Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Manampy Anao Hitaiza ny Zanakao ve ny Baiboly?

Afaka Manampy Anao Hitaiza ny Zanakao ve ny Baiboly?

Afaka Manampy Anao Hitaiza ny Zanakao ve ny Baiboly?

VONINKAZO tena kanto ny orkide, saingy sarotra ambolena. Tokony hatao mety tsara ny hafanana sy ny hazavana ary ny haben’ny tavim-boninkazo, raha tiana haniry tsara izy io. Mifidy tany sy zezika koa ny orkide, ary mora simban’ny aretina sy ny bibikely. Matetika àry no tsy mahomby ny olona, izay sambany vao mamboly azy io.

Mbola sarotra kokoa anefa ny mitaiza zanaka, ary mila karakaraina tsara koa izy ireo. Matetika àry no tsy matoky tena ny ray aman-dreny. Maro no mitady fanampiana, toy ny mpamboly orkide izay maka hevitra any amin’ny mpamboly efa za-draharaha. Azo inoana koa fa mitady ny tari-dalana tsara indrindra ny ray aman-dreny rehetra. Aiza àry no ahitany izany?

Tsy boky momba ny fitaizan-janaka akory ny Baiboly. Nasain’ny Mpamorona nanome torohevitra tsara maro be mahakasika izany anefa ireo mpanoratra azy io. Antitranterin’ny Soratra Masina fa tokony hampianarina ho tsara toetra ny ankizy. Betsaka no mihevitra fa atao tsirambina izany matetika. (Efesianina 4:22-24) Tena manampy ny ray aman-dreny mba hanome fanabeazana voalanjalanja tsara ny torohevitra ao amin’izy io. Nampihatra izany ny olona maro avy amin’ny kolontsaina samy hafa sy niaina tamin’ny fotoana samy hafa, ka nandray soa. Noho izany, dia hahavita hitaiza tsara ny zanakao koa ianao, raha manaraka ny torohevitry ny Soratra Masina.

Tokony ho modely ny ray aman-dreny

“Ianao izay mampianatra ny sasany io, mba mampianatra ny tenanao ve ianao? Ianao izay mitory hoe: ‘Aza mangalatra’, mba mangalatra ve ianao? Ianao izay milaza hoe: ‘Aza manitsakitsa-bady’, mba manitsakitsa-bady ve ianao?”​—Romanina 2:21, 22.

Hoy ny mpitari-draharahan’ny Filan-kevitry ny Fampianarana any Séoul: “Ny teny sy ny atao no fomba tsara indrindra hanabeazana ny ankizy.” Hoheverin’ny zanaka ho mpihatsaravelatsihy ny ray aman-dreny, raha manome fitsipika mazava, nefa tsy mifanaraka amin’izany ny zavatra lazainy sy ataony. Tsy hisy lanjany ny tenin’izy ireo raha izany no izy. Ny ray aman-dreny mihitsy, ohatra, no tsy maintsy manao ny marina, raha tiany hanao ny marina ny zanany. Rehefa misy mitady ny olona sasany, dia matetika no asain’izy ireo milaza amin’ilay vahiny ny zanany hoe: “Tsy ao i Dada”, na “Tsy ao i Neny.” Ho menatra sy ho very hevitra ilay ankizy. Mety handainga koa izy any aoriana any, rehefa tojo zava-tsarotra, ary tsy hanenjika azy akory ny eritreriny. Raha tena tian’ny ray aman-dreny hanao ny marina àry ny zanany, dia izy ireo mihitsy aloha no tsy maintsy milaza sy manao ny marina.

Tianao hampianarina hanaja ny olona iresahany ve ny zanakao? Ianao mihitsy no tokony ho modely amin’izany. Ho mailaka haka tahaka anao mantsy izy. Hoy i Sung-sik, izay manan-janaka efatra: “Nifanaraka izahay mivady fa tsy hiteny ratsy mihitsy. Nifanaja koa izahay, ary tsy nampiaka-peo rehefa sosotra na tezitra. Nandaitra kokoa noho ny anatra, ny modely tsara. Faly izahay fa manaja olona sy mahalala fomba ny zanakay rehefa miresaka.” Hoy ny Baiboly ao amin’ny Galatianina 6:7: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.” Raha tian’ny ray aman-dreny hanaraka fitsipi-pitondran-tena tsara àry ny zanany, dia izy ireo mihitsy aloha no tsy maintsy manaraka izany.

Mifampiresaha tsara hatrany

“Ampianaro tsara ny zanakao [ny didin’Andriamanitra], ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha.”​—Deoteronomia 6:7.

Mihabetsaka ny olona manao ora fanampiny any am-piasana. Tena misy akony eo amin’ny ankizy, rehefa samy miasa ny ray aman-dreniny. Mihena ny fotoana iarahan’ny olona maro amin-janany. Tsy maintsy manao raharaha isan-karazany koa ny sasany, rehefa tonga ao an-trano, hany ka mety ho vizana na lanaka tanteraka. Ahoana àry no hifampiresahana tsara hatrany amin’ny ankizy? Mety ho afaka hifampiresaka amin’ny zanakao ianao, raha miara-manao raharaha ianareo. Nifidy ny tsy hanana tele intsony ny raim-pianakaviana iray, mba hanam-potoana bebe kokoa hiresahana amin-janany. Hoy izy: “Sorena ny ankizy tamin’ny voalohany, nefa tsy nampaninona azy ireo intsony ilay izy, rehefa niara-nanao kilalaon-tsaina sy niresaka momba ireo zavatra nahaliana novakinay izahay.”

Tokony hozarina hifampiresaka amin’ny ray aman-dreniny ny ankizy, dieny mbola kely. Raha tsy izany, dia mety tsy horaisiny ho namana azo iresahana izy ireo, rehefa mihalehibe izy ka tojo zava-manahirana. Ahoana àry no anampiana ny ankizy hamboraka ny ao am-pony? Hoy ny Ohabolana 20:5: “Rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona; fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany.” Azo anontaniana izy, ohatra, hoe: “Ahoana ny hevitrao?” Hampirisika azy hilaza ny heviny sy ny fihetseham-pony ny ray aman-dreny manao izany.

Ahoana kosa no hataonao, raha manao fahadisoana lehibe ny zanakao? Amin’izay indrindra izy no mila hanehoana hatsaram-panahy. Fehezo ny fihetseham-ponao rehefa mihaino azy ianao. Hoy ny raim-pianakaviana iray: “Miezaka ny tsy hisafoaka aho, rehefa misy manao fahadisoana ny zanako. Mipetraka aloha aho, ary henoiko izay lazainy. Miezaka hahalala tsara izay nitranga aho. Rehefa tsapako hoe mitady tsy ho voafehiko ny fahatezerako, dia miandry kely aho mandra-pahatony kokoa ahy.” Ho mora kokoa amin’ny zanakao ny hanaiky ny fanitsianao azy, raha mifehy tena sy mihaino azy ianao.

Tena ilaina ny fananarana amim-pitiavana

“Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah izy.”​—Efesianina 6:4.

Zava-dehibe ny fananarana amim-pitiavana, mba hahazoana vokatra tsara. Ahoana no mety hahatonga ny ray aman-dreny ‘hampahatezitra ny zanany’? Tsy hanaiky ilay fananarana ny ankizy, raha tsy mifanaraka amin’ny fahadisoana nataony ilay izy, na be fanakianana loatra ilay miteny azy. Tokony hanarina amim-pitiavana foana izy ireo. (Ohabolana 13:24) Raha mampisaintsaina azy ianao, dia ho hitany fa tia azy ianao matoa mananatra azy.​—Ohabolana 22:15; 29:19.

Tokony havela hizaka ny vokatry ny ratsy nataony koa anefa ny ankizy. Raha nisy zavatra tsy mety nataony tamin’olona, ohatra, dia aza manaiky raha tsy miala tsiny izy. Raha mandika ny fitsipika napetrakao izy, dia azonao rarana tsy hanao zavatra sasany mahafinaritra azy. Hazava aminy amin’izay fa zava-dehibe ny mankatò.

Tokony tsy hitaredretra hananatra ny zanany ny ray aman-dreny. Hoy ny Mpitoriteny 8:11: “Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan’ny fon’ny zanak’olombelona amin’ny fanaovan-dratsy.” Misy ankizy manao fanahy iniana maditra, mba hitsapany raha ho voasazy izy na tsia. Koa hazòny àry ny teninao, raha efa nampitandrina ianao hoe ho voasazy izy raha maditra.

Ilaina ny fialam-boly mahasoa

“Ao ny andro ihomehezana . . . ary ao ny andro andihizana.”​—Mpitoriteny 3:1, 4.

Mila fialam-boly mahasoa sy voalanjalanja ny ankizy, mba hitomboany sy hampivelatra ny sainy. Manjary mifandray kokoa ny mpianakavy rehefa miara-miala voly, ary lasa tsy manana ahiahy ny ankizy. Inona avy anefa no fialam-boly azo atao? Betsaka ny zavatra mahafinaritra azo atao, rehefa tena eritreretina tsara. Nahoana, ohatra, raha mandeha mitsangantsangana, na manao baolina na voley na baskety? Tsy mahafinaritra koa ve rehefa miara-mihira ny fianakaviana, na mitendry mozika, na milalao karatra? Ary nahoana raha mba miara-mitsidika valan-javaboary? Azo antoka fa hanana fahatsiarovana tsara ianareo mianakavy amin’izay.

Afaka mampianatra an-janany mba hahay hifidy fialam-boly ny ray aman-dreny, mandritra ireny fotoana ireny. Hoy ny lehilahy kristianina iray, manan-janaka telo lahy: “Miara-miala voly amin-janako aho, rehefa afaka. Rehefa manao lalao video, ohatra, izy ireo, dia anontaniako ny mombamomba ilay izy. Mafana fo erỳ izy ireo indraindray manazava izany amiko, ary manararaotra miresaka momba ny loza ateraky ny fialam-boly ratsy aho amin’izay. Noho izany, dia mifidy tsara ny fialam-boliny izy ireo.” Raha afa-po amin’ny fialam-boly ataon’ny fianakaviana ny ankizy, dia tsy atahorana loatra hijery fandaharana, na filma, na lalao video mampiseho herisetra sy fitondran-tena maloto ary fidorohana zava-mahadomelina.

Ampio hifidy namana tsara ny zanakao

“Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.”​—Ohabolana 13:20.

Hoy ny ray kristianina iray, izay nahavita nitaiza tsara ny zanany efatra mianadahy: “Misy vokany lehibe eo amin’ny ankizy mihitsy ny namany. Naman-dratsy iray monja dia efa maharava ny asa rehetra nataonao.” Mba hanampiana ny zanany hifidy namana tsara, dia nanontany azy ireo izy hoe: Iza no tena namanao? Inona no itiavanao azy? Inona no toetrany tianao hotahafina? Misy koa raim-pianakaviana manasa ny naman’ny zanany ho tonga ao an-trano. Afaka mandinika azy ireo izy amin’izay, ary manome tari-dalana azy, arakaraka ny zavatra hitany.

Tsara hampianarina koa ny ankizy fa tsy voatery hitovy taona aminy foana ny namany, fa afaka minamana amin’ny olon-dehibe koa izy. Hoy i Bum-sun, izay manan-janaka telo lahy: “Hazavaiko amin-janako fa tsy voatery hitovy taona aminy ny namany, toa an’i Davida sy Jonatana, ao amin’ny Baiboly. Manasa Kristianina tanora sy efa lehibe aho mba hiaraka amin’izy ireo. Noho izany, dia mifanerasera amin’ny olona maro tsy mitovy taona aminy ny zanako.” Afaka miana-javatra betsaka ny ankizy, rehefa miaraka amin’ny olon-dehibe fakan-tahaka.

Hahavita hitaiza tsara ny zanakao ianao

Araka ny fanadihadiana iray natao tany Etazonia, dia ray aman-dreny maro no tsy nahomby loatra, rehefa niezaka nampianatra ny zanany mba hahay hifehy tena sy hanitsy tena ary hanao ny marina. Fa nahoana no sarotra izany? Hoy ny reny iray: ‘Mampalahelo fa raha te hiaro ny zanakao ianao, dia tsy misy azo atao afa-tsy ny manidy azy ao an-trano sy tsy mamela azy hivoaka mihitsy.’ Nihevitra mantsy izy fa tena ratsy ny zavatra iainan’ny ankizy amin’izao andro izao. Tena hahavita hitaiza tsara ny zanakao àry ve ianao?

Mety ho kivy ianao, raha te hamboly orkide, nefa atahoranao halazo ilay izy. Eritrereto anefa hoe manatona anao ny olona iray mahafantatra tsara ny orkide. Manome toky anao izy hoe: “Haniry tsara io, raha izao no ataonao.” Tena ho faly mihitsy ianao amin’izay! Mitovy amin’izany i Jehovah. Tsy misy mahafantatra tsara ny olombelona noho izy, ary manome ny torohevitra tsara indrindra momba ny fitaizan-janaka izy. Izao no lazainy: “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” (Ohabolana 22:6) Raha manaraka ny torohevitry ny Baiboly ianao rehefa mitaiza ny zanakao, dia hanjary hahay handray andraikitra izy ireo rehefa lehibe, sady hihevitra ny hafa, ary hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy. Tsy ny olona fotsiny no ho tia azy ireo amin’izay, fa i Jehovah Raintsika any an-danitra mihitsy koa.