Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Mpijinja Be Zotom-po Ireo Nahazo Diplaoma!

Ho Mpijinja Be Zotom-po Ireo Nahazo Diplaoma!

Ho Mpijinja Be Zotom-po Ireo Nahazo Diplaoma!

BE NY vokatra fa ny mpiasa no vitsy. Koa iangavio ny Tompon’ny vokatra haniraka mpiasa hijinja ny vokatra.” (Matio 9:37, 38) Nifono heviny manokana ireo teny ireo, ho an’ny mpianatra nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-116 tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana. Niomana handeha ho any amin’ny toerana nanendrena azy ho misionera mantsy izy ireo.

Natao tamin’ny asabotsy 13 Martsa 2004 ilay fizarana diplaoma. Nisy 6 684 ny olona rehetra nanatrika izany tao amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana any Patterson (New York), sy tany an-toeran-kafa. Nahazo hafatrafatra farany sy fampaherezana ireo mpianatra tamin’io fotoana io. Afaka mandray soa avy amin’izany koa anefa isika rehetra, izay be zotom-po amin’ny asa fijinjana ara-panahy.

I Theodore Jaracz, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana sy nahazo diplaoma tamin’ny kilasy fahafito, no nanao ny teny fampidirana. Nanasongadina ireto tenin’i Jesosy ireto izy: “Mandehana . . . ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.” (Matio 28:19, 20) Nety tsara ny nilazany izany, satria irahina ho any amin’ny tany 20 ireo nahazo diplaoma ireo! Nampahatsiahy azy ireo izy fa ny fianarany ny Tenin’Andriamanitra, dia nahatonga azy ireo ho ampy fitaovana tsara mba hazoto amin’ny fijinjana ara-panahy, izay asa tena lehibe tokoa.​—Matio 5:16.

Ahoana no ahatongavana ho mpijinja mahita vokatra?

I Robert Wallen, izay nandray anjara tamin’ny fampiofanana tao amin’ilay sekoly nandritra ny taona maro, no nandaha-teny voalohany. Niresaka ny amin’ny “Hakanton’ny Fangoraham-po” izy, ary nilaza tamin’ny mpianatra hoe: “Toy ny fiteny izay ren’ny marenina sy hitan’ny jamba ny fangoraham-po.” Nahatakatra tsara ny fahoriana nanjo ny olona i Jesosy, ary naniry hanamaivana izany. (Matio 9:36) Ho afaka hanahaka azy koa ireo mpianatra, rehefa eny am-pitoriana, eo anivon’ny fiangonana, ao amin’ny tranon’ny misionera, ary rehefa mifandray amin’ny vadiny. Nampirisika azy ireo ilay mpandahateny hoe: “Aoka hiharihary eo amin’ny fanompoana ataonareo ny hakanton’ny fangoraham-po. Ny fanehoana toetra tsara ihany no hampandeha ny fiainanareo andavanandro ao amin’ny tranon’ny misionera. Koa aoka àry ianareo ho tapa-kevitra ny hitafy fangoraham-po.”​—Kolosianina 3:12.

Namelabelatra ilay loha hevitra hoe “Mpitory ny Famonjena” i Gerrit Lösch avy eo. Anisan’ny Filan-kevi-pitantanana izy sady nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-41. (Isaia 52:7) Raha te ho voavonjy ny olona iray rehefa horinganina ity tontolo ity, dia tsy maintsy mianatra ny fahamarinana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy, manambara ampahibemaso ny finoany, ary atao batisa. (Romanina 10:10; 2 Timoty 3:15; 1 Petera 3:21) Tsy ny hamonjena olona anefa no tena antony itoriana ny famonjena, fa mba hiderana an’Andriamanitra. Koa nampirisika an’ireo misionera vaovao ny Rahalahy Lösch hoe: “Ento hatrany amin’ny faran’ny tany ny hafatra momba ilay Fanjakana, ary mazotoa mitory ny famonjena, ho fiderana an’i Jehovah.”​—Romanina 10:18.

“Mampamirapiratra ny Fahazavana avy Amin’Andriamanitra ve Ianao?” Io no fanontaniana napetrak’i Lawrence Bowen, mpampianatra ao Gileada. Niresaka ny amin’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:22 izy, ary nampirisika an’ireo mpianatra mba hanana maso “tsotra” foana. Amin’izay izy ireo, dia “hanome taratry ny fahazavana avy amin’i Jehovah, ka hanome voninahitra azy sy hitondra soa ho an’ny olona.” Vao nanomboka ny fanompoany i Jesosy, dia hita fa modely tonga lafatra tamin’io lafiny io. Nifantoka foana tamin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra mantsy izy. Nisaintsaina ny zava-mahatalanjona nampianarin-dRainy azy tany an-danitra izy, ka afaka niaritra ny fitsapan’i Satana azy tany an-tany efitra. (Matio 3:16; 4:1-11) Natoky tanteraka an’i Jehovah Andriamanitra izy, rehefa nanatanteraka izay nasainy nataony. Tsy maintsy manohy mianatra tsara ny Baiboly sy miantehitra tanteraka amin’i Jehovah koa ireo misionera, mba hiatrehana ireo zava-tsarotra miandry azy.

Namarana ireo lahateny maromaro nifampitohy i Mark Noumair, mpampianatra ao Gileada sy nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-77. Izao no loha hevitra novelabelariny: “Indreto, eto An-tananao Izahay.” (Josoa 9:25) Nampirisika an’ireo mpianatra izy mba hanahaka ny toe-tsain’ny Gibeonita. “Tanàna lehibe Gibeona, . . . ary nahery ny lehilahy rehetra” tao, nefa tsy nitady laza ny Gibeonita na nitaky ny hanaovana izay tiany foana. (Josoa 10:2) Nanaiky “ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano” ho an’ny Levita kosa izy ireo, mba hampandrosoana ny fivavahana tamin’i Jehovah. (Josoa 9:27) Ireo mpianatra nahazo diplaoma koa dia toy ny nilaza tamin’ilay Josoa Lehibe na i Jesosy Kristy, hoe: ‘Indreto, eto an-tananao izahay.’ Mila manaiky izay rehetra hampanaovin’ilay Josoa Lehibe azy izy ireo, rehefa manompo any an-tany hafa.

Fitantarana sy fanadinadinana

I Wallace Liverance, anisan’ny mpampianatra sady nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-61, no nitarika ilay fiaraha-midinika hoe “Hazavao Tsara ny Soratra Masina.” Tamin’izay, dia nisy mpianatra nitantara sy nanao fampisehoana ny zavatra hitany teny amin’ny fanompoana nandritra ilay sekoly. Niharihary fa nanohina ny fon’izy ireo sy nanosika azy hilaza amin’ny hafa ny zavatra nianarany, ny fandalinany ny Soratra Masina nandritra ny dimy volana. (Lioka 24:32) Nisy mpianatra iray, ohatra, afaka niresaka ny zavatra nianarany tamin’ny zandriny lahy. Noho izany, dia nitady fiangonana tany amin’ny toerana nisy azy io rahalahiny io, ary nanomboka nianatra ny Baiboly. Efa mpitory izy izao.

Taorian’ireo fitantarana ireo, dia nadinadinin’i Richard Ashe sy John Gibbard ny rahalahy vitsivitsy efa nanompo an’i Jehovah hatry ny ela, ary mpiandraikitra mpitety faritany ny sasany. Efa nahazo diplaoma tamin’ny Sekolin’ny Gileada izy ireo, ary teo am-panaovana fiofanana manokana, tao amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana. Nitantara ny rahalahy iray fa nandritra ny sekolin’izy ireo, dia niteny ny Rahalahy Knorr hoe: “Hianatra zavatra be dia be ianareo eto Gileada. Tsy ho tratra anefa ny zava-kendrenay raha lasa mieboebo ianareo. Irinay kosa ny hanananareo fo feno fitiavana.” Nampirisika ny mpianatra ireo mpiandraikitra mpitety faritany, mba hiahy izay hahasoa ny olona sy hitondra azy ireo toy ny nitondran’i Kristy ny hafa, ary hanaiky amim-panetren-tena izay asa anendrena azy. Azo antoka fa hahita vokatra ireo misionera vaovao ireo, raha mampihatra izany torohevitra izany.

Aoka ianareo ho mpijinja be zotom-po!

Nandray fitenenana koa i Stephen Lett, izay anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Izy no namelabelatra ilay lahateny fototra hoe “Aoka Ianareo ho Mpijinja Be Zotom-po!” (Matio 9:38) Voafetra ihany ny fotoam-pijinjana ara-bakiteny, ka mila miasa mafy ny mpijinja. Vao mainka ilaina izany asa mafy izany mandritra ny fijinjana ara-panahy, satria efa hifarana ny rafitr’ity tontolo ity! Aina mantsy no tandindomin-doza. (Matio 13:39) Nampirisika an’ireo nahazo diplaoma ny Rahalahy Lett mba ‘tsy ho malaina amin’izay ataony’, fa mba “harehitry ny fanahy” kosa sy ‘hanompo an’i Jehovah’ rehefa manao an’io asa fijinjana tsy hiverina intsony io. (Romanina 12:11) Namerina an’ireto tenin’i Jesosy ireto ilay mpandahateny: “Atopazy ny masonareo ka jereo ny saha, fa efa masaka hojinjaina ny vokatra.” (Jaona 4:35) Nampirisika an’ireo nahazo diplaoma izy avy eo, mba hazoto amin’ilay asa fijinjana. Mampiseho izany izy ireo, rehefa miezaka mafy hanatratra olona amin’ny fotoana sy toerana mety hahitana azy, ary manararaotra mitory tsy ara-potoana isaky ny afaka manao izany. Ho mora kokoa ny hitory sy hahita vokatra, raha mailaka isika mitady fomba hanombohan-dresaka. Andriamanitra be zotom-po i Jehovah, ary antenainy hanahaka azy sy hiasa mafy amin’ilay fijinjana ara-panahy isika.​—Jaona 5:17.

Teo am-pamaranana, dia nampita ny firarian-tsoa avy tamin’ny sampana samy hafa sy nizara diplaoma ny Rahalahy Jaracz, mpitari-draharaha. Avy eo, dia nisy mpianatra iray namaky taratasy avy tamin’ny iray kilasy, mba hanehoana ny fankasitrahany lalina ny fampiofanana azony. Tena vao mainka tapa-kevitra ny ho mpijinja be zotom-po ny rehetra, rehefa avy nanatrika an’ilay fizarana diplaoma ho an’ny kilasy faha-116.

[Efajoro, pejy 25]

ANTONTAN’ISA MOMBA ILAY KILASY

Tany nanana solontena: 6

Tany nanendrena: 20

Mpianatra: 46

Salanisan’ny taona: 34,2

Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fahamarinana: 17,2

Salanisan’ny taona nanompoana manontolo andro: 13,9

[Sary, pejy 26]

Ny Kilasy Faha-116 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana

Amin’ilay lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.

1) Ceansu, R.; Sparks, T.; Piña, C.; Turner, P.; Cheney, L. 2) Suardy, M.; Sjöqvist, Å.; Amadori, L.; Smith, N.; Jordan, A.; Boissonneault, L. 3) Matlock, J.; Ruiz, C.; Dular, L.; Vigneron, M.; Henry, K. 4) Sjöqvist, H.; Laux, J.; Ruzzo, J.; Gustafsson, K.; Boissonneault, R.; Jordan, M. 5) Henry, D.; Turner, D.; Kirwin, S.; Florit, K.; Ceansu, S. 6) Amadori, S.; Cheney, J.; Ross, R.; Nelson, J.; Ruiz, J.; Vigneron, M. 7) Florit, J.; Matlock, D.; Ross, B.; Laux, C.; Ruzzo, T.; Dular, D.; Kirwin, N. 8) Gustafsson, A.; Nelson, D.; Suardy, W.; Piña, M.; Smith, C.; Sparks, T.