Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Maintsy Tanteraka ny Didin’i Jehovah

Tsy Maintsy Tanteraka ny Didin’i Jehovah

Tsy Maintsy Tanteraka ny Didin’i Jehovah

“Hilaza zava-boatendry [na didy, “TV” ] Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao ... Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa.”—SALAMO 2:7, 8.

1. Inona no tsy itovian’ny fikasan’Andriamanitra sy ny an’ireo firenena?

MANANA fikasana ho an’ny olombelona sy ny tany i Jehovah Andriamanitra. Manana ny fikasany koa ireo firenena, saingy mifanipaka tanteraka amin’ny an’i Jehovah ny azy! Tokony hampoizintsika izany, satria hoy Andriamanitra: “Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany no hahavon’ny làlako noho ny làlanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.” Tsy maintsy ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra, satria hoy ihany izy: “Toy ny ranonorana sy ny orampanala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any, raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an’ny mpamafy sy hanina ho an’ny mpihinana, dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.”—Isaia 55:9-11.

2, 3. Inona no asehon’ny salamo faharoa, nefa inona avy no fanontaniana mipetraka?

2 Asehon’ny Salamo faharoa fa ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra momba ny Mesia Mpanjaka. Nasain’i Jehovah nosoratan’i Davida, mpanjakan’ny Israely fahiny, fa ho avy ny fotoana hitabataban’ireo firenena. Hanohitra an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Mesiany mantsy ireo mpitondra eo aminy. Nihira toy izao koa anefa ilay mpanao salamo: “Hilaza zava-boatendry [na didy, TV ] Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao ... Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran’ny tany ho fanananao.”—Salamo 2:7, 8.

3 Midika ho inona ho an’ireo firenena ilay didin’i Jehovah? Inona no vokatr’izany eo amin’ny olona amin’ny ankapobeny? Ary midika ho inona izany ho an’izay rehetra matahotra an’Andriamanitra sy mamaky ny salamo faharoa?

Mitabataba ireo firenena

4. Fintino ny hevi-dehibe ao amin’ny Salamo 2:1, 2.

4 Niresaka momba ny zavatra ataon’ireo firenena sy ireo mpitondra eo aminy, ilay mpanao salamo. Izao no nanombohany ny hirany: “Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena? Ireo mpanjakan’ny tany mitsangana, ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an’i Jehovah sy ny mesiany.”—Salamo 2:1, 2. *

5, 6. Inona no dikan’ny hoe “misaina anoano foana ny firenena”?

5 Inona no dikan’ny hoe “misaina anoano foana ny firenena” ankehitriny? Midika izany fa tsy manaiky an’ilay Mesia na Kristy (Voahosotr’Andriamanitra) izy ireo, fa “misaina” na tsy mieritreritra afa-tsy izay hampaharitra ny fahefany. Tanteraka tamin’ny taonjato voalohany koa ireo teny ao amin’ny salamo faharoa ireo, rehefa niray tsikombakomba ny manam-pahefana jiosy sy romanina, mba hamonoana an’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka notendren’Andriamanitra. Tamin’ny 1914 anefa vao nanomboka tanteraka tamin’ny fomba feno ireo teny ireo, rehefa lasa Mpanjaka tany an-danitra i Jesosy. Nanomboka tamin’io taona io, dia tsy misy mihitsy fitondram-panjakana etỳ an-tany manaiky an’io Mpanjaka nomen’Andriamanitra fahefana io.

6 Inona no tian’ilay mpanao salamo holazaina, rehefa nanontany izy hoe ‘nahoana ireo firenena no misaina anoana foana’? Te hilaza izy fa zava-poana ny fikasan’izy ireo, sady azo antoka fa tsy ho tanteraka. Tsy afaka mitondra fiadanana sy firaisan-tsaina eto an-tany izy ireo, nefa mbola manohitra ny fitondran’Andriamanitra ihany. Mitsangana ho fahavalon’ilay Avo Indrindra sy ny Mesiany mihitsy aza izy ireo, ary mivondrona hanohitra azy. Hadalana re izany!

Handresy ilay Mpanjakan’i Jehovah

7. Araka ilay vavaka nataon’ny mpianatr’i Jesosy, iza avy no resahina ao amin’ny Salamo 2:1, 2?

7 Nino ireo mpianatra fa mahakasika an’i Jesosy ny Salamo 2:1, 2. Rehefa nenjehina noho ny finoany izy ireo, dia nivavaka hoe: “Ry Tompo Fara Tampony ô [Jehovah], ianao no nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny zava-drehetra ao amin’ireo. Ianao no nampiteny an’i Davida razanay mpanomponao tamin’ny alalan’ny fanahy masina hoe: ‘Fa nahoana no mitabataba ny firenena ary misaina zava-poana ny vahoaka? Ny mpanjakan’ny tany nitsangana ho mpanohitra, ary ny mpitondra nivondrona hanohitra an’i Jehovah sy ilay voahosony.’ Fa efa niangona tokoa teto amin’ity tanàna ity i Heroda [Antipasy] sy Pontio Pilato, mbamin’ny hafa firenena sy ny vahoakan’ny Israely, hanohitra an’i Jesosy mpanomponao masina, izay nohosoranao.” (Asan’ny Apostoly 4:24-27; Lioka 23:1-12) * Nisy teti-dratsy tokoa natao tamin’ny taonjato voalohany mba hanoherana an’i Jesosy, izay voahosotr’Andriamanitra sy mpanompony. Mbola tanteraka koa anefa io salamo io, taonjato maro tatỳ aoriana.

8. Hazavao fa mahakasika ny firenena ankehitriny ny Salamo 2:3.

8 Fahiny ireo firenena mpanompo sampy sy ny mpitondra teo aminy, dia nivondrona hanohitra an’Andriamanitra sy izay nohosorany ho mpanjakan’ny Israely, toa an’i Davida. Ahoana kosa ny amin’ny androntsika? Tsy te hanao izay takin’i Jehovah sy ilay Mesia koa ireo firenena ankehitriny. Noho izany, dia toy ny milaza izy ireo hoe: “Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany.” (Salamo 2:3) Tsy eken’ny mpitondra sy ny firenena ny fameperana rehetra apetrak’Andriamanitra sy ny Mesiany. Tian’izy ireo hotapahina sy hariana hiala aminy izany fatorana izany, nefa azo antoka fa ho very maina ny ezaka ataony.

Esoin’i Jehovah izy ireo

9, 10. Nahoana i Jehovah no maneso an’ireo firenena?

9 Tsy raharahain’i Jehovah akory ny ezaka ataon’ireo mpitondra mba tsy hiankina aminy. Hoy ihany ilay salamo faharoa: “Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo.” (Salamo 2:4) Tohizin’Andriamanitra ihany ny fikasany, ary ataony toy ny tsy misy akory ireo mpitondra. Mahatsikaiky azy ny fahasahisahian-dratsiny, ka maneso azy ireo izy. Avelao izy hirehareha ny amin’izay kasainy hatao. Hihomehezan’i Jehovah fotsiny izy ireo, satria tsy misy dikany ny fanoherany.

10 Miresaka ny amin’ireo olona sy firenena mpanohitra koa i Davida, any amin’ny salamo hafa nosoratany. Hoy izy: “Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, mifohaza hitsara ny firenen-tsamy hafa; aza mamindra fo amin’izay mpivadika ratsy fanahy. Miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika sady mandehandeha eran’ny tanàna. Indro, mirezadrezatra amin’ny vavany izy; sabatra no eo amin’ny molony, fa iza, hono, no handre? Kanjo Hianao, Jehovah ô, hihomehy azy; Hianao haneso ny firenena rehetra.” (Salamo 59:5-8) Mihomehy fotsiny i Jehovah, rehefa mahita ny fireharehana sy ny fikorontanan’ireo firenena ary ny hadalan’izy ireo manohitra azy.

11. Inona no mitranga rehefa manohitra ny fikasan’Andriamanitra ireo firenena?

11 Vao mainka manamafy ny finoantsika ny Salamo faha-2, fa afaka mandamina izay olana rehetra mipoitra Andriamanitra. Afaka matoky isika fa tsy maintsy tanterahiny foana ny sitrapony, ary tsy manary ny mpanompony mahatoky mihitsy izy. (Salamo 94:14) Inona àry no mitranga rehefa miezaka manohitra ny fikasany ireo firenena? Araka ny voalazan’ilay salamo, dia ‘hiteny azy ireo amin’ny fahavinirany’ i Jehovah, ary ho toy ny kotroka mampahatahotra ny feony amin’izay. Hirehitra toy ny varatra koa ny “fahatezerany”, ka “hampangorohoro” azy ireo izy.—Salamo 2:5.

Notendren’Andriamanitra ilay mpanjaka

12. Iza ilay voatendry ho mpanjaka ao amin’ny Salamo 2:6, ary aiza izy no manjaka?

12 Azo antoka fa tezitra ireo firenena, rehefa mahare izay lazain’i Jehovah amin’ny alalan’ilay mpanao salamo. Hoy mantsy izy: “Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako tambonin’i Ziona, tendrombohitro masina.” (Salamo 2:6) Tany Jerosalema no nisy ny Tendrombohitr’i Ziona, ary tany i Davida no voatendry ho mpanjakan’ny Israely. Nefa tsy any amin’io tanàna io na any amin’ny toerana hafa eto an-tany no misy ny seza fiandrianan’ilay Mesia Mpanjaka. Efa notendren’i Jehovah ho Mpanjaka any amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra kosa, i Jesosy Kristy, ilay Mesia.—Apokalypsy 14:1.

13. Inona no fifanekena nataon’i Jehovah tamin’ny Zanany?

13 Ilay Mesia Mpanjaka indray izao no miteny. Hoy izy: “Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah [izay nanao fifanekena ny amin’ilay Fanjakana tamin’ny Zanany] nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao andro-any.” (Salamo 2:7) Niresaka momba ny fifanekena ny amin’ilay Fanjakana i Kristy, rehefa nilaza tamin’ny apostoliny hoe: “Ianareo no nifikitra tamiko tao anatin’ireo fitsapana nahazo ahy. Koa manao fifanekena aminareo aho, toy ny nanaovan’ny Raiko fifanekena tamiko, ho amin’ny fanjakana.”—Lioka 22:28, 29.

14. Nahoana no tsy azo lavina fa manan-jo ho mpanjaka i Jesosy?

14 Araka ny voalaza mialoha tao amin’ny Salamo 2:7, dia nampahafantatra an’i Jesosy ho Zanany i Jehovah, tamin’i Jesosy natao batisa sy natsangany ho zavaboary ara-panahy. (Marka 1:9-11; Romanina 1:4; Hebreo 1:5; 5:5) Ny Zanak’Andriamanitra lahitokana tokoa no Mpanjakan’ilay Fanjakana any an-danitra. (Jaona 3:16) Tsy azo lavina fa manan-jo ho mpanjaka i Jesosy, satria anisan’ny taranak’i Davida Mpanjaka izy. (2 Samoela 7:4-17; Matio 1:6, 16) Araka ilay salamo, dia hoy Andriamanitra tamin’io Zanany io: “Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran’ny tany ho fanananao.”—Salamo 2:8.

15. Nahoana i Jesosy no mangataka ny firenena ho lovany?

15 I Jehovah Andriamanitra irery ihany no ambony noho ilay Zanany, izay notendreny ho Mpanjaka. Efa voasedra i Jesosy, ary hita fa mahatoky sy mendri-pitokisana. Mpandova koa izy, satria Lahimatoan’Andriamanitra. I Jesosy Kristy mihitsy aza no “endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso, ary izy koa no lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra.” (Kolosianina 1:15) Mangataka fotsiny izy, dia ‘homen’Andriamanitra azy ho lovany ny jentilisa ary ny faran’ny tany ho fananany.’ Mangataka izany i Jesosy, satria ‘maharavoravo azy ny zanak’olombelona’, ary maniry mafy hanatanteraka ny sitrapon’ny Rainy momba ny tany sy ny olombelona izy.—Ohabolana 8:30, 31.

Hihatra amin’ireo firenena ny didin’i Jehovah

16, 17. Ahoana no iafaran’ireo firenena, araka ny Salamo 2:9?

16 Eo an-dalam-pahatanterahana ilay salamo faharoa, mandritra izao fanatrehan’i Jesosy Kristy tsy hita maso izao. Ahoana àry no iafaran’ireo firenena? Tsy ho ela, dia hanatanteraka an’ity nambaran’Andriamanitra ity ilay Mpanjaka: “Hotorotoroinao amin’ny tehimby izy [ny firenena]: Toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy.”—Salamo 2:9.

17 Ny tehin’ny mpanjaka fahiny dia nampiseho ny fahefany. Vita tamin’ny vy ny sasany taminy, araka io salamo io. Asehon’izany teny an’ohatra izany fa ho mora amin’i Kristy Mpanjaka ny handringana an’ireo firenena. Ho potipotika tsy hisy horaisina tokoa mantsy ny vilany tanimanga, raha velezina amin’ny tehim-by.

18, 19. Inona no tsy maintsy ataon’ireo mpanjakan’ny tany mba hankasitrahan’Andriamanitra?

18 Tsy maintsy ho ringana ve ireo mpitondra? Tsia, satria miangavy azy ireo ilay mpanao salamo hoe: “Amin’izany dia hendre hianareo, ry mpanjaka; minoa anatra hianareo, ry mpitsaran’ny tany.” (Salamo 2:10) Ampirisihina hihaino anatra sy haneho fahendrena ireo mpanjaka. Tokony ho takany fa zava-poana ny fikasan’izy ireo, raha ampitahaina amin’ny soa hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra ho an’ny olombelona.

19 Tsy maintsy miova ireo mpanjakan’ny tany, raha te hankasitrahan’Andriamanitra. Ampirisihina izy ireo ‘hanompo an’i Jehovah amin’ny fahatahorana, ary hifaly amin’ny fangovitana.’ (Salamo 2:11) Inona no hitranga raha manao izany izy ireo? Tsy hikorontan-tsaina izy ireo, fa hifaly kosa noho ny hoavy ampanantenain’ilay Mesia Mpanjaka. Tsy maintsy miova avy hatrany izy ireo, fa tsy hiavonavona sy hanambony tena intsony, toy ny fahita amin’ny fitondrany. Tsy maintsy maneho fahendrena koa izy ireo, ka manaiky fa tsy manan-tsahala ny fitondran’i Jehovah, sady tsy misy mahatohitra ny heriny sy ny an’ilay Mesia Mpanjakany.

“Manoroha ny Zanaka”

20, 21. Inona no dikan’ny hoe ‘manoroka ny Zanaka’?

20 Maneho famindram-po amin’ireo mpitondra, izay mivondrona hanohitra an’ilay Mpanjaka, i Jehovah ao amin’ny Salamo faha-2. Toroana hevitra izy ireo hoe: “Manoroha ny Zanaka, fandrao ho tezitra Izy [i Jehovah Andriamanitra], ka ho very eny an-dàlana hianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany.” (Salamo 2:12a) Tokony hankatoavina ny didy omen’i Jehovah, ilay Tompo Fara Tampony. Tsy tokony ho ‘nisaina anoano’ intsony ireo mpitondra etỳ an-tany, rehefa nataon’Andriamanitra Mpanjaka ny Zanany. Tokony ho nanaiky an’io Mpanjaka io avy hatrany kosa izy ireo, ary nankatò azy tanteraka.

21 Nahoana izy ireo no tokony ‘hanoroka ny Zanaka’? Tamin’ny fotoana nanoratana an’ilay salamo, dia mari-pisakaizana ny oroka. Fanao koa ny nifanoroka, mba hiarahabana tonga soa an’izay nivahiny tao an-trano. Nety ho nampiseho tsy fivadihana koa izy io. (1 Samoela 10:1) Araka io andininy amin’ny salamo faharoa io àry, dia mandidy ny firenena Andriamanitra mba hanoroka, na handray tsara, ny Zanany izay nohosorany ho Mpanjaka.

22. Inona no fampitandremana tokony harahin’ireo mpitondra?

22 Maniratsira an’i Jehovah ireo tsy manaiky ny fahefan’ilay Mpanjaka nofidiny. Midika mantsy izany fa tsy ekeny hoe manan-jo ho mpitondra an’izao tontolo izao i Jehovah Andriamanitra. Lavin’izy ireo koa fa manana fahefana sy fahaizana hifidy izay Mpanjaka tsara indrindra ho an’ny olombelona izy. Hirehitra tampoka amin’ireo firenena ny fahatezeran’Andriamanitra, raha mbola eo am-panatanterahana ny fikasan’ny tenany izy ireo. “Vetivety dia hirehitra ny fahatezerany”, ary tsy hisy hahatohitra izany. Tokony hankasitraka sy hanaraka izany fampitandremana izany àry ireo mpitondra. Ho voavonjy ny ainy raha manao izany izy ireo.

23. Inona no mbola azon’ny tsirairay atao?

23 Mifarana toy izao ilay salamo mampieritreritra: “Sambatra izay rehetra mialoka [amin’i Jehovah].” (Salamo 2:12b) Mbola afaka ny ho voaro ny olona tsirairay. Marina izany na dia ho an’ny mpitondra, izay nanohana ny tetik’ireo firenena aza. Afaka mitady fialofana any amin’i Jehovah izy ireo, ka harovany eo ambany fitondran’ilay Fanjakana. Kanefa tsy maintsy manao izany izy ireo, alohan’ny handringanan’ny Fanjakan’ny Mesia ireo firenena mpanohitra.

24. Ahoana no ananantsika fiainana mahafa-po kokoa na dia mikorontana aza ity tontolo ity?

24 Hahafa-po kokoa ny fiainantsika ankehitriny na dia mikorontana aza ity tontolo ity, raha mazoto mianatra ny Soratra Masina sy mampihatra ny torohevitra omeny isika. Ho sambatra kokoa ny fianakaviantsika amin’izay, ary tsy hovesaran’ireo fanahiana sy tahotra mangeja an’ity tontolo ity isika. Matoky koa isika fa mampifaly an’ilay Mpamorona, satria manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Ilay Mpanjakan’izao Rehetra Izao ihany no azo antoka fa hanome antsika ny “fiainana ankehitriny sy ilay ho avy.” Amin’izay dia hesoriny tsy ho etỳ an-tany intsony ny mpanohitra ny Fanjakany.—1 Timoty 4:8.

25. Koa satria tsy maintsy tanteraka ny didin’i Jehovah, inona no ampoizintsika fa hitranga amin’izao androntsika izao?

25 Tsy maintsy tanteraka ny didin’i Jehovah. Fantany izay tena hahasoa ny olombelona, satria izy no namorona antsika. Hanatanteraka ny fikasany izy, mba hahazoan’ny olombelona mpankatò fiadanana sy fahafaham-po ary filaminana maharitra, rehefa hitondra ilay Zanany malala. Izao no nosoratan’i Daniela mpaminany, momba ny androntsika: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay ... ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” (Daniela 2:44) Izao mihitsy àry no fotoana ‘hanorohana ny Zanaka’ sy hanompoana an’i Jehovah, ilay Tompo Fara Tampony!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Tamin’ny voalohany, dia i Davida Mpanjaka no ilay ‘mesia’ na voahosotra, ary ny mpitondran’ny Filistinina no “mpanjakan’ny tany”, izay nivondrona hanohitra azy.

^ feh. 7 Misy andinin-teny hafa koa ao amin’ny Soratra Grika Kristianina mampiseho fa i Jesosy no ilay Mesia resahina ao amin’ny salamo faharoa. Hita izany rehefa ampitahaina amin’ny Asan’ny Apostoly 13:32, 33 sy ny Hebreo 1:5; 5:5, ny Salamo 2:7. Jereo koa ny Salamo 2:9 sy ny Apokalypsy 2:27.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no dikan’ny hoe “misaina anoano foana ny firenena”?

• Nahoana i Jehovah no maneso an’ireo firenena?

• Inona ilay didin’Andriamanitra hihatra amin’ireo firenena?

• Inona no dikan’ny hoe ‘manoroka ny Zanaka’?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16]

Nihira ny fandresen’ny Mesia Mpanjaka i Davida

[Sary, pejy 17]

Niray tetika hanohitra an’i Jesosy Kristy ny vahoaka sy ny mpitondra tany Israely

[Sary, pejy 18]

Efa Mpanjaka any amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra i Kristy