Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Lova Sarobidy Indrindra

Ny Lova Sarobidy Indrindra

Ny Lova Sarobidy Indrindra

HOY ny apostoly Jaona izay efa be taona, taloha kelin’ny nahafatesany: “Tsy misy mahavelom-pisaorana ahy mihoatra noho izao, dia ny andrenesako fa mandeha hatrany ao amin’ny fahamarinana ny zanako.”​—3 Jaona 4.

Ireo nampianariny ny fahamarinana ka nentiny toy ny zanany no noresahin’ilay apostoly nahatoky teto. Ray aman-dreny maro anefa no hitovy hevitra aminy. Niezaka mafy izy ireo mba hitaiza ny zanany “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah”, ary faly izy ireo izao mahita ny zanany efa lehibe ‘mandeha amin’ny fahamarinana.’ (Efesianina 6:4) Manome ho an’ny zanatsika ny lova sarobidy indrindra tokoa isika, rehefa mampianatra azy ireo ny lalana mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Izany no izy satria “misy fampanantenana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ilay ho avy” ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra. Ary anisan’izany fahafoizan-tena izany ny fananana fiainana kristianina.​—1 Timoty 4:8.

Tena sarobidy amin’i Jehovah, ilay Ray lavorary, ny ray aman-dreny matahotra azy izay miezaka mafy mba hampianatra ny zanany ny fahamarinana. Mahita fifaliana be ny ankizy manaiky tsara ny fahamarinana, rehefa manompo an’i Jehovah miaraka amin’ny ray aman-dreniny. Fahatsiarovana tsara ho azy izany rehefa mihalehibe izy ireo. Faly erỳ ny sasany mahatsiaro ny nandraisany anjara voalohany tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana. * Na tadidiny angamba ny fotoana namakiany andinin-teny voalohany nandritra ny fanompoana isan-trano izay niarahany tamin’ny rainy na ny reniny. Ho sarotra amin’izy ireo koa ny hanadino ny namakian’ny ray aman-dreniny Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly na ilay boky hoe Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe. * Hoy i Gabriel momba ny zavatra iray, izay lasa tena tiany tokoa: “Vao efa-taona monja aho dia efa reko nihirahira foana i Neny, rehefa nahandro sakafo. Mbola mihetsi-po foana aho rehefa mahatsiaro ny hiran’ilay Fanjakana iray izay. Nanampy ahy izy io tatỳ aoriana, mba hahatsapa fa tena zava-dehibe ny fanompoana an’i Jehovah.” Angamba tadidinao koa ilay hira mahafinaritra resahin’i Gabriel. Hira faha-157 ilay izy ary mitondra ny lohateny hoe “Manompoa An’i Jehovah Raha Mbola Tanora”, izay hita ao amin’ilay fihirana hoe Mihirà Fiderana ho an’i Jehovah.

Manomboka toy izao ilay hira: “Fony tetỳ an-tany Jesosy,/Ny zazakely nihoby azy.” Nisy ankizy nanana tombontsoa niaraka tamin’i Jesosy, ka nahafinaritra azy ny fihetsiny sy ny fahatsorany. Nataon’i Jesosy ohatra ho an’ny mpanara-dia azy mihitsy izy ireo, satria mora ampianarina. (Matio 18:3, 4) Afaka manompo an’i Jehovah koa àry ny ankizy. Izao tokoa mantsy ny tohin’ilay tonon-kira: “Eny, ny zaza vao menavava/Dia nidera koa an’i Jehovah!”

Ankizy maro no manome voninahitra an’Andriamanitra sy ny fianakaviany, rehefa manome ohatra tsara ao an-trano, any an-tsekoly, ary any an-toeran-kafa. Tena nahazo fitahiana tokoa izy ireo manana ‘ray aman-dreny kristianina.’ (Deoteronomia 6:7, 8) Mampianatra ny zavaboariny handeha amin’ny lalana tokony hizorany ilay Raintsika be fitiavana, ary manaraka izay lazainy ny ray aman-dreny matahotra azy. Ary fitahiana toy inona moa no azon’izy ireo! Ireo ray aman-dreny ireo indray avy eo no mampianatra ny zanany. Ary mientam-po erỳ izy ireo rehefa ‘mankatò sy mampifaly’ azy izy ireny! (Isaia 48:17, 18) Manompo any amin’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika izao i Angélica. Hoy izy: “Niezaka nampihatra ireo toro lalan’ny Baiboly foana ny ray aman-dreniko. Nahatonga ny fahazazako hahafinaritra be izany. Nahatsiaro ho sambatra erỳ aho.”

Eken’ireny Kristianina ireny fa tena mahasoa ny manaraka ny fanabeazana nomen’ny ray aman-dreniny. Tanora nobeazina teo anivon’ny fianakaviana kristianina angamba ianao. Raha izany no izy, dia ho avy ny fotoana izay tsy maintsy handraisanao fanapahan-kevitra ho an’ny tenanao. Koa mampirisika anao dieny izao àry ilay hira hoe: ‘O, ry Kristianina mbola tanora,/Mianara miantehitra amin’i Jah./Aza mitady ho tian’olona.’

Mety ho very maina ny fampiofanana rehetra noraisinao, ary mety hanimba ny hoavinao ianao, raha ny ho tian’ny olona no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainanao. Mety hahatonga anao tsy ho mailo intsony izany faniriana izany. Nisy nanjary niaraka tamin’ny olona toa tsara, ary mahafinaritra mihitsy aza, nefa tsy manaraka ny fitsipika kristianina. Izany, ohatra, no nitranga tamin’i Saraha, ao amin’ilay video Manontany ny Tanora—Ahoana no Hahazoako Tena Namana? Hanjary ho toa an’i Saraha koa izay tanora kristianina mifanerasera amin’ny olona tsy mihevitra ho sarobidy ny fivavahana marina. Ho hitan’izy ireo, na ho ela na ho haingana, fa “ny naman-dratsy ange manimba”, araka ny tonon’ilay hira. Mitaky fotoana sy ezaka ny fananana fahazarana tsara, kanefa mety ho simba vetivety izany.

Marina aloha fa tena tsy mora ny manana fiainana mampiseho tahotra an’Andriamanitra. Afaka ny tena hahomby anefa ianao, “raha tsaroanao ny Mpamorona,/Ka tompoinao am-pahamarinana”, araka ny lazain’ilay hira, ary ‘haharitra ny fahasambaranao.’ Ho tsapanao fa tsy hisy hahasakana anao tsy hanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah, rehefa eo ambany fiahiany ianao. Izany no fomba hahatongavana ho olon-dehibe matotra sy matahotra an’Andriamanitra. Ankoatra izany, dia ho “faly ny fon’Andriamanitra”, rehefa mandray soa avy amin’ny fanabeazana kristianina nomena anao ianao. Afaka ny hahazo voninahitra lehibe kokoa noho izany ve ny olombelona?​—Ohabolana 27:11.

Koa tadidio foana àry, ry tanora, fa tena sarobidy ny fanabezana avy amin’i Jehovah sy ny ray aman-dreny kristianina. Enga anie ny fitiavana lehibe ananan’izy ireo hanosika anao hampifaly an’i Jehovah. Hampifaly ilay Rainao any an-danitra sy ny ray aman-dreninao ianao, toa an’i Jesosy Kristy sy i Timoty tanora nahatoky. Ary azo inoana fa hitovy hevitra amin’i Angélica, izay voaresaka tetsy aloha ianao, raha manan-janaka any aoriana any. Hoy izy: “Raha manan-janaka aho indray andro any, dia hiezaka mafy aho handentika ao am-pony ny fitiavana an’i Jehovah dieny izy mbola kely. Ary io fitiavana io no ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainany.” Ny lalana mahitsy izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay tokoa no tena lova sarobidy indrindra!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Natao ho an’ny antitra sy ny tanora io fandaharam-pampianarana Baiboly izay alamina eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah io.

^ feh. 4 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah daholo ny boky resahina eto.