Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Fivavahana Tokony Hofidinao?

Inona no Fivavahana Tokony Hofidinao?

Inona no Fivavahana Tokony Hofidinao?

‘LALANA samy hafa fotsiny mankany amin’ny toerana iray ihany ny fivavahana. Tsy misy afa-tsy Andriamanitra iray ihany koa, sa tsy izany?’ Maro no mihevitra toy izany. Ekeny fa ilaina ny manaraka fivavahana iray, nefa mieritreritra izy hoe tsy mampaninona izay fivavahana fidinao.

Toa azo ekena ihany izany, satria tsy misy afa-tsy Andriamanitra iray tokoa, dia ilay manana ny hery fara tampony. (Isaia 44:6; Jaona 17:3; 1 Korintianina 8:5, 6) Tsy azontsika odiana tsy hita anefa ny fahasamihafan’ireo fivavahana maro be, izay samy milaza ho manompo an’ilay Andriamanitra marina. Mifanohitra tanteraka mihitsy aza ny sasany. Tsy mitovy ny fombafombany, ny zavatra inoany sy ampianariny, ary ny fepetra asainy harahin’ny mpivavaka ao aminy. Mifanipaka be mihitsy aza ireo zavatra ireo, hany ka tsy azon’ny mpivavaka sasany, na tsy eken’ny sainy mihitsy, ny zavatra ampianarin’ny fivavahana hafa sy inoany.

I Jesosy kosa anefa nilaza hoe: “Andriamanitra dia Fanahy, ka izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka araka ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:24) Hifanohitra ve ny fiheveran’ny olona an’Andriamanitra sy ny fikasany ary ny zavatra takiny, raha mivavaka aminy araka ny fahamarinana izy? Tsy mampaninona an’Andriamanitra tokoa ve izay fomba ivavahantsika aminy?

Ny tena Kristianina fahiny sy ankehitriny

Tsy nitovy hevitra ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany indraindray. Izao, ohatra, no nolazain’ny apostoly Paoly momba ny Kristianina tao Korinto: “Misy tsy fifanarahana, hono, eo aminareo. Izao mantsy no tiako holazaina: Samy milaza ianareo hoe: ‘Izaho an’i Paoly’, ‘Izaho an’i Apolosy’, ‘Izaho an’i Kefasy’, ‘Ary izaho an’i Kristy.’”​—1 Korintianina 1:11, 12.

Nihevitra ve i Paoly hoe tsy nisy dikany ireny tsy fifanarahana ireny? Samy nanao izay tiany mba hahavoavonjy ny tenany ve ny Kristianina tamin’izany andro izany? Tsy izany velively! Hoy i Paoly: “Mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hifanaraka tsara ianareo rehetra amin’izay lazainareo, ary mba tsy hisy fisaratsarahana eo aminareo, fa mba ho tafaray tsara ianareo ka hiray saina sy hiray hevitra.”​—1 Korintianina 1:10.

Mazava ho azy fa tsy azo terena hino zavatra mitovy ny olona. Mila mamakafaka tsara kosa ny tsirairay, ary manatsoaka hevitra mitovy amin’ny an’ny hafa, sady manaiky izany. Noho izany, dia tena ilaina ny mianatra samirery ny Tenin’Andriamanitra. Ilaina koa ny faniriana marina hampihatra izay ianarana. Ireo no dingana ilaina hahatongavana amin’ilay firaisan-tsaina noresahin’i Paoly. Misy anefa ve izany firaisan-tsaina izany amin’izao andro izao? Araka ny efa hitantsika teo aloha, dia efa hatry ny ela Andriamanitra no nifandray tamin’ny antokon’olona iray, izay natokany ho vahoakany. Ahoana no ahafantarana izany antokon’olona izany ankehitriny?

Fiarahana mahasoa

Nanontany toy izao i Davida mpanao salamo indray mandeha: “Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin’ny tabernakelinao? Iza no honina ao an-tendrombohitrao masina?” Mampieritreritra tokoa izany, ary namaly i Davida hoe: “Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony.” (Salamo 15:1, 2) Ny fahalalana marina ny Baiboly dia hanampy antsika hamantatra ilay fivavahana manao ireo zavatra takin’Andriamanitra ireo. Hahazo fampaherezana isika, rehefa miaraka amin’io fivavahana io, satria hifandray amin’ny olona mivavaka an’Andriamanitra amim-piraisan-tsaina, ary “araka ny fanahy sy ny fahamarinana.”

Noporofoin’ny Vavolombelon’i Jehovah fa azo atao tsara ny mino sy manao zavatra mitovy, na dia eo anivon’ity tontolo misara-bazana ity aza. Misy olona avy amin’ny fivavahana sy foko maro samy hafa eo anivon’izy ireo. Nisy tamin’izy ireo nisalasala raha misy Andriamanitra. Ny hafa moa tsy nino azy mihitsy. Tao koa ny tsy niraika tamin’ny fivavahana tsotra izao. Tafaray ao amin’ny fivavahana iray ihany anefa izy ireo izao, na dia samy nanana ny fivavahany sy ny kolontsainy ary ny fomba fiheviny aza taloha. Ary tsy hita eo anivon’ity tontolo ity izany firaisan-tsaina izany.

Ny Tenin’Andriamanitra no fototr’io firaisan-tsaina io. Fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy afaka manery ny olona izy ireo, nefa faly izy ireo mampirisika azy hianatra Baiboly. Amin’izay ny safidin’izy ireo dia hiorina amin’ny Baiboly, izay manome tari-dalana azo antoka. Ho betsaka kokoa ny olona handray soa, satria hivavaka amin’Andriamanitra “araka ny fanahy sy ny fahamarinana.”

Mety ho voataona na voasarika hanao zava-dratsy isika ankehitriny, ka tena ilaina ny mifidy namana tsara. Milaza ny Baiboly hoe “izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry”, fa “ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (Ohabolana 13:20; 1 Korintianina 15:33) Miaro antsika ny fiarahana amin’ny tena mpanompon’Andriamanitra. Izany no mahatonga ny Baiboly hampahatsiahy antsika hoe: ‘Aoka isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa mainka satria hitanareo fa manakaiky ny andro.’ (Hebreo 10:24, 25) Mahafinaritra tokoa rehefa mifankatia sy mifanampy ny tena mpinamana, na ny mpiray finoana, mba hanatontosana ny andraikitra nankinin’Andriamanitra taminy!

Manamarina izany i Ottmar, any Alemaina. Katolika izy mianakavy, nefa tsy nandeha niangona intsony izy tatỳ aoriana. Nahoana? “Tsy nitondra na inona na inona ho ahy mihitsy ny fandehanako niangona”, hoy izy. Nino an’Andriamanitra foana anefa izy. Nifankahita tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy tatỳ aoriana, ary niaiky fa tena mpanompon’Andriamanitra izy ireo. Tsapan’i Ottmar fa nila nifanerasera tamin’izy ireo izy. Hoy izy: “Mandray anjara amin’ny asa ataon’io fikambanana iraisam-pirenena io aho izao, ary milamina ny saiko sy ny foko. Ampiana tsikelikely aho izao mba hahalala tsara kokoa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Ary sarobidy be amiko izany.”

Fanasana ho an’izay eo am-pikarohana

Mahavita zavatra tsara kokoa noho ny olona samy miasa irery, ny antokon’olona miara-miasa akaiky sy mifanara-kevitra. Talohan’ny nandaozan’i Jesosy ny mpianany, ohatra, dia nanoro hevitra azy ireo izy hoe: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28:19, 20) Ahoana no hamitana izany asa izany raha tsy misy tari-dalana na fikambanana hanao azy? Ahoana no hankatoavan’ny olona iray an’io tenin’ny Soratra Masina io, raha miezaka irery hanompo an’Andriamanitra izy?

Nahapetraka boky sy bokikely ara-baiboly 91 933 280 ary gazety 697 603 247 ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny taon-dasa. Noho izany, dia olona an-jatony tapitrisa any amin’ny tany 235 no nandre ny hafatra avy amin’ny Tenin’Andriamanitra. Porofo tsy azo iadian-kevitra izany fa mahavita zavatra betsaka lavitra noho ny olona irery tsy misy manampy, ny antokon’olona miray saina sy voalamina tsara!

Ankoatra ny fanelezana boky ara-baiboly, dia mampianatra ny olona maimaim-poana ny Baiboly koa ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hahafantaran’izy ireny tsara izay takin’Andriamanitra. Nitarika fampianarana Baiboly 5 726 509 teo ho eo isan-kerinandro izy ireo tamin’ny taon-dasa. Noho izany, dia olona maro be no manana tari-dalana azo antoka mba hisafidianana izay fivavahana harahiny. Asaina ianao hianatra izay takin’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Ianao ihany no misafidy avy eo.​—Efesianina 4:13; Filipianina 1:9; 1 Timoty 6:20; 2 Petera 3:18.

Tena tokony hanana fivavahana àry ianao, raha te hampifaly an’Andriamanitra. Tsy ny fivavahana rehetra anefa no mety. Tokony hanaraka ny fahalalana marina tsara ny Baiboly ianao rehefa mifidy ny fivavahana harahinao, fa tsy hanaraka foto-pinoana tsy voaporofo, na izay lazain’ny olona fotsiny. (Ohabolana 16:25) Ianaro ny fomba hahafantarana ny fivavahana marina. Ampitahao amin’izany ny zavatra inoanao, ary manaova safidy mifanaraka amin’izany.​—Deoteronomia 30:19.

[Sary, pejy 7]

Miray saina ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia eo anivon’ny tontolo misara-bazana aza