Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Tsy Hanam-pitsaharana ny Fahavaratra sy ny Ririnina’

‘Tsy Hanam-pitsaharana ny Fahavaratra sy ny Ririnina’

Ny Hakanton’ny Zavaboarin’i Jehovah

‘Tsy Hanam-pitsaharana ny Fahavaratra sy ny Ririnina’

MANDORO ny masoandro, any amin’ny tany efitra. Mitondra hafanana aorian’ny hatsiaka amin’ny ririnina kosa izy io, any amin’ny faritra hafa amin’ny tany. Iray amin’ireo antony voalohany mampiova ny toetrandro sy ny fizaran-taona tokoa ny hafanan’ny masoandro.

Tsy mitovy ny toetrandro mandritra fizaran-taona iray, amin’ny faritra rehetra amin’ny tany. Misy fiantraikany eo aminao ve anefa ny fizaran-taona? Miandrandra ny fiavian’ny orana ve ianao, rehefa avy nisetra ny main-tany? Inona no tsapanao amin’ny takariva mamelombelon’ny fahavaratra? Tianao ve ny fararano, izay ijinjan’ny tantsaha ny vokatry ny asa mafy nataony?

Inona no mahatonga ny fizaran-taona? Raha tsorina dia ny fitongilan’ny tany. Mitongilana 23,5 degre eo ho eo ny tany rehefa mihodidina ny masoandro. Tsy ho nisy ny fizaran-taona ary ho nitovy ny toetrandro amin’ny fotoana rehetra, raha tsy nitongilana toy izany ny tany. Hisy fiantraikany eo amin’ny zavamaniry sy ireo dingana samihafa amin’ny fanirin’ny voa izany.

Miharihary fa ny Mpamorona no nanao ny fifandimbiasan’ny fizaran-taona. Nilaza toy izao momba an’i Jehovah Andriamanitra, ny mpanao salamo: “Hianao nametra ny faritry ny tany rehetra; ny fahavaratra sy ny ririnina, dia Hianao no nanao azy.”Salamo 74:17. *

Ahafantarana mazava tsara ny fizaran-taona ireo zavatra taza-maso eny amin’ny lanitra. Nandidy toy izao mantsy Andriamanitra, rehefa namorona ny masoandro sy ireo planeta mihodidina azy: “Misia fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra ... ary aoka ho famantarana sy ho fotoana ary ho andro sy taona ireo.” (Genesisy 1:14) Indroa isan-taona ny masoandro no eo an-tampon’ny lohantsika amin’ny mitataovovonana, ao amin’ny faritry ny ekoateran’ny tany. Antsoina hoe ekinôksa izy ireny, ary manamarika ny fiandohan’ny lohataona sy ny fararano izany, any amin’ny faritra maro amin’ny tany. Saika mitovy ny halavan’ny andro sy ny alina maneran-tany, mandritra ny ekinôksa.

Tsy ny fihetsehan’ny zavatra eny amin’ny lanitra ihany anefa no mampisy ny fizaran-taona sy hanombohan’izy io. Zavatra maro sy be kojakojany no mampisy ny fiainana, anisan’izany ny fizaran-taona sy ny toetany ary ny toetrandro. Nahafantatra tsara momba ny fambolena sy ny fiompiana ary ny famokarana sakafo ny ankamaroan’ny olona tany Azia Minora. Nilaza tamin’izy ireo ny apostoly Paoly sy Barnabasy namany, fa Andriamanitra dia “nanome anareo ranonorana avy eny amin’ny lanitra sy taon-jina, ary nahavoky ny fonareo tamin’ny hanina sy ny fifaliana.”—Asan’ny Apostoly 14:14-17.

Mampaniry tsara ny zavamaniry etỳ an-tany sy ireo zavamaniry bitika any anaty rano ny fiasan’ny hazavana amin’ny zava-maitso. Noho izy io, dia manjary misy vokany lehibe eo amin’ny sakafon’ireo biby mifampihinana sy ireo zavamaniry isan-karazany ny toetany sy ny toetrandro. Nolazain’i Paoly fa avy amin’i Jehovah izany rehetra izany. Hoy izy: “Mifoka ny ranonorana milatsaka matetika eo aminy ny tany ka mampisy zavamaniry tsara ho an’ny mpamboly. Amin’izay ny tany dia mahazo fitahiana avy amin’Andriamanitra.”—Hebreo 6:7.

Hisy heviny kokoa aminao ilay teny hoe “fitahiana”, raha miato kely ianao, ary misaintsaina izay mitranga amin’ny lohataona, any amin’ireo toerana hisehoan’ireto zavatra ireto: Antonona ny mari-pana, lava kokoa ny andro, mibaliaka ny masoandro, ary mirotsaka araka ny tokony ho izy ny orana. Mivelatra ny voninkazo, ary mivoaka avy eo amin’ny nitoerany nandritra ny ririnina ny bibikely, izay vonona hamindra ny vovobony amin’ny zavamaniry. Manome loko sy mameno hira ny ala ny vorona mangakely, toy ny hita eto amin’ny sary, ary velom-bolo ny tontolo manodidina. Velombelona indray ny zava-miaina, ary mitohy ny fiainana: Mitsiry sy mitombo daholo ny zavamaniry mandritra ny lohataona, anisan’izany ireo nihitsan-dravina tamin’ny ririnina. (Tonon-kiran’i Solomona 2:12, 13) Izany no mialoha ny fotoam-pijinjana eo amin’ny faramparan’ny fahavaratra na mandritra ny fararano.—Eksodosy 23:16.

Mahatalanjona ny asan’i Jehovah, araka ny hita tamin’ny fomba namoronany ny tany, ny nanomezany antsika ny alina sy ny andro, ny fizaran-taona, ary ny fotoam-pamafazana sy ny fotoam-pijinjana. Matoky isika fa tsy hanam-pitsaharana ny fahavaratra sy ny ririnina. Nampanantena toy izao tokoa mantsy Andriamanitra: “Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.”—Genesisy 8:22.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Jereo ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2004, Jolay/Aogositra.

[Efajoro/Sary, pejy 9]

Tena Ilaina eo Amin’ny Fiainana ny Volana

Nampisy aingam-panahy ny olona sy nahagaga azy ireo foana ny volana, nandritra ireo taonjato nisesy. Fantatrao ve anefa, fa misy heriny eo amin’ny fizaran-taona izy io? Ny volana no mihazona ny fitongilan’ny tany ho antonona tsara. Nilaza i Andrew Hill, mpanoratra momba ny siansa fa “anisan’ny mahatonga ny fiainana eto ambonin’ny Tany hisy” izy io. Tsy ho araka ny antonona ny fitongilan’ny tany, ary hafana be eto, ka tsy hisy zava-mananaina ho afaka hivelona, raha tsy nisy an’io satelita lehibe io nihodidina azy. Izany no nahatonga ny ekipana astronoma iray hilaza hoe: “Azo lazaina fa afaka manova ny toetrandro etỳ ambonin’ny Tany ny Volana.”—Salamo 104:19.

[Sary nahazoan-dalana]

Volana: U.S. Fish & Wildlife Service, Washington, D.C./Bart O’Gara

[Sary, pejy 9]

Rameva, Afrika Avaratra sy Saikinosin’i Arabia