Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Vokany eo Amin’ny Ataonao ve ny Zava-mitranga Aminao?

Misy Vokany eo Amin’ny Ataonao ve ny Zava-mitranga Aminao?

Misy Vokany eo Amin’ny Ataonao ve ny Zava-mitranga Aminao?

FAHITA ny toe-javatra mampahory sy ny zava-manahirana amin’izao “fotoan-tsarotra” izao. (2 Timoty 3:1) Mihelina ihany ny sasany amin’izy ireny. Ny hafa kosa maharitra amam-bolana na aman-taona mihitsy aza. Maro àry no mahatsapa toa an’i Davida mpanao salamo, izay nitalaho tamin’i Jehovah hoe: “Ny fahorian’ny foko efa mihalehibe; afaho amin’ny fahatereko aho.”​—Salamo 25:17.

Miezaka mafy mamaha olana goavana ve ianao? Afaka manampy sy mampahery anao ny Baiboly. Andeha isika handinika ny fiainan’ny mpanompon’i Jehovah nahatoky roa, izay nahavita nandresy ny zava-nanahirana azy. Tsy iza izany fa i Josefa sy Davida. Misy fianarana mahasoa azontsika raisina, rehefa dinihintsika ny fomba niatrehan’izy ireo ny zava-nanahirana azy. Hanampy antsika handresy zava-tsarotra mitovy amin’ny azy ireo izany.

Niatrika zava-tsarotra lehibe

Nisy olana lehibe tao amin’ny fianakavian’i Josefa, tamin’izy 17 taona. Hitan’ireo zokiny lahy fa i “Josefa no tian’ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy.” Vokatr’izany, dia ‘nankahala azy izy ireo ka tsy nahazaka hanao teny tsara taminy.’ (Genesisy 37:4) Azontsika an-tsaina ny tebitebin’i Josefa noho io toe-javatra io. Tatỳ aoriana, dia tena lasa lalina ny fankahalan’ny rahalahiny azy, ka namidin’izy ireo ho andevo izy.​—Genesisy 37:26-33.

Tsy nety nijangajanga tamin’ny vadin’ny tompony i Josefa, tamin’izy andevo tany Ejipta. Tezitra ilay vehivavy, ka nendrikendrehiny ho nitady hametaveta azy i Josefa. ‘Natao tao an-tranomaizina’ àry izy, ka ‘nampijalina tamin’ny fatorana ny tongony ary nogadrana vy izy.’ (Genesisy 39:7-20; Salamo 105:17, 18) Tena tsy maintsy ho fisedrana mafy izany ho an’i Josefa! Nandritra ny 13 taona teo ho eo, dia lasa andevo izy, ary nigadra avy eo, noho ny tsy rariny nataon’ny olona taminy, ka mpianakaviny ihany ny sasany tamin’ireo.​—Genesisy 37:2; 41:46.

Niharam-pisedrana koa i Davida, teo amin’ny Israely fahiny, tamin’izy mbola tovolahy. Tsy maintsy nandositra foana izy nandritra ny taona maromaro, satria nihaza azy toy ny biby i Saoly Mpanjaka. Notandindomin-doza foana ny ainy. Nangataka sakafo tamin’i Ahimeleka mpisorona izy, indray mandeha. (1 Samoela 21:2-8) Ren’i Saoly anefa fa nanampy an’i Davida i Ahimeleka, ka nasainy novonoina. Tsy izy ihany no nasainy novonoina, fa ny mpisorona rehetra sy ny fianakavian’izy ireo koa. (1 Samoela 22:12-19) Azonao an-tsaina ve ny fahoriana mafy tsy maintsy ho tsapan’i Davida, satria izy no nahatonga izany zava-mahatsiravina izany hitranga?

Eritrereto izany fisedrana sy fampijaliana nandritra ny taona maro, niaretan’i Josefa sy Davida izany. Afaka maka lesona tena lehibe isika, rehefa mandinika ny fomba niaretany na nandreseny izany. Andeha isika hijery lafin-javatra telo azontsika anahafana azy mirahalahy ireo.

Aza mitana alahelo sy lolompo

Voalohany, niezaka tsy nitana alahelo sy lolompo ireo lehilahy nahatoky ireo. Tamin’izy tany am-ponja, dia azon’i Josefa natao tsara ny nieritreritra izay fomba mety hamaliana faty an’ireo rahalahiny nivarotra azy, raha sendra mahita azy ireo indray izy. Ahoana anefa no ahafantarantsika fa niezaka tsy hanana izany eritreri-dratsy izany izy? Tonga tany Ejipta ny rahalahiny, mba hividy vary. Tena afaka namaly faty azy ireo i Josefa, nefa diniho ny fihetsiny. Hoy ny fitantarana: ‘Nihodina niala teo aminy i Josefa ka nitomany. Ary nanome teny [ny mpanompony] izy hameno vary ny lasakan’[ny rahalahiny] sady hamerina ny volan’ny isan-dahy ho ao anatin’ny lasakany avy ary hanome vatsy azy hoentiny eny an-dalana.’ Rehefa nirahiny haka ny rainy ho any Ejipta ny rahalahiny tatỳ aoriana, dia nanoro hevitra azy ireo izy hoe: “Aza mifanditra eny an-dàlana hianareo.” Noporofoin’i Josefa tamin’ny teniny sy ny nataony, fa resiny ny alahelo sy ny lolompo.​—Genesisy 42:24, 25; 45:24.

Tsy nitana lolompo tamin’i Saoly Mpanjaka koa i Davida. Indroa izy no afaka namono an’i Saoly. Hoy anefa izy, rehefa nampirisihin’ny miaramilany hanao izany: “Sanatria amiko eo anatrehan’i Jehovah, raha hanao izany zavatra izany amin’ny tompoko izay voahosotr’i Jehovah ka haninjitra ny tànako aminy, fa voahosotr’i Jehovah izy.” I Jehovah no navelan’i Davida handamina ilay zava-nanahirana. Hoy izy tamin’ny miaramilany: “Raha velona koa Jehovah, dia aoka Jehovah no hamely azy; na ho tonga ny androny, ka ho faty izy; na hirotsaka ho amin’ny ady izy, ka any no hahafaty azy.” Namorona hira ho fisaonana ny nahafatesan’i Saoly sy Jonatana zanany lahy mihitsy aza i Davida, tatỳ aoriana. Toa an’i Josefa, dia niezaka tsy nitana lolompo i Davida.​—1 Samoela 24:4-7; 26:7-13; 2 Samoela 1:17-27.

Mitana lolompo sy alahelo ve isika rehefa mijaly noho ny tsy rariny nihatra tamintsika? Mety hitranga izany. Raha tsy fehezintsika anefa ny fihetseham-pontsika, dia mety hampijaly antsika kokoa noho ilay tsy rariny nihatra tamintsika ny vokany. (Efesianina 4:26, 27) Marina fa mety tsy ho afaka hisakana izay ataon’ny olon-kafa isika, nefa afaka mifehy ny tenantsika. Mora kokoa amintsika ny tsy mitana lolompo sy alahelo, rehefa mino isika fa handamina ilay olana i Jehovah amin’ny fotoana mety aminy.​—Romanina 12:17-19.

Ampiasao tsara ilay fotoana

Izao no lesona faharoa azontsika ianarana: Tsy tokony havelantsika hanakana antsika tsy hanao ny zavatra fanaontsika isan’andro ilay zava-manahirana. Mety ho variana loatra mieritreritra ny zavatra tsy azontsika atao isika, ka tsy hitantsika intsony hoe inona no azo atao. Raha izany no izy, dia manomboka misy vokany eo amin’izay ataontsika ilay zava-mitranga amintsika. Nety ho nitranga tamin’i Josefa izany. Niezaka nampiasa tsara ny fotoanany anefa izy. Tamin’izy mbola andevo, dia nanao izay ‘ahitana fitia teo imason’ny tompony izy, ka dia nanompo azy, ary notendreny ho mpikarakara ny tao an-tranony.’ Nampiasa tsara ny fotoanany koa izy tany am-ponja. Notahin’i Jehovah izy sady nazoto niasa, ka ‘natolotry ny mpitandrina ny tranomaizina ho andraikiny ny mpifatotra rehetra izay tao an-tranomaizina; ary izay rehetra nataony tao, dia izy no antony.’​—Genesisy 39:4, 21-23.

Nampiasa tsara ny fotoanany koa i Davida, nandritra ireo taona nandosirany. Niaro ny ondrin’i Nabala tamin’ny jiolahy i Davida sy ny miaramilany, tamin’izy ireo tany an’efitr’i Parana. Hoy ny mpiandry ondrin’i Nabala iray: ‘Izy ireo no mandanay andro aman’alina.’ (1 Samoela 25:16) Nanafika an’ireo tanàna tany atsimo, nalain’ny fahavalon’ny Israely koa i Davida tatỳ aoriana, tamin’izy tany Ziklaga, mba hitazonana ny sisin-tanin’i Joda.​—1 Samoela 27:8; 1 Tantara 12:20-22.

Mila miezaka bebe kokoa ve isika mba hampiasa tsara ny fotoanantsika, na dia manan-java-manahirana aza? Ho vitantsika izany, na dia mety ho sarotra aza. Niresaka ny fiainany ny apostoly Paoly, ka nanoratra hoe: “Efa nianatra ny hianina aho na inona na inona toe-javatra misy ahy. . . . Tamin’ny zava-drehetra sy tao anatin’ny toe-javatra rehetra, dia efa nianatra ny ho voky sy ho noana aho, ary ny hanam-be sy hihafy.” Ahoana no nahavitan’i Paoly an’izany? Niantehitra hatrany tamin’i Jehovah izy. Hoy izy: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.”​—Filipianina 4:11-13.

Miandrasa an’i Jehovah

Izao no lesona fahatelo: Tokony hiandry an’i Jehovah isika, fa tsy tokony handika ny fitsipiky ny Soratra Masina, mba handaminana ilay zava-manahirana antsika. Hoy ny nosoratan’i Jakoba mpianatra: ‘Avelao hamita ny asany ny fiaretana, mba ho lavorary sy tsy hisy tsiny amin’ny lafiny rehetra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na amin’inona na amin’inona.’ (Jakoba 1:4) Mamela ny fiaretana “hamita ny asany” isika, raha miaritra an’ilay fisedrana hatramin’ny farany, fa tsy mandika ny fitsipiky ny Soratra Masina, mba hanafoanana ilay izy haingana. Hatanjaka tsara ny finoantsika, rehefa avy nosedraina, ka tena afaka hanampy antsika hiaritra. Izany karazana fiaretana izany no nananan’i Josefa sy Davida. Tsy nanandrana nitady vahaolana, izay fantany fa mety tsy hahafaly an’i Jehovah, izy ireo. Nataony kosa izay hampiasana tsara ilay fotoana niaretany fisedrana. Niandry an’i Jehovah izy ireo, ka nahazo fitahiana lehibe! Samy nampiasain’i Jehovah hanafaka sy hitarika ny vahoakany izy ireo.​—Genesisy 41:39-41; 45:5; 2 Samoela 5:4, 5.

Mety halaim-panahy handika ny fitsipiky ny Soratra Masina koa isika, rehefa manan-java-manahirana sasany. Ohatra, ketraka ve ianao satria mbola tsy mety mahita vady sahaza anao? Raha izany, dia aoka ianao tsy halaim-panahy handika ilay didin’i Jehovah hoe tokony hanambady “ao amin’ny Tompo ihany.” (1 Korintianina 7:39) Misy olana ve ao an-tokantranonao? Aza mieritreritra ny hisara-toerana na hisara-panambadiana toy ny fanaon’ny olona eto amin’ity tontolo ity, fa miaraha mamaha ilay olana amin’ny vadinao. (Malakia 2:16; Efesianina 5:21-33) Tsy arakao ve ny fikarakarana ny ankohonanao, satria kely ny fidiram-bolanao? Raha miandry an’i Jehovah ianao, dia tsy hanao asa mampiahiahy na asa tsy ara-dalàna mba hahazoam-bola. (Salamo 37:25; Hebreo 13:18) Tsy maintsy miezaka mafy mba hampiasa tsara ny fotoanantsika àry isika, na dia manan-java-manahirana aza. Hotahin’i Jehovah izany ezaka mafy ataontsika izany. Eo am-panaovantsika izany, dia aoka isika ho tapa-kevitra ny hiandry azy, satria hanome antsika ny vahaolana tsara indrindra izy.​—Mika 7:7.

Hanohana anao i Jehovah

Mety hahasoa antsika ny fisaintsainana ny fomba nandresen’ny olona ao amin’ny Baiboly, toa an’i Josefa sy Davida, ny fahakiviana sy ny zava-nanahirana azy. Naharitra an-taonany maro ny fisedrana nanjo azy ireo, na dia fohy aza ny fitantarana momba izany ao amin’ny Baiboly. Manontania tena hoe: ‘Ahoana no nahafahan’ireny mpanompon’Andriamanitra ireny niaina nifanaraka tamin’ny toe-javatra nisy azy? Ahoana no nahafahany nihazona ny fifaliany? Inona no toetra tsy maintsy niezahany nananana?’

Mety hahasoa antsika koa ny fandinihana ny fiaretan’ny mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao. (1 Petera 5:9) Isan-taona, dia misy tantaram-piainana be dia be ao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Mamaky sy misaintsaina ny ohatra navelan’ireny Kristianina mahatoky ireny ve ianao? Misy olona miaritra zava-tsarotra koa eo anivon’ny fiangonantsika tsirairay, nefa tsy mivadika mihitsy. Mifanerasera tsy tapaka amin’izy ireny ve ianao, ary miana-javatra avy aminy any amin’ny fivorian’ny fiangonana?​—Hebreo 10:24, 25.

Raha sahiran-tsaina noho ny zava-mitranga aminao ianao, dia matokia fa mikarakara anao i Jehovah, ary hanohana anao. (1 Petera 5:6-10) Ataovy izay tsy hahatonga izany hisy vokany eo amin’ny ataonao. Manahafa an’i Josefa sy Davida ary ny olon-kafa, ka aza mitana lolompo. Ampiasao tsara ny fotoananao. Miandrasa an’i Jehovah, fa hanome anao ny vahaolana tsara indrindra izy. Manatòna azy amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fanompoana kristianina. Ho hitanao koa fa ho faly sy ho sambatra ianao na dia mandalo fotoan-tsarotra aza.​—Salamo 34:8.

[Sary, pejy 20, 21]

Nampiasa tsara ny fotoanany i Josefa, na dia nanan-java-nanahirana aza

[Sary, pejy 23]

Niandry ny vahaolana avy tamin’i Jehovah i Davida