Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony ho Anisan’ny Fivavahana Iray ve Ianao?

Tokony ho Anisan’ny Fivavahana Iray ve Ianao?

Tokony ho Anisan’ny Fivavahana Iray ve Ianao?

‘TSY voatery hanaraka fivavahana iray na hiangona tsy tapaka aho, mba hinoako an’Andriamanitra!’ Maro be ny olona mihevitra toy izany. Misy mihitsy aza milaza fa mahatsiaro ho akaiky kokoa an’Andriamanitra izy ireo rehefa mitsangantsangana, ka mandinika ny zavaboary, toy izay manatrika fotoam-pivavahana any am-piangonana. Be dia be amin’izao andro izao no mino fa tsy voatery hanaraka fivavahana iray na ho anisan’ny antokom-pivavahana iray izy, vao afaka hino an’Andriamanitra.

Misy olona tsy miombon-kevitra amin’izany anefa. Aminy, dia tena ilaina ny manaraka fivavahana iray sy mandeha miangona, mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra. Iankinan’ny aina mihitsy aza izany, araka ny hevitr’izy ireo. Samy manana ny heviny tokoa ny olona, nefa tsy natao hahalalana ny zava-misy fotsiny izany fandinihana izany. Tena tokony hieritreritra isika tsirairay raha ilaina ny manaraka fivavahana iray. Misy akony eo amin’ny fihavanantsika amin’Andriamanitra koa izany, ka tsy ara-dalàna ve raha mandinika ny heviny momba izany isika? Inona àry no lazain’ny Teniny?

Ahoana no nifandraisan’Andriamanitra tamin’ny olona fahiny?

Efa ho 4 400 taona lasa izay, dia nisy safodrano nahatsiravina naneran-tany. Tsy mora hadinoina ny fisehoan-javatra toy izany, ary ahitana resaka momba azy io ny asa soratra fahiny any amin’ny firenena eran-tany. Betsaka ny mampitovy an’ireny tantara ireny, na dia samy hafa aza ny tsipiriany. Samy milaza, ohatra, izy ireny fa olona vitsivitsy monja sy biby sasantsasany ihany no voavonjy.

Sendra nieren-doza fotsiny ve ireo olona tafavoaka velona tamin’ny Safodrano? Tsy izany no izy, hoy ny Baiboly. Tsy nampilaza ny olona tsirairay Andriamanitra hoe ho avy ny Safodrano, fa i Noa kosa no nanambarany izany. Ary i Noa indray no nampitandrina ny mpiara-belona taminy hoe efa nananontanona ny Safodrano.​—Genesisy 6:13-16; 2 Petera 2:5.

Izay naniry hanavotra ny ainy, dia tsy maintsy niaraka tamin’ny antokon’olona tafaray tsara, izany hoe ry Noa mianakavy. Tsy maintsy vonona hanaiky ny tari-dalana nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Noa koa izy ireo. Na dia ny biby tao anaty sambofiara aza dia voatsimbina, satria niaraka tamin’ireo olona ireo. Nahazo toromarika nazava tsara mantsy i Noa hiarovana ny biby.​—Genesisy 6:17–7:8.

Taonjato maro tatỳ aoriana, dia lasa andevo tany Ejipta ny taranak’i Sema, zanakalahin’i Noa. Nikasa hanafaka azy ireo anefa Andriamanitra, ka hitondra azy ireo tany amin’ilay tany nampanantenainy an’i Abrahama, razamben’izy ireo. Tsy ny olona tsirairay koa no nilazana izany, fa i Mosesy sy Arona rahalahiny ihany aloha, izay voafidy ho mpitarika. (Eksodosy 3:7-10; 4:27-31) Rehefa avy niara-nafahana avy tany Ejipta ireo andevo ireo, dia nomena ny Lalàn’Andriamanitra teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, ary nanjary nantsoina hoe firenen’ny Israely.​—Eksodosy 19:1-6.

Tsy voavonjy ny Israelita tsirairay, raha tsy nifandray tamin’ilay vahoaka nalamin’Andriamanitra, sy nanaraka ny tari-dalana nomen’ireo olona notendreny hitarika azy ireo. Navela hiaraka tamin’io antokon’olona nankasitrahan’Andriamanitra io mihitsy aza ny Ejipsianina sasantsasany. Nandao an’i Ejipta niaraka tamin’ny Israelita izy ireo, hany ka notahin’Andriamanitra.​—Eksodosy 12:37, 38.

Tamin’ny taonjato voalohany indray, dia nanomboka nitory i Jesosy, ka nanangona olona ho mpianany. Niaraka nomeny tari-dalana izy ireo, na dia nisy olona nosinganiny sy nahiny tamim-pitiavana koa aza. Hoy i Jesosy tamin’ireo apostoly 11 nahatoky: “Ianareo no nifikitra tamiko tao anatin’ireo fitsapana nahazo ahy. Koa manao fifanekena aminareo aho, toy ny nanaovan’ny Raiko fifanekena tamiko, ho amin’ny fanjakana.” (Lioka 22:28, 29) Rehefa nivory koa ny mpianatra tatỳ aoriana, dia niara-nilatsahan’ny fanahy masin’Andriamanitra.​—Asan’ny Apostoly 2:1-4.

Asehon’ireo ohatra ireo mazava tsara àry, fa nisy foana antokon’olona tafaray izay nomen’Andriamanitra tari-dalana. Marina fa nisy olona nifandray mivantana taminy, toa an-dry Noa sy Mosesy ary Jesosy sy ny hafa. Kanefa, nampiasa azy ireny izy mba hampitana tari-dalana tamin’ny antokon’olona iray tafaray tsara. Tsy misy antony ieritreretana hoe samy hafa amin’izany no ataon’Andriamanitra amin’ny mpanompony ankehitriny. Mipetraka àry ny fanontaniana hoe: Rehefa mety ho fivavahana ve dia azo ekena? Handinika an’io fanontaniana lehibe io isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Sary, pejy 4]

Efa hatramin’ny ela Andriamanitra no nifandray tamin’ny antokon’olona iray voalamina