Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Manova Zavatra ve ny Vavakao?

Afaka Manova Zavatra ve ny Vavakao?

Afaka Manova Zavatra ve ny Vavakao?

EFA samy tojo olana lehibe tsy voavahantsika angamba isika rehetra. Fantatry ny apostoly Paoly fa mety hisy akony eo amin’ny hiafaran’ny toe-javatra sarotra toy izany ny vavaka. Izany no asehon’ny Baiboly.

Nampidirina am-ponja tany Roma noho ny antony tsy ara-drariny i Paoly. Nangatahiny hivavaka ho azy ny mpiray finoana taminy. Hoy izy: “Iangaviako mafy kokoa ianareo mba hivavaka ho anay. Amin’izay dia mba ho tafaverina haingana kokoa any aminareo aho.” (Hebreo 13:18, 19) Nilaza koa izy, indray mandeha, fa matoky izy hoe hovalian’Andriamanitra ny vavaka natao mba hamotsorana azy alohan’ny fotoana. (Filemona 22) Nafahana i Paoly, fotoana fohy taorian’izay, ary afaka nanohy ny asa misionera indray.

Tena afaka manampy anao handamina ny zava-manahirana anao ve ny vavaka? Mety ho izany tokoa no izy. Tadidio anefa fa tsy fombafomba ara-pivavahana fotsiny ny vavaka. Tena resaka atao amin’ilay Raintsika be fitiavana sy mahery any an-danitra izy io. Tsy tokony hisalasala hilaza zavatra voafaritra tsara isika ao amin’ny vavaka ataontsika. Tokony haharitra hiandry ny valim-bavaka avy amin’i Jehovah anefa isika.

Mety tsy hamaly mivantana ny vavaka rehetra Andriamanitra. Mety tsy ho araka izay eritreretintsika ny fomba na ny fotoana hamaliany azy. Nivavaka matetika momba ny ‘tsilo tao amin’ny nofony’, ohatra, i Paoly. Na inona na inona io olana io, dia tsy nesorin’Andriamanitra ilay izy. Nampionona sy nanatanjaka azy tamin’ireto teny ireto kosa izy: “Ampy anao ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehoko aminao. Fa ny heriko dia manjary lavorary ao amin’ny fahalemena.”​—2 Korintianina 12:7-9.

Matokia fa na dia tsy esorin’Andriamanitra aza ny zava-manahirana iray, dia afaka ‘manisy lalan-kivoahana izy, mba hahazakantsika izany.’ (1 Korintianina 10:13) Hofoanany tsy ho ela ny fahoriana rehetra manjo ny olombelona. Mandra-pahatongan’izany, dia afaka manova zavatra ny fitodihana any amin’ilay “Mpihaino vavaka.”​—Salamo 65:2.