Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fahagagana Nataon’i Jesosy—Inona no Ianaranao avy Amin’izany?

Ny Fahagagana Nataon’i Jesosy—Inona no Ianaranao avy Amin’izany?

Ny Fahagagana Nataon’i Jesosy—Inona no Ianaranao avy Amin’izany?

HO GAGA angamba ianao raha ilazana fa tsy hita ao amin’ny tantaram-piainan’i Jesosy ao amin’ny Baiboly mihitsy, ny teny grika ilazana ny hoe “fahagagana.” Ilay teny grika (dyʹna·mis) izay adika indraindray hoe “fahagagana” dia midika ara-bakiteny hoe “hery.” (Lioka 8:46) Azo adika koa izy io hoe “fahaizana.” (Matio 25:15) Misy manam-pahaizana milaza fa io teny grika io dia “manasongadina ilay asa lehibe natao, indrindra fa ny hery nanatanterahana izany. Mampiharihary ny asan’ny herin’Andriamanitra io teny io.”

Misy teny grika iray hafa (teʹras) izay adika mazàna hoe “fambara” na zava-mahatalanjona. (Jaona 4:48; Asan’ny Apostoly 2:19) Ny vokany eo amin’ny mpijery indray no asongadin’izy io. Matetika mantsy no nitolagaga ny vahoaka sy ny mpianatra, rehefa nahita ny asa lehibe nataon’i Jesosy.—Marka 2:12; 4:41; 6:51; Lioka 9:43.

“Famantarana” kosa no hevitr’ilay teny grika fahatelo (se·meiʹon), izay ilazana ny fahagagana nataon’i Jesosy. “Mifantoka amin’ny hevi-dalina fonosin’ilay fahagagana” izy io, hoy ilay manam-pahaizana atao hoe Robert Deffinbaugh. Hoy koa izy: “Ny famantarana dia fahagagana izay milaza ny marina momba an’i Jesosy Tompo.”

Fitaka sa hery nomen’Andriamanitra?

Tsy milaza ny Baiboly hoe fitaka na hafetsifetsena natao hamalifaliana ny olona fotsiny ny fahagagana nataon’i Jesosy. Nampiseho “ny hery lehiben’Andriamanitra” kosa izy ireny, toy ny rehefa namoaka demonia tamin’ny ankizilahy iray i Jesosy. (Lioka 9:37-43) Tsy hahavita asa lehibe toy izany ve Andriamanitra, nefa izy manana ny hery fara tampony sady ‘matanjaka be’? (Isaia 40:26) Mazava loatra fa ho vitany izany!

Mitantara fahagagana 35 teo ho eo izay nataon’i Jesosy ny Filazantsara. Tsy voalaza ao anefa hoe firy marina ny fahagagana rehetra nataony. Milaza, ohatra, ny Matio 14:14 fa “nahita vahoaka be [i Jesosy]. Nangoraka azy ireo izy, ka nositraniny izay narary.” Tsy nolazaina anefa ny isan’ny marary nositraniny tamin’io fotoana io.

Tena nila nanao ireny asa lehibe ireny i Jesosy, mba hanaporofoana ny teniny hoe izy no Zanak’Andriamanitra sy Mesia nampanantenaina. Manamarina tokoa ny Soratra Masina fa ny hery nomen’Andriamanitra azy no nahavitany fahagagana. Nilaza ny apostoly Petera fa i Jesosy dia “lehilahy nasehon’Andriamanitra an-karihary taminareo tamin’ny fahagagana sy fambara ary famantarana. Ary tamin’ny alalany no nanaovan’Andriamanitra izany teo aminareo, araka ny fantatrareo tsara.” (Asan’ny Apostoly 2:22) Nilaza koa izy indray mandeha fa “nohosoran’Andriamanitra tamin’ny fanahy masina sy ny hery [i Jesosy]. Ary nandeha hatraiza hatraiza izy ka nanao soa sy nanasitrana an’izay rehetra nampahorin’ny Devoly, satria nomba azy Andriamanitra.”—Asan’ny Apostoly 10:37, 38.

Nanao fahagagana koa i Jesosy matetika, rehefa nampianatra. Voatantara ao amin’ny Marka 1:21-27 ny fihetsiky ny vahoaka, rehefa nahare ny fampianaran’i Jesosy sy nahita ny fahagagana nataony. Milaza ny Marka 1:22 fa “nitolagaga noho ny fomba fampianarany” ny olona, sady “gaga” rehefa namoaka demonia izy, araka ny andininy faha-27. Noporofoin’ny asa lehibe nataon’i Jesosy sy ny fampianarany, fa izy no ilay Mesia nampanantenaina.

Tsy nilaza fotsiny i Jesosy hoe izy no Mesia. Ankoatra ny teniny sy ny zavatra nataony, dia nanaporofo ny naha Mesia azy koa, ny hery nomen’Andriamanitra azy mba hanaovany fahagagana. Rehefa nisy nisalasala ny amin’ny fahefany, dia sahy namaly izy hoe: ‘Manana porofo lehibe noho ny porofo omen’i Jaona [Mpanao Batisa] aho, satria ny asa nanendren’ny Raiko ahy mihitsy izao no ataoko. Ary izany asa izany no manaporofo fa nirahin’ny Ray aho.’—Jaona 5:36.

Porofo fa tena nisy ny fahagagana

Nahoana isika no mahazo antoka fa tena nanao fahagagana i Jesosy? Diniho ireto porofo ireto.

Tsy nisarika ny sain’ny olona ho amin’ny tenany mihitsy i Jesosy, rehefa nanao asa lehibe. Nataony foana izay hanomezam-boninahitra sy dera an’Andriamanitra. Talohan’ny nampahiratan’i Jesosy ny jamba iray, ohatra, dia nohamafisiny fa “mba hampisehoana ny asan’Andriamanitra eo aminy no anton’izany.”—Jaona 9:1-3; 11:1-4.

Tsy sahala amin’ny mpanao mazia na ny mpanasitrana fahita ankehitriny i Jesosy. Tsy nampiasa hipnotisma na fitaka mihitsy izy, na nanao fihetsiketsehana be, na nampiasa teny majika, na fombafomba mampihetsi-po. Sady tsy ninonino foana izy, no tsy nampiasa zavatra noheverina fa masina. Mariho, ohatra, fa zavatra tsotra no nataony, rehefa nampahiratra jamba roa lahy izy. Hoy ilay fitantarana: “Nangoraka azy i Jesosy ka nikasika ny masony, ary dia nahiratra avy hatrany izy ireo, ka nanaraka azy.” (Matio 20:29-34) Tsy nisy fombafomba na fihetsiketsehana be tamin’izay. Nanao fahagagana teo imasom-bahoaka koa izy, ary tsy nisy sehatra na jiro manokana nampiasaina. Misy milaza ho mahavita fahagagana koa ankehitriny, nefa tsy misy porofo manamarina izany.—Marka 5:24-29; Lioka 7:11-15.

Niaiky i Jesosy indraindray fa nanam-pinoana ireo olona nandray soa tamin’ny fahagagana nataony. Nahavita nanao fahagagana foana anefa izy, na dia tsy nanam-pinoana aza ilay olona. Fony izy tany Kapernaomy, ohatra, dia “nentina teo aminy ny olona maro nisy demonia. Namoaka ny fanahy ratsy tamin’ny teny fotsiny ihany izy, ary nanasitrana izay rehetra narary.”—Matio 8:16.

Nanome fahafaham-po an’izay tena nilain’ny olona ny fahagagana nataon’i Jesosy, fa tsy natao hampifalifaliana ireo te hahafanta-javatra fotsiny. (Marka 10:46-52; Lioka 23:8) Tsy nitady ny tombontsoan’ny tenany mihitsy koa izy, rehefa nanao fahagagana.—Matio 4:2-4; 10:8.

Azo itokisana ve ny Filazantsara?

Ireo Filazantsara efatra no mampahafantatra antsika ny fahagagana nataon’i Jesosy. Tokony hatoky an’izay voalaza ao ve isika? Eny.

Araka ny efa voalaza teo, dia teo imasom-bahoaka i Jesosy no nanao fahagagana. Mbola velona ny ankamaroan’ireo olona nanatri-maso izany, fony nanomboka nosoratana ny Filazantsara. Resahin’ilay boky hoe Ireo Fahagagana sy ny Fitsanganana Tamin’ny Maty (anglisy), fa nilaza ny marina ireo mpanoratra ny Filazantsara. Hoy izy io: “Tsy rariny mihitsy ny ilazana fa namorona tantara maro be momba ny fahagagana izy ireo, ary nampifangaro izany tamin’ny tantara tena nisy, satria fotsiny hoe te hanely ny finoany. ... Tena nilaza ny marina izy ireo.”

Tsy nolavin’ireo Jiosy nanohitra ny Kristianisma mihitsy fa tena nitranga ny asa lehibe voatantara ao amin’ny Filazantsara. Ny hery nahafahana nanao izany fotsiny no nampisalasala azy ireo. (Marka 3:22-26) Tatỳ aoriana, dia tsy afaka nanaporofo koa ny mpanakiana ny Kristianina, fa tsy nanao fahagagana i Jesosy. Mifanohitra amin’izany aza fa nisy boky tamin’ny taonjato voalohany sy faharoa A.K. niresaka momba ireny fahagagana ireny. Tena azontsika itokisana àry izay lazain’ny Filazantsara momba ireo fahagagana nataon’i Jesosy.

Ny toetran’ilay olona nanao fahagagana

Tsy ho ampy ny famakafakana ny fahagagana nataon’i Jesosy, raha mianina amin’ireo porofo manamarina izany fotsiny isika. Rehefa miresaka an’ireo asa lehibe nataon’i Jesosy mantsy ny Filazantsara, dia milaza fa olona nanana fihetseham-po lalina izy. Hita ao koa fa tsy nisy mihitsy olona nahay nangoraka sy tena niahy izay hahasoa ny hafa, toa an’i Jesosy.

Diniho, ohatra, izay nitranga rehefa nisy boka nanatona azy, ka niangavy hoe: “Raha mba sitrakao fotsiny mantsy, dia ho vitanao ny hanadio ahy.” “Nangoraka azy” i Jesosy, ka nanatsotra ny tanany sady nikasika azy, ary nilaza hoe: “Sitrako tokoa. Madiova ianao.” Sitrana avy hatrany ilay lehilahy. (Marka 1:40-42) Hita avy amin’izany fa nahay niara-miory tamin’ny olona i Jesosy. Izany no nanosika azy hampiasa ny hery nomen’Andriamanitra azy mba hanaovana fahagagana.

Inona no nataon’i Jesosy, rehefa nifanena tamin’ireo mpandevina nivoaka ny tanànan’i Naina izy? Ny zanaka lahitokan’ny mpitondratena iray no maty tamin’izay. “Nangoraka” an’ilay vehivavy i Jesosy, ka nanatona azy, ary nilaza hoe: “Aza mitomany intsony.” Avy eo, dia natsangany tamin’ny maty ny zanany lahy.—Lioka 7:11-15.

Izao no ianarantsika avy amin’ireo fahagagana nataon’i Jesosy: “Nangoraka” izy, ary nanampy ny olona. Mampahery tokoa izany! Tsy hoe nivalona ho tantara fotsiny anefa ireny fahagagana ireny. “I Jesosy Kristy dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay”, hoy ny Hebreo 13:8. Efa Mpanjaka any an-danitra izy izao. Sady vonona izy no afaka mampiasa ny hery mahagaga nomen’Andriamanitra azy, mba hanaovan-javatra bebe kokoa noho ny nataony tetỳ an-tany. Tsy ho ela izy, dia hanasitrana ny olombelona rehetra mpankatò. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hampianatra anao bebe kokoa momba izany fanantenana tsara dia tsara izany.

[Sary, pejy 4, 5]

Nampiseho ny “hery lehiben’Andriamanitra” ny fahagagana nataon’i Jesosy

[Sary, pejy 7]

Nanana fihetseham-po lalina i Jesosy