Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ampianaro Izy Hitandrina Izay Rehetra Nandidiako Anareo”

“Ampianaro Izy Hitandrina Izay Rehetra Nandidiako Anareo”

“Ampianaro Izy Hitandrina Izay Rehetra Nandidiako Anareo”

“Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona ... Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.”—MATIO 28:19, 20.

1. Inona no resaka nifanaovan’i Filipo mpianatra sy ilay Etiopianina?

NISY lehilahy iray avy tany Etiopia nankany Jerosalema, mba hivavaka tamin’i Jehovah, ilay Andriamanitra tiany. Hita fa tia ny Tenin’Andriamanitra koa izy. Namaky ny bokin’i Isaia mpaminany tao anaty kalesiny mantsy izy rehefa nody, ary tamin’izay indrindra izy no nifanena tamin’i Filipo, mpianatr’i Kristy. Nanontany azy i Filipo hoe: “Tena azonao ve izay vakinao?” Namaly ilay Etiopianina hoe: “Ahoana moa no hahazoako azy raha tsy misy mampianatra ahy?” Nampian’i Filipo àry io lehilahy tso-po io, mba ho tonga mpianatr’i Kristy.—Asan’ny Apostoly 8:26-39.

2. a) Inona no ianarantsika avy amin’ny valin-tenin’ilay Etiopianina? b) Inona avy no fanontaniana hodinihintsika mifandray amin’ilay didin’i Kristy hanao mpianatra?

2 Mariho ny valin-tenin’ilay Etiopianina. Hoy izy: “Ahoana moa no hahazoako azy raha tsy misy mampianatra ahy?” Midika izany fa nila olona izy hanoro azy ny hevitr’izay novakiny. Hitantsika avy amin’izany fa tena mavesa-danja ny toromarika voafaritra tsara nomen’i Jesosy, tao amin’ilay didiny hoe ataovy mpianatra ny olona. Inona izany toromarika izany? Mba hamaliana izany, dia hotohizintsika ny fandinihana ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio toko faha-28. Novaliana tao amin’ny lahatsoratra teo aloha hoe, nahoana isika no nodidian’i Kristy hanao mpianatra, ary aiza isika no tokony hanao izany. Hodinihintsika indray izao hoe inona no tokony hampianarintsika, ary mandra-pahoviana isika no tokony hanao izany.

‘Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidian’i Jesosy’

3. a) Ahoana no ahatongavan’ny olona iray ho mpianatr’i Jesosy Kristy? b) Inona koa no tokony hampianarina azy ireo?

3 Inona no tsy maintsy ampianarintsika ny olona mba hahatonga azy ho mpianatr’i Kristy? Nandidy ny mpanara-dia azy toy izao i Jesosy: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28:19, 20) Tsy maintsy ampianarintsika ny didin’i Kristy àry ny olona. * Inona anefa no tokony hatao mba hahatonga azy ireo ho mpianatr’i Kristy sy hijanona ho mpianany foana? Misy zava-dehibe iray tokony hatao, araka ny teny voafidy tsara nampiasain’i Jesosy. Mariho fa tsy nilaza fotsiny izy hoe: ‘Ampianaro azy izay rehetra nandidiako anareo’, fa “ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 19:17) Inona no dikan’izany?

4. a) Inona no dikan’ny hoe mitandrina didy? b) Manomeza ohatra ampisehoana ny fomba ampianarana olona hitandrina ny didin’i Kristy.

4 Ny hoe mitandrina didy dia midika hoe “manao zavatra mifanaraka” amin’izy io, mankatò na manatanteraka azy. Ahoana àry no ampianarantsika ny olona hitandrina, na hankatò izay nandidian’i Kristy? Eritrereto, ohatra, ny olona iray mampianatra olon-kafa hitondra fiara sy hitandrina ny lalàn’ny fifamoivoizana. Mety hampianatra azy ireo izany lalàna izany izy any am-pianarana. Kanefa mba hampianarana ny mpianany hitandrina azy ireny, dia tsy maintsy atorony azy ireo ny tokony hataony, rehefa tena mitondra fiara izy ireo, sy miezaka hampihatra izay nianarany. Toy izany koa no ataontsika rehefa mampianatra olona ny Baiboly. Ampianarintsika ny didin’i Kristy izy, nefa mila hatorontsika azy koa izay tokony hataony, rehefa miezaka hampihatra izany eo amin’ny fiainany sy ny fanompoany izy. (Jaona 14:15; 1 Jaona 2:3) Mba hanatanterahana tsara ilay didin’i Kristy àry, dia mila mampianatra ny olona isika, sady mila manoro azy ny fampiharana izay ianarany. Manahaka an’i Jesosy sy Jehovah isika, rehefa manao izany.—Salamo 48:14; Apokalypsy 7:17.

5. Nahoana no mety hisalasala hankatò ny baikon’i Kristy hanao mpianatra, ny olona iray mianatra ny Baiboly?

5 Mampianatra ny hafa hitandrina ny didin’i Jesosy isika, rehefa manampy azy ireo hankatò ilay didy hanao mpianatra. Mety tsy ho sahy hanao izany ny olona sasany ampianarintsika Baiboly. Na dia nafana fo tamin’ny fivavahany aza mantsy izy taloha, dia azo inoana fa tsy nampiofana azy hanao mpianatra ny mpitondra fivavahana tao aminy. Misy mpitondra fivavahana miaiky fa tsy nahavita nampianatra ny ondriny hitory ny filazantsara mihitsy ny fivavahan’ny Kristianisma Anarana. Anisan’izany i John Stott, manam-pahaizana momba ny Baiboly. Hoy izy momba ilay didin’i Jesosy hoe mandehana ataovy mpianatra ny olona isan-karazany eo amin’izao tontolo izao: “Ny tsy fankatoavantsika an’io didy io no fahadisoana lehibe indrindra ataon’ny fivavahana ara-pilazantsara.” Hoy koa izy: “Tsy mitory mivantana amin’ny olona isika mazàna. Toy ny hoe te hamonjy olona milentika ao anaty rano isika. Kanefa avy eny amorony fotsiny isika no mikiakiaka sy manoro hevitra, fa tsy mirobo-drano hamonjy azy. Matahotra ny ho lena mantsy isika.”

6. a) Ahoana no anahafantsika an’i Filipo, rehefa manampy mpianatra ny Baiboly? b) Ahoana no anehoantsika fiahiana ny olona ampianarintsika Baiboly, rehefa manomboka mitory izy?

6 Toy ny “matahotra ny ho lena” koa ny fivavahana sasany, ka sahala amin’ny hoe mataho-drano ny olona ampianarintsika ny Baiboly, raha anisan’izy ireny izy taloha. Mila hampiana izy handresy izany tahotra izany, ka hankatò ilay didin’i Kristy hanao mpianatra. Mila maneho faharetana aminy àry isika, rehefa manome azy ny toromarika sy tari-dalana, izay hampitombo ny fahalalany sy hanosika azy hanao zavatra. Tsy nisy hafa tamin’izany no nataon’i Filipo, izay nampianatra an’ilay Etiopianina, ka nampitombo ny fahalalany ary nahatonga azy hatao batisa. (Jaona 16:13; Asan’ny Apostoly 8:35-38) Koa satria tiantsika ny hampianatra ny olona hitandrina ilay didy hanao mpianatra, dia voatosika koa isika hiaraka aminy sy hanoro azy izay tokony hataony, rehefa mitory voalohany izy.—Mpitoriteny 4:9, 10; Lioka 6:40.

‘Izay rehetra nandidian’i Jesosy’

7. Inona no didy tokony hampianarintsika ny olona, rehefa mampianatra azy ‘hitandrina izay rehetra nandidian’i Jesosy’ isika?

7 Tsy mianina amin’ny fanampiana an’ireo vaovao hanao mpianatra fotsiny isika. Nasain’i Jesosy hampianatra ny hafa “hitandrina izay rehetra” nandidiany koa isika. Azo antoka fa tafiditra amin’izany ireo didy roa lehibe indrindra, dia ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. (Matio 22:37-39) Ahoana no anampiana ny mpianatra vaovao iray hitandrina izany?

8. Ahoana no ampianarana ny olona iray hankatò ilay didy haneho fitiavana? Manomeza ohatra.

8 Eritrereto indray ny ohatr’ilay olona mianatra mitondra fiara. Mila mihaino an’ilay mpampianatra eo akaikiny izy, rehefa mizatra mitondra fiara. Tsy ampy anefa izany, fa mila mandinika ny mpamily hafa koa izy. Ireto avy, ohatra, no mety hasain’ilay mpampianatra hojereny: Mpamily iray tsara fanahy mamela ny hafa handeha eo anoloany, na mpamily iray mahalala fomba izay mampihena ny jirony mba tsy ho jambena ny olona mifanena aminy, na mpamily iray mijanona mba hanampy olom-pantany izay maty ny fiarany. Lesona sarobidy ho an’ilay mpianatra izany, ary azony ampiharina rehefa mitondra fiara izy. Toy izany koa no ataon’ny mpianatra vaovao mizotra amin’ny lalan’ny fiainana. Tsy miana-javatra avy amin’ny mpampianatra azy fotsiny izy, fa avy amin’ny olona fakan-tahaka eo anivon’ny fiangonana koa.—Matio 7:13, 14.

9. Ahoana no ianaran’ny mpianatra vaovao ny dikan’ny hoe mitandrina ilay didy momba ny fitiavana?

9 Mety hahita ray na reny tokan-tena miezaka mafy hitondra ny zanany kely any amin’ny Efitrano Fanjakana, ilay mpianatra. Mety hahatazana olona kivy izy, nefa tonga mivory foana izy io. Na izy hahita zokiolona mitaona olon-kafa be taona hanatrika fivoriana, na tanora manadio Efitrano Fanjakana. Mety ho tsikariny koa ny anti-panahy iray, izay loha laharana eny amin’ny saha fanompoana foana na dia be andraikitra eo anivon’ny fiangonana aza. Na izy mety hihaona amin’ny Vavolombelona iray marary sy tsy afa-mivoaka ny tranony, nefa mbola mampahery izay rehetra tonga mitsidika azy foana. Ankoatra izany, dia mety hahamarika izy, fa misy mpivady manova tanteraka ny fomba fiainany mba hikarakarana ny ray aman-dreniny be taona. Rehefa mandinika Kristianina tsara fanahy sy vonon-kanampy ary azo ianteherana toy izany ilay mpianatra vaovao, dia ho azony ny dikan’ny hoe mankatò ilay didin’i Kristy hoe tiava an’Andriamanitra sy ny namana, indrindra fa ny mpiray finoana. (Ohabolana 24:32; Jaona 13:35; Galatianina 6:10; 1 Timoty 5:4, 8; 1 Petera 5:2, 3) Amin’izany fomba izany no ahafahan’ny tsirairay eo anivon’ny fiangonana, hampianatra sy hanoro azy ny fomba ampiharana ny zavatra nianarany. Ary izany mihitsy no tokony hatao.—Matio 5:16.

“Mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity”

10. a) Mandra-pahoviana isika no hanao mpianatra? b) Nahoana i Jesosy no fakan-tahaka teo amin’ny fanatanterahana ny asa nankinina taminy?

10 Mandra-pahoviana isika no tokony hanao mpianatra? Mandra-pifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity. (Matio 28:20) Ho vitantsika ve ny hanatanteraka an’io didin’i Jesosy io? Tapa-kevitra ny hanao izany ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Nandritra ny taona maro, dia faly isika nanokana fotoana sy hery ary fananana, mba hitadiavana ireo ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay.’ (Asan’ny Apostoly 13:48) Telo tapitrisa mahery eo ho eo ny ora atokan’ny Vavolombelon’i Jehovah isan’andro, mba hitoriana ilay Fanjakana sy hanaovana mpianatra maneran-tany. Manao izany isika ho fanahafana an’i Jesosy. Hoy izy: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ilay naniraka ahy sy ny mahavita ny asany.” (Jaona 4:34) Maniry mafy hanao izany koa isika. (Jaona 20:21) Irintsika ny hahavita ilay asa nankinina tamintsika, fa tsy ny hanomboka azy io fotsiny.—Matio 24:13; Jaona 17:4.

11. Inona no manjo ny rahalahy sy anabavintsika sasany, ary inona no fanontaniana tokony hoeritreretintsika?

11 Mampalahelo anefa ny mahita fa misy mpiray finoana amintsika mihamalemy finoana. Noho izany, dia lasa tsy marisika loatra izy ireo hankatò ilay didin’i Kristy hanao mpianatra, na tsy mankatò azy io intsony. Azontsika ampiana ve izy ireny hifanerasera indray amin’ny fiangonana sy hiverina hanao mpianatra? (Romanina 15:1; Hebreo 12:12) Ho hitantsika izay azontsika atao, rehefa dinihintsika ny fomba nanampian’i Jesosy ny apostoliny, izay nihanalemy finoana nandritra ny fotoana kelikely.

Manehoa fiahiana

12. a) Inona no nataon’ny apostoly taloha kelin’ny nahafatesan’i Jesosy? b) Ahoana no nitondran’i Jesosy ny apostoliny, na dia nanao fahadisoana lehibe aza izy ireo?

12 Rehefa nifarana ny fanompoan’i Jesosy tetỳ an-tany, izany hoe taloha kelin’ny nahafatesany, dia “nandao azy” ny apostoly “ka nandositra.” ‘Niparitaka tany amin’izay nisy azy avy’ izy ireo, araka ny efa nolazainy mialoha. (Marka 14:50; Jaona 16:32) Ahoana no nitondran’i Jesosy an’ireo namany nihanalemy finoana ireo? Taoriana kelin’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia hoy izy tamin’ny mpianany sasany: “Aza matahotra! Mandehana milaza amin’ny rahalahiko mba ho any Galilia, fa any no hahitany ahy.” (Matio 28:10) Mbola nantsoin’i Jesosy hoe “rahalahiko” ihany ireo apostoly, na dia nanao fahadisoana lehibe aza. (Matio 12:49) Tsy nahafoy azy ireo izy. Be famindram-po sy namela heloka izy, toa an’i Jehovah izay be famindram-po sy mamela heloka koa. (2 Mpanjaka 13:23) Ahoana no anahafantsika an’i Jesosy?

13. Ahoana no tokony hiheverantsika an’ireo nihanalemy finoana?

13 Tokony hanehoantsika fiahiana lalina ireo mpiray finoana amintsika, izay tsy marisika loatra intsony amin’ny fanompoana na nijanona mihitsy. Mbola tsaroantsika foana ny asa nataon’izy ireo tamim-pitiavana, angamba aza nandritra ny am-polony taona. (Hebreo 6:10) Tena manina azy ireo isika. (Lioka 15:4-7; 1 Tesalonianina 2:17) Ahoana àry no anehoantsika fiahiana azy ireny?

14. Toa an’i Jesosy, ahoana no anampiantsika an’ireo malemy?

14 Nasain’i Jesosy nihaona taminy tany Galilia ireo apostoly kivy. Azo lazaina hoe nanasa azy ireo hanatrika fivoriana manokana izy. (Matio 28:10) Toy izany koa no ataontsika. Asaintsika ireo malemy finoana mba hanatrika ny fivorian’ny fiangonana, ary mety hila hanao izany imbetsaka isika. Nanaiky ilay fanasana tokoa ireo apostoly, satria ‘nankany Galilia ny mpianatra iraika ambin’ny folo lahy, ho any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesosy nalehany.’ (Matio 28:16) Faly be koa isika rehefa tonga mivory indray ireo malemy finoana, noho isika nanasa azy tamim-pitiavana!—Lioka 15:6.

15. Ahoana no anahafantsika an’i Jesosy, rehefa tonga mivory ny olona malemy finoana?

15 Ahoana no tokony hataontsika rehefa tonga any amin’ny Efitrano Fanjakana ireo malemy finoana? Inona no nataon’i Jesosy rehefa tonga tany amin’ilay toerana nifanaovan’izy ireo fotoana ny apostoliny, izay nihanalemy finoana? ‘Nanatona azy ireo izy ka niteny taminy.’ (Matio 28:18) Tsy nitazana azy ireo fotsiny àry izy, fa nankeo aminy. Azo antoka fa nahatsiaro ho maivamaivana erỳ ireo apostoly, rehefa nanao izany dingana voalohany izany i Jesosy! Enga anie isika koa hanao ny dingana voalohany, ka handray tsara an’ireo malemy finoana, izay miezaka hifanerasera indray amin’ny fiangonana.

16. a) Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba nitondran’i Jesosy ny mpanara-dia azy? b) Ahoana no ampisehoantsika fa mihevitra ny malemy finoana toy ny fiheveran’i Jesosy azy isika? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

16 Inona koa no nataon’i Jesosy? Izao aloha no nolazainy: “Efa nomena ahy ny fahefana rehetra.” Nirahiny izy ireo avy eo hoe: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona.” Ary farany, dia nampanantena izy fa ‘hiaraka amin’izy ireo foana.’ Voamarikao anefa ve izay tsy nataony? Tsy niteny mafy ny mpianany izy, noho ny fahadisoany sy ny fisalasalany. (Matio 28:17) Nisy vokany ve izany? Eny. Tsy ela, dia “nampianatra sy nitory ny vaovao tsara” indray ny apostoly. (Asan’ny Apostoly 5:42) Azo inoana fa hahazo vokatra mampahery toy izany koa isika eo anivon’ny fiangonantsika, raha manahaka ny fomba niheveran’i Jesosy sy nitondrany ireo malemy finoana. *Asan’ny Apostoly 20:35.

“Hiaraka aminareo foana aho”

17, 18. Nahoana no mampahery ilay tenin’i Jesosy hoe: “Hiaraka aminareo foana aho”?

17 Rehefa nanome ilay didy hanao mpianatra i Jesosy, dia izao no teniny farany: “Hiaraka aminareo foana aho.” Tena mampahery an’ireo rehetra miezaka mafy hankatò ilay didiny izany. Tsy tokony hatahotra isika, na inona na inona ataon’ny fahavalo mba hanoherana ny fitoriantsika ilay Fanjakana, na hanosoram-potaka antsika. Nahoana? Satria manampy antsika ilay Mpitarika antsika, dia i Jesosy izay manana “ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.”

18 Tena mampionona antsika koa ilay fampanantenany hoe: “Hiaraka aminareo foana aho.” Mifamahofaho mantsy ny fifaliana sy ny alahelo eo am-piezahantsika mafy hanatanteraka ilay didin’i Kristy hanao mpianatra. (2 Tantara 6:29) Misy amintsika malahelo mafy, satria manana havana nodimandry. (Genesisy 23:2; Jaona 11:33-36) Ny hafa indray mihatsy salama sy mihaosa, satria efa antitra. (Mpitoriteny 12:1-6) Ao koa ireo mahatsiaro tena ho kivy tanteraka indraindray. (1 Tesalonianina 5:14) Ary mihabetsaka ny olona sahirana mafy ara-pivelomana eo anivontsika. Mahavita ny fanompoantsika anefa isika na dia izany aza, satria miaraka amintsika “foana” i Jesosy, na dia amin’ny fotoana faran’izay sarotra aza.—Matio 11:28-30.

19. a) Inona avy no toromarika nomen’i Jesosy rehefa nandidy antsika hanao mpianatra izy? b) Nahoana no ho vitantsika ny hanatanteraka an’io asa io?

19 Hitantsika tato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay teo aloha, fa rehefa nanome ilay didy hanao mpianatra i Jesosy, dia niresaka ny lafiny rehetra tafiditra amin’izany. Nolazainy tamintsika hoe nahoana ary aiza isika no tokony hanatanteraka izany. Nolazainy koa hoe inona no tokony hampianarintsika ary mandra-pahoviana. Marina aloha fa asa be izany, ary tsy mora tanterahina. Ho vitantsika anefa izany, satria eo anilantsika sy manohana antsika i Kristy, izay manana fahefana lehibe! Sa tsy marina izany?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Milaza ny boky iray fa ‘tsy fanaovan-javatra mifandimby fotsiny’ ilay didy hanao batisa sy hampianatra. ‘Zavatra mitohy kosa ilay fampianarana, satria miantomboka alohan’ny batisa, ary mitohy ao aorian’izy io.’

^ feh. 16 Misy fanazavana fanampiny mahakasika ny fomba iheverana sy anampiana ny malemy finoana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana, 1 Febroary 2003, pejy 15-18.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no ampianarana ny olona hitandrina izay nandidian’i Jesosy?

• Inona avy no azon’ny mpianatra vaovao ianarana avy amin’ny olona eo anivon’ny fiangonana?

• Inona no azontsika atao mba hanampiana ireo nihanalemy finoana?

• Nahoana no mampahery sy mampionona ilay fampanantenan’i Jesosy hoe: “Hiaraka aminareo foana aho”?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Mila mampianatra sy manoro izay tokony hatao isika

[Sary, pejy 17]

Miana-javatra tsara avy amin’ny hafa ny mpianatra vaovao