Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Miahy Anao Andriamanitra

Tena Miahy Anao Andriamanitra

Tena Miahy Anao Andriamanitra

ARA-DALÀNA ny mitalaho fanampiana amin’Andriamanitra, rehefa tojo fahoriana isika. ‘Lehibe sady be hery’ tokoa mantsy izy, ary “tsy hita lany ny fahalalany.” (Salamo 147:5) Izy no tena afaka manampy antsika handamina ny olana mahazo antsika. Ankoatra izany, ny Baiboly dia mampirisika antsika ‘handoatra ny fontsika’ eo anatrehany. (Salamo 62:8) Koa nahoana àry no maro be no mahatsiaro ho tsy mahazo valim-bavaka? Midika ve izany fa tsy miahy ny olona Andriamanitra?

Aza mailaka hanome tsiny an’Andriamanitra, raha heverinao fa tsy manao na inona na inona izy. Tadidio ange tamin’ny ianao mbola kely e! Efa nisy fotoana ve nilazanao fa tsy tia anao ny ray aman-dreninao, noho izy ireo tsy nanaiky ny sitraponao rehetra? Maro ny ankizy no manao izany. Takatrao anefa rehefa nihalehibe ianao, fa miseho amin’ny fomba maro ny fitiavana, ary tsy tena fanehoam-pitiavana ny manome izay rehetra tadiavin’ny ankizy.

Mety tsy ho araka ny itiavantsika azy foana koa no amalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika, nefa tsy midika izany hoe tsy miraharaha antsika izy. Raha ny marina mantsy, dia miahy antsika amin’ny fomba maro Andriamanitra.

“Izy no ivelomantsika”

Voalohany indrindra aloha, dia Andriamanitra no “ivelomantsika sy ihetsehantsika ary isiantsika.” (Asan’ny Apostoly 17:28) Azo antoka fa tia sy miahy antsika izy, matoa nanome antsika ny aina!

Mikarakara izay ilaintsika mba hivelomana koa izy. Izao no vakintsika: “Mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy Izy sy anana hahasoa ny olona, ary mamoaka hanina avy amin’ny tany.” (Salamo 104:14) Tsy izay tena ilaintsika fotsiny anefa no omen’ny Mpamorona antsika. Manome “ranonorana avy eny amin’ny lanitra sy taon-jina” koa izy, ary ‘mahavoky ny fontsika amin’ny hanina sy ny fifaliana.’—Asan’ny Apostoly 14:17.

Mety hisy anefa hanontany tena hoe: ‘Raha tena tian’Andriamanitra tokoa isika, nahoana izy no mamela antsika hijaly?’ Fantatrao ve ny valin’izany?

Andriamanitra ve no tokony homen-tsiny?

Ny ataon’ny olona ihany mazàna no mahatonga azy hijaly. Efa fantatra tsara, ohatra, fa mampidi-doza ny fanao sasany. Kanefa, mbola maloto fitondran-tena ihany ny olona, mimamo, midoroka zava-mahadomelina, mifoka sigara sy mihinam-paraky, manao fanatanjahan-tena mampidi-doza, ary mirimorimo be rehefa mitondra fiara, sy ny sisa. Iza no tokony homen-tsiny, raha misy mijaly satria manao ireo zavatra ireo? Andriamanitra sa ilay olona manao hadalana? Izao no nasain’Andriamanitra nosoratana ao amin’ny Teniny: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.”—Galatianina 6:7.

Ankoatra izany, dia mifanisy ratsy koa ny olona matetika. Rehefa misy firenena miady, dia tsy Andriamanitra mihitsy no tokony homen-tsiny noho ny fijaliana aterak’izany. Andriamanitra ve no tokony homen-tsiny, rehefa manafika ny mpiray tanindrazana aminy ny jiolahy, ka misy maratra na maty? Mazava loatra fa tsia! Ary rehefa misy mpanao jadona mampahory sy mampijalijaly ary mamono ny olona feheziny, mbola avy amin’Andriamanitra ihany ve izany? Tsy rariny raha izy no homen-tsiny.—Mpitoriteny 8:9.

Ahoana kosa ny amin’ireo olona an-tapitrisany mahantra fadiranovana na tsy manan-kohanina? Andriamanitra ve no tokony homen-tsiny amin’izany? Tsia. Ampy ho an’ny olona rehetra ny sakafo eto an-tany, ary mihoatra noho izay ilaina aza. (Salamo 10:2, 3; 145:16) Miely patrana ny hanoanana sy ny fahantrana, satria tsy voatsinjara tsara ny sakafo tondraka avy amin’Andriamanitra. Ary tsy mety voavaha io olana io, satria tia tena ny olombelona.

Ny fototry ny olana

Iza anefa no tompon’andraikitra rehefa misy marary na matin’ny fahanterana? Ho gaga ve ianao raha hilazana fa mbola tsy Andriamanitra koa no mahatonga izany? Tsy noforoniny hihantitra sy ho faty mantsy ny olombelona.

Nirin’i Jehovah hiaina mandrakizay ao amin’ny tany paradisa i Adama sy Eva, rehefa napetrany tao amin’ny saha Edena. Tiany anefa hoe olona mankasitraka ny zavatra omena azy no honina eto an-tany. Nametraka fepetra àry izy. Raha mankatò an’ilay Mpamorona be fitiavana ihany i Adama sy Eva, vao afaka hiaina mandrakizay ao amin’ilay Paradisa.—Genesisy 2:17; 3:2, 3, 17-23.

Nampalahelo anefa fa nikomy izy mivady. Naleon’i Eva nihaino an’i Satana Devoly, izay nandainga taminy. Toy ny nilaza i Satana fa nisy zavatra tsara tsy foin’Andriamanitra homena an’i Eva. Koa nanomboka nitady hahaleo tena àry i Eva, ary niezaka ‘ho tahaka an’Andriamanitra, hahalala ny tsara sy ny ratsy.’ Nikomy toa azy koa i Adama.—Genesisy 3:5, 6.

Nanota i Adama sy Eva tamin’izay, ka hita fa tsy mendrika ny hiaina mandrakizay. Loza no vokatry ny fahotana. Lasa nihena ny herin’izy ireo sy ny tanjany, ary maty izy ireo tamin’ny farany. (Genesisy 5:5) Nisy vokany ratsy kokoa noho izany anefa ny fikomiany. Mbola mijaly noho ny fahotan’izy mivady foana isika hatramin’izao. Hoy ny apostoly Paoly: ‘Avy tamin’ny olona iray [Adama] no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’ (Romanina 5:12) Miely toy ny aretina mahery vaika amin’ny olona rehetra tokoa ny fahotana sy ny fahafatesana, noho ny fikomian’i Adama sy Eva.

Ny porofo mampiaiky indrindra fa miahy antsika Andriamanitra

Midika ve izany fa tsy misy fanantenana intsony ny olombelona noforonin’Andriamanitra? Tsia, ary ity no porofo mampiaiky indrindra fa miahy antsika Andriamanitra. Namoy zava-tsarobidy izy, mba hanavotana ny olombelona amin’ny fahotana sy ny fahafatesana. Ny aina lavorarin’i Jesosy, izay nafoiny ho antsika, izany vidim-panavotana izany. (Romanina 3:24) Nanoratra àry ny apostoly Jaona hoe: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Afaka manantena ny hiaina mandrakizay indray isika, noho izany fanehoam-pitiavana miavaka izany. Izao no nosoratan’i Paoly ho an’ny Romanina: ‘Hambara fa marina ho amin’ny fiainana ny karazan’olona rehetra, noho ny asa fanamarinana iray.’—Romanina 5:18.

Afaka matoky isika fa tsy hisy fijaliana sy fahafatesana intsony eto an-tany, amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra. Hanjaka kosa ny toe-piainana voalaza mialoha ao amin’ny Apokalypsy hoe: “Indro, eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ary izy hiara-mitoetra amin’izy ireo, ary ireo ho olony, ka Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.” (Apokalypsy 21:3, 4) Hilaza angamba ianao hoe: ‘Tsy ho tanteraka amin’ny androko mihitsy izany.’ Afaka ny hahita izany anefa ianao. Ary raha sanatria aza maty ianao, dia afaka hanangana anao amin’ny maty Andriamanitra. (Jaona 5:28, 29) Izany no kasainy ho antsika, ary izany tokoa no hitranga. Diso tanteraka àry ny filazana hoe tsy miahy ny olombelona Andriamanitra!

“Manatòna an’Andriamanitra”

Mampahery ny mahafantatra fa efa nanomboka nanao zavatra Andriamanitra, mba hamaranana tanteraka ny fijalian’ny olombelona. Ahoana kosa anefa ny amin’izao fotoana izao? Inona no azontsika atao raha misy maty ny havantsika, na marary ny zanatsika? Mbola tsy tonga ny fotoana hanafoanan’Andriamanitra ny aretina sy ny fahafatesana. Milaza ny Baiboly fa tsy maintsy miandry kely isika, vao ho tanteraka izany. Tsy mahafoy antsika anefa Andriamanitra. Hoy i Jakoba mpianatra: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jakoba 4:8) Manasa antsika hihavana aminy ny Mpamorona. Izay manao izany, dia tsy maintsy hampiany foana, na dia amin’ny fotoana faran’izay sarotra aza.

Ahoana no anatonantsika an’Andriamanitra? Nanontany toy izany koa i Davida Mpanjaka, telo arivo taona lasa izay. Hoy izy: ‘Jehovah ô, Iza no honina ao an-tendrombohitrao masina?’ (Salamo 15:1) Izy ihany no namaly hoe: “Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony, tsy manendrikendrika amin’ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany.” (Salamo 15:2, 3) Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia ankasitrahan’Andriamanitra ireo olona tsy manao toa an’i Adama sy Eva. Manatona an’izay manao ny sitrapony izy.—Deoteronomia 6:24, 25; 1 Jaona 5:3.

Ahoana no ahafahantsika manao ny sitrapon’Andriamanitra? Tsy maintsy mianatra izay “tsara sady ankasitrahana eo imason’Andriamanitra Mpamonjy antsika” isika, ary mampihatra izay ianarantsika. (1 Timoty 2:3) Midika izany fa mila miezaka hahazo fahalalana marina tsara ny Teniny isika. (Jaona 17:3; 2 Timoty 3:16, 17) Tsy ampy fotsiny ny mamakivaky ny Baiboly. Ilaina koa ny manahaka ny Jiosy tany Beria tamin’ny taonjato voalohany, izay nahare ny fitorian’i Paoly. Izao no vakintsika momba azy ireo: “Faran’izay nazoto nandray ny teny izy ireo, ka nandinika tsara ny Soratra Masina isan’andro hahitana raha izany tokoa no izy.”—Asan’ny Apostoly 17:11.

Tsy misy hafa amin’izany koa ankehitriny. Hihamatanjaka ny finoantsika an’Andriamanitra ary hihavana aminy isika, raha mandalina ny Baiboly. (Hebreo 11:6) Ho azontsika tsara koa amin’izay hoe ahoana no fomba itondran’i Jehovah ny olona, mba handray soa maharitra ireo manana toe-po tsara.

Diniho izay nolazain’ny Kristianina vitsivitsy efa mihavana amin’Andriamanitra. Hoy i Danielle, 16 taona: “Tena tiako be mihitsy i Jehovah, ary be dia be ny zavatra isaorako azy. Nanome ahy ray aman-dreny be fitiavana izy. Tena tia an’i Jehovah izy ireo, ary mampianatra ahy ny Teniny.” Izao koa no nosoratan’ny Kristianina iray any Orogoay: “Tena feno fankasitrahana ny foko, ary voatosika hisaotra an’i Jehovah aho noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa sy ny fisakaizany.” Ankasitrahan’Andriamanitra, na dia ny ankizy kely aza. Izao, ohatra, no nolazain’i Gabriela, fito taona: “Tsy misy tiako mihoatra noho Andriamanitra! Manana ny Baiboliko aho. Tiako ny mianatra momba an’Andriamanitra sy ny Zanany.”

Ankehitriny, dia olona an-tapitrisany eran-tany no miombon-kevitra tanteraka amin’ilay mpanao salamo. Hoy izy: “Ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy.” (Salamo 73:28) Nampiana izy ireo hiatrika ny olana mahazo azy, ary matoky koa izy ireo fa afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa an-tany. (1 Timoty 4:8) Nahoana raha ataonao tanjona ny ‘hanatona an’Andriamanitra’? Omena toky isika fa “tsy lavitra antsika tsirairay izy.” (Asan’ny Apostoly 17:27) Tena miahy anao tokoa Andriamanitra!

[Sary, pejy 5]

Miahy antsika amin’ny fomba maro i Jehovah

[Sary, pejy 7]

Afaka manatona an’Andriamanitra na dia ny ankizy kely aza

[Sary, pejy 7]

Manampy antsika hiaritra i Jehovah ankehitriny. Hanafoana ny aretina sy ny fahafatesana izy, amin’ny fotoana voatondrony