Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sarotra ny Mitaiza Zanaka Ankehitriny

Sarotra ny Mitaiza Zanaka Ankehitriny

Sarotra ny Mitaiza Zanaka Ankehitriny

EFA niomana handeha hody ny tompona hotely fisakafoana iray, indray hariva. Tamin’izay indrindra no tonga ny vehivavy roa niaraka tamin’ny ankizikely iray, ary nanafatra sakafo izy ireo. Efa reraka be ilay tompona hotely, ka saika hilaza fa efa mikatona izy, nefa nanapa-kevitra ny handroso sakafo ho azy ireo ihany. Raha mbola niresaka sy nisakafo izy mirahavavy, dia nihazakazaka eran’ny trano kosa ilay ankizikely. Nandatsaka biscuits tamin’ny tany izy, ary nohitsakitsahiny avy eo. Tsy mba niteny azy akory ny reniny, fa nitsiky fotsiny. Rehefa lasa izy telo mianaka, dia voatery namafa ilay trano indray ilay rangahy efa vizana be.

Asehon’io zava-nitranga io fa fianakaviana maro no tsy mahavita mitaiza tsara ny zanany. Be dia be no mety ho anton’izany. Misy ray aman-dreny, ohatra, mamela ny zanany hanao izay tiany, satria mieritreritra fa tokony homena fahalalahana izy ireo. Misy koa be atao loatra, ka tsy miraharaha firy ny zanany sy tsy manome azy ireo ny fanabeazana ilainy. Ny hafa indray mihevitra fa ny fianaran-janany no zava-dehibe indrindra. Noho izany, dia avelany hanaram-po saika amin’izay rehetra tiany izy ireo, raha mbola mahazo naoty tsara sy tafiditra any amin’ny oniversite malaza.

Misy anefa milaza fa tokony hanitsy ny fomba fiheviny, ny ray aman-dreny sy ny fiaraha-monina. Hitan’izy ireo mantsy fa mahavita heloka bevava isan-karazany ny ankizy ankehitriny, ary tsy mitsaha-mitombo ny herisetra any an-tsekoly. Nanantitrantitra àry ny talen’ny sekoly iray any Séoul, any Korea Atsimo, fa tokony hatao loha laharana ny fanatsarana ny toetran’ny ankizy. Hoy izy: “Tokony hampianarina ho tsara toetra aloha ny ankizy, vao hampianarina zavatra hafa.”

Tsy miraharaha izany fampitandremana izany anefa ireo ray aman-dreny maro be, izay te hampiditra ny zanany any amin’ny oniversite sy te hahatafita azy ireo. Raha ray na reny ianao, irinao ho olona manao ahoana ny zanakao? Olon-dehibe tsara fitondran-tena sy mahay mandray andraikitra ve? Tianao hihevitra ny hafa ve izy, sy hahay hiatrika ny toe-javatra rehetra, ary hijery lafy tsaran-javatra? Raha izany no izy, dia diniho ny lahatsoratra manaraka.