Afa-po na eo aza ny Alahelo
Tantaram-piainana
Afa-po na eo aza ny Alahelo
NOTANTARAIN’I AUDREY HYDE
Mahafa-po ahy ny fiainako. Izany no tsapako rehefa mitodika ny lasa aho. Nandany 63 taona mahery nanompoana manontolo andro aho, ary tao amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny 59 taona tamin’izany. Marina fa nahakivy ahy ny nahita ilay vadiko voalohany voan’ny kansera, sy niandry izay hahafatesany fotsiny. Toy izany koa ilay vadiko faharoa izay nijaly mafy, noho izy voan’ny aretin’i Alzheimer. Mamelà ahy hitantara aminareo izay nataoko mba hahafaly ahy foana, na dia teo aza ireo fahoriana ireo.
NIHALEHIBE tao amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana, tany akaikin’ny tanàna kelin’i Haxtun aho. Any amin’ny lemaka avaratra atsinanan’i Colorado, akaikin’ny sisin-tanin’i Nebraska no misy azy io. Izaho no fahadimy tamin’ireo enina mianadahy zanak’i Orille sy Nina Mock. Teraka teo anelanelan’ny taona 1913 sy 1920 i Russell, Wayne, Clara, ary Ardis. Ny taona nanaraka aho no teraka, ary tamin’ny 1925 kosa i Curtis.
Lasa mpianatra ny Baiboly na Vavolombelon’i Jehovah i Neny, tamin’ny 1913. Nanjary Vavolombelona koa ny sisa tamin’ny fianakavianay tatỳ aoriana.
Tsara ny fiainana tany
Tena liam-pandrosoana i Dada. Nisy jiro elektrika avokoa ny trano rehetra tao amin’ilay toeram-pambolena sy fiompiana nisy anay, na dia vitsy aza ny trano nisy jiro tamin’izany fotoana izany. Nahazo ny vokatry ny fambolena sy fiompianay koa izahay, toy ny atody, ronono, ary ny dibera. Nampiasa soavaly izahay rehefa niasa tany, namboly frezy sy ovy, ary varimbazaha sy katsaka.
Nihevitra i Dada fa tokony ho zatra miasa tsara izahay ankizy. Nampiofana ahy hiasa teny an-tsaha izy, na dia talohan’ny nidirako nianatra aza. Indray vanim-potoana mafana izay, dia
tadidiko tsara fa nasaina nanala ahidratsy teo amin’ny tanimbolinay aho, nefa nafana be ny andro. Hoy aho hoe: ‘Rahoviana vao ho vitako io?’ Tsemboka be mihitsy aho, sady lanin’ny tantely. Sosotra aho indraindray, satria tsy voatery niasa mafy toa anay ny ankizy hafa. Rehefa mahatsiaro ny fahazazako anefa aho, dia tena velom-pankasitrahana satria nampiofanina hiasa izahay.Samy nanana ny anjara raharahany izahay ankizy. Nahay nitery ronono kokoa noho izaho i Ardis. Noho izany, dia nanasa ny trano fasiana sakafon-tsoavaly sy nitaona ireo zezika tamin’ny lapelina no anjarako. Niala voly sy nilalao koa anefa izahay. Nilalao softball tao amin’ny ekipan’ny tanàna izahay sy Ardis. Mpisambotra baolina no toerako na mpilalao eo amin’ny toerana fahatelo. Izy kosa mpilalao eo amin’ny toerana voalohany.
Nahafinaritra erỳ ny nijery ny lanitra tsy semban-drahona tamin’ny alina. Nahatsiaro an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona antsika aho, rehefa nijery ireo kintana an’arivony maro. Tsy nanadino ny Salamo 147:4 aho, na tamin’ny mbola kely aza. Izao no voalaza ao: “Milaza ny isan’ny kintana Izy [i Jehovah]; samy tononiny amin’ny anarany avy ireny rehetra ireny.” Tsy irery aho tamin’ny ankamaroan’ireny alina tsy semban-drahona ireny, satria niaraka tamiko i Judge, ilay alikanay, ary napetrany teo am-pofoako ny lohany. Matetika aho no nipetraka teo akaikin’ny varavarana rehefa tolakandro, ary variana erỳ nijery ireo saham-barimbazaha maitso tsofin’ny rivotra. Toy ny volafotsy no fijery azy ireo rehefa tarafin’ny masoandro.
Namela ohatra tsara i Neny
Tena be fitiavana i Neny. I Dada foana no nandray ny fanapahan-kevitra tao an-trano, ary nampianarin’i Neny hanaja azy izahay. Lasa Vavolombelon’i Jehovah koa i Dada tamin’ny 1939. Fantatray fa tena tia anay izy, na dia nasainy niasa mafy aza izahay ka tsy nampihanta anay izy. Matetika izy no nitondra anay nitsangantsangana tamin’ny kalesy fitondra amin’ny ranomandry, izay notarihin’ny soavaly maromaro. Nahafinaritra erỳ ny nahita ny ranomandry nipitipitika!
I Neny anefa no nampianatra anay ho tia an’Andriamanitra sy hanaja ny Baiboly. Nianaranay fa i Jehovah no anaran’Andriamanitra, ary izy no Loharanon’ny Fiainana. (Salamo 36:9; 83:18) Nianaranay koa fa manome toro lalana antsika i Jehovah mba hahasoa antsika, fa tsy hoe hanaisotra ny fifaliantsika. (Isaia 48:17) Nantitranterin’i Neny taminay foana fa manana asa manokana tsy maintsy hatao izahay. Fantatray fa nilaza tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe: “Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”—Matio 24:14.
Tamin’ny mbola kely, isaky ny avy nianatra aho dia nitady an’i Neny, raha vao tsy ao an-trano izy. Hitako tany amin’ny trano fasiana sakafom-biby izy indray mandeha, tamin’izaho fito na valo taona teo ho eo. Nanomboka avy be ny orana tamin’izay. Nanontany azy àry aho, raha nandefa Safodrano indray Andriamanitra. Nomeny toky aho fa efa nilaza Andriamanitra hoe tsy handrava ny tany amin’ny safodrano intsony izy. Tsaroako fa matetika koa izahay no nihazakazaka nankany amin’ny lavaka fiafenana iray, rehefa nisy tafio-drivotra mahery, izay mateti-pitranga.
Efa nandray anjara tamin’ny asa fitoriana i Neny na dia talohan’ny nahaterahako aza. Nisy antokon’olona nivory tao aminay. Voahosotra daholo izy ireo, ary manantena hiaina any an-danitra miaraka amin’i Kristy. Na dia zava-tsarotra ho an’i Neny aza ny nitory isan-trano, dia nandresy ny tahotra tao aminy ny fitiavana an’Andriamanitra. Nahatoky foana izy mandra-pahafatiny tamin’ny 24 Novambra 1969, teo amin’ny faha-84 taonany. “Neny a, ho any an-danitra ianao, ary hihaona amin’ireo olom-pantatrao”, hoy aho nibitsibitsika taminy. Tena faly aho niaraka tamin’i Neny tamin’io fotoana io, ary afaka nilaza taminy fa mino io fanantenana io aho! Nilaza moramora tamiko izy hoe: “Tena tsara fanahy ianao.”
Nanomboka nitory izahay
Tamin’ny 1939, dia lasa mpisava lalana i Russell, na mpitory ny filazantsara manontolo andro, araka ny niantsoan’ny Vavolombelon’i Jehovah azy. Mpisava lalana tany Oklahoma sy Nebraska izy hatramin’ny 1944. Avy eo izy dia nantsoina hiasa tany amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah (antsoina hoe Betela), eto Brooklyn, New York. Lasa mpisava lalana aho nanomboka tamin’ny 20 Septambra 1941, ary nanompo tany amin’ny faritra samihafa any Colorado, Kansas, ary Nebraska. Tena nahafinaritra ireny taona nanaovana ny asan’ny mpisava lalana ireny, satria tsy vitan’ny hoe nanampy ny hafa hianatra momba an’i Jehovah aho, fa nianatra niantehitra taminy koa.
Niasa i Wayne, ary avy eo nianatra tany amin’ny oniversite any amorontsiraka atsinanana, tamin’ny fotoana nanombohan’i Russell ny asan’ny mpisava lalana. Nasaina niasa tatỳ amin’ny Betela izy avy eo. Niasa tany amin’ny Toeram-pambolena sy Fiompian’ilay Fanjakana, tany akaikin’i Ithaca, New York, izy nandritra ny 11 taona. Namboly zavatra hatao sakafon’ilay fianakaviana tao amin’io toeram-pambolena io, sy ireo Betelita 200 teto Brooklyn no asan’izy ireo. Nampiasa ny fahaizany sy ny talentany hanompoana an’i Jehovah i Wayne mandra-pahafatiny, tamin’ny 1988.
Nanambady an’i James Kern, i Ardis rahavaviko, ary dimy ny zanak’izy ireo. Maty tamin’ny 1997 izy. I Clara, ilay rahavaviko iray hafa kosa, dia mahatoky an’i Jehovah hatramin’izao. Tonga mitsidika azy any Colorado foana aho, rehefa vakansy. Niasa teto amin’ny Betelan’i Brooklyn i Curtis faralahinay, tamin’ny 1947 ka hatramin’ny 1955. Nitondra kamiao feno entana sy vokatra nivezivezy tao amin’ilay Toeram-pambolena sy Fiompian’ilay Fanjakana izy.
Tsy nanambady mihitsy izy ary maty tamin’ny 1971.Naniry hiasa teto amin’ny Betela aho
Nanompo teto amin’ny Betela talohako ireo zokiko lahy, ary izany koa ny faniriako. Mino aho fa ny ohatra tsara nomen’izy ireo no nahatonga ahy nasaina ho eto. Nandre an’i Neny niresaka momba ny tantaran’ny fandaminan’Andriamanitra aho, ary nahita ny fahatanterahan’ireo faminanian’ny Baiboly momba ny andro farany. Vokatr’izany, dia naniry hanompo eto amin’ny Betela koa aho. Nivavaka tamin’i Jehovah aho ary nivoady taminy, fa tsy hiala eto mihitsy raha avelany hiasa eto, raha tsy hoe manana adidy araka ny Soratra Masina angaha aho.
Tamin’ny 20 Jona 1945 aho no tonga teto amin’ny Betela, ary mpanadio no asako. Nasaina nanadio efitra 13 aho, ary nampirina fandriana 26 isan’andro. Nanadio ny lalantsara, tohatra, ary ny varavarankely koa aho. Mafy ilay asa. Hoy foana aho isan’andro: ‘Marina fa reraka ianao, kanefa eto amin’ny Betela, tranon’Andriamanitra, ianao!’
Nivady izahay sy Nathan Knorr
Nasaina nandao ny Betela sy nanao endri-panompoana hafa ireo Betelita te hanambady, nanomboka tamin’ireo taona 1920. Teo am-piandohan’ireo taona 1950 kosa, dia navela hijanona teto ireo efa nanompo hatramin’ny taona maro, rehefa hanambady. Koa rehefa liana tamiko i Nathan Knorr, izay nitarika ny asan’ilay Fanjakana maneran-tany tamin’izay, dia hoy aho hoe: ‘Azoko antoka fa hijanona eto amin’ny Betela izy!’
Be andraikitra i Nathan teo amin’ny fikarakarana ny asa maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tena nitsotra tamiko àry izy, ka nanome antony maro tokony hieritreretako tsara, alohan’ny hanekeko ny fangatahany ahy ho vady. Betsaka ny dia nataony tamin’izany fotoana izany, mba hitsidihana ireo sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Vokatr’izany, dia matetika izy no tsy teo, nandritra ny herinandro maromaro. Nohazavainy tamiko àry fa ho tafasaraka nandritra ny fotoana elaela izahay.
Tamin’izaho mbola ankizivavy kely, dia nanonofy ny hanambady amin’ny lohataona sy hanao volan-tantely any amin’ny nosin’i Hawaii, any Pasifika. Ny ririnina tamin’ny 31 Janoary 1953 anefa izahay no nivady, ary tany New Jersey no nanaovanay volan-tantely, izany hoe ny asabotsy tolakandro sy ny alahady, ary niasa izahay ny alatsinainy. Nanao volan-tantely nandritra ny herinandro anefa izahay, herinandro tatỳ aoriana.
Namana be zotom-po
Tamin’ny 1923 i Nathan no tonga teto amin’ny Betela, tamin’izy 18 taona. Nahazo fampiofanana tsara tamin’ireo olona efa za-draharaha toa an’i Joseph Rutherford, izay nitarika ny asan’ireo Vavolombelona izy. Anisan’ny nampiofana azy koa i Robert Martin, mpiandraikitra ny fanontam-pirinty. Rehefa maty ny anadahy
Martin tamin’ny Septambra 1932, dia i Nathan no lasa mpiandraikitra ny fanontam-pirinty. Nentin’ny anadahy Rutherford niaraka taminy i Nathan, ny taona nanaraka, rehefa nitsidika ireo sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Eoropa izy. I Nathan no niandraikitra ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah naneran-tany, rehefa maty ny anadahy Rutherford tamin’ny Janoary 1942.Olona nahay nitsinjo ny lavitra i Nathan, ary nanao tetikasa mahakasika ny fitomboana amin’ny ho avy foana izy. Nisy nihevitra fa tsy nisy nilana hanaovana an’izany, satria noheverina fa efa tena akaiky ny faran’ity tontolo ity. Nanontany toy izao ny anadahy iray rehefa nahita ny tetikasa nataon’i Nathan: “Inona ity, ry Rahalahy Knorr? Tsy mino angaha ianao fa efa akaiky ny farany?” Namaly toy izao izy: “Mino izany tokoa aho. Ho vonona anefa isika raha tsy tonga haingana araka ny niheverantsika azy izany.”
Anisan’ny zavatra noeritreretin’i Nathan manokana ny hanokatra sekoly ho an’ny misionera. Tamin’ny 1 Febroary 1943 àry, dia nanomboka nisy sekoly ho an’ny misionera tany amin’ilay toeram-pambolena sy fiompiana lehibe, izay niasan’i Wayne anadahiko. Nataon’i Nathan azo antoka fa nanana fialam-boly sasantsasany ireo mpianatra, na dia lalina tokoa aza ny fianarana Baiboly nataon’izy ireo nandritra ny dimy volana. Niara-nilalao baolina tamin’izy ireo izy, nandritra ireo taona voalohany. Tsy nilalao intsony anefa izy tatỳ aoriana, satria natahotra ny haratra ka tsy ho afaka hanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Naleony nanao mpitsara an’ilay lalao. Faly erỳ ny mpianatra rehefa novany ny fitsipi-dalao, mba handresen’ireo mpianatra vahiny.
Nanao dia niaraka tamin’i Nathan
Nanomboka nanao dia tany an-tany hafa niaraka tamin’i Nathan aho, tatỳ aoriana. Nahafinaritra ahy ny nitantara zava-nitranga tamin’ireo mpiasa an-tsitrapo ao amin’ny sampana sy ireo misionera. Afaka nahita ny fitiavana sy ny fandavan-tenan’izy ireo aho. Nianarako koa ny fahazarana sy ny fiaimpiainana tany amin’ny firenena nanendrena azy ireo. Naharay taratasy fankasitrahana noho ireny fitsidihana ireny foana aho nandritra ny taona maro.
Nisy zava-nitranga maro tsaroako, momba ireny dia ireny. Nifampibitsibitsika teo imasoko, ohatra, ny rahavavy roa, rehefa nitsidika an’i Polonina izahay. Nanontany azy ireo aho hoe: “Maninona ianareo no mifampibitsibitsika?” Niala tsiny izy ireo ary nanazava fa nanjary zatra an’izany, noho ny fandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Polonina. Nasiana mikrô miafina mantsy tao an-tranony nandritra ilay fandrarana.
Iray tamin’ireo Vavolombelona maro nanompo nandritra ny fandrarana ny Rahavavy Adach. Olioly volo izy sady misy sanga. Ningainy io sangany io indray mandeha, ary nasehony ahy ilay holatra be tao ambany, izay vokatry ny nataon’ny mpanenjika iray. Taitra mafy aho nahita ny vokatry ny fampijaliana tsy maintsy niaretan’ireo anadahy sy anabavintsika.
Teo koa ny Betelan’i Hawaii izay tiako tokoa. Tadidiko ilay fivoriambe natao tao amin’ny tanànan’i Hilo, tamin’ny 1957. Fotoan-dehibe ilay izy, ary betsaka lavitra noho ireo Vavolombelona teo an-toerana ny isan’ny mpanatrika. Nomen’ny Ben’ny Tanàna an’i Nathan mihitsy ny ‘lakilen’ny tanàna’, mba ho mariky ny fiarahabana azy tonga soa. Olona maro be no tonga niarahaba sy nanisy felam-boninkazo natao vakana teo amin’ny vozonay.
Nahafinaritra koa ilay fivoriambe tany Nuremberg any Alemaina tamin’ny 1955, izay natao teo amin’ilay toerana fanaovan’ny miaramilan’i Hitler matso taloha. Betsaka no nahafantatra fa nivoady ny hamongotra ny vahoakan’i Jehovah tany Alemaina i Hitler. Feno Vavolombelon’i Jehovah anefa izao ilay kianja! Tsy voatanako ny ranomasoko. Lehibe ilay lampihazo ary misy andry ngezabe 144 tazana ao aoriana. Teo amin’ny
lampihazo aho ka afaka nahita ireo mpanatrika maro be miisa 107 000 mahery. Lavitra be avy teo ny laharana farany amin’ny seza ka sahirana aho vao afaka nahita izany.Tsapanay ny tsy fivadihan’ireo rahalahy alemà sy ny hery azon’izy ireo avy tamin’i Jehovah, nandritra ny fanenjehana azy ireo teo ambanin’ny fitondran’ny Nazia. Vao mainka nanamafy ny fahatapahan-kevitray hatoky sy tsy hivadika amin’i Jehovah izany. Nanao ny lahateny famaranana i Nathan. Rehefa vita ilay izy, dia nanofahofa tanana ho fanaovam-beloma ny mpanatrika izy. Nanofahofa mosara avy hatrany koa ny mpanatrika, ka toy ny saham-boninkazo tsara tarehy ny fahitana izany.
Tsy hay hadinoina koa ilay fitsidihanay an’i Portogaly tamin’ny 1974. Nanatrika ny fivoriana voalohany nataon’ireo Vavolombelona tany Lisbonne izahay, rehefa lasa ara-dalàna ny asa fitoriana tany. Naharitra 50 taona ilay fandrarana! Na dia 14 000 monja aza ny mpitory ilay Fanjakana tany amin’io firenena io, dia maherin’ny 46 000 no nanatrika ireo fivoriana roa. Latsaka ny ranomasoko rehefa nilaza ireo anadahy hoe: “Tsy voatery miafina intsony izahay. Manana fahalalahana izahay izao.”
Tia manao fitoriana tsy ara-potoana eny amin’ny seranam-piaramanidina, sy any amin’ny restaurant, ary eny amin’ny arabe aho, hatramin’ny nanaovako dia niaraka tamin’i Nathan. Nitondra boky sy gazety foana aho ka afaka nitory. Raha teo am-piandrasana ny fahatongavan’ny fiaramanidina izahay indray mandeha, dia nisy ramatoa iray nanontany ny asa ataoko. Lasa nifampiresaka izahay sy ireo olon-kafa nihaino anay, avy eo. Variana tamin’ny fanompoana teto amin’ny Betela sy tamin’ny asa fitoriana aho, ary tena nahafaly ahy izany.
Aretina sy teny fampaherezana farany
Voan’ny kansera i Nathan tamin’ny 1976. Nanampy azy hiatrika izany aretina izany izaho sy ny mpianakavin’ny Betela. Mbola nanasa olona tao amin’ny efitranonay ihany izy, na dia nandreraka azy aza ny aretiny. Nanasa ireo mpiasa samihafa avy tany amin’ireo sampana maneran-tany, izay tonga niofana teto izy. Tadidiko tsara ny nitsidihan’i Don sy Earlene Steele anay, sy ry Lloyd sy Melba Barry, Douglas sy Mary Guest, Martin sy Gertrud Poetzinger, Pryce Hughes, ary ny maro hafa koa. Matetika no tantarain’izy ireo aminay ireo zavatra niainany tany amin’ny taniny. Tena nampiaiky ahy ny tsy fivadihan’ireo rahalahintsika any amin’ny tany nisy fandrarana.
Nomen’i Nathan torohevitra tsara aho rehefa fantany fa efa akaiky ny fotoana hahafatesany. Hoy izy: “Nanana fanambadiana sambatra isika. Mpivady maro no tsy niaina tao anatin’izany mihitsy.” Anisan’ny nahasambatra ny fanambadianay, ny fanehoan’i Nathan fiheverana lalina ahy. Izao, ohatra, no nolazainy tamiko, rehefa nihaona tamin’ny olona maro samihafa izahay tamin’ny dianay: “Audrey a, raha tsy hampahafantariko anao izy ireo indraindray, dia satria tsy tadidiko ny anarany.” Tena nahafaly ahy ny nilazany izany mialoha.
Nampahatsiahy ahy i Nathan hoe: “Azo antoka ny fanantenantsika aorian’ny fahafatesana, ary tsy hijaly intsony mihitsy isika.” Nampirisika ahy izy avy eo hoe: “Banjino ny hoavy. Marina fa mbola hahatsiaro ny lasa ianao, kanefa aza mieritreritra be loatra momba izany. Ho tony ny alahelonao, rehefa mandeha ny fotoana. Aza sosotra na mitsetra tena. Mifalia fa manana izany fitahiana izany ianao. Ho hitanao fa hitondra fifaliana ho anao ireo zavatra tsaroanao, rehefa any aoriana any. Fanomezana tsara avy amin’Andriamanitra ny fitadidiana.” Hoy koa izy: “Mazotoa miasa, manaova zavatra ho an’ny hafa foana. Hanampy anao hahita fifaliana eo amin’ny fiainana izany.” Nahavita ny fanompoany teto an-tany i Nathan, tamin’ny 8 Jona 1977.
Nivady izahay sy Glenn Hyde
Nilaza tamiko i Nathan hoe, na hanembona ny lasa aho ka hiaina ao anatin’izany, na hiezaka hanana fiainana vaovao. Nanambady an’i Glenn Hyde àry aho tamin’ny 1978, rehefa avy nifindra tany amin’ny Toeram-pambolena sy Fiompian’ilay Fanjakana, any Wallkill, New York. Tsara tarehy sy tony ary mahalala
fomba tokoa izy. Niasa tamin’ny tafika an-dranomasina izy talohan’ny naha Vavolombelona azy, fony i Japon niady tamin’i Etazonia.Notendrena hiasa tao amin’ny toerana nisy ny moteran’ilay sambo mpiady i Glenn, ka tsy nandre tsara intsony noho ny feon’ilay motera. Lasa mpamono afo izy rehefa vita ny ady. Nanonofy ratsy izy hatramin’ny taona maro, noho ny zavatra niainany tany an’ady. Ny sekreterany no nahalalany ny fahamarinana ara-baiboly, rehefa nitory tsy ara-potoana taminy.
Nantsoina hiasa tatỳ amin’i Betela amin’ny maha mpamono afo eto Brooklyn, i Glenn tamin’ny 1968. Rehefa nahazo fiara mpamono afo ny Toeram-pambolena sy Fiompian’ilay Fanjakana tamin’ny 1975, dia nifindra tany izy. Voan’ny aretin’i Alzheimer izy tatỳ aoriana. Nivady nandritra ny 10 taona izahay, ary maty izy avy eo.
Ahoana no hiatrehako an’izany? Nampahery ahy indray ilay torohevitra feno fahendrena nomen’i Nathan ahy, talohan’ny nahafatesany. Mamaky ilay taratasy nosoratany foana aho mba hizakako ny fahafatesan’ny vadiko. Resahiko amin’ireo maty vady koa ireny fanazavana ireny, ka nampahery azy ireo koa ny torohevitr’i Nathan. Marina tokoa fa mahasoa ny mibanjina ny hoavy, araka ny nampirisihany ahy.
Sarobidy ireo rahalahy
Ireo namana malala ao amin’ny fianakavian’ny Betela no tena nanampy ahy, mba hanana fiainana sambatra sy mahafa-po. Singaniko manokana amin’izany i Esther Lopez. Nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-3 tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana izy tamin’ny 1944. Niverina tany Brooklyn izy tamin’ny Febroary 1950, ary nandika ireo boky sy gazety ara-baiboly ho amin’ny teny espaniola. I Esther no tena namako akaiky, rehefa nandeha lavitra matetika i Nathan. Ao amin’ny Toeram-pambolena sy Fiompian’ilay Fanjakana koa izy no mipetraka. Efa ho 95 taona izao izy ary miharatsy ny fahasalamany, ka karakaraina any amin’ny toeram-pitsaboana eto amin’ny Betela izy.
I Russell sy Clara ihany sisa no mbola velona amin’ireo fianakaviako akaiky. Sivifolo taona mahery izao i Russell, ary manompo amim-pahatokiana eto amin’ny Betelan’i Brooklyn. Anisan’ireo voalohany navela hijanona tao amin’ny Betela izy, rehefa nanambady. Nanambady an’i Jean Larson izay Betelita izy, tamin’ny 1952. Tonga teto amin’ny Betela i Max, anadahin’i Jean, tamin’ny 1939. Nisolo an’i Nathan izy tamin’ny 1942, ary lasa mpiandraikitra ny fanontam-pirinty. Be andraikitra foana i Max eto amin’ny Betela, anisan’izany ny fikarakarana an’i Helen vady malalany, izay voan’ilay aretina antsoina hoe sclérose en plaques.
Azoko lazaina fa nahafa-po tokoa ny fiainako, rehefa mieritreritra indray ireo 63 taona nanompoako manontolo andro aho. Lasa tranoko ny Betela, ary manohy ny fanompoako eto amim-pifaliana aho. Midera ny ray aman-dreniko aho noho ny nampianarany anay ny maha zava-dehibe ny asa mafy, sy ny nampianarany anay koa hanompo an’i Jehovah. Ireo fianakavian’ny mpirahalahy anefa no tena mahatonga ny fiainana hahafa-po. Eo koa ilay fanantenana hiara-miaina amin’ireo anadahy sy rahavavy ao amin’ny tany paradisa, ka hanompo an’ilay Mpamorona Lehibe, dia i Jehovah ilay hany Andriamanitra marina.
[Sary, pejy 24]
Ny ray aman-dreniko, tamin’ny andron’ny fampakaram-badin’izy ireo, tamin’ny Jona 1912
[Sary, pejy 24]
Havia miankavanana: Russell, Wayne, Clara, Ardis, izaho, ary Curtis, tamin’ny 1927
[Sary, pejy 25]
Nijoro teo anelanelan’i Frances sy Barbara McNaught, tamin’izahay mpisava lalana tamin’ny 1944
[Sary, pejy 25]
Teto amin’ny Betela tamin’ny 1951. Avy eo ankavia miankavanana: Izaho, Esther Lopez, sy Jean zaobaviko
[Sary, pejy 26]
Niaraka tamin’i Nathan sy ny ray aman-dreniny
[Sary, pejy 26]
Niaraka tamin’i Nathan tamin’ny 1955
[Sary, pejy 27]
Niaraka tamin’i Nathan tany Hawaii
[Sary, pejy 29]
Niaraka tamin’i Glenn, ilay vadiko faharoa