Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kapadokia—Tanàna Misy Trano Namboarin’ny Rivotra sy ny Rano

Kapadokia—Tanàna Misy Trano Namboarin’ny Rivotra sy ny Rano

Kapadokia—Tanàna Misy Trano Namboarin’ny Rivotra sy ny Rano

NIRESAKA momba an’i Kapadokia ny apostoly Petera. Anisan’ny nanoratany ny taratasiny voalohany avy tamin’ny fanahy masina ‘ny mpivahiny niely tany Kapadokia.’ (1 Petera 1:1) Toerana nanao ahoana moa i Kapadokia? Nahoana ny mponina tany no nipetraka tao anaty trano nolavahana teo amin’ny vato? Ahoana no nahafantaran’izy ireo ny fivavahana kristianina?

Nitsidika an’i Kapadokia ilay Britanika atao hoe W. Ainsworth, tamin’ireo taona 1840. Hoy izy: “Tsy nampoizinay akory fa very tany amin’ny faritra iray feno vatolampy marani-doha sy andry vato izahay.” Mbola mahavariana ny mpizaha tany ihany io faritra miavaka any Torkia io ankehitriny. Misy “tsangambato” hafakely mitangorona eny amin’ny lohasahan’i Kapadokia. Toy ny miaramila mpiambina no fijery azy. Miendrika tilikambo goavam-be ny sasany ary mahatratra 30 metatra na mihoatra ny haavony. Ny hafa indray marani-doha, ary misy koa mitovy bika amin’ny holatra.

Miovaova arakaraka ny itarafan’ny masoandro azy ny lokon’ireo vato ireo, mandritra ny andro, hany ka mahafinaritra be ny mijery azy! Mavokely tanora ny lokony raha vao mangiran-dratsy. Mavo vasoka indray izy rehefa mitataovovonana, ary mivolom-bolamena matroka izy rehefa mody ny masoandro. Iza no nanamboatra ireo “vatolampy marani-doha sy andry vato” maro be ireo? Ary nahoana ny mponina tany no nanorim-ponenana tao anatiny?

Namboarin’ny rivotra sy ny rano

Any afovoan-tanin’ny Saikinosin’i Anatolia no misy an’i Kapadokia. Mampifandray an’i Azia sy Eoropa io saikinosy io. Tokony ho lembalemba ilay toerana raha tsy nisy volkano roa. Taorian’ny fipoahan’ireo volkano ireo, an’arivony taona lasa izay, dia lasa rakotra karazam-bato roa io toerana io. Vato bazalta ny anankiray, ary ny iray hafa kosa karazana sokay, izay vato fotsy malemy avy amin’ny lavenom-bolkano nivaingana.

Nokaohin’ny renirano sy ny orana ary ny rivotra ireo vato ireo, ka nanjary nisy hantsana be niforona. Nizara tsikelikely ny sisin’ireo hantsana ireo, rehefa nandeha ny fotoana, ka lasa vatolampy marani-doha be dia be. Toy ny vato voasokitra no fijery azy ireo, ary tsy hita na aiza na aiza eto an-tany izany. Toy ny tranon-tantely ny endriky ny vatolampy sasany. Nolavahan’ny olona ireny vato ireny, ka nataony efitrano, ary nanao efitrano hafa izy arakaraka ny nitomboan’ny fianakaviany. Hitan’izy ireo fa nangatsiatsiaka ireny trano ireny tamin’ny fahavaratra, ary nafana kosa tamin’ny ririnina.

Nandalovan’ny kolontsaina maro

Tsy ho nifandray firy tamin’olon-kafa mihitsy ireo mponina an-dava-bato ireo, raha tsy nandalovan’ny olona avy amin’ny kolontsaina samihafa teo aminy. Nandalo tao Kapadokia mantsy ny Lalan’ny Lasoà, izay nampifandray ny Fanjakana Romanina tamin’i Chine. Mirefy 6 500 kilaometatra io lalana malaza io, ary falehan’ny mpivarotra. Tsy ny mpivarotra ihany anefa no nivezivezy teo, fa ny tafika persanina sy grika ary romanina koa. Nitondra finoana vaovao ireo olona ireo.

Nisy Jiosy nipetraka tany Kapadokia nanomboka tamin’ny taonjato faharoa Talohan’i Kristy. Ary nisy Jiosy avy tany koa tonga tao Jerosalema tamin’ny taona 33, mba hankalaza ny andro Pentekosta. Nitory tamin’ny Jiosy avy any Kapadokia àry ny apostoly Petera taorian’ny nilatsahan’ny fanahy masina. (Asan’ny Apostoly 2:1-9) Toa nandray tsara ny hafatra notorin’i Petera ny sasany ka nitondra ny finoany vaovao, rehefa nody. Izany no antony nanoratan’i Petera ny taratasiny voalohany ho an’ireo Kristianina tany Kapadokia.

Nanjary voataonan’ny filozofian’ny mpanompo sampy anefa ny Kristianina tany Kapadokia, rehefa nandeha ny fotoana. Tamin’ny taonjato fahefatra aza, dia nanizingizina mihitsy ny filoham-pivavahana telo tany, fa telo izay iray Andriamanitra, nefa tsy izany no lazain’ny Baiboly. Tsy iza izany fa i Grégoire avy any Nazianze, i Basile Lehibe sy Grégoire rahalahiny avy any Nysse.

Nampirisika ny olona hampihafy tena toy ny moanina koa i Basile Lehibe. Tena mifanaraka tsara amin’izany fomba fiaina natorony izany, ireo trano tsotsotra nolavahana tao anaty vato. Nisy fiangonana namboarina tao anatin’ireo vatolampy lehibe kokoa rehefa nihamaro ny moanina, ka fiangonana telonjato teo ho eo no vita hatramin’ny taonjato faha-13. Mbola misy hatramin’izao ny maro aminy.

Tsy niova firy ny fomba fiainan’ireo olona any Kapadokia tao anatin’ireo taona maro nifandimby, na dia tsy ampiasaina intsony aza ireo fiangonana sy monasitera. Mbola misy mipetraka ihany ny maro amin’ireo lava-bato. Maro ny vahiny no gaga rehefa mahita ny fomba nanovan’ireo mponina mahira-tsaina, ny vato vita nanahary ho lasa trano fonenana.

[Sarintany, pejy 24, 25]

(Jereo ny gazety)

KAPADOKIA

CHINE (Cathay)