Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Nampianatra Anay Hanaja ny Fivavahany Izy’

‘Nampianatra Anay Hanaja ny Fivavahany Izy’

‘Nampianatra Anay Hanaja ny Fivavahany Izy’

VOAN’NY kansera nahatandindomin-doza ny ainy ny Vavolombelon’i Jehovah iray tany amin’ny faritanin’i Rovigo, any Italia. Niditra hopitaly imbetsaka izy, ary nangataka hatrany ny tsy hampidiran-dra. Notsaboina tany an-tranony izy taorian’izay, ka nikarakara azy ny mpitsabo mpanampy avy amin’ny sampana mpikarakara mararin’ny kansera teo an-toerana.

Talanjona ny dokotera sy ny mpitsabo mpanampy, satria nanana finoana matanjaka io vehivavy 36 taona io, ary nanaiky hiara-miasa tamin’izy ireo. Taloha kelin’ny nahafatesan’io ramatoa io, dia nanoratra momba azy tao amin’ny gazetiboky iray, ny iray tamin’ireo mpitsabo mpanampy nikarakara azy. Angela no niantsoany azy, ary hoy izy:

“Mavitrika sady te ho velona foana i Angela. Fantany tsara ny toe-javatra nisy azy. Tsapany koa fa tena mafy ny aretiny, ka nitady vahaolana na fanafody izy, toy ny ho nataon’ny maro amintsika. . . . Nanjary fantatray tsara izy rehefa nandeha ny fotoana. Tsy nanda ny fanampianay izy fa tena tsotra kosa, ka nanamora ny zava-drehetra izany. Faly izahay rehefa hikarakara azy satria fantatray fa olona mahafinaritra izy, ary samy handray soa avy amin’ilay fiarahana ny tsirairay. . . . Tsapanay anefa fa hiteraka olana lehibe eo amin’ny fitsaboana azy ny zavatra inoany.” Nilaza izany ilay mpanoratra satria nihevitra izy fa tokony ho nampidiran-dra i Angela, nefa nolaviny izany.​—Asan’ny Apostoly 15:28, 29.

“Amin’ny maha mpitsabo za-draharaha anay dia nilaza tamin’i Angela izahay fa tsy niombon-kevitra taminy. Tsapanay anefa fa tena mamy aminy ny ainy, ary zava-dehibe aminy sy ny fianakaviany ny fivavahany. Tsy nanaiky ho resin’ilay aretina mihitsy izy fa nanohitra azy io foana. Natanja-tsaina izy, ka niady mafy mba tsy ho faty. Nampahafantatra ny hevitra ijoroany sy ny zavatra ninoany izy. Hentitra tsy toy ny antsika ny fahatapahan-keviny, ary matanjaka noho ny antsika ny finoany. . . . Nampianatra anay ny maha zava-dehibe ny hanajana ny fivavahany i Angela. Samy hafa tanteraka amin’ny fehezan-dalàna mifehy ny asanay izany. . . . Nandray lesona lehibe avy tamin’i Angela tokoa izahay, satria tojo karazan’olona, toe-javatra, ary fivavahana samy hafa. Afaka miana-javatra avy amin’ny marary tsirairay àry izahay, ka hikarakara azy arakaraka izay ilainy.”

Avy eo ilay gazetiboky dia nisarika ny saina ho amin’ny Fehezan-dalàna Mifehy ny Mpitsabo Mpanampy Italianina, izay nanan-kery nanomboka tamin’ny 1999. Izao no voalaza ao: “Ny mpitsabo mpanampy dia tokony hanao zavatra mifanaraka amin’ny fivavahan’ny olona tsaboiny, kolontsainy, fitsipi-pitondran-tenany, firazanany, ary ny hoe lahy sa vavy izy.” Sarotra amin’ny dokotera sy ny mpitsabo mpanampy indraindray ny manaja ny zavatra inoan’ny olona tsaboiny. Velom-pankasitrahana àry isika, rehefa vonona hanaja izany izy ireo.

Voahevitra tsara ny fanapahan-kevitra raisin’ny Vavolombelon’i Jehovah, momba ny fahasalamana sy ny fitsaboana. Tena zava-dehibe aminy izay lazain’ny Baiboly, ary hita tamin’ny tantaran’i Angela fa tsy mafana fo tafahoatra akory izy ireo. (Filipianina 4:5) Mihamaro hatrany maneran-tany ny dokotera vonona hanaja ny feon’ny fieritreretan’ny Vavolombelona tsaboiny.