Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Miampità Mankatỳ ka Ampio Izahay’

‘Miampità Mankatỳ ka Ampio Izahay’

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

‘Miampità Mankatỳ ka Ampio Izahay’

NISY fanasana natao tany Aotrisy sy Alemaina ary Soisa, tamin’ny Jolay 2000, mba hisian’ny Vavolombelona miteny alemà hifindra any Bolivia. Nahoana? Satria te hahafantatra bebe kokoa ny Baiboly ireo mpivavaka Menonita miteny alemà any Bolivia. Mipetraka any amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana mitokana izy ireo, any amin’ny 300 kilaometatra manodidina an’i Santa Cruz.

Vavolombelona 140 teo ho eo no nanaiky ilay fanasana. Nijanona nandritra ny herinandro vitsivitsy ny sasany, ny hafa kosa nandritra ny herintaona na maherin’izany. Tamin’izany izy ireo dia nitovy tamin’ireo misionera tamin’ny taonjato voalohany, izay nanaiky ilay fanasana hoe: “Miampità mankatỳ Makedonia ka ampio izahay.”​—Asan’ny Apostoly 16:9, 10.

Nanao ahoana ny nitory tany amin’izany faritany izany? Manazava toy izao ny anti-panahin’ny fiangonana iray eo an-toerana: “Adiny valo eo ho eo izahay vao tonga any amin’ny iray amin’ireo toeram-pambolena 43 misy an’ireo mpivavaka Menonita, raha mandeha fiara tsy mifidy lalana, satria ratsy be ny lalana. Efatra andro mihitsy aza izahay vao tonga any amin’ireo toeram-pambolena lavitra indrindra, ary matory an-day izahay ny alina. Tsy very maina anefa izany ezaka izany, satria mbola tsy nahare ny vaovao tsara mihitsy ireo olona mipetraka any.”

Tsy nanaiky hotsidihina ireo Menonita, tamin’ny voalohany. Nankasitraka izay nataon’ny Vavolombelona ho azy ireo anefa izy ireo, rehefa nezahina notsidihina matetika. Nilaza, ohatra, ny mpamboly iray fa efa herintaona izay no namakiany ny gazety Mifohaza! Hoy izy avy eo: “Fantatro fa tsy manaiky izay lazainareo ny maro amin’ny olona eto, nefa mino aho fa io no fahamarinana.” Nilaza toy izao ny lehilahy iray tany amin’ny toeram-pambolena hafa: “Misy mpiara-monina aminay milaza fa mpaminany sandoka ianareo, ny hafa indray miteny hoe ianareo no manana ny fahamarinana. Tiako ho izaho mihitsy no hanamarina izany.”

Misy fiangonana iray miteny alemà izao any Bolivia. Misy mpitory 35 eo anivon’izy io, ka mpitory manontolo andro ny 14 amin’izy ireo. Hatramin’izao, dia 14 ireo mpivavaka Menonita no lasa mpitory, ary 9 no manatrika fivoriana tsy tapaka. Nilaza toy izao ny lehilahy zokiolona iray natao batisa vao haingana: “Tena hitanay tsara ny fitarihan’i Jehovah. Nandefa rahalahy sy anabavy alemà mahay izy mba hanampy anay. Tena velom-pankasitrahana izahay.” Manana zanakavavy 17 taona efa vita batisa koa izy, izay nilaza hoe: “Mifindra ny hafanam-pon’ireo anadahy sy rahavavy tanora tonga eto. Mpisava lalana ny ankamaroan’izy ireo, ary mandany ny fotoanany sy ny volany mba hanampiana ny hafa. Te hanao toy izany koa aho.”

Tena faly sy afa-po tokoa ireo miezaka ‘hiampita’ na hifindra toerana mba hanampy ny hafa.