Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mandehana Ataovy Mpianatra ny Olona’

‘Mandehana Ataovy Mpianatra ny Olona’

‘Mandehana Ataovy Mpianatra ny Olona’

“Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona.”—MATIO 28:18, 19.

1, 2. a) Inona no asa nankinin’i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy? b) Inona avy no fanontaniana hodinihintsika momba ilay didin’i Jesosy?

LOHATAONAN’NY taona 33 tamin’izay tany Israely. Nivory teo amin’ny tendrombohitra iray tany Galilia ny mpianatr’i Jesosy. Efa hiakatra tany an-danitra ny Tompony, izay nitsangana tamin’ny maty, nefa nisy zava-dehibe niriny hambara tamin’izy ireo aloha. Nisy asa tiany hankinina amin’izy ireo mantsy. Inona izany asa izany? Nanaiky hanao izany ve ny mpianany? Ary mahakasika antsika ankehitriny ve izany asa izany?

2 Izao no tenin’i Jesosy tamin’izay, araka ny Matio 28:18-20: “Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo. Ary hiaraka aminareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Niresaka momba ny “fahefana rehetra” sy ny “firenena rehetra” ary ‘izay rehetra nandidiany’ i Jesosy eo. Nilaza koa izy fa hiaraka amin’ny mpianany “foana.” Noho ireo lafiny efatra amin’ilay didiny ireo, dia mipetraka ireto fanontaniana lehibe ireto: Nahoana isika no mila mampianatra, ary aiza no tokony hanaovana izany? Inona no ampianarina, ary mandra-pahoviana? Horaisintsika tsirairay ireo fanontaniana ireo. *

“Efa nomena ahy ny fahefana rehetra”

3. Nahoana isika no tokony hankatò ilay didy hoe ataovy mpianatra ny olona?

3 Voalohany, nahoana isika no tokony hankatò ilay didy hoe ataovy mpianatra ny olona? Hoy i Jesosy: “Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona.” Ilay teny hoe “àry” dia milaza antony lehibe iray tokony hankatoavantsika io didy io. Mankatò azy io isika, satria i Jesosy, ilay manana ny “fahefana rehetra” mihitsy no mandidy antsika hanao izany. Manao ahoana tokoa moa ny halehiben’ny fahefany?

4. a) Manao ahoana ny halehiben’ny fahefan’i Jesosy? b) Ahoana no tokony hiheverantsika ilay didy hoe ataovy mpianatra ny olona, raha azontsika tsara ny halehiben’ny fahefan’i Jesosy?

4 Manana fahefana eo amin’ny fiangonany i Jesosy, ary lasa mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy tamin’ny 1914. (Kolosianina 1:13; Apokalypsy 11:15) Izy no arkanjely. Noho izany, dia mibaiko ny tafika misy anjely an-jatony tapitrisa any an-danitra izy. (1 Tesalonianina 4:16; 1 Petera 3:22; Apokalypsy 19:14-16) Nomen’ny Rainy fahefana koa izy hanafoana “ny fitondrana sy ny fahefana ary ny hery rehetra”, izay manohitra ny toro lalany marina. (1 Korintianina 15:24-26; Efesianina 1:20-23) Tsy ny velona ihany anefa no ananan’i Kristy fahefana. ‘Mpitsara ny velona sy ny maty’ koa izy, ary nomen’Andriamanitra hery hananganana ny olona avy amin’ny torimason’ny fahafatesana. (Asan’ny Apostoly 10:42; Jaona 5:26-28) Azo antoka fa tokony hoheverina ho zava-dehibe indrindra ny didy avy amin’Ilay manana fahefana lehibe toy izany. Manaja ny fahefan’i Kristy àry isika, sy mankatò an-tsitrapo ilay didiny hoe ‘mandehana, ataovy mpianatra ny olona.’

5. a) Asehoy fa nankatò an’i Jesosy i Petera. b) Inona no fitahiana azon’i Petera noho izy nankatò?

5 Raha vao nanomboka ny fanompoany teto an-tany i Jesosy, dia nampahafantatra ny mpianany fa handray fitahiana izay manaiky ny fahefany sy mankatò ny didiny. Hafakely ny fomba nampahafantarany izany. Indray mandeha, dia hoy izy tamin’i Petera, izay mpanjono: “Mirosoa any amin’ny lalina, ary alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano!” Azon’i Petera antoka fa tsy nisy trondro mihitsy tao, ka hoy izy tamin’i Jesosy: “Mpampianatra ô, efa niasa mafy nandritra ny alina manontolo izahay, saingy tsy nahazo mihitsy.” Nanetry tena anefa izy, ka niteny hoe: “Noho ny teninao anefa, dia halatsako ihany ny harato.” Nankatò ny didin’i Kristy i Petera, ka nahazo “trondro maro be.” Talanjona izy, ka ‘niantoraka teo an-dohalik’i Jesosy, ary nanao hoe: “Tompo ô, mialà amiko fa mpanota aho.” ’ Namaly anefa i Jesosy hoe: “Aza matahotra, fa manomboka izao dia olona velona no ho azonao.” (Lioka 5:1-10; Matio 4:18) Inona no ianarantsika avy amin’izany tantara izany?

6. a) Inona no tsy notakin’i Jesosy tamin’ny mpianany, araka ilay fahagagana ao amin’ny Lioka 5:1-11? b) Ahoana no anahafantsika an’i Jesosy?

6 Rehefa avy nahazo trondro tamin’ny fomba nahagaga i Petera sy Andrea ary ny apostoly hafa, vao nasain’i Jesosy ‘hanarato olona.’ (Marka 1:16, 17) Araka izany, dia tsy nitaky ny haneken’izy ireo befahatany izay nolazainy i Jesosy. Nasehony tamin’izy ireo kosa fa misy antony tena tsara tokony hankatoavan’izy ireo azy. Nahomby mantsy ilay jono, rehefa nandatsaka ny haratony izy ireo, araka ilay didin’i Jesosy. Handray fitahiana be dia be toy izany koa àry izy ireo, raha mankatò ilay didiny hoe mandehana ‘manarato olona.’ Noho izany, dia nino tanteraka an’i Jesosy ireo apostoly, ka nankatò. Mifarana toy izao ilay tantara: “Naverin’izy ireo teny an-tanety ny sambokely, ary nandao ny zava-drehetra ireo ka lasa nanaraka azy.” (Lioka 5:11) Manahaka an’i Jesosy isika ankehitriny, rehefa mampirisika ny hafa hanao mpianatra. Tsy mitaky ny haneken’ny olona befahatany izay lazaintsika fotsiny koa isika. Miezaka kosa isika hampiseho aminy fa misy antony tena tsara tokony hankatoavany ny didin’i Kristy.

Antony tena tsara hankatoavana ilay didin’i Jesosy

7, 8. a) Araka ny Soratra Masina, inona no antony sasany manosika antsika hitory ilay Fanjakana sy hanao mpianatra? b) Inona no andinin-teny tena mandrisika anao hitory hatrany? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

7 Mitory ilay Fanjakana sy manao mpianatra isika, satria manaiky ny fahefan’i Kristy. Milaza antony hafa mahatonga antsika handray anjara amin’izany anefa ny Soratra Masina. Azontsika resahina amin’ny olona izany, mba hampirisihana azy hanao asa tsara. Diniho ny tenin’ireto Vavolombelona mahatoky avy amin’ny tany samy hafa ireto, ary mariho ny ifandraisan’izany amin’ireo andinin-teny omena.

8 Hoy i Roy, izay natao batisa tamin’ny 1951: “Nampanantena an’i Jehovah aho fa hanompo azy mandrakizay rehefa nanolo-tena ho azy, ary hitana izany teny nataoko izany aho.” (Salamo 50:14; Matio 5:37) Nilaza toy izao indray i Heather, izay vita batisa tamin’ny 1962: “Rehefa eritreretiko izay rehetra nataon’i Jehovah ho ahy, dia te hanompo azy foana aho ho fankasitrahako azy.” (Salamo 9:1, 9-11; Kolosianina 3:15) Ary i Hannelore, izay natao batisa tamin’ny 1954, dia nanao hoe: “Manampy antsika foana ny anjely, isaky ny mandeha manompo isika. Tena tombontsoa lehibe izany!” (Asan’ny Apostoly 10:30-33; Apokalypsy 14:6, 7) Niteny toy izao i Honor, izay vita batisa tamin’ny 1969: “Rehefa tonga ny fotoana fitsaran’i Jehovah, dia tsy tiako raha hisy olona hiampanga Azy sy ireo Vavolombelony ho nanao tsirambina, ka hiteny hoe: ‘Tsy mba nisy nampitandrina ahy mihitsy!’ ” (Ezekiela 2:5; 3:17-19; Romanina 10:16, 18) Izao koa no tenin’i Claudio, izay natao batisa tamin’ny 1974: “ ‘Eo ambany mason’Andriamanitra’ sy ‘tafaray amin’i Kristy’ isika rehefa mitory. Eritrereto ange e! Miaraka amin’ireo Namantsika akaiky indrindra isika, rehefa manompo.”—2 Korintianina 2:17. *

9. a) Inona no tokony hanosika antsika hankatò an’i Kristy, araka ilay fitantarana nahakasika an’i Petera sy ny apostoly hafa? b) Inona no antony tokony hankatoavantsika an’Andriamanitra sy Kristy, ary nahoana?

9 Ankoatra izany, dia ny fitiavana no tena tokony hanosika antsika hankatò an’i Kristy, araka ilay fitantarana momba ny fanaratoana trondro tamin’ny fomba nahagaga. Tsy niala i Jesosy rehefa nilazan’i Petera hoe: “Mialà amiko fa mpanota aho.” Tsy nanameloka an’i Petera ho nahavita fahotana koa izy. (Lioka 5:8) Tsy nanome tsiny an’i Petera akory aza i Jesosy, noho izy nangataka azy handeha. Tsara fanahy foana kosa izy, ka namaly hoe: “Aza matahotra.” Tsy ny tahotra àry no tokony hanosika ny olona hankatò an’i Kristy. Nilaza tamin’i Petera sy ny namany kosa i Jesosy fa hahavita asa tsara izy ireo rehefa hanarato olona. Tsy mampitahotra ny olona koa isika, sady tsy manao izay hahatonga azy hahatsiaro tena ho meloka na menatra, mba hanerena azy hankatò an’i Kristy. Ny fankatoavana amin’ny fo manontolo sy vokatry ny fitiavana an’Andriamanitra sy Kristy ihany no mampifaly an’i Jehovah.—Matio 22:37.

“Ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra”

10. a) Nahoana no tsy mora tamin’ny mpianatr’i Jesosy ny nankatò ilay didiny? b) Ahoana anefa no nataon’ireo mpianany?

10 Ny fanontaniana faharoa mifandray amin’ilay didin’i Kristy, dia hoe aiza no tokony hanaovana mpianatra? Hoy izy tamin’ny mpanara-dia azy: “Ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.” Talohan’ny nanombohan’i Jesosy ny fanompoany, dia noraisina tsara ny olona avy amin’ny firenen-kafa, rehefa tonga tany Israely mba hanompo an’i Jehovah. (1 Mpanjaka 8:41-43) Ny Jiosy no tena nitorian’i Jesosy, nefa nandidy ny mpianany izy tatỳ aoriana, mba hankany amin’ny olona avy amin’ny firenena rehetra. Toy ny “dobo” kely ny faritra nanjonoan’izy ireo, na ny faritany nitoriany, satria ny Jiosy ihany no tafiditra tamin’izany. Tsy ela anefa dia lasa “ranomasina” be ilay “dobo”, satria ny olombelona rehetra no nasaina nitorian’izy ireo. Tsy mora tamin’ny mpianatr’i Jesosy izany, nefa nankatò azy avy hatrany izy ireo. Tsy ampy 30 taona taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia afaka nilaza ny apostoly Paoly fa tsy tamin’ny Jiosy ihany no nitoriana ny vaovao tsara, fa ‘tamin’ny zavaboary rehetra teny ambanin’ny lanitra’ koa.—Kolosianina 1:23.

11. Ahoana no nitaran’ny ‘faritra anjonoana’ nanomboka tany am-piandohan’ny taonjato faha-20?

11 Nitatra be koa ny faritanintsika tato ho ato. Tany vitsivitsy monja no ‘faritra nanjonoana’ tany am-piandohan’ny taonjato faha-20. Nanahaka ny Kristianina voalohany anefa ny mpianatr’i Kristy tamin’izany andro izany, ka nazoto nitory tamin’ny faritany bebe kokoa. (Romanina 15:20) Zato teo ho eo ny tany nanaovana mpianatra tany am-piandohan’ireo taona 1930. Nitatra anefa izany, ka tany 235 izao no ‘faritra anjonoantsika.’—Marka 13:10.

‘Avy amin’ny fiteny rehetra’

12. Inona no zava-tsarotra asongadin’ny faminaniana ao amin’ny Zakaria 8:23?

12 Tsy ny faritany midadasika fotsiny no manasarotra ny fanaovana mpianatra amin’ny firenena rehetra, fa ny fiteny maro samihafa ampiasainy koa. Hoy i Jehovah tamin’ny alalan’i Zakaria mpaminany: “Amin’izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” (Zakaria 8:23) Tanteraka amin’izao andro izao koa io faminaniana io, ka ilay “Jiosy” dia ny sisa amin’ny Kristianina voahosotra, ary ireo “folo lahy” kosa dia ny “vahoaka be.” * (Apokalypsy 7:9, 10; Galatianina 6:16) Ho avy amin’ny firenena maro io vahoaka be manara-dia an’i Kristy io, ary nilaza i Zakaria fa hampiasa fiteny maro izy ireo. Izany ve no hita eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny? Eny tokoa.

13. a) Inona no fiovana nitranga teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra, raha ny fiteny no resahina? b) Inona no ataon’ny mpanompo mahatoky, rehefa hita fa mihabetsaka ny olona mila sakafo ara-panahy amin’ny fiteny samihafa? (Jereo koa ilay efajoro hoe “Boky ho An’ny Jamba.”)

13 Vavolombelon’i Jehovah 3 ao anatin’ny 5 no niteny anglisy tamin’ny 1950. Nihena ho 2 ao anatin’ny 5 izany tamin’ny 1980, ary ampahadimin’izy ireo sisa ankehitriny no mampiasa io fiteny io. Inona no ataon’ny mpanompo mahatoky sy malina manoloana izany fiovana izany? Manome sakafo ara-panahy amin’ny fiteny maro kokoa izy ireo. (Matio 24:45) Nivoaka tamin’ny fiteny 90, ohatra, ny boky sy gazetintsika, tamin’ny 1950. Misy amin’ny fiteny 400 eo ho eo anefa izany ankehitriny. Nitondra voka-tsoa ve ny fiahiana bebe kokoa ny olona mampiasa fiteny samihafa? Izany tokoa! Misy 5 000 eo ho eo isan-kerinandro ny olona ‘avy amin’ny fiteny rehetra’ no lasa mpianatr’i Kristy! (Apokalypsy 7:9) Mbola mitohy ny fitomboana, ary mahazo trondro maro be tokoa ny “harato” any amin’ny tany sasany!—Lioka 5:6; Jaona 21:6.

Afaka hanao fanompoana hafa mahafa-po ve ianao?

14. Ahoana no azontsika anampiana ny olona miteny vahiny ao amin’ny faritanintsika? (Jereo koa ilay efajoro hoe “Fampiasana Baikon’ny Moana mba Hanaovana Mpianatra.”)

14 Ilaina tokoa ny manao mpianatra ny olona “samy hafa fiteny” any amin’ny tany maro, satria misy olona tonga mifindra monina any. (Apokalypsy 14:6) Ahoana no anampiantsika ny olona miteny vahiny ao amin’ny faritanintsika? (1 Timoty 2:4) Mila mampiasa fitaovam-panjonoana mifanentana aminy isika, raha azo atao ny milaza izany. Omeo boky amin’ny fiteniny izy ireo. Raha mety, dia asao hitsidika azy ny Vavolombelona iray mahay ny fiteniny. (Asan’ny Apostoly 22:2) Mora kokoa izany ankehitriny, satria maro ny Vavolombelona mianatra fiteny hafa, mba hanampiana ny vahiny ho lasa mpianatr’i Kristy. Asehon’ny tatitra voaray fa tena mahafa-po ny manampy olona toy izany.

15, 16. a) Manomeza ohatra mampiseho fa mahafa-po ny manampy olona miteny vahiny. b) Inona avy no fanontaniana tsara hodinihintsika mahakasika ny fanampiana ny olona miteny vahiny?

15 Diniho, ohatra, ireto zava-nitranga tany Holandy ireto. Atao amin’ny fiteny 34 ny fitoriana any. Nisy mpivady nanolo-tena hitory tamin’ireo mpifindra monina miteny poloney. Maro tamin’izy ireo no liana, hany ka nampihena ny ora niasany ilay rahalahy, mba hanana andro iray fanampiny hampianarana Baiboly azy ireo. Tsy ela taorian’izay, dia nitarika fampianarana Baiboly 20 mahery isan-kerinandro izy mivady. Nilaza izy ireo hoe: “Mahafaly be anay ny fanompoana ataonay.” Vao mainka mahafaly ny manao mpianatra, rehefa velom-pisaorana ny olona mandre ny fahamarinana ara-baiboly amin’ny fiteniny. Nandritra ny fivoriana iray tamin’ny teny vietnamianina, dia nitsangana ny rangahy iray ka nangataka hiteny kely. Latsaka ny ranomasony rehefa nilaza tamin’ireo Vavolombelona izy hoe: “Misaotra anareo aho noho ny fiezahanareo hianatra ny fiteniko, izay sarotra tokoa. Tena ankasitrahako ny ataonareo, satria afaka mianatra zavatra faran’izay tsara avy amin’ny Baiboly aho izao, na dia efa antitra aza.”

16 Tsy mahagaga àry raha tena afa-po ny mpitory ao amin’ny fiangonana miteny vahiny. Hoy ny mpivady iray avy any Grande-Bretagne: “Tao anatin’izay 40 taona nanaovanay fanompoana izay, dia anisan’ny nahafinaritra indrindra ny fanampiana ny olona miteny vahiny.” Misy fiovana azonao atao ve eo amin’ny fiainanao, mba handraisanao anjara amin’io fanompoana mamelombelona io? Raha mbola mpianatra ianao, nahoana raha mianatra fiteny vahiny, mba hiomanana ho amin’izany fanompoana izany? Hahazo fitahiana be dia be ianao raha manao izany. (Ohabolana 10:22) Nahoana raha miresaka an’izany amin’ny ray aman-dreninao?

Ovaovao ny fomba fiasa

17. Ahoana no ahafahantsika mitory amin’ny olona betsaka kokoa ao amin’ny faritanin’ny fiangonantsika?

17 Mazava ho azy fa tsy isika rehetra no afaka “hanarato” any amin’ny faritany misy olona miteny vahiny. Mety ho afaka hitory amin’ny olona bebe kokoa anefa isika, na dia ao amin’ny faritanin’ny fiangonantsika ihany aza. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanovaovana ny fomba fiasantsika, fa tsy ny hafatra entintsika akory. Mihabetsaka ny olona mipetraka any amin’ny toerana tsy azo idirana. Be dia be koa no tsy tratra ao an-tranony, rehefa mitory isan-trano isika. Noho izany, dia mety ho tsara kokoa raha manipy “harato” amin’ny fotoana sy toerana samihafa isika. Manahaka an’i Jesosy isika amin’izany. Niezaka mafy izy mba hiresaka tamin’ny olona tany amin’ny toerana samihafa.—Matio 9:9; Lioka 19:1-10; Jaona 4:6-15.

18. Inona no vokatra tsara azo noho ny fitoriana tamin’ny toerana samihafa? (Jereo koa ilay efajoro hoe “Fanaovana Mpianatra any Amin’ny Toeram-piasana.”)

18 Any amin’ny firenena sasany, dia izay toerana ahitana olona no tena alehan’ny mpitory, mba hanaovana mpianatra. Miezaka bebe kokoa mba hitory any amin’ny toerana samihafa ny Kristianina za-draharaha. Ankoatra ny fitoriana isan-trano, dia misy koa mitory any amin’ny seranam-piaramanidina, birao, fivarotana, toerana fijanonan’ny fiara sy ny bisy, eny an-dalana, zaridainam-panjakana, moron-dranomasina, ary toeran-kafa. Tany amin’ireny toerana ireny no nandre voalohany ny vaovao tsara, ny ankamaroan’ny Vavolombelona vao vita batisa, tany Hawaii. Rehefa manovaova ny fomba fiasantsika isika, dia afaka manatanteraka tsara ny didin’i Jesosy hoe ataovy mpianatra ny olona.—1 Korintianina 9:22, 23.

19. Lafiny inona amin’ilay didin’i Jesosy no hovelabelarina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Ankoatra ny antony sy ny toerana anaovana mpianatra, dia nolazain’i Jesosy tao amin’ilay didiny koa hoe inona no tokony hampianarintsika, ary mandra-pahoviana isika no tokony hanohy izany. Hovelabelarina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo lafiny roa amin’ilay asa nankinin’i Jesosy tamintsika ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Hovaliantsika amin’ity lahatsoratra ity ny fanontaniana roa voalohany, ary ny roa farany kosa hovelabelarina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

^ feh. 12 Raha mila fanazavana fanampiny momba ny fahatanterahan’io faminaniana ao amin’ny Zakaria 8:23 io ianao, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2001, pejy 12, ary ilay boky hoe Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II, pejy 408, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tadidinao Ve?

• Inona avy no antony itoriantsika ilay Fanjakana sy anaovantsika mpianatra?

• Ahoana no anatanterahan’ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny ilay didin’i Jesosy hoe ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra?

• Ahoana no azontsika anovaovana ny ‘fomba fanjonoantsika’, ary nahoana isika no tokony hanao izany?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 10]

Boky ho An’ny Jamba

Anti-panahy sy mpitory manontolo andro i Albert, izay mipetraka any Etazonia. Jamba izy, ary amin’ny soratra Braille ny boky ara-baiboly ampiasainy. Manampy azy izany hanatontosa tsara ny fanompoany, anisan’izany ny asan’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Ahoana no ahavitany ny andraikiny eo anivon’ny fiangonana?

“Mbola tsy nanana mpiandraikitra ny fanompoana nahavita asa tsara noho i Albert izahay tato amin’ny fiangonana”, hoy i James, izay mpiandraikitra mpitantan-draharaha. Misy jamba 5 000 eo ho eo any Etazonia, izay mandray boky ara-baiboly tsy tapaka amin’ny soratra Braille anglisy sy espaniola, ary anisan’izy ireo i Albert. Namoaka boky zato mahery amin’ny soratra Braille ny mpanompo mahatoky, nanomboka tamin’ny 1912. Mampiasa teknolojia maoderina izao ny fanontam-pirintin’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanamboarana pejy an-tapitrisany misy soratra Braille isan-taona. Mivoaka amin’ny fiteny 10 mahery izy ireo, ary zaraina any amin’ny tany 70 mahery. Moa ve ianao mahalala olona, izay mety handray soa avy amin’ny boky ara-baiboly natao ho an’ny jamba?

[Efajoro/Sary, pejy 11]

Fampiasana Baikon’ny Moana mba Hanaovana Mpianatra

Nianatra baikon’ny moana ny Vavolombelona an’arivony eran-tany, mba hanampiana ny marenina ho lasa mpianatr’i Kristy. Nianatra izany koa ny tanora maro, izay be zotom-po. Any Brezila fotsiny, ohatra, dia marenina 63 no natao batisa vao haingana, ary Vavolombelona marenina 35 no mpitory manontolo andro. Misy fiangonana sy antoko-mpitory 1 200 mahery mampiasa baikon’ny moana, eran-tany. Mitambatra ho faritra iray tsidihin’ny mpiandraikitra iray ihany ny fiangonana rehetra mampiasa baikon’ny moana, any Rosia. Io no lehibe indrindra amin’ny faritra rehetra eran-tany, satria i Rosia manontolo no tafiditra ao aminy!

[Efajoro, pejy 12]

Fanaovana Mpianatra any Amin’ny Toeram-piasana

Nisy Vavolombelona nitory tany amin’ny toeram-piasana iray tany Hawaii, ary nifanena tamin’ny lehiben’ny kompaniam-pitaterana iray. Be atao io rangahy io, nefa nanaiky hianatra Baiboly antsasak’adiny isan-kerinandro tao amin’ny biraony. Isaky ny alarobia maraina, dia lazainy ny mpiasany fa tsy afaka mandray antso an-telefaonina izy. Mifantoka tanteraka amin’ilay fianarana izy avy eo. Ny Vavolombelona iray hafa kosa dia mitsidika indray mandeha isan-kerinandro ny tompona magazay iray fanamboarana kiraro, mba hampianatra azy ny Baiboly. Eo amin’ny toerana fandoavam-bola mihitsy no atao ilay fianarana. Rehefa misy tonga manatitra kiraro, dia mihataka kely aloha ilay Vavolombelona. Tohizina ilay fianarana, rehefa lasa ilay olona.

Nihaona tamin’ny lehiben’ilay kompaniam-pitaterana sy ilay tompona magazay ireo Vavolombelona ireo, satria izy ireo mihitsy no nandeha nanipy ny “haratony” tany an-toeran-kafa. Moa ve ianao mahalala toerana ao amin’ny faritanin’ny fiangonanareo, izay mety hahitana olona tsy tratra an-trano matetika?

[Sary, pejy 12]

Afaka hanampy ny olona miteny vahiny ve ianao?