoy izy: “Kivy be aho rehefa maty ny vadiko. Ireo tenin’i Martha ireo anefa dia nahatonga ahy ho tapa-kevitra ny tsy hanapaka na dia fivoriana iray aza. Ary tena nanome hery ahy i Jehovah mba hanohizako hanompo azy.” Nampitain’i Tolmina tamin’ny olona nampianariny Baiboly koa ilay torohevitra azony. Koa tena afaka manatanjaka ny finoan’ny Kristianina hafa àry ianareo, rehefa mampahery azy ireo sy mitantara aminy ny fomba nampisehoan’Andriamanitra ny fahitsiany.

Sarobidy amin’i Jehovah ireo zokiolona mahatoky

19, 20. a) Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny asa ataon’ireo zokiolona mpanompony? b) Inona no hovelabelarina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Tsy miraharaha firy ny zokiolona ny olona eto amin’ity tontolo tsy mahay mankasitraka ity. (2 Timoty 3:1, 2) Ary raha tsarovana aza izy ireo, dia noho ny zava-bitany fahiny, fa tsy noho ny zavatra ataony ankehitriny. Ny Baiboly kosa anefa manambara hoe: ‘Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany, tamin’ny nikarakaranareo sady mbola ikarakaranareo ny olona masina.’ (Hebreo 6:10) Marina aloha fa tsaroan’i Jehovah Andriamanitra ny zava-bitanareo taloha teo amin’ny fanompoana azy. Sarobidy aminy koa anefa ianareo, noho izay ataonareo ankehitriny eo amin’ny fanompoana azy. Aminy, dia mbola mamokatra sy manana finoana matanjaka ary Kristianina mavitrika ireo zokiolona mahatoky. Porofoin’ny fiainan’izy ireo fa lehibe tokoa ny herin’i Jehovah.​—Filipianina 4:13.

20 Mitovy amin’ny fiheveran’i Jehovah ny Kristianina be taona ve ny fiheveranao azy ireo? Ho voatosika haneho fitiavana azy ireny ianao, raha izany no izy. (1 Jaona 3:18) Hovelabelarina ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe ahoana no anehoana izany fitiavana izany, ka ikarakarana izay ilain’izy ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Mety hahatratra arivo ny voana palmie amin’ny sampany tsirairay, ary mety hilanja valo kilao na mahery. Araka ny vinavinan’ny mpanoratra iray, dia ‘mahazo voana palmie roa na telo taonina eo ho eo ny mpamboly mandra-pahafatin’ilay hazo.’

Ahoana no Havalinao?

• Inona no azon’ny zokiolona vokarina?

• Nahoana no sarobidy ny faharisihan’ny Kristianina be taona amin’ny fanompoana?

• Ahoana no ahafahan’ny zokiolona “hanambara fa mahitsy i Jehovah”?

• Nahoana no sarobidy amin’i Jehovah ny olona manompo azy hatry ny ela?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 13]

Nahoana Izy Ireo no Mbola Matanjaka Amin’ny Finoana Foana?

Inona no mahatonga ny Kristianina be taona hatanjaka hatrany amin’ny finoana sy harisika foana amin’ny fanompoana? Hoy ny sasany tamin’izy ireo:

“Tena ilaina ny mamaky andinin-teny manasongadina ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Saika isan’alina aho, dia mamerina tsianjery ny Salamo faha-23 sy faha-91.”​—Olive, natao batisa tamin’ny 1930.

“Ataoko izay hanatrehana ny lahatenin’ny batisa rehetra. Mihaino tsara aho amin’izay, ka toy ny hoe izaho mihitsy no hatao batisa. Tena manampy ahy tsy hivadika ny fitadidiako tsara ny fanoloran-tenako tamin’i Jehovah.”​—Harry, natao batisa tamin’ny 1946.

“Zava-dehibe ny mivavaka isan’andro, sy mangataka fanampiana sy fiarovana ary fitahiana amin’i Jehovah, izany hoe ‘manaiky Azy amin’ny alehantsika rehetra.’” (Ohabolana 3:5, 6)​—Antônio, natao batisa tamin’ny 1951.

“Vao mainka aho tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’i Jehovah, rehefa mihaino ny fitantaran’ireo mpanompony mahatoky hatramin’ny taona maro.”​—Joan, natao batisa tamin’ny 1954.

“Tsy tokony hihevi-tena ho zavatra isika, satria izay rehetra ananantsika, dia noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra. Raha mihevitra toy izany isika, dia hitady sakafo ara-panahy foana any amin’ny tena loharanon’izy io, mba ho afaka hiaritra hatramin’ny farany.”​—Arlene, natao batisa tamin’ny 1954.

[Sary, pejy 11]

Sarobidy ny vokatr’ilay Fanjakana vokarin’ny zokiolona

[Sary, pejy 14]

Sarobidy ny faharisihan’ny zokiolona amin’ny fanompoana an’i Jehovah