Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahin’Andriamanitra Ireo Manome Voninahitra Azy

Tahin’Andriamanitra Ireo Manome Voninahitra Azy

Tahin’Andriamanitra Ireo Manome Voninahitra Azy

“Hiankohoka eo anatrehanao [izy ireo], Tompo ô, ka hanome voninahitra ny anaranao.”​—SALAMO 86:9.

1. Raha oharina amin’ny zavaboary tsy mananaina, nahoana isika no afaka midera bebe kokoa an’Andriamanitra?

MENDRIKA ny hoderain’ny zavaboariny rehetra i Jehovah. Manome voninahitra azy ny zavaboariny tsy mananaina, na dia tsy miteny aza. Isika olombelona kosa anefa afaka misaintsaina, mahatakatra hevi-javatra, mankasitraka, ary mivavaka. Isika àry no ilazan’ny mpanao salamo hoe: “Mihobia ho an’Andriamanitra, ry tany rehetra; mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy.”​—Salamo 66:1, 2.

2. Iza no manaraka ilay baiko hoe omeo voninahitra ny anaran’Andriamanitra, ary nahoana?

2 Tsy mino an’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona, ary tsy manome voninahitra azy. Tsy toy izany kosa ny Vavolombelon’i Jehovah enina tapitrisa mahery, any amin’ny tany 235. Hitany taratra eo amin’ny zavatra noforonin’Andriamanitra ny “toetrany tsy hita maso.” ‘Ren’izy ireo’ koa ny fideran’ny zavaboariny tsy miteny. (Romanina 1:20; Salamo 19:2, 3) Nanjary nahafantatra sy tia an’i Jehovah ireo Vavolombelony ireo, rehefa nianatra ny Baiboly. Nilaza mialoha ny Salamo 86:9, 10 hoe: “Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, ka hanome voninahitra ny anaranao. Fa lehibe Hianao ka manao zava-mahagaga; Hianao irery ihany no Andriamanitra.”

3. Amin’ny heviny ahoana no manao ‘fanompoana masina andro aman’alina ny vahoaka be’?

3 Milaza koa ny Apokalypsy 7:9, 15 fa misy ‘vahoaka be manao fanompoana masina ho [an’Andriamanitra] andro aman’alina ao amin’ny tempoliny.’ Tsy midika akory izany hoe tena takin’Andriamanitra hidera azy tsy an-kiato ny mpanompony. Misy Vavolombelony kosa eran-tany, ka rehefa alina any amin’ny tany sasany, dia antoandro ny any an-tany hafa, ka mbola mitory izy ireo. Azo lazaina àry fa manome voninahitra an’i Jehovah andro aman’alina izy ireo. Ary tsy ho ela dia hidera azy “izay rehetra manam-pofonaina.” (Salamo 150:6) Ahoana anefa no iderantsika tsirairay an’Andriamanitra? Inona no zava-tsarotra mety hatrehintsika? Ary inona no fitahiana miandry an’izay manome voninahitra an’Andriamanitra? Ho hitantsika ny valin’izany, rehefa mandinika ny fitantarana momba ny fokon’i Gada tany Israely isika.

Zava-tsarotra fahiny

4. Inona no zava-tsarotra natrehin’ny fokon’i Gada?

4 Talohan’ny nidirana tao amin’ny Tany Nampanantenaina, dia nangataka hipetraka tao amin’ny faritra fiompiana tany atsinanan’i Jordana, ny fokon’i Gada. (Nomery 32:1-5) Tsy maintsy niatrika zava-tsarotra lehibe izy ireo tany. Voaro mantsy ny foko tany andrefana, satria toy ny sakana voajanahary tamin’ny fanafihan’ny miaramila ny Lohasahan’i Jordana. (Josoa 3:13-17) “Tsy misy sakana [toy izany] mihitsy anefa any amin’ireo tany atsinanan’i Jordana, satria midadasika be fotsiny eo amin’ny lemak’i Arabia izy ireo. Noho izany, dia nanafika azy ireo foana ny mpifindrafindra monina nitady sakafo. Ny sasany aza nanafika isan-taona mba hahafahan’ny bibiny hiraoka ahitra.” Izany no voalazan’i George Smith, ao amin’ilay bokiny hoe Ny Jeografian’ilay Tany Masina (anglisy).

5. Inona no nasain’i Jakoba nataon’ny fokon’i Gada, rehefa misy manafika izy ireo?

5 Ahoana no niatrehan’ny fokon’i Gada izany fanafihana tsy an-kijanona izany? Taonjato maro talohan’izay, dia naminany toy izao i Jakoba razamben’izy ireo, talohan’ny nahafatesany: “Gada, ny manao andiany hamoritra azy; fa izy kosa hamely ny otrika.” (Genesisy 49:19) Toa mahakivy ireo teny ireo. Mibaiko ny fokon’i Gada mba hamely ny fahavalony anefa i Jakoba, raha ny marina. Ilay teny hebreo nadika hoe “hamely ny otrika” eto, dia midika ara-bakiteny hoe “hanenjika ny vody laharana.” Midika izany fa manome toky azy ireo i Jakoba, fa haetry sy ho resiny ny fahavalony.

Zava-tsarotra atrehintsika ankehitriny

6, 7. Inona no mampitovy ny Kristianina ankehitriny sy ny fokon’i Gada?

6 Toy ny fokon’i Gada, dia miatrika zavatra manahirana sy manavesatra avy amin’ny tontolon’i Satana ny Kristianina ankehitriny. Tsy voaro amin’ny fomba mahagaga anefa isika. (Joba 1:10-12) Maro amintsika no miatrika zava-manahirana rehefa mianatra, na miasa, na mitaiza. Eo koa ny zava-manahirana antsika manokana. Ny sasany, ohatra, tsy maintsy miaritra “tsilo ao amin’ny nofo”, toy ny kilema na aretina lehibe. (2 Korintianina 12:7-10) Ny hafa indray ory satria mihevi-tena ho tsy misy vidiny. Mety tsy hahavita be toy ny taloha intsony koa ny Kristianina zokiolona, noho ny ‘andro mahorin’ny’ fahanterana.​—Mpitoriteny 12:1.

7 Ankoatra izany, dia mampahatsiahy antsika ny apostoly Paoly fa ‘mitolona amin’ireo fanahy ratsy eny amin’ny faritry ny lanitra’ isika. (Efesianina 6:12) Hitantsika hatraiza hatraiza ny “fanahin’izao tontolo izao”, na ny toe-tsaina tia mikomy sy ny fitondran-tena ratsy, izay ampirisihin’i Satana sy ny demoniany. (1 Korintianina 2:12; Efesianina 2:2, 3) Ory toa an’i Lota, izay natahotra an’Andriamanitra angamba isika, rehefa mahita ny fitondran-tena ratsin’ny olona sy ny zava-betaveta lazainy. (2 Petera 2:7) Manafika antsika mivantana koa i Satana. Miady amin’ny sisa voahosotra izy, dia ireo ‘mitandrina ny didin’Andriamanitra sy manao ny asa fitoriana momba an’i Jesosy.’ (Apokalypsy 12:17) Anisan’ny fanafihany ny ‘ondry hafan’i’ Jesosy koa ny fandrarana sy ny fanenjehana.​—Jaona 10:16.

Hilavo lefona sa hanohitra?

8. Ahoana no tokony hataontsika rehefa manafika i Satana, ary nahoana?

8 Inona no tokony hataontsika rehefa manafika i Satana? Toy ny fokon’i Gada, dia tsy maintsy manana finoana matanjaka isika, ka manohitra mifanaraka amin’ny toromarika omen’Andriamanitra. Mampalahelo fa nanjary kivy ny sasany noho ny adim-piainana, hany ka nataony tsirambina ny fanompoana an’i Jehovah. (Matio 13:20-22) Nanazava ny Vavolombelona iray hoe nahoana no vitsy kely ny mpanatrika fivoriana. Hoy izy: “Tena reraka ireo rahalahy. Lanaka tanteraka izy ireo.” Betsaka tokoa ny antony mandreraka ny olona ankehitriny. Mora àry ny mieritreritra fa manampy trotraka an’izany fotsiny ny fanompoana an’Andriamanitra. Mety anefa ve ny mihevitra toy izany?

9. Nahoana no mamelombelona ny mitondra ny ziogan’i Kristy?

9 Trotraky ny fiainana koa ny olona maro tamin’ny andron’i Jesosy. Hoy izy tamin’izy ireo: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho.” Nilaza ve i Jesosy hoe ho velombelona isika, rehefa mampihena ny fanompoana an’Andriamanitra? Tsy izany no nambarany, fa hoy kosa izy: “Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy aho sady manetry tena am-po, dia ho velombelona ianareo.” Ny zioga dia hazo na metaly natao hitondran’ny olona na ny biby enta-mavesatra. Iza anefa no mbola hety hitondra izany zioga izany? Tsy efa ‘mavesatra’ ve ny ‘entantsika’? Marina izany, nefa ilay teny grika nampiasaina eto dia azo adika koa hoe: “Avia hiray zioga amiko.” Mba eritrereto ange e! I Jesosy mihitsy no te hanampy antsika hitondra ny entantsika! Tsy voatery hitondra izany irery isika.​—Matio 9:36; 11:28, 29; 2 Korintianina 4:7.

10. Inona no vokany rehefa miezaka hanome voninahitra an’Andriamanitra isika?

10 Miady amin’i Satana isika, rehefa manaiky ny ziogan’i Kristy, izany hoe manaiky ho mpianany. Mampanantena ny Jakoba 4:7 hoe: ‘Tohero ny Devoly, dia handositra anareo izy.’ Tsy mora izany, satria mitaky ezaka be ny fanompoana an’Andriamanitra. (Lioka 13:24) Mampanantena toy izao anefa ny Baiboly ao amin’ny Salamo 126:5: “Izay mamafy am-pitomaniana dia hijinja am-pifaliana.” Andriamanitra mahay mankasitraka no ivavahantsika. “Mpamaly soa an’izay mitady azy fatratra” izy, sady mitahy izay manome voninahitra azy.​—Hebreo 11:6.

Miderà an’Andriamanitra amin’ny fitoriana

11. Nahoana no miaro antsika amin’ny fanafihan’i Satana ny fanompoana eny amin’ny saha?

11 Nanome izao baiko izao i Jesosy: “Mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.” Ny fitoriana no fomba lehibe indrindra anaovana “sorona fiderana” ho an’Andriamanitra. (Matio 28:19; Hebreo 13:15) Tsy maintsy ‘mikiraro ny fahavononana hitory ny vaovao tsaran’ny fihavanana’ isika, mba hananana ny “fiadiana fiarovana rehetra” amin’ny fanafihan’i Satana. (Efesianina 6:11-15) Tena manatanjaka ny finoantsika isika, rehefa midera an’Andriamanitra amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. (2 Korintianina 4:13) Misakana antsika tsy hijery lafy ratsin-javatra izany. (Filipianina 4:8) Afaka mifampahery amin’ireo mpiray finoana amintsika isika, rehefa miara-manompo aminy.

12, 13. Hazavao amin’ny ohatra fa mahasoa ny fianakaviana ny mandray anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana.

12 Mahasoa ny fianakaviana koa ny miara-mandeha mitory. Marina fa mila miala voly ny ankizy. Tsy voatery hahasorena anefa ny miara-manompo amin’ny fianakaviana. Hahafinaritra kokoa izany, raha mampiofana ny zanany amin’ny fanompoana ny ray aman-dreny. Tian’ny ankizy ny manao zavatra hainy tsara, sa tsy izany? Ho faly handray anjara amin’ny fanompoana izy ireo, raha mahay mandanjalanja ny ray aman-dreniny, fa tsy mitaky zavatra tsy ho vitany.​—Genesisy 33:13, 14.

13 Ankoatra izany, dia tafaray kokoa ny fianakaviana miara-midera an’Andriamanitra. Nilaozan’ny vadiny tsy Vavolombelona, ohatra, ny anabavy iray manan-janaka dimy. Voatery niasa izy mba hamelomana azy ireo. Be atao loatra anefa ve izy, ka nataony tsirambina ny fampianarana Baiboly an-janany? Hoy izy: “Nazoto nianatra ny Baiboly sy ny boky ara-baiboly aho, ary niezaka nampihatra ny zavatra novakiko. Nentiko nivory sy nitory foana koa ny ankizy. Inona no vokany? Vita batisa izao izy dimy.” Hanampy anao hitaiza ny zanakao “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah” koa ny fahazotoana manompo.​—Efesianina 6:4.

14. a) Ahoana no anomezan’ny tanora voninahitra an’Andriamanitra rehefa any am-pianarana? b) Inona no afaka manampy ny tanora mba tsy ho “menatra ny vaovao tsara”?

14 Ry tanora, manome voninahitra an’Andriamanitra ve ianareo, ka mitory any am-pianarana, raha tsy voararan’ny lalàna ao amin’ny tany misy anareo izany? Sa ve ianareo tsy sahy, satria matahotra olona? (Ohabolana 29:25) Nanoratra toy izao ny Vavolombelona iray 13 taona, any Porto Rico: “Tsy mba menatra mitory izany mihitsy aho any am-pianarana, satria fantatro fa fahamarinana no arahintsika. Manangan-tanana foana aho, ary milaza izay nianarako tao amin’ny Baiboly. Rehefa tsy mianatra izahay, dia mankany amin’ny efitra famakiam-boky aho, ary mamaky ilay boky hoe Manontany ny Tanora.” * Notahin’i Jehovah ve ny ezaka nataony? Hoy izy: “Mametraka fanontaniana amiko ny mpiara-mianatra amiko indraindray, ary mangataka an’ilay boky.” Raha misalasala ny hitory any am-pianarana ianao, dia angamba mila manao fianarana samirery, ka mandinika tsara sy mamantatra “ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.” (Romanina 12:2) Tsy ho “menatra ny vaovao tsara” mihitsy ianao, rehefa resy lahatra fa marina ny zavatra nianaranao.​—Romanina 1:16.

‘Varavarana misokatra’ ho amin’ny fanompoana

15, 16. Ahoana no nampitomboan’ny Kristianina sasany ny fanompoany, ary inona no fitahiana azony?

15 Nilaza ny apostoly Paoly fa nisokatra teo anoloany ‘ny varavarana lehibe iray ho amin’ny asa.’ (1 Korintianina 16:9) Afaka manararaotra ny toe-javatra misy anao koa ve ianao, ka hampitombo ny fanompoanao? Mila manokana 70 na 50 ora isam-bolana mba hitoriana, ohatra, ianao, raha te ho mpisava lalana maharitra, na mpanampy. Tena mankasitraka ny fanompoana ataon’ny mpisava lalana ny Kristianina hafa. Tsy mihevi-tena ho ambony kokoa noho ireo rahalahiny sy anabaviny anefa izy ireo, satria hoe mitory bebe kokoa. Miezaka kosa izy ireo hanana ity toe-tsaina nampirisihan’i Jesosy ity: “Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tokony ho nataonay no nataonay.”​—Lioka 17:10.

16 Tsy maintsy mahay mifehy tena sy mandamin-javatra ary mahafoy tena ny mpisava lalana. Betsaka anefa ny fitahiana azon’izy ireo. “Tena tombontsoa be ny mahay manazava ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fomba marina tsara”, hoy i Tamika, tanora mpisava lalana. “Mampiasa Baiboly matetika mantsy ianao, rehefa mpisava lalana. Haiko tsara izao hoe inona no andinin-teny tena mety amin’ilay olona itoriako.” (2 Timoty 2:15) Hoy indray i Mica, izay mpisava lalana koa: “Tena mahafinaritra ahy mihitsy ny mahita fa manova ny fiainan’ny olona ny fahamarinana.” Nilaza koa ny tanora iray atao hoe Matthew fa mahafaly ny “mahita olona mandray ny fahamarinana, ary tsy misy fifaliana mihoatra noho izany.”

17. Inona no nahatonga ny Kristianina iray hirotsaka ho mpisava lalana, na dia nihevitra aza izy hoe tsy natao ho azy izany?

17 Afaka mirotsaka ho mpisava lalana ve ianao? Te hanao izany angamba ianao, nefa mahatsiaro ho tsy mahay. “Nihevitra aho fa tsy natao ho ahy ny asan’ny mpisava lalana”, hoy ny anabavy tanora iray atao hoe Kenyatte. “Nahatsiaro ho tsy nahay aho. Tsy nahay nanomana fampidiran-dresaka aho, sady tsy nahay nampiasa ny Soratra Masina mba handresen-dahatra.” Nanendry mpisava lalana matotra iray hanampy an’i Kenyatte anefa ny anti-panahy, ka hoy izy: “Nahafinaritra ny niara-niasa tamin’io rahavavy io, ary izay no nahatonga ahy haniry ho mpisava lalana.” Mety haniry ho mpisava lalana koa ianao, raha misy mampahery sy mampiofana.

18. Inona no fitahiana mety ho azon’ireo mirotsaka ho misionera?

18 Mety hanampy anao hahazo tombontsoam-panompoana hafa koa ny asan’ny mpisava lalana. Mety hahafeno fepetra, ohatra, ny mpivady sasany, ka hampiofanina ho misionera, ary halefa hitory any an-tany hafa. Tsy maintsy mizatra amin’ny firenena, fiteny, kolontsaina, ary karazan-tsakafo hafa izy ireo. Tsy dia mampaninona loatra anefa izany, rehefa heverina ireo fitahiana azo. Hoy i Mildred, misionera za-draharaha any Meksika: “Tsy nanenina mihitsy aho nanapa-kevitra ny ho misionera. Efa izay foana no faniriako hatramin’izaho mbola kely.” Inona àry no fitahiana azony? Hoy izy: “Sarotra be ny mahita olona manaiky hianatra Baiboly any amin’ny taniko. Teto Meksika kosa anefa dia nisy efatra tamin’ny mpianatro niara-nanomboka nitory!”

19, 20. Inona no fitahiana azon’ny Betelita, sy mpanao fanorenana, ary ireo nanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny fanompoana?

19 Mandray fitahiana tondraka koa ny olona manompo ao amin’ny Betela na biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy i Sven, rahalahy tanora ao amin’ny Betelan’i Alemaina: “Mitondra soa maharitra ny asa ataoko eto. Azoko natao ny nampiasa ny fahaizako tany amin’izao tontolo izao, nefa toy ny nametraka vola tany amin’ny banky efa ho bankirompitra aho, raha nanao izany.” Marina fa tsy maintsy mahafoy tena ny olona miasa an-tsitrapo sady tsy mandray karama, nefa hoy i Sven: “Rehefa mody any amin’ny efitranonao ianao, dia fantatrao fa ho an’i Jehovah daholo ny zavatra nataonao tamin’iny andro iny. Ary tena mahafa-po mihitsy izany!”

20 Nahazo fitahiana koa ireo rahalahy nandray anjara tamin’ny fanorenana sampana tany an-tany hafa. Nanoratra toy izao ny mpivady iray nanao fanorenana tany amin’ny tany valo: “Tena mahafinaritra ireo rahalahy eto. Halahelo be izahay rehefa handeha, ary imbalo amin’izao izahay no halahelo be. Tena tsara be ilay izy!” Tsy hadinontsika koa ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Mampiofana ny rahalahy mpitovo mahafeno fepetra izy io. Hoy ny rahalahy iray nahazo diplaoma tamin’io sekoly io: “Faran’izay tsara ilay sekoly, ka tsy hitako mihitsy izay teny hisaorana anareo. Aiza no hisy fandaminana hiezaka be toy izany mba hampiofana ny olona ao aminy?”

21. Inona no ilain’ny Kristianina rehetra hatao, na dia sarotra aza izany?

21 Maro tokoa ny varavarana misokatra ho amin’ny fanompoana. Marina fa tsy afaka ny hanompo ao amin’ny Betela na any an-tany hafa ny ankamaroantsika. I Jesosy aza niaiky fa samy hafa ny ‘vokatra’ entin’ny Kristianina, satria samy hafa ny zavatra iainany. (Matio 13:23) Mila mazoto manompo an’i Jehovah araka izay fahafahantsika isika Kristianina, na dia sarotra aza izany. Manome voninahitra an’i Jehovah isika amin’izay, ka afaka matoky fa ho faly izy. Mipetraka ao amin’ny trano fitaizana ny be antitra, ohatra, i Ethel. Mitory tsy tapaka amin’ireo zokiolona mipetraka ao izy, ary mitory an-telefaonina koa. Manompo amin’ny fony manontolo izy, na dia voafetra aza ny mety ho vitany.​—Matio 22:37.

22. a) Ahoana avy no fomba azontsika anomezam-boninahitra an’Andriamanitra? b) Inona ilay fotoan-dehibe miandry antsika?

22 Tadidio fa tsy ny fitoriana ihany no fomba anomezam-boninahitra an’i Jehovah. Mampifaly ny fony koa isika, rehefa fakan-tahaka eo amin’ny fitondran-tena sy ny fitafiana ary ny taovolo, na any am-piasana na any am-pianarana na ao an-trano. (Ohabolana 27:11) Mampanantena ny Ohabolana 28:20 hoe: “Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana.” Tokony ‘hamafy be’ àry isika eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, satria hijinja be isika amin’izay. (2 Korintianina 9:6) Raha manao izany isika, dia hiaina amin’ilay fotoan-dehibe ho avy, rehefa hanome voninahitra an’i Jehovah daholo “izay rehetra manam-pofonaina”!​—Salamo 150:6.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Ny Vavolombelon’i Jehovah no namoaka ilay boky hoe Manontany ny Tanora​—Valiny Mandaitra.

Tadidinao Ve?

• Ahoana no ahafahan’ny vahoakan’i Jehovah manompo azy “andro aman’alina”?

• Inona no zava-tsarotra natrehin’ny fokon’i Gada, ary inona no ianaran’ny Kristianina avy amin’izany?

• Nahoana no miaro antsika amin’ny fanafihan’i Satana ny fanompoana eny amin’ny saha?

• Ahoana no nampitomboan’ny Kristianina sasany ny fanompoany, ary inona no fitahiana azony?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Tsy maintsy manohitra ny fanafihan’i Satana ny Kristianina, toy ny fokon’i Gada nanohitra ny mpanafika

[Sary, pejy 17]

Mifampahery isika eny amin’ny fanompoana

[Sary, pejy 18]

Mety hahazoana tombontsoam-panompoana hafa ny asan’ny mpisava lalana, toy ny:

1. Fanorenana any an-tany hafa

2. Fanompoana ao amin’ny Betela

3. Fanompoan’ny misionera