Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevero ho Sarobidy ny Aina Nomena Anao

Hevero ho Sarobidy ny Aina Nomena Anao

Hevero ho Sarobidy ny Aina Nomena Anao

‘Ny ran’i Kristy no hanadio ny feon’ny fieritreretantsika ho afaka amin’ny asa maty mba hanaovantsika fanompoana masina ho an’ilay Andriamanitra velona.’​—HEBREO 9:14.

1. Ahoana no ahitana fa tena sarobidy amintsika ny aina?

AHOANA no havalinao raha asaina tombananao ny vidin’ny ainao? Tena sarobidy amintsika ny aina, ary tsy ny antsika ihany fa ny an’ny hafa koa. Izany no mahatonga antsika hizaha fahasalamana tsy tapaka, sy ho any amin’ny dokotera rehefa marary. Te ho velona sy ho salama isika. Ary tsy maniry ho faty mihitsy, na dia ny ankamaroan’ny olona antitra sy kilemaina aza.

2, 3. a) Inona no adidintsika araka ny Ohabolana 23:22? b) Nahoana koa isika no manana adidy ‘hanaiky’ an’Andriamanitra?

2 Misy vokany eo amin’ny fifandraisanao amin’ny hafa ny fiheveranao ny aina. Mandidy toy izao, ohatra, ny Tenin’Andriamanitra: “Maneke ny rainao izay niteraka anao, ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.” (Ohabolana 23:22) Ny hoe ‘manaiky’ eto dia adika koa hoe ‘mihaino.’ Tsy hoe mandre fotsiny anefa no tiana holazaina eto, fa mankatò koa. (Eksodosy 15:26; Deoteronomia 7:12; 13:19; 15:5; Josoa 22:2; Salamo 81:13) Nahoana ny Tenin’Andriamanitra no mandidy anao hanaiky ny ray aman-dreninao? Tsy noho izy ireo efa be taona sy nahita fiainana kokoa noho ianao fotsiny, fa noho izy ireo “niteraka anao” koa. Toy izao no andikana io andinin-teny io ao amin’ny Baiboly hafa: “Maneke ny rainao izay nanome aina anao.” Raha sarobidy aminao àry ny ainao, dia hahatsiaro ho manana adidy amin’izay nanome anao izany ianao.

3 Mazava ho azy, fa raha tena Kristianina ianao, dia hanaiky fa i Jehovah no tena Loharanon’ny ainao. Izy no ‘ivelomanao’ sy ‘ihetsehanao’ ary nanome anao vavahadin-tsaina. Izy koa no ‘isianao’ ary ahafahanao mieritreritra sy manomana ny hoavy, anisan’izany ny fiainana mandrakizay. (Asan’ny Apostoly 17:28; Salamo 36:9; Mpitoriteny 3:11) Araka ny Ohabolana 23:22, dia mety ny ‘manaiky’ sy mankatò an’Andriamanitra, izany hoe maniry hahazo tsara ny heviny momba ny aina, ary hanaraka izany fa tsy hanaraka hevitr’olon-kafa.

Hajao ny aina

4. Ahoana no nahitana dieny tany am-piandohana, fa zava-dehibe ny hanajana ny aina?

4 Tany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona, dia efa nohazavain’i Jehovah fa tsy mahazo mampiasa ny aina araka izay itiavany azy ny olona, na manao tsinontsinona azy io. Nialona sy tezitra mafy i Kaina, ka namono an’i Abela, izay tsy nanan-tsiny. Heverinao ve fa nanan-jo hanala ny ain’io rahalahiny io izy? Tsy izany no hevitr’Andriamanitra. Nampamoahiny àry i Kaina hoe: “Inona no nataonao? Ny feon’ny ran’ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin’ny tany.” (Genesisy 4:10) Mariho fa ny ain’i Abela no lazaina fa rany eto. Nesorina tampoka mantsy ny ainy, ka nitaraina na nangataka valy faty tamin’Andriamanitra ny rany.​—Hebreo 12:24.

5. a) Inona no noraran’Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa, ary iza no voakasik’izany? b) Dingana lehibe ho amin’ny inona io fandrarana io?

5 Nanomboka fiainam-baovao ireo olona valo sisa niangana, taorian’ny Safodrano. Nanazava tsara kokoa ny fiheverany ny aina sy ny ra Andriamanitra tamin’izay, rehefa nanao fanambarana ho an’ny olombelona rehetra. Nilaza izy fa azo atao ny mihinan-kena, nefa namepetra izy hoe: “Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra. Kanefa ny nofo izay mbola misy aina (dia ny rany) no aza haninareo.” (Genesisy 9:3, 4) Misy Jiosy milaza fa ny dikan’izany dia hoe voarara ny fihinanan-kena sy ram-biby mbola velona. Hita anefa tatỳ aoriana fa tafiditra tamin’io fandraran’Andriamanitra io koa ny fihinanan-dra mba hamonjena aina. Ankoatra izany, dia dingana lehibe ho amin’ny fahatanterahan’ny fikasany momba ny ra, ilay didy nomeny tamin’ny alalan’i Noa. Ho afaka hiaina mandrakizay mantsy ny olona rehefa ho tanteraka io fikasany io.

6. Ahoana no nanantitranteran’Andriamanitra tamin’i Noa fa sarobidy ny aina?

6 Hoy ihany Andriamanitra: ‘Ny ranareo dia hadiniko, satria ainareo izany; eo amin’ny tanan’ny manan-aina rehetra no hanadinako azy; ary eo amin’ny tanan’ny olona, dia eo amin’ny tanan’ny olona avy, no hanadinako ny ain’ny olona. Izay mandatsaka ny ran’olona, dia mba halatsak’olona kosa ny rany, satria tahaka ny endrik’Andriamanitra no nanaovany ny olona.’ (Genesisy 9:5, 6) Hita avy amin’io fanambarana natao ho an’ny olon-drehetra io, fa amin’Andriamanitra, ny ra dia toy ny aina ihany. Avy amin’ny Mpamorona ny aina, ka tsy tokony hisy haka azy io. Raha misy àry mamono olona, toy ny nataon’i Kaina, dia manan-jo ‘hanadina’ na hitaky ny ainy ny Mpamorona.

7. Nahoana no tokony hahaliana antsika izay nolazain’Andriamanitra tamin’i Noa momba ny ra?

7 Hita araka izany, fa nandidy ny olombelona Andriamanitra mba tsy hampiasa ny ra amin’ny fomba ratsy. Efa nanontany tena ve ianao hoe inona no antony, ary nahoana izy no mihevitra ny ra ho toy izany? Misy ifandraisany amin’ny iray amin’ireo fampianarana lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly ny valin’izany. Izany mihitsy aza no votoatin’ny hafatra torin’ny Kristianina, na dia fivavahana maro aza no tsy miraharaha izany. Inona izany fampianarana izany, ary nahoana no voakasik’izany ny fiainanao sy ny fanapahan-kevitrao ary ny ataonao?

Ahoana no tokony ho nampiasana ny ra?

8. Inona no fepetra nomen’Andriamanitra tao amin’ny Lalàna, momba ny fampiasana ny ra?

8 Nanome tsipiriany bebe kokoa momba ny aina sy ny ra i Jehovah, rehefa nanome ny Lalàna ho an’ny Israelita. Nanao dingana lehibe hafa mba hanatanterahana ny fikasany izy tamin’izay. Fantatrao angamba fa nisy fanatitra notakin’ny Lalàna, toy ny voa madinika sy ny diloilo ary ny divay. (Levitikosy 2:1-4; 23:13; Nomery 15:1-5) Nisy koa ny fanatitra biby. Hoy Andriamanitra momba azy ireny: “Ny ain’ny nofo dia amin’ny ra; ary nomeko anareo izany hatao ambonin’ny alitara hanao fanavotana ho an’ny ainareo, fa ny ra no manao fanavotana, satria aina izany. Koa izany no nilazako tamin’ny Zanak’Isiraely hoe: Aza misy mihinan-dra.” Nilaza koa i Jehovah fa raha nisy mpihaza na mpiompy namono biby mba hohaniny, dia tsy maintsy halatsany ny rany ary hototofany avy eo. Rehefa mandatsaka ilay ra amin’ny tany mantsy izy, dia manaiky fa miverina ho any amin’ilay Mpanome aina ny aina, satria ny tany no fitoeran-tongotr’Andriamanitra.​—Levitikosy 17:11-13; Isaia 66:1.

9. Inona ihany no lazain’ny Lalàna fa azo ampiasana ny ra, ary nahoana?

9 Tsy hoe fombafomba ara-pivavahana tsy misy dikany amintsika akory io lalàna io. Voamarikao ve hoe nahoana no tsy tokony hihinan-dra ny Israelita? Hoy Andriamanitra: “Izany no nilazako tamin’ny Zanak’Isiraely hoe: Aza misy mihinan-dra.” Fa nahoana? Satria “nomeko anareo izany hatao ambonin’ny alitara hanao fanavotana ho an’ny ainareo.” Hitanao avy amin’izany ve ny antony nilazan’Andriamanitra tamin’i Noa hoe tsy tokony hohanina ny ra? Mihevitra ny ra ho zava-dehibe ilay Mpamorona, ka natokany mba hamonjena ain’olona maro izy io. Natao hanaronana ny fahotana (na hahazoana fanavotana) ny ra. Araka izany, teo ambanin’ny Lalàna, dia tsy navelan’Andriamanitra nampiasaina afa-tsy teo ambonin’ny alitara ny ra mba hanavotana ny ain’ny Israelita, izay nitady famelan-keloka.

10. Nahoana no tsy nahazoana famelan-keloka tanteraka ny ram-biby, nefa mampahatsiahy inona ireo sorona notakin’ny Lalàna?

10 Toy izany koa ny fiheveran’ny Kristianina ny ra. Niresaka ny amin’io lalàn’Andriamanitra io ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Araka ny Lalàna, dia saika ny zava-drehetra no diovina amin’ny ra, ary raha tsy misy ra alatsaka dia tsy misy famelan-keloka.” (Hebreo 9:22) Nohazavain’i Paoly tsara fa tsy nahatonga ny Israelita ho lavorary na tsy mpanota intsony akory ny sorona notakina tamin’izany. Hoy kosa izy: “Mampahatsiahy isan-taona isan-taona ny amin’ny ota ireny sorona ireny, satria tsy mahavita manaisotra ny ota ny ran’omby sy ny ran’osy.” (Hebreo 10:1-4) Nilaina anefa ireny sorona ireny, na dia izany aza. Nampahatsiahy ny Israelita izy ireny fa mpanota izy ireo, ka nila zavatra fanampiny mba ho voavela tanteraka ny helony. Koa raha tsy afaka manarona tanteraka ny fahotan’ny olombelona àry ny ram-biby, ny ran’iza no mahavita izany?

Vahaolana avy amin’ilay Mpanome aina

11. Ahoana no ahalalantsika fa misarika ny saina ho amin-javatra hafa ny ran’ny biby natao sorona?

11 Misarika ny saina ho amin’ny fomba tsara kokoa hanatanterahan’Andriamanitra ny sitrapony, ny Lalàna. Nanontany i Paoly hoe: “Inona àry no anton’ny Lalàna?” Izy ihany no namaly hoe: “Nomena koa izy io mba hampiharihariana ny fandikan-dalàna, mandra-pahatongan’ilay taranaka izay nanaovana an’ilay fampanantenana. Ary nampitaina tamin’ny alalan’ny anjely izy io, teo an-tanan’ny mpanelanelana iray [Mosesy].” (Galatianina 3:19) Nilaza koa i Paoly fa “aloky ny zavatra tsara ho avy ny Lalàna fa tsy ny tena izy.”​—Hebreo 10:1.

12. Ahoana no nanazavan’Andriamanitra tsikelikely ny fikasany momba ny ra?

12 Araka ny hitantsika teo, dia namoaka didy Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa, fa azo atao ny mihinan-kena, nefa tsy azo hanina ny ra. Nilaza izy tatỳ aoriana fa “ny ain’ny nofo dia amin’ny ra.” Aminy dia toy ny aina ihany ny ra, ka hoy izy: “Nomeko anareo [ny ra] hatao ambonin’ny alitara hanao fanavotana ho an’ny ainareo.” Mbola hihamazava kokoa anefa ny fikasan’Andriamanitra. Aloky ny zavatra tsara ho avy mantsy ny Lalàna. Inona izany zavatra tsara izany?

13. Nahoana no zava-dehibe ny fahafatesan’i Jesosy?

13 Nanatanteraka an’ireo zavatra tsara ireo ny fahafatesan’i Jesosy Kristy. Fantatrao fa nampijalijalina sy nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana izy, ary novonoina toy ny mpanao heloka bevava. Hoy i Paoly: ‘Fony isika mbola nalemy, dia maty ho an’ny ratsy fanahy i Kristy, tamin’ny fotoana voatondro. Naneho ny fitiavany antsika Andriamanitra, fa fony mbola mpanota isika, dia maty ho antsika i Kristy.’ (Romanina 5:6, 8) Nanome ny vidim-panavotana hanaronana ny fahotantsika i Kristy, rehefa maty ho antsika. Io vidim-panavotana io no votoatin’ny hafatra torin’ny Kristianina. (Matio 20:28; Jaona 3:16; 1 Korintianina 15:3; 1 Timoty 2:6) Inona no ifandraisan’izany amin’ny ra sy ny aina, ary nahoana no voakasik’izany ny ainao?

14, 15. a) Ahoana no anasongadinan’ny dikan-teny sasany ny fahafatesan’i Jesosy, ao amin’ny Efesianina 1:7? b) Inona no hevi-dehibe mety tsy ho hita ao amin’io andinin-teny io?

14 Misy fivavahana manantitrantitra ny nahafatesan’i Jesosy. Milaza, ohatra, ny mpivavaka ao aminy hoe: “Maty ho ahy i Jesosy.” Mariho ny fomba ilazan’ny Baiboly sasany ny Efesianina 1:7: “Ao aminy sy amin’ny alalan’ny fahafatesany no ahazoantsika fanafahana, dia ny fanesorana ny helotsika.” (Ny Baiboly Amerikanina, nataon’i Frank Ballentine, 1902) “Amin’ny alalan’ny fahafatesan’i Kristy no anafahana antsika, sy amelana ny fahotantsika.” (Dikan-teny Anglisy Ankehitriny, 1966) “Ao amin’i Kristy sy amin’ny alalany, ary amin’ny alalan’ny sorona nataony no ahazoantsika fanavotana, izay midika famelana ny fahotana.” (Ny Testamenta Vaovao, anglisy, nataon’i William Barclay, 1969) “Amin’ny alalan’ny fahafatesan’i Kristy no ahazoantsika famelan-keloka sy fanafahana.” (Ny Testamenta Vaovaon’ny Mpandika Teny, anglisy, 1973) Araka ny hitanao eo, dia manasongadina ny fahafatesan’i Jesosy ireo dikan-teny ireo. Mety hisy hilaza anefa hoe: ‘Tena zava-dehibe ange ny fahafatesan’i Jesosy e! Koa inona no tsy ampy amin’ireo dikan-teny ireo?’

15 Raha tsy manana dikan-teny afa-tsy ireo ianao, dia mety hisy hevi-dehibe tsy ho hitanao, ka tsy ho azonao tsara ny hafatra raketin’ny Baiboly. Tsy hita ao amin’izy ireo mantsy ny teny grika midika hoe “ra”, izay nampiasaina tany am-boalohany ao amin’ny Efesianina 1:7. Noho izany, dia marina kokoa ny nandikan’ny Baiboly maro an’io andinin-teny io, toy ny ataon’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, izay milaza hoe: “Izy io no ananantsika ilay fanafahana entin’ny vidim-panavotana amin’ny alalan’ny rany, eny, ahazoantsika ny famelana ny helotsika, araka ny haren’ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa.”

16. Inona no tokony ho tonga ao an-tsaintsika rehefa mamaky hoe “ny rany”?

16 Tena zava-dehibe ilay teny hoe “ny rany”, ary tokony hisy heviny lalina ho antsika. Tsy ampy fotsiny ny nahafatesan’ny olona iray, eny fa na dia ny nahafatesan’i Jesosy, olona lavorary aza. Nanatanteraka izay nolazaina mialoha tao amin’ny Lalàna izy, indrindra fa izay nitranga tamin’ny Andro Fanavotana. Nisy biby natao sorona tamin’io andro manokana io. Naka tamin’ny ran’izy ireo ny mpisoronabe ary nitondra izany tao amin’ny efitra Masina Indrindra tamin’ny tranolay na tempoly. Natolony ho an’Andriamanitra ilay ra avy eo, ka toy ny hoe teo anatrehany mihitsy izy.​—Eksodosy 25:22; Levitikosy 16:2-19.

17. Hazavao fa nanatanteraka zavatra nitovy tamin’izay nitranga tamin’ny Andro Fanavotana i Jesosy.

17 Nanazava i Paoly fa i Jesosy dia nanatanteraka zavatra mitovy tamin’izay nitranga tamin’ny Andro Fanavotana. Nilaza aloha i Paoly, fa niditra indray mandeha isan-taona tao amin’ny Masina Indrindra ny mpisoronabe teo amin’ny Israely. Nitondra ra izy, ary nanolotra izany “noho ny amin’ny tenany sy noho ny fahotan’ny vahoaka vokatry ny tsy fahalalana.” (Hebreo 9:6, 7) Tsy nisy hafa tamin’izany no nataon’i Jesosy rehefa nankany an-danitra, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Afaka niseho ‘teo anatrehan’Andriamanitra ho antsika’ izy, satria efa fanahy fa tsy nofo aman-dra intsony. Inona no natolony ho an’Andriamanitra? Tsy zavatra ara-bakiteny fa zavatra mavesa-danja kokoa noho izany. Hoy ihany i Paoly: ‘Rehefa tonga i Kristy, izay mpisoronabe dia tsy ran’osy sy ran-janak’omby no nentiny niditra, fa ny ran’ny tenany. Eny, niditra indray mandeha monja tao amin’ny toerana masina izy, ary nahazo fanafahana mandrakizay ho antsika. Fa raha ny ran’osy sy ny ran’omby aza manamasina ka tonga hatramin’ny fanadiovana ny nofo, mainka fa ny ran’i Kristy? Nanolotra ny tenany tsy misy tsiny tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanahy mandrakizay mantsy izy, ary ny rany no manadio ny feon’ny fieritreretantsika ho afaka amin’ny asa maty mba hanaovantsika fanompoana masina ho an’ilay Andriamanitra velona.’ Ny vidin’ny rany no natolotr’i Jesosy ho an’Andriamanitra.​—Hebreo 9:11-14, 24, 28; 10:11-14; 1 Petera 3:18.

18. Nahoana no tokony ho zava-dehibe amin’ny Kristianina ankehitriny izay lazain’ny Baiboly momba ny ra?

18 Manampy antsika hahatakatra izay rehetra lazain’ny Baiboly momba ny ra io fahamarinana avy amin’Andriamanitra io, dia ny hoe: nahoana no toy izany no fiheveran’Andriamanitra ny ra, ahoana no tokony hiheverantsika azy io, ary nahoana isika no tokony hanaiky ireo fepetra nomeny momba ny fampiasana ny ra. Hahita firesahana betsaka momba ny ran’i Kristy ianao, rehefa mamaky ny Soratra Grika Kristianina. (Jereo ilay efajoro.) Hita avy amin’izany fa tokony hino ‘ny ran’i Jesosy’ ny Kristianina tsirairay. (Romanina 3:25) Tsy ho voavela ny helotsika ary tsy afaka ny hihavana amin’Andriamanitra isika, raha tsy “amin’ny alalan’ny ra [nalatsak’i Jesosy].” (Kolosianina 1:20) Azo antoka fa voakasik’izany ireo nanaovan’i Jesosy fifanekena manokana mba hiara-manjaka aminy. (Lioka 22:20, 28-30; 1 Korintianina 11:25; Hebreo 13:20) Marina koa izany raha ny amin’ny “vahoaka be”, izay ho tafavoaka velona amin’ilay “fahoriana lehibe” ho avy, ka hahazo ny fiainana mandrakizay eto amin’ny tany lasa paradisa. Toy ny hoe ‘manasa ny akanjony amin’ny ran’ny Zanak’ondry’ izy ireo.​—Apokalypsy 7:9, 14.

19, 20. a) Nahoana Andriamanitra no namepetra ny fampiasana ny ra, ary ahoana no tokony ho fiheverantsika an’izany? b) Inona no tokony hirintsika ho fantatra?

19 Mazava àry fa misy heviny manokana amin’Andriamanitra ny ra. Tokony hitovy hevitra aminy koa isika. Manan-jo hametra izay fomba ampiasan’ny olona ny ra ilay Mpamorona, izay mihevitra ny aina ho zava-dehibe. Mitsinjo ny aintsika izy, ka natokany hanatanterahana zava-kendrena lehibe iray ihany ny ra, dia ny ra sarobidin’i Jesosy. Tsy misy fomba hafa hahazoana fiainana mandrakizay afa-tsy amin’ny alalan’izy io. Tena velom-pisaorana tokoa àry isika, noho i Jehovah Andriamanitra nampiasa ny ran’i Jesosy mba hamonjena antsika! Ary tena tokony hankasitraka an’i Jesosy koa isika, noho izy nahafoy ny ainy, ka nandatsaka ny rany ho antsika! Azontsika tsara izay tsapan’ny apostoly Jaona, rehefa nilaza izy hoe: “Ho azy izay tia antsika sy namaha antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany, (ary nataony fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitra Rainy isika) eny, ho azy mandrakizay anie ny voninahitra sy ny hery! Amena.”​—Apokalypsy 1:5, 6.

20 Efa hatry ny ela ilay Andriamanitsika faran’izay hendry sy Mpanome aina no nikasa hampiasa ny ra mba hamonjena aina. Tsara àry raha manontany tena isika hoe: ‘Inona no tokony ho vokatr’izany eo amin’ny fanapahan-kevitsika sy ny ataontsika?’ Hamaly izany fanontaniana izany ny lahatsoratra manaraka.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny ra, araka ny tantaran’i Abela sy Noa?

• Inona no fepetra nomen’Andriamanitra tao amin’ny Lalàna momba ny fampiasana ny ra, ary nahoana?

• Ahoana no nanatanterahan’i Jesosy zavatra mitovy tamin’izay nitranga tamin’ny Andro Fanavotana?

• Ahoana no ahafahan’ny ran’i Jesosy mamonjy ny aintsika?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 18]

NY RAN’IZA NO MAMONJY AINA?

“Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanendren’ny fanahy masina anareo ho mpiandraikitra, mba hiandrasanareo ny fiangonan’Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny ran’ny Zanany.”​—Asan’ny Apostoly 20:28.

“Koa vao mainka hovonjena amin’ny alalany isika ho afaka amin’ny fahatezerana, satria nambara fa marina isika ankehitriny noho ny rany.”​—Romanina 5:9.

“Tsy nanana fanantenana sady tsy nanana Andriamanitra ianareo, teo amin’izao tontolo izao. Ianareo izay lavitra fahiny nefa tafaray amin’i Kristy Jesosy ankehitriny, dia efa akaiky izao, noho ny amin’ny ran’i Kristy.”​—Efesianina 2:12, 13.

Sitrak’Andriamanitra hitoetra ao aminy ny fahafenoana rehetra, ary sitrak’Andriamanitra koa ny hampiasa azy mba hampihavanina aminy indray ny zavatra rehetra, amin’ny alalan’ny ra nalatsaka teo amin’ny hazo fijaliana.’​—Kolosianina 1:19, 20.

“Manana fahasahiana hiditra eo amin’ilay lalana mankao amin’ny toerana masina isika, ry rahalahy, noho ny ran’i Jesosy.”​—Hebreo 10:19.

“Fantatrareo mantsy fa tsy tamin’ny zavatra mety simba . . . no nanafahana anareo tamin’ny fitondran-tena tsy mitera-boka-tsoa izay azonareo tamin’ny fampianarana nentin-drazana, fa tamin’ny ra sarobidy kosa, tahaka ny ran’ny zanak’ondry tsy misy tsiny sy tsy misy pentina, dia ny ran’i Kristy mihitsy.”​—1 Petera 1:18, 19.

“Raha mandeha ao amin’ny mazava kosa isika, tahaka azy ao amin’ny mazava, dia tena manan-javatra iombonana isika rehetra, ary ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika amin’ny ota rehetra.”​—1 Jaona 1:7.

“Mendrika handray ny horonam-boky sy hamaha ny tombo-kaseny ianao, satria efa novonoina ho faty, ary ny ranao no nividiananao ho an’Andriamanitra, olona avy tamin’ny foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra.”​—Apokalypsy 5:9.

“Natsipy ilay mpiampanga ny rahalahintsika . . . Ary izy ireo dia naharesy azy noho ny ran’ny Zanak’ondry sy ny hafatra torin’izy ireo.”​—Apokalypsy 12:10, 11.

[Sary, pejy 16]

Nasehon’Andriamanitra mazava tsara tamin’ny alalan’ny Lalàna fa ahazoana famelan-keloka ny ra

[Sary, pejy 17]

Aina maro be no afaka ho voavonjy noho ny ran’i Jesosy