Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ekeo ny Tari-dalan’ilay Andriamanitra Velona

Ekeo ny Tari-dalan’ilay Andriamanitra Velona

Ekeo ny Tari-dalan’ilay Andriamanitra Velona

‘Manatòna an’ilay Andriamanitra velona, izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny zava-drehetra ao amin’ireo.’​—ASAN’NY APOSTOLY 14:15.

1, 2. Nahoana isika no manaiky fa “Andriamanitra velona” tokoa i Jehovah?

REHEFA avy nanasitrana lehilahy iray tany Lystra ny apostoly Paoly sy Barnabasy, dia nanome toky ny vahoaka i Paoly hoe: “Olombelona tahaka anareo ihany ange izahay e! Ary mitory ny vaovao tsara aminareo izahay mba hialanareo amin’izao zava-poana izao ka hanatonanareo an’ilay Andriamanitra velona, izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny zava-drehetra ao amin’ireo.”​—Asan’ny Apostoly 14:15.

2 “Andriamanitra velona” tokoa i Jehovah, fa tsy sampy tsy mananaina! (Jeremia 10:10; 1 Tesalonianina 1:9, 10) Izy mihitsy koa no Loharanon’ny aintsika. “Izy no manome ho an’ny olon-drehetra ny aina sy ny fofonaina ary ny zava-drehetra.” (Asan’ny Apostoly 17:25) Tiany hankafy ny fiainana ankehitriny sy amin’ny ho avy isika. Nilaza koa i Paoly fa “tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona [Andriamanitra], satria nanao soa ka nanome anareo ranonorana avy eny amin’ny lanitra sy taon-jina, ary nahavoky ny fonareo tamin’ny hanina sy ny fifaliana.”​—Asan’ny Apostoly 14:17.

3. Nahoana isika no afaka matoky ny tari-dalan’Andriamanitra?

3 Afaka matoky ny tari-dalan’Andriamanitra isika, satria miahy antsika izy. (Salamo 147:8; Matio 5:45) Misy tsy manaiky izany, satria tsy mazava aminy ny didy iray ao amin’ny Baiboly, na heveriny ho mamepetra loatra. Voaporofo anefa fa hendry izay matoky ny tari-dalan’i Jehovah. Mety ho tsy nazava tamin’ny Israelita iray, ohatra, ilay didy hoe aza mikasika faty. Nandray soa anefa izy raha nankatò, satria nanjary akaiky kokoa an’ilay Andriamanitra velona, sady afaka nisoroka aretina.​—Levitikosy 5:2; 11:24.

4, 5. a) Inona no tari-dalana nomen’i Jehovah momba ny ra, talohan’ny andro kristianina? b) Ahoana no ahalalantsika fa tokony hanaraka ilay tari-dalan’Andriamanitra momba ny ra koa ny Kristianina?

4 Toy izany koa ny tari-dalan’Andriamanitra momba ny ra. Nilaza tamin’i Noa izy fa tsy tokony hihinana na hisotro ra ny olombelona. Nolazainy tao amin’ny Lalàna koa fa eo amin’ny alitara ihany no azo ampiasana ny ra, mba hahazoana famelan-keloka. Ireo didy ireo no dingana nataon’Andriamanitra mba hampiasana ny ra amin’ny fomba tsara indrindra, izany hoe mba hamonjena aina amin’ny alalan’ny vidim-panavotan’i Jesosy. (Hebreo 9:14) Te hiaro ny aintsika sy mitsinjo izay hahasoa antsika àry izy, matoa nanome tari-dalana. Rehefa niresaka momba ny Genesisy 9:4 i Adam Clarke, manam-pahaizana momba ny Baiboly, dia hoy izy: “Mbola manaraka tsara an’io didy [nomena an’i Noa] io ny Kristianina tatsinanana . . . Voararan’ny Lalàna ny fihinanan-dra, satria izy io dia nisarika ny saina ho amin’ilay ra izay halatsaka noho ny fahotan’izao tontolo izao. Voararan’ny Filazantsara koa ny fihinanan-dra, satria izy io dia natao hampahatsiahivana hatrany an’ilay ra nalatsaka mba hahazoana famelan-keloka.”

5 Ilay filazantsara, na vaovao tsara, mahakasika an’i Jesosy angamba no tao an-tsain’io manam-pahaizana io. Tafiditra amin’izany ny nanirahan’Andriamanitra ny Zanany mba handatsaka ny rany sy ho faty ho antsika, ka hahafahantsika hiaina mandrakizay. (Matio 20:28; Jaona 3:16; Romanina 5:8, 9) Niresaka momba ilay didy nomena ny mpianatr’i Kristy tatỳ aoriana koa i Clarke teo.

6. Inona no toromarika nomena ny Kristianina momba ny ra, ary nahoana?

6 Fantatsika fa nomen’Andriamanitra lalàna an-jatony ny Israelita. Tsy voatery nanaraka azy ireny intsony ny mpianatr’i Jesosy, rehefa maty izy. (Romanina 7:4, 6; Kolosianina 2:13, 14, 17; Hebreo 8:6, 13) Nisy fanontaniana nipoitra anefa tatỳ aoriana momba ny didy lehibe iray, dia ny famorana. Tsy maintsy noforana ve ny tsy Jiosy, izany hoe mbola hanaraka ny Lalàna ihany, raha te handray soa avy tamin’ny ran’i Jesosy? Nandinika izany ny filan-kevi-pitantanana kristianina, tamin’ny taona 49. (Asan’ny Apostoly toko faha-15) Nampian’ny fanahin’Andriamanitra ireo apostoly sy anti-panahy, ary nanatsoaka hevitra fa tsy voatery hoforana ny Kristianina, satria tsy nanan-kery intsony ny Lalàna. Nisy didin’Andriamanitra mbola nihatra tamin’izy ireo anefa. Nanoratra toy izao ho an’ny fiangonana ny filan-kevi-pitantanana: “Sitraky ny fanahy masina sy izahay ny tsy hanampy enta-mavesatra anareo, afa-tsy ireto zavatra tsy maintsy hotandremana ireto: Ny mifady hatrany ny zavatra natao sorona ho an’ny sampy, sy ny ra sy ny biby nokendaina ary ny fijangajangana. Hahasoa anareo ny mitandrina tsara ireo zavatra ireo.”​—Asan’ny Apostoly 15:28, 29.

7. Ahoana no ahafantarana fa tena zava-dehibe amin’ny Kristianina ny ‘mifady ny ra’?

7 Mazava àry fa zava-dehibe tamin’ny filan-kevi-pitantanana ny ‘fifadiana ny ra’, toy ny fifadiana ny fitondran-tena maloto sy ny fanompoan-tsampy. Porofoin’izany fa mavesa-danja ilay fandrarana mahakasika ny ra. Tsy “handova ny fanjakan’Andriamanitra” ny Kristianina nanompo sampy na naloto fitondran-tena, raha tsy mibebaka. ‘Ny fahafatesana faharoa no ho anjarany.’ (1 Korintianina 6:9, 10; Apokalypsy 21:8; 22:15) Mariho fa fahafatesana mandrakizay no mety hiandry izay tsy manaraka ny tari-dalan’Andriamanitra momba ny fahamasinan’ny ra. Hahazo fiainana mandrakizay kosa anefa ireo manaja ny soron’i Jesosy.

8. Inona no mampiseho fa tena zava-dehibe tamin’ny Kristianina voalohany ny tari-dalan’Andriamanitra momba ny ra?

8 Ahoana no fahazoan’ny Kristianina voalohany ny tari-dalan’Andriamanitra momba ny ra, ary ahoana no nampiharany izany? Tadidio ilay tenin’i Clarke hoe: ‘Voararan’ny Filazantsara ny fihinanan-dra, satria izy io dia natao hampahatsiahivana hatrany an’ilay ra nalatsaka mba hahazoana famelan-keloka.’ Voamarin’ny tantara fa tsy nanamaivana izany ny Kristianina voalohany. Hoy i Tertullien: ‘Nandritra ny fampisehoana teo amin’ny kianja filalaovana, dia nigoka ny ran’ireo mpanao heloka bevava vao novonoina ny sasany, mba hanasitranana ny androbeny.’ Nihinan-dra ny mpanompo sampy, fa ‘ny Kristianina kosa tsy nihinana mihitsy na dia ram-biby aza’, hoy ihany i Tertullien. Nilaza koa izy hoe: “Toloranareo saosisy voasesika ra ny Kristianina mba hitsapana azy, nefa fantatrareo tsara fa voararan’ny lalàn’izy ireo izany.” Tsy nihinan-dra mihitsy izy ireo, na dia norahonana ho faty aza. Tena zava-dehibe taminy ny tari-dalan’Andriamanitra.

9. Inona no tafiditra tamin’ny hoe mifady ny ra, ankoatra ny hoe tsy mihinana azy io?

9 Misy angamba mieritreritra fa ny mihinana ra sy hena tsy nalatsa-dra ary sakafo misy ra ihany no nasain’ny filan-kevi-pitantanana nofadin’ny Kristianina. Izany tokoa no hevitra voalohany nofonosin’ilay didy nomen’Andriamanitra an’i Noa. Marina koa fa nandidy ny Kristianina ny apostoly mba ‘hifady ny biby nokendaina’, izany hoe ny hena mbola misy ra. (Genesisy 9:3, 4; Asan’ny Apostoly 21:25) Fantatry ny Kristianina voalohany anefa fa tsy izay ihany no tafiditra amin’ilay didy. Nihinan-dra noho ny antony ara-pahasalamana ny olona indraindray. Nilaza i Tertullien fa nisy mpanompo sampy nihinan-dra, mba hanasitranana ny androbeny. Mety ho nisy fomba hafa koa nampiasana ny ra, mba hitsaboana aretina, na hanatsarana fahasalamana, araka ny hevitry ny sasany. Tsy nihinan-dra noho ny antony “ara-pahasalamana” koa àry ny Kristianina, izay nifady ny ra. Nijoro tamin’izany hevitra izany izy ireo, na dia nety ho namoizany ny ainy aza izany.

Ampiasaina ho fanafody ny ra

10. Ahoana avy no fomba ampiasana ny ra eo amin’ny fitsaboana, ary inona no fanontaniana aterak’izany?

10 Matetika izao no ampiasaina amin’ny fitsaboana ny ra. Ra manontolo no nampiasaina taloha, izany hoe tehirizina ny ra nomen’olona iray, ary avy eo ampidirina ao amin’ny marary iray, izay angamba naratra tany an’ady. Nanjary nahay nitsinjara ny ra ho taharo fototra maromaro ny mpikaroka tatỳ aoriana. Noho izany, dia azo nozaraina tamin’ny marary maromaro ny ra nomen’olona iray. Nety ho nitsaboana olona iray naratra, ohatra, ny ranon-dra (plasma), ary ny liomena kosa nitsaboana olon-kafa. Rehefa nandroso ny fikarohana, dia hita fa mbola azo akana zavatra maro be ireo taharo fototra (ny ranon-dra, ohatra), hany ka betsaka kokoa ny marary azo izarana azy. Mbola mitohy ny fikarohana, ary nahita fomba hafa ampiasana ny zavatra azo avy amin’ny ra ny mpikaroka. Ahoana àry no tokony hataon’ny Kristianina? Tapa-kevitra izy ireo fa tsy hanaiky hampidirana ra mihitsy. Kanefa, mety hampirisika azy ny dokoterany mba hanaiky hampidirana taharo fototry ny ra, toy ny liomena, ohatra. Na mety hisy zavatra kely avy amin’ny taharo fototra, ny fanafody hitsaboana azy. Fantatry ny mpanompon’Andriamanitra tsara fa masina ny ra, ary ny ran’i Kristy no tena mamonjy aina. Inona àry no fanapahan-kevitra tokony horaisiny?

11. Inona no hevitra ijoroan’ny Vavolombelon’i Jehovah momba ny ra, hatramin’ny ela?

11 Nanazava ny hevitra ijoroany ny Vavolombelon’i Jehovah, taona maro lasa izay. Nisy lahatsoratra nosoratan’izy ireo, ohatra, navoaka tao amin’ny Gazetin’ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Fitsaboana (27 Novambra 1981; navoaka koa tao amin’ilay bokikely hoe Ahoana no Ahafahan’ny Ra Mamonjy ny Ainao?, pejy 27-29). * Misy andinin-teny nalaina tao amin’ny Genesisy sy Levitikosy ary Asan’ny Apostoly ao amin’izy io. Voalaza ao koa hoe: ‘Marina fa tsy miresaka ny fomba ampiasana ny ra eo amin’ny fitsaboana ireo andinin-teny ireo. Kanefa amin’ny Vavolombelona, izy ireo dia mandrara ny fampidirana ra manontolo, liomena, ranon-dra, liofotsy, ary kapila bitika [plaquettes].’ Hoy indray ilay boky hoe Fitsaboana Vonjy Maika (2001, anglisy) eo amin’ilay lohateny hoe “Inona avy no Mahaforona ny Ra?”: “Mizara ho taharo fototra maromaro ny ra, dia ny ranon-dra, liomena, liofotsy, ary kapila bitika.” Mifanaraka amin’izany fanazavana ara-pitsaboana izany àry, dia tsy manaiky hampidirana ra manontolo na ny taharo fototra amin’izy io ny Vavolombelona.

12. a) Ahoana no fiheveran’ny Vavolombelona ny zavatra nalaina avy amin’ny taharo fototry ny ra? b) Aiza no ahitana fanazavana fanampiny momba izany?

12 Izao koa no voalazan’ilay lahatsoratra: ‘Araka ny fahazoan’ny Vavolombelona ny Baiboly, dia tsy voararan’izy io tanteraka ny fampiasana zavatra nalaina avy tamin’ny taharo fototry ny ra, toy ny albiminina sy immunoglobuline ary ny fanafody natao ho an’ny olona mora mandeha ra (hemôfila). Ny Vavolombelona tsirairay no tsy maintsy manapa-kevitra raha handray azy ireny izy na tsia.’ Nanomboka tamin’ny 1981, dia hita fa azo akana zavatra maro ireo taharo fototra efatra, mba hitsaboana marary. Nanome fanazavana tsara momba izany àry ny “Fanontanian’ny Mpamaky”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 2000. Naverina indray ao amin’ny pejy faha-29-31 amin’ity gazety ity ny votoatin’izany, mba hahasoa ireo mpamaky an-tapitrisany. Mampisaintsaina izy io sady manome tsipiriany, nefa ho hitanao fa mifanaraka amin’ireo hevi-dehibe naroso tamin’ny 1981 ny voalaza ao.

Ny anjara asan’ny feon’ny fieritreretanao

13, 14. a) Inona no atao hoe feon’ny fieritreretana, ary nahoana izy io no ilaina hampiasaina rehefa manapa-kevitra momba ny ra? b) Inona no tari-dalana nomen’Andriamanitra ny Israelita momba ny fihinanan-kena, ary inona avy no fanontaniana mety ho naterak’izany?

13 Araka izany fanazavana izany, dia ilaina ny mampiasa ny feon’ny fieritreretana. Nahoana? Eken’ny Kristianina fa ilaina ny manaraka ny tari-dalan’Andriamanitra. Ny tsirairay anefa indraindray no tsy maintsy manapa-kevitra, ka ilaina hampiasaina ny feon’ny fieritreretana. Izy io dia ny fahaizana voajanahary hamakafaka sy hanapa-kevitra, indrindra momba izay tsara sy ratsy. (Romanina 2:14, 15) Samy hafa anefa ny feon’ny fieritreretan’ny olona. * Milaza ny Baiboly fa ‘malemy ny feon’ny fieritreretana’ sasany. Midika izany fa misy koa ny matanjaka. (1 Korintianina 8:12) Samy hafa ny fanapahan-kevitry ny Kristianina, arakaraka ny fandrosoany. Mety tsy hitovy mantsy ny habetsahan’ny zavatra fantany momba izay lazain’Andriamanitra sy ny fomba fiheviny, ary ny fomba ampiharany izany. Hiresaka momba ny Jiosy sy ny fihinanan-kena isika, mba hanazavana izany.

14 Lazain’ny Baiboly mazava tsara fa tsy nihinana hena tsy nalatsa-dra ny olona nankatò an’Andriamanitra. Tena zava-dehibe mihitsy izany, ka nomelohina ho nanao fahotana lehibe ny miaramila israelita, rehefa nihinana hena tsy nalatsa-dra, na dia tao anatin’ny toe-javatra faran’izay sarotra aza. (Deoteronomia 12:15, 16; 1 Samoela 14:31-35) Mety ho nisy fanontaniana nipoitra ihany anefa. Ohatra: Rehefa mamono ondry ny Israelita iray, tsy maintsy nalatsany teo no ho eo ve ny ran’ilay biby? Tsy maintsy notapahiny ve ny tendan’izy io mba handatsahana ny rany? Nilaina nahantona tamin’ny tongony ve ilay ondry? Hafiriana izy io no tokony ho nahantona? Ahoana indray raha omby lehibe ilay izy? Mety mbola hisy ra tavela ihany ao amin’ilay hena, na dia efa nalatsa-dra aza. Azo hanina ve io hena io? Iza no tokony hanapa-kevitra ny amin’izany?

15. Ahoana no nampiharan’ny Jiosy sasany ilay didy momba ny fihinanan-kena, nefa inona no tari-dalana nomen’Andriamanitra?

15 Alao sary an-tsaina ny Jiosy iray mafana fo, mandinika ireo fanontaniana ireo. Mety ho nieritreritra izy hoe aleo mihitsy tsy mihinan-kena namidy teny an-tsena. Ny sasany indray mety ho tsy nihinan-kena, raha noheveriny ho efa natao sorona ho an’ny sampy ilay izy. Ny hafa kosa mety ho tsy nihinana mihitsy, raha tsy rehefa avy nanao fombafomba be hanesorana ilay ra. * (Matio 23:23, 24) Inona no hevitrao momba ireo fihetsika samihafa ireo? Tsy nitaky ny hanaovana ireo zavatra ireo Andriamanitra. Koa moa ve tokony ho nametraka fanontaniana be dia be tamin’ireo raby ny Jiosy, mba hahalalana izay tsy maintsy atao amin’ny toe-javatra tsirairay? Lasa fanaon’ny Jiosy izany, nefa soa ihany fa tsy nandidy ny tena mpanompony mba hanao izany i Jehovah, rehefa hanapa-kevitra momba ny ra izy ireo. Nanome tari-dalana fototra momba ny famonoana biby madio sy ny fandatsahana ny ran’izy ireo izy, fa tsy nanome tsipiriany ankoatra izany.​—Jaona 8:32.

16. Nahoana ny Kristianina sasany no mety hanaiky hotsindronina ranom-panafody misy zavatra kely avy amin’ny taharo fototra, nefa ny hafa kosa tsy hanaiky izany?

16 Araka ny voalaza tetsy amin’ny fehintsoratra faha-11 sy 12, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy manaiky hampidirana ra manontolo, na ireo taharony fototra efatra, dia ny ranon-dra, liomena, liofotsy, ary kapila bitika. Ahoana kosa raha zavatra kely avy amin’ny taharo fototra no hampiasaina, toy ny seraoma misy mpisetra natao hiadiana amin’ny aretina, na hanasitranana kaikitra bibilava? (Jereo ny fehintsoratra 4, pejy 30.) Mihevitra ny sasany fa tsy ra intsony izany, ka tsy mihatra ilay didy hoe ‘mifadia ny ra.’ (Asan’ny Apostoly 15:29; 21:25; fehintsoratra 1, pejy 31) Andraikitr’izy ireo izany. Ny feon’ny fieritreretan’ny hafa indray, dia tsy mamela azy hanaiky na inona na inona avy amin’ny ra, (na ran’olona, na ram-biby), ary na dia zavatra kely fotsiny avy amin’ny taharo fototra iray aza. * Ny sasany kosa mety hanaiky hotsindronina proteinina avy amin’ny ranon-dra, mba hiadiana amin’ny aretina, na hanasitranana kaikitra bibilava, saingy tsy hanaiky zavatra hafa avy amin’ny taharo fototra. Misy koa fanafody ahitana zavatra avy amin’ny iray amin’ireo taharo fototra. Tsy hanaiky izany ny ankamaroan’ny Kristianina, raha mitovy amin’ny asan’ilay taharo fototra ny asan’ilay fanafody, sady tena iankinan’ny aina.

17. a) Ahoana no anampian’ny feon’ny fieritreretana antsika, mba hanapa-kevitra raha handray zavatra avy amin’ny taharo fototra isika na tsia? b) Nahoana no zava-dehibe ny fanapahan-kevitra raisintsika amin’izany?

17 Manampy antsika hanapa-kevitra amin’ny toe-javatra toy izany, ny zavatra lazain’ny Baiboly momba ny feon’ny fieritreretana. Ianaro aloha izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra, ary zaro hanaraka izany ny feon’ny fieritreretanao. Ho afaka handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny tari-dalan’Andriamanitra ianao amin’izay, fa tsy hangataka olon-kafa hanapa-kevitra ho anao. (Salamo 25:4, 5) Izao no hevitry ny sasany momba ny fanekena zavatra avy amin’ny taharo fototra: ‘Tsy mampaninona izay ataonao, satria miankina amin’ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay ilay izy.’ Diso anefa izany. Tsy lasa maivan-danja ny raharaha iray, noho izy io miankina amin’ny feon’ny fieritreretana. Mety hisy vokany lehibe ny fanapahan-kevitsika. Mety hisy akony eo amin’ny hafa izany, raha tsy mitovy amin’ny antsika ny feon’ny fieritreretany. Mampiseho izany ny torohevitr’i Paoly momba ny hena, izay mety ho efa natolotra ho an’ny sampy, ary avy eo namidy teny an-tsena. Tokony hitandrina ny Kristianina mba tsy ‘handratra ny feon’ny fieritreretana malemy.’ Raha manafintohina ny hafa izy, dia mety ‘hanimba ny rahalahiny izay namoizan’i Kristy ny ainy’, ka hanota amin’i Kristy. Koa na dia anjaran’ny tsirairay aza ny manapa-kevitra raha handray zavatra kely avy amin’ny taharo fototra izy na tsia, dia tokony handinika tsara aloha izy.​—1 Korintianina 8:8, 11-13; 10:25-31.

18. Inona no azon’ny Kristianina atao mba tsy hamono eritreritra, rehefa manapa-kevitra momba ny ra?

18 Misy antony hafa ilazana fa zava-dehibe ny fanapahan-kevitra raisintsika momba ny ra. Mety hisy vokany eo aminao izany. Aza odiana tsy re ny feon’ny fieritreretanao voataizan’ny Baiboly, raha mieritreritra ianao hoe hanenjika anao izy io noho ny fanekenao zavatra kely avy amin’ny taharo fototra. Aza mampandry eritreritra koa anefa, satria fotsiny hoe misy milaza toy izao aminao: “Tsy mampaninona ny manaiky an’io. Maro no efa nandray izany.” Tadidio fa olona maro no lasa maty eritreritra satria tsy miraharaha azy io, hany ka tsy manenjika azy ireo akory ny eritreriny rehefa mandainga sy manao zava-dratsy hafa izy ireo. Tsy maniry ho toy izany velively ny Kristianina.​—2 Samoela 24:10; 1 Timoty 4:1, 2.

19. Inona no tokony hotadidintsika foana, rehefa hanapa-kevitra isika raha hanaiky fitsaboana misy ra na tsia?

19 Izao no voalaza eo amin’ny faramparan’ilay lahatsoratra ao amin’ny pejy 31: “Lasa maivan-danja ve ilay raharaha, satria samy hafa ny fomba fihevitry ny olona sy ny fanapahan-kevitra raisiny? Tsia. Zava-dehibe ilay izy.” Izay tokoa no izy, satria misy akony eo amin’ny fifandraisanao amin’ilay “Andriamanitra velona” izany. Io fifandraisana io ihany no ahazoana fiainana mandrakizay, noho ny ra nalatsak’i Jesosy mba hamonjena antsika. Aoka àry isika hanaja lalina ny ra, satria izy io no entin’Andriamanitra hamonjena aina. Mety tsara ny tenin’i Paoly hoe: “Tsy nanana fanantenana sady tsy nanana Andriamanitra ianareo, teo amin’izao tontolo izao. Ianareo izay lavitra fahiny nefa tafaray amin’i Kristy Jesosy ankehitriny, dia efa akaiky izao, noho ny amin’ny ran’i Kristy.”​Efesianina 2:12, 13.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 13 Nankany amin’ny tempoly niaraka tamin’ny Kristianina efa-dahy i Paoly indray mandeha, mba hanadio ny tenany araka ny fomba fanao. Nanaraka ny torohevitr’ireo anti-panahy tao Jerosalema izy, na dia tsy nanan-kery intsony aza ny Lalàna. (Asan’ny Apostoly 21:23-25) Mety ho tsy nanaiky hankany amin’ny tempoly anefa ny Kristianina hafa, na tsy nety nanaraka izany fomba fanao izany. Samy hafa ny feon’ny fieritreretan’ny olona tamin’izany andro izany, ary toy izany koa ankehitriny.

^ feh. 15 Misy fitsipika “maro be amin’ny an-tsipiriany” momba ny “fikarakaran’ny Jiosy” hena, ao amin’ny Rakipahalalana Judaica (anglisy). Lazainy ao hoe firy minitra no tsy maintsy hajanona ao anaty rano ilay hena, ahoana no atao mba hampitsika azy eo ambony akalana, ny karazan-tsira tokony hahosotra aminy, ary impiry ilay izy no tokony hosasana amin’ny rano mangatsiaka.

^ feh. 16 Mihabetsaka izao ny fanafody tsy nalaina avy tamin’ny ra. Mety hahitana zavatra kely avy amin’ny taharo fototra, toy ny albiminina, kosa anefa ny fanafody sasany.​—Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1994.

Tadidinao Ve?

• Inona no tari-dalana nomen’Andriamanitra an’i Noa sy ny Israelita ary ny Kristianina, momba ny ra?

• Inona no tsy eken’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy, raha fitsaboana ampiasana ra no resahina?

• Nahoana no miankina amin’ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay raha hanaiky zavatra kely avy amin’ny taharo fototry ny ra izy na tsia? Tsy midika ho inona anefa izany?

• Nahoana no tokony hotadidintsika foana ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, rehefa manapa-kevitra isika?

[Fanontaniana]

[Tabilao, pejy 22]

(Jereo ny gazety)

HEVITRA IJOROANTSIKA MOMBA NY RA

RA MANONTOLO

▾ ▾ ▾ ▾

TSY AZO EKENA Liomena Liofotsy Kapila bitika Ranon-dra

NY TSIRAIRAY NO ▾ ▾ ▾ ▾

MANAPA-KEVITRA Zavatra avy Zavatra avy Zavatra avy Zavatra avy

amin’ny amin’ny amin’ny amin’ny

liomena liofotsy kapila bitika ranon-dra

[Sary, pejy 20]

Nanatsoaka hevitra ny filan-kevi-pitantanana fa tsy maintsy ‘mifady ra’ ny Kristianina

[Sary, pejy 23]

Aza odiana tsy re ny feon’ny fieritreretanao, rehefa hanapa-kevitra ianao raha hanaiky zavatra avy amin’ny taharo fototry ny ra na tsia