Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Lakalin’ny Tranomaizina ka Nanketo Alpes eto Soisa

Avy Amin’ny Lakalin’ny Tranomaizina ka Nanketo Alpes eto Soisa

Tantaram-piainana

Avy Amin’ny Lakalin’ny Tranomaizina ka Nanketo Alpes eto Soisa

NOTANTARAIN’I LOTHAR WALTHER

Tsy andriko izay hahafaka ahy sy hankafizako ny fiarahana mafana tamin’ny fianakaviako, rehefa avy nandany telo taona tany amin’ny tranomaizin’i Alemaina Atsinanana kominista aho.

TSY nampoiziko kosa ilay hagagana nisoritra teny amin’ny tarehin’i Johannes, zanako lahy kely enin-taona, raha vao nahita ahy. Telo taona mantsy no tsy nahitany ahy ka toy ny olona tsy fantany mihitsy aho.

Nankafy fiarahana feno fitiavana tamin’ny ray aman-dreniko aho, fa tsy mba toy izany kosa ny zanako. Nisy rivo-piainana nahafinaritra nanjaka tao an-tranonay tany Chemnitz, any Alemaina, izay toerana nahaterahako tamin’ny 1928. Tsy nanafina mihitsy ny tsy fitiavany fivavahana i Dada. Tadidiny fa samy nirary “Krismasy Sambatra” ho an’ny mpifanandrina taminy avy ny miaramila “kristianina” nandritra ny Ady Lehibe I, rehefa tonga ny 25 Desambra. Nanohy nifamono indray anefa izy ireo ny ampitson’io. Ho an’i Dada, dia ny fivavahana no endrika ratsy indrindra isehoan’ny fihatsarambelatsihy.

Nitarika ho amin’ny finoana ny fahadisoam-panantenana

Soa ihany fa tsy mba diso fanantenana toy izany aho. Nifarana ny Ady Lehibe II tamin’izaho 17 taona, ka tsy voantso ho miaramila aho. Nanahiran-tsaina ahy anefa ny fanontaniana sasany, toy ny hoe: ‘Inona no anton’ireny famonoana rehetra ireny? Iza no azoko itokisana? Aiza no ahitako ny tena filaminan-tsaina?’ Nanjary teo ambany fitondrana sovietika i Alemaina Atsinanana izay nisy anay. Nisarika an’ireo nahita faisana noho ny ady ny filamatry ny Kominista momba ny rariny, ny fitovian-jo, sy ny firaisan-kina, ary ny fifandraisana tsara amin’ny hafa. Tsy ela dia diso fanantenana koa ireny olona tso-po ireny, tsy noho ny fivavahana fa noho ny politika.

Niresaka tamiko momba ny finoany ny nenitoako izay Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny fotoana nitadiavako valiny mazava tamin’ireo fanontaniako. Nomeny boky ara-baiboly izay nanosika ahy hamaky ny Matio toko faha-24 manontolo aho, zavatra mbola tsy vitako mihitsy hatramin’izay. Nanaitra ahy ny fanazavana mitombina sy mampiaiky tao amin’ilay boky. Lazainy, ohatra, fa izao fotoana iainantsika izao no “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity”, ary asongadiny ny fototry ny zava-manahirana ny olombelona.​—Matio 24:3; Apokalypsy 12:9.

Tsy ela dia nahazo boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah betsaka kokoa aho. Nankafiziko erỳ ny famakiana ireny boky ireny, ary arakaraka ny namakiako azy no nahatsapako fa hitako ny fahamarinana izay notadiaviko mafy dia mafy. Nientam-po aho nahafantatra fa nandray fiandrianana tany an-danitra i Jesosy Kristy tamin’ny 1914. Tsy ho ela koa izy dia handresy izay rehetra tsy tia an’Andriamanitra, ary hitondra fitahiana ho an’ny olombelona mankatò. Zava-baovao lehibe iray hafa ho ahy koa ny fahatakarana mazava ny vidim-panavotana. Nanampy ahy izany mba hivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra amin’ny fo, sy hangataka famelan-keloka. Nanohina lalina ahy ilay fanasana amin-katsaram-panahy ao amin’ny Jakoba 4:8 manao hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”

Tsy nety nanaiky izay nolazaiko taminy ny ray aman-dreniko sy ny anabaviko tamin’ny voalohany, na dia tena nafana fo tamin’ny finoako vaovao aza aho. Tsy nampihena ny faniriako hanatrika ny fivoriana kristianina nataon’ny Vavolombelona vitsivitsy tany akaikin’i Chemnitz anefa izany. Gaga anefa aho fa niaraka tamiko izy ireo rehefa nanatrika fivoriana voalohany aho! Tamin’ny ririnin’ny 1945/1946 izany no nitranga. Nanomboka nivory tsy tapaka ny fianakaviako tatỳ aoriana, rehefa nisy antokona mpianatra ny Baiboly niforona tany amin’ilay toerana nipetrahanay tany Harthau.

‘Mbola zaza aho’

Ny fianarana ny fahamarinana sarobidy ao amin’ny Baiboly sy ny fiarahana tsy tapaka tamin’ny vahoakan’i Jehovah dia nitarika ahy hanolo-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa ny 25 Mey 1946. Afa-po tanteraka aho satria nandroso tamin’ny fahamarinana koa ny fianakaviako, ary samy lasa Vavolombelona mahatoky izy telo mianaka tatỳ aoriana. Anisan’ny fiangonana iray any Chemnitz ilay anabaviko ary mbola marisika tsara. Nanompo tamim-pahatokiana mandra-pahafatiny tamin’ny 1965 sy 1986 ny ray aman-dreniko.

Nanomboka ny asan’ny mpisava lalana manokana aho, enim-bolana taorian’ny batisako. Nanomboka teo ny fanompoako izay haharitra mandritra ny fiainako manontolo, ary nataoko ‘na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra.’ (2 Timoty 4:2) Tsy ela dia nisy fahafahana vaovao nisokatra ho an’ny fanompoana. Nila mpitory manontolo andro ny faritra mitokana iray tany amin’ny faritra atsinanan’i Alemaina. Nanao fangatahana izaho sy ny rahalahy iray. Tsapako anefa fa sady mbola tsy za-draharaha aho no mbola tsy matotra tsara ka tsy afaka nanao asa nitaky andraikitra toy izany. Vao 18 taona mantsy aho, ary nitovy tamin’ny an’i Jeremia ny zavatra tsapako. Hoy izy: ‘Indrisy, Jehovah ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.’ (Jeremia 1:6) Neken’ireo mpiandraikitra tamin-katsaram-panahy ihany anefa ny fangatahanay, na dia teo aza ny fanahiako. Koa notendrena nankany Belzig, tanàna kely any Brandenbourg àry izahay.

Tena sarotra ny fitoriana tany amin’io faritra io, kanefa fampiofanana sarobidy ho ahy ilay izy. Nisy vehivavy mpandraharaha maromaro nitana andraikitra ambony nanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana rehefa nandeha ny fotoana, ka tonga Vavolombelon’i Jehovah. Nanana fomba fiaina nentim-paharazana efa latsa-paka lalina tao aminy anefa ny mponina tao amin’ilay tanàna kely nisy azy ireo, no sady fatra-piahiahy izay zavatra rehetra tsy nahazatra azy. Lasa nanana fomba fiaina nifanohitra tamin’izany àry ireo vehivavy ireo rehefa lasa Vavolombelon’i Jehovah. Nanohitra mafy anay koa ireo mpitondra fivavahana katolika sy protestanta, ka niampanga sy nanendrikendrika anay noho ny asa fitoriana nataonay. Afaka nanampy olona liana maro hanaiky ny fahamarinana anefa izahay, noho izahay natoky fa hitarika sy hiaro anay i Jehovah.

Mitombo ny toe-tsaina tsy tia milefitra

Nitondra fitahiana nefa zava-manahirana tsy nampoizina koa ny taona 1948. Voalohany, dia notendrena ho mpisava lalana tany Rudolstadt, any Thuringe, aho. Nanjary nahafantatra rahalahy sy anabavy nahatoky maro aho tany, ary nahafinaritra ny fiarahana tamin’izy ireo. Nisy fitahiana lehibe iray hafa koa tamin’ny volana Jolay tamin’io taona io. Nanambady an’i Erika Ullmann, tanora kristianina mahatoky sy be zotom-po aho. Efa tamin’izaho nanomboka nanatrika fivoriana tany amin’ny Fiangonan’i Chemnitz no nahafantatra azy. Niara-nanao ny asan’ny mpisava lalana tany Harthau, tanàna niaviako izahay. Tsy afaka nanohy ny fanompoana manontolo andro intsony anefa i Erika, rehefa nandeha ny fotoana, noho izy narary sy noho ny antony hafa koa.

Fotoan-tsarotra ho an’ny vahoakan’i Jehovah ireny. Nataon’ny Minisiteran’ny Asa tany Chemnitz izay hahatonga ny karatro fahazoana sakafo tsy hanan-kery, mba hanerena ahy tsy hitory intsony fa hiasa manontolo andro. Nanao fangatahana tamin’ny Fanjakana ireo rahalahy tompon’andraikitra mba hahafahako hitory ara-dalàna. Nolavina anefa izany, ary tamin’ny 23 Jona 1950 dia voasazy handoa lamandy aho na higadra iray volana. Nampakatra fitsarana ambony hanoherana ilay didim-pitsarana izahay, kanefa nolavin’ny fitsarana izany, ary naiditra am-ponja aho.

Vao fanombohan’ny fanoherana sy ny fahoriana fotsiny anefa izany. Nanao fampielezan-kevitra feno fanendrikendrehana ny fampitam-baovao, ka ny Septambra 1950, izany hoe iray volana latsaka tatỳ aoriana, dia noraran’ny fitondrana kominista ny asanay. Sady nitombo haingana izahay no tsy nety nanao raharaha miaramila, hany ka nolazain’izy ireo fa fikambanana mampidi-doza mpitsikilon’i Alemaina Andrefana. “Asa mampiahiahy”, hono, no ataonay, fa mody atao amin’ny anaran’ny fivavahana. Tamin’ny andro namoahana ilay fandrarana iny mihitsy, no niteraka an’i Johannes, zanakay lahy, tao an-trano ny vadiko. Mbola tany am-ponja aho tamin’izay. Niditra an-keriny tao an-tranonay ireo polisin’ny Fiarovam-pirenena na dia teo aza ny fanoheran’ny mpampivelona. Nitady porofo hanamarinana ny fiampangany izy ireo, saingy mazava ho azy fa tsy nahita. Nahomby anefa izy ireo tatỳ aoriana, rehefa nampiditra mpitsikilo teo anivon’ny fiangonanay. Vokatr’izany dia nosamborina ireo rahalahy tompon’andraikitra rehetra, anisan’izany aho, tamin’ny Oktobra 1953.

Tao amin’ny lakalin’ny tranomaizina

Rehefa voaheloka higadra telo ka hatramin’ny enin-taona izahay, dia nampiarahina tamin’ny rahalahy maromaro tany amin’ny lakalin’ny lapan’i Osterstein, any Zwickau. Tena nahatsiravina ny fiainana tany, nefa tena nahafinaritra kosa ny fiarahana tamin’ireo rahalahy matotra. Tsy nisy ny fahafahana, saingy nisy kosa ny sakafo ara-panahy. Tafiditra an-tsokosoko tany am-ponja, eny hatrany amin’ny efitra nigadranay mihitsy aza Ny Tilikambo Fiambenana, na dia nohamavoina sy noraran’ny fitondrana aza! Tamin’ny fomba ahoana?

Nasaina niasa tany amin’ny toeram-pitrandrahana arintany ny rahalahy sasany, ka afaka nihaona tamin’ireo Vavolombelona tany ivelany izay nanome gazety azy ireo. Ireny rahalahy ireny indray avy eo no nampiditra an-tsokosoko tany am-ponja ireo gazety ireo, sy namoron-kevitra mba hanomezana izany anay rehetra. Tena nilainay tokoa ireny sakafo ara-panahy ireny. Tsapako fa nikarakara sy nitari-dalana anay tamin’izany fomba izany i Jehovah ka faly sy narisika erỳ aho!

Nafindra tany amin’ny fonja malaza ratsin’i Torgau izahay, tamin’ny faramparan’ny 1954. Faly erỳ ireo Vavolombelona tany noho ny fahatongavanay. Hatramin’izay dia niezahan’izy ireo naverina izay zavatra tadidiny tamin’ireo Tilikambo Fiambenana taloha mba hanatanjahana ny finoany. Toy inona moa ny hafalian’izy ireo nahazo sakafo ara-panahy vaovao! Anjaranay indray tamin’io ny nizara ireo fahamarinana ara-baiboly izay nianaranay tany Zwickau. Ahoana no hanaovanay an’izany kanefa izahay tsy nahazo nifampiresaka mihitsy nandritra ny dia an-tongotra fanaonay isan’andro? Nomen’ireo rahalahy torohevitra tena nahasoa ny amin’izay tokony hatao izahay, ary niaro sy nitari-dalana anay ny tanana maherin’i Jehovah. Nianaranay tamin’izay fa zava-dehibe ny fahazotoana mianatra Baiboly sy misaintsaina, dieny mbola misy ny fahalalahana sy ny fahafahana hanao izany.

Fotoana nandraisana fanapahan-kevitra lehibe

Nijoro tsy nivadika izahay noho ny fanampian’i Jehovah. Gaga be izahay fa nahazo famotsoran-keloka ny maro taminay tamin’ny faran’ny taona 1956. Tsy hay lazaina ny hafalianay rehefa nivoha ho anay ny vavahadin’ny fonja! Efa enin-taona tamin’izay ny zanako lahy, ary hafaliana moa ny ahy tafaraka indray tamin’ny vadiko ka hiara-manabe ny zanakay izahay. Nihafahafa tamiko i Johannes tamin’ny voalohany, kanefa tsy ela dia nisy firaiketam-po nafana teo aminay.

Nandia fotoana faran’izay sarotra ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina Atsinanana. Nitombo ny fanoherana ny fanompoana kristianina sy ny tsy fanaovanay raharaha miaramila. Vokatr’izany dia tsy maintsy niaina tao anatin’ny tahotra ny loza sy ny tebiteby foana izahay. Koa tsy maintsy nandinika tsara sy tamim-bavaka ny toe-javatra nisy anay izahay sy Erika. Tsapanay fa nila nifindra monina tany amin’ny faritra nety kokoa tamin’ny fiainanay izahay, raha tsy te ho resin’ny tebiteby. Te hanana fahalalahana hanompo an’i Jehovah izahay ary hanohy hanatratra tanjona ara-panahy.

Afaka nifindra tany Stuttgart, any Alemaina Andrefana, izahay tamin’ny lohataonan’ny 1957. Tsy voarara ny asa fitoriana tany, ary afaka nifandray malalaka tamin’ireo rahalahinay izahay. Niahy tamim-pitiavana anay tokoa izy ireo. Fito taona no niarahanay tamin’ilay fiangonana tao Hedelfingen. Nanomboka nankany an-tsekoly sady nandroso tsara teo amin’ny fahamarinana ny zanakay lahy nandritra ireo taona ireo. Afaka nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana tany Wiesbaden aho tamin’ny Septambra 1962. Tamin’izay aho dia nampirisihina mba hifindra niaraka tamin’ny fianakaviako tany amin’ny faritra nila mpampianatra Baiboly nahay teny alemà, toa an’i Alemaina sy Soisa.

Tonga teto Alpes eto Soisa

Nifindra teto Soisa àry izahay tamin’ny 1963. Nasaina izahay mba hiara-miasa tamin’ny fiangonana kely iray tany Brunnen, any amin’ny farihy kanton’i Lucerne, any amin’ny faritra afovoan’i Alpes, eto Soisa. Toy ny paradisa ilay izy taminay. Tsy maintsy nizatra tamin’ireto zavatra ireto izahay: ny fitenim-paritra alemà, ny fomba fiaina, ary ny toe-tsain’ny mponina tamin’ilay faritra. Nankafizinay anefa ny fiaraha-miasa sy ny fitoriana teo amin’ireo olona tia fihavanana ireo. Nandany 14 taona tany Brunnen izahay ary tany no lehibe ny zanakay lahy.

Nahazo fanasana hanompo tao amin’ny Betelan’i Soisa, any Thoune izahay tamin’ny 1977. Efa ho 50 taona aho tamin’izay. Fanendrena manokana no nandraisanay izany, ka nekenay tamim-pankasitrahana lehibe. Nanompo sivy taona tao amin’ny Betela izahay mivady. Nisy heviny manokana teo amin’ny fiainanay sy teo amin’ny fandrosoana ara-panahy nataonay ny naha Betelita anay. Nankafy ny fiaraha-mitory tamin’ireo fiangonana tany Thoune sy ny manodidina koa izahay. Tazanay lavitra foana avy eny ny asa mahatalanjon’i Jehovah any, dia ny tendrombohitra mijoalajoalan’i Alpes, any Berne, izay rakotry ny oram-panala.​—Salamo 9:1.

Nifindra toerana indray

Nifindra toerana indray izahay teo am-piandohan’ny taona 1986. Nasaina nanao ny asan’ny mpisava lalana manokana tany amin’ny faritany midadasiky ny fiangonana Buchs, any amin’ny faritra atsinanan’i Soisa, izahay. Nila nizatra tamin’ny fomba fiaina hafa indray izahay. Nanosika anay hanaiky io fanendrena vaovao io anefa ny fanirianay hanompo an’i Jehovah na aiza na aiza ilana anay, ary vokatr’izany dia notahiny izahay. Misolo toerana ny mpiandraikitra mpitety faritany koa aho indraindray, ka mitsidika sy manatanjaka fiangonana. Efa 18 taona izay no lasa, ary betsaka ireo zavatra nahafinaritra hitanay tamin’ny fitoriana tato amin’ity faritra ity. Nitombo ny fiangonana teto Buchs, ary mivory ao amin’ny Efitrano Fanjakana tsara tarehy, izay notokanana dimy taona lasa izahay izao.

Nikarakara sy tena nalala-tanana taminay tokoa i Jehovah. Nandany ny ankamaroan’ny fiainanay tamin’ny asa fanompoana manontolo andro izahay, ary nahazo izay nilainay foana izahay. Faly sy afa-po erỳ izahay mahita ny zanakay sy ny vady aman-janany, ary ireo zafiafinay, mandeha amim-pahatokiana eo amin’ny lalan’i Jehovah.

Rehefa mitodika ny lasa aho dia tsy misalasala mihitsy milaza fa nanompo an’i Jehovah ‘na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra’ izahay. Avy tany amin’ny lakalin’ny tranomaizina kominista aho no nanketo amin’ny tendrombohitra kanton’i Alpes, eto Soisa, noho ny fanompoana kristianina. Tsy nisy nanenenanay mihitsy ny fanompoana kristianina nataonay.

[Efajoro, pejy 28]

Tsy Nivadika na dia ‘Nanefa Sazy Indroa’ Aza

Niezahana nofoanana tamin’ny fomba tsy nifaditrovana ny Vavolombelon’i Jehovah, teo ambany fitondran’ny Repoblika Demokratikan’i Alemaina (RDA) na Alemaina Atsinanana. Asehon’ny tatitra fa Vavolombelona 5 000 mahery no nalefa tany amin’ny toby fiasana an-terivozona sy tany amin’ny foibe fitanana, noho ny fanompoana kristianina nataon’izy ireo sy noho izy ireo tsy nety nanao raharaha miaramila.​—Isaia 2:4.

Nolazaina fa ‘nanefa sazy indroa’ ny sasany tamin’izy ireo. Nisy 325 teo ho eo tamin’izy ireo no nalefa tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia sy tany am-ponja. Avy eo, dia nenjehina sy nogadrain’ny Stasi na ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenen’ny RDA koa izy ireo nandritra ireo taona 1950. Nisy aza fonja sasany izay sady nampiasain’ny Nazia no nampiasain’ny manam-pahefana Stasi koa tatỳ aoriana.

Lehilahy sy vehivavy Vavolombelona 60 tamin’ny fitambarany, no maty tany am-ponja nandritra ireo folo taona voalohany tena naha mafy ny fanenjehana, izany hoe nanomboka tamin’ny 1950 ka hatramin’ny 1961. Maty izy ireo satria nampijalina, tsy ampy sakafo, narary na efa antitra. Nomelohina higadra mandra-pahafaty ny Vavolombelona 12, nefa nahena ho 15 taona izany tatỳ aoriana.

Amin’izao fotoana izao, dia misy fampirantiana mandavantaona izay manasongadina ireo 40 taona nanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina Atsinanana, ao amin’ilay foibe nisy ny Etamazaoron’ny Stasi taloha, ao Berlin. Ireo sary sy tantaran’olona manokana aseho ao dia porofo manginan’ny herim-po sy tanjaka ara-panahin’ireo Vavolombelona nahatoky nandritra ilay fanenjehana nivaivay.

[Sarintany, pejy 24, 25]

(Jereo ny gazety)

ALEMAINA ATSINANANA

Rudolstadt

Belzig

Torgau

Chemnitz

Zwickau

[Sary, pejy 25]

Lapan’i Osterstein (Zwickau)

[Sary nahazoan-dalana]

Fotosammlung des Stadtarchiv Zwickau, Deutschland

[Sary, pejy 26]

Miaraka amin’i Erika vadiko