Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampy ve ny Tsy Manisy Ratsy Olona?

Ampy ve ny Tsy Manisy Ratsy Olona?

Ampy ve ny Tsy Manisy Ratsy Olona?

“AZA atao amin’ny olona izay tsy tianao hatao aminao.” I Confucius, mpampianatra sady filozofa sinoa nalaza, no nilaza io fitsipi-pitondran-tena io, tokony ho 2 500 taona lasa izay. Mbola maro ankehitriny no mino fa olo-marina izay tsy manisy ratsy ny hafa.

Azo antoka fa misy maha tsara azy io toro lalan’i Confucius io. Mampiharihary lafiny hafa amin’ny toetran’ny olombelona sy ny fifandraisany amin’ny hafa koa anefa ny Baiboly. Resahiny fa fahotana ny manao ny tsy mety amin’ny mpiara-belona, nefa fahotana koa ny tsy manao ny tokony hatao aminy. Hoy i Jakoba, mpianatra kristianina: “Raha misy mahafantatra izay tokony hataony, nefa tsy manao, dia fahotana ho azy izany.” (Jakoba 4:17) Nampianatra ny Kristianina mba tsy hanisy ratsy olona i Jesosy Kristy. Nanome izao torohevitra izao koa anefa izy: “Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo . . ., dia mba ataovy aminy koa.”​—Matio 7:12.

Izao no fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany: Hifampitondra araka izay tiany hitondrana ny tenany ny olona rehetra. Izy no modely tsara indrindra raha ny amin’ny fiahiana izay hahasoa ny hafa. Hita izany rehefa namorona ny olombelona izy. Hoy ny Baiboly: “Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.” (Genesisy 1:27) Midika izany fa nomen’Andriamanitra feon’ny fieritreretana ny olombelona. Raha voaofana tsara izy io, dia hanampy azy hitondra ny hafa araka izay tiany hitondrana ny tenany.

Tsy miraharaha ny hafa sady tia tena ny olona ankehitriny, ka maro no very fanantenana sy tsy mba misy mpanampy. Midika izany fa ilaina ny tsy manisy ratsy olona, nefa ilaina koa ny manao ny tsara sy manampy azy. Izany no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy an-tsitrapo ny olona, mba hianatra momba ireo fanantenana faran’izay tsara hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tia ny mpiara-monina aminy izy ireo, ka mitondra any aminy izany vaovao tsara izany. Mitondra ny hafa araka izay tiany hitondrana ny tenany izy amin’izany.