Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asehon’i Jehovah Amin’ny Manetry Tena ny Voninahiny

Asehon’i Jehovah Amin’ny Manetry Tena ny Voninahiny

Asehon’i Jehovah Amin’ny Manetry Tena ny Voninahiny

“Ny valin’ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’i Jehovah dia harena sy voninahitra ary fiainana.”—OHABOLANA 22:4.

1, 2. a) Ahoana no ampisehoan’ny Asan’ny Apostoly fa “lehilahy feno finoana sy fanahy masina” i Stefana? b) Inona no manaporofo fa nanetry tena i Stefana?

“LEHILAHY feno finoana sy fanahy masina” i Stefana, sady “feno toetra mahafinaritra sy hery.” Toy ireo mpianatr’i Jesosy voalohany, dia nampiseho fambara sy famantarana lehibe teo amin’ny vahoaka izy. Nisy olona niady hevitra taminy indray mandeha, nefa ‘tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny hafanam-po nasehony tamin’ny teniny izy ireo.’ (Asan’ny Apostoly 6:5, 8-10) Hita fa tena nazoto nianatra ny Tenin’Andriamanitra i Stefana, ary hainy ny niaro azy io teo anatrehan’ireo mpitondra fivavahana jiosy. Voatantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-7 ny tsipirian’izany, izay manamarina fa tena nahaliana azy tokoa ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra.

2 Nanetry tena i Stefana, fa tsy toy ireo mpitondra fivavahana, izay nihevi-tena ho ambony noho ny sarambabem-bahoaka, noho ny toerana notanany sy ny fahalalany. (Matio 23:2-7; Jaona 7:49) Nahay tsara ny Soratra Masina i Stefana, nefa faly be izy rehefa voatendry ‘hizara sakafo teny an-databatra.’ Natao mantsy izany mba hahafahan’ireo apostoly hifantoka “amin’ny vavaka sy ny fanompoana mifandray amin’ny tenin’Andriamanitra.” Tsara laza teo amin’ireo rahalahy i Stefana, ka voafidy ho anisan’ireo fito lahy hizara sakafo isan’andro. Nanaiky hanao io asa io izy, satria nanetry tena.—Asan’ny Apostoly 6:1-6.

3. Ahoana no nanehoan’Andriamanitra hatsaram-panahy tsy manam-paharoa tamin’i Stefana?

3 Voamarik’i Jehovah ny fanetren-tenan’i Stefana, sy ny faniriany hahafantatra ny fikasany, ary ny tsy fivadihany. Rehefa nitory tamin’ireo mpitarika jiosy tao amin’ny Fitsarana Avo izy, dia hitan’ireo mpanohitra fa “sahala amin’ny tarehin’anjely ny tarehiny.” (Asan’ny Apostoly 6:15) Toy ny an’ny irak’Andriamanitra ny endriny, ary hita soritra teo amin’ny tarehiny ny fiadanana avy amin’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny voninahitra. Nanehoan’Andriamanitra hatsaram-panahy tsy manam-paharoa i Stefana, rehefa avy nitory tamim-pahasahiana tamin’ireo mpikambana tao amin’ilay Fitsarana Avo. ‘Feno fanahy masina izy, ary nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sady nahita an’i Jesosy nijoro teo an-tanana ankavanan’Andriamanitra.’ (Asan’ny Apostoly 7:55) Taorian’io fahitana nahavariana io, dia vao mainka niaiky i Stefana fa i Jesosy no Zanak’Andriamanitra sady Mesia. Nampahery an’io lehilahy nanetry tena io izany, ary nanome toky azy fa nankasitrahan’i Jehovah izy.

4. Iza no ampisehoan’i Jehovah ny voninahiny?

4 Asehon’ilay fahitana azon’i Stefana fa ampisehoan’i Jehovah ny voninahiny sy ny fikasany, ny olona matahotra azy sy manetry tena ary mankasitraka ny fifandraisana aminy. “Ny valin’ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’i Jehovah dia harena sy voninahitra ary fiainana”, hoy ny Baiboly. (Ohabolana 22:4) Zava-dehibe àry ny ahatakarantsika ny tena atao hoe fanetren-tena, sy ny fomba ananana an’io toetra sarobidy io, ary ireo soa azo rehefa maneho azy io eo amin’ny lafim-piainana rehetra.

Manetry tena Andriamanitra

5, 6. a) Inona no atao hoe fanetren-tena? b) Ahoana no nanehoan’i Jehovah fanetren-tena? d) Inona no tokony ho vokatry ny fanetren-tenan’i Jehovah eo amintsika?

5 Ho gaga angamba ny sasany mahafantatra fa i Jehovah Andriamanitra no tena mahay manetry tena, na dia avo indrindra sy be voninahitra indrindra eo amin’izao rehetra izao aza. Hoy i Davida Mpanjaka taminy: “Omenao ahy ny ampingan’ny famonjenao; ny tànanao ankavanana no manohana ahy, ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.” (Salamo 18:35) Nampiasa teny hebreo avy amin’ny fototeny midika hoe “miankohoka” i Davida, rehefa nilaza fa mora fanahy na manetry tena i Jehovah. Misy teny hebreo hafa koa avy amin’io fototeny io, izay adika hoe “manambany tena”, “mandefitra”, ary “mampietry tena.” Nanetry tena àry i Jehovah rehefa nifandray tamin’i Davida, lehilahy tsy lavorary, ka nanao azy ho mpanjaka mba hisolo tena azy. Niaro sy nanampy an’i Davida izy, araka ny asehon’ny teny fampidirana ny Salamo faha-18. Namonjy azy ‘tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra izy, indrindra fa tamin’ny tanan’i Saoly.’ Fantatr’i Davida koa fa ny fanetren-tenan’i Jehovah no hahatonga azy ho mpanjaka lehibe sy be voninahitra. Nanampy azy hanetry tena foana izany.

6 Ary ahoana ny amintsika? Nifidy ny hampianatra antsika ny fahamarinana i Jehovah. Nanome antsika tombontsoam-panompoana manokana tamin’ny alalan’ny fandaminany angamba izy, na nampiasa antsika mba hanatanterahany ny sitrapony. Ahoana no tokony hiheverantsika izany rehetra izany? Tsy tokony hampanetry tena antsika ve izany? Tsy tokony hankasitraka ny fanetren-tenan’i Jehovah ve isika, ka hanalavitra ny fireharehana, izay azo antoka fa hitondra fahavoazana ho antsika?—Ohabolana 16:18; 29:23.

7, 8. a) Asehoy fa nanetry tena i Jehovah rehefa nifandray tamin’i Manase. b) Ahoana no anahafantsika ny fanetren-tenan’i Jehovah sy Manase?

7 Manetry tena be tokoa i Jehovah, rehefa mifandray amin’ny olona tsy lavorary. Vonona ny hamindra fo amin’ny manetry tena koa anefa izy, ka manangana na manandratra azy ireo mihitsy aza. (Salamo 113:4-7) Diniho, ohatra, izay nitranga tamin’i Manase, mpanjakan’i Joda. Nanararaotra ny fahefany izy mba hampandrosoana ny fivavahan-diso, ary ‘nahery nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah ka nampahatezitra Azy.’ (2 Tantara 33:6) Nanasazy azy àry i Jehovah, rehefa namela ny mpanjakan’i Asyria hanongana azy tamin’ny toerany. “Nifona tamin’i Jehovah Andriamaniny sady nanetry tena indrindra” i Manase tany am-ponja, ka nataon’i Jehovah mpanjakan’i Jerosalema indray. Koa dia “fantatr’i Manase fa Jehovah no Andriamanitra.” (2 Tantara 33:11-13) Faly i Jehovah satria nanetry tena i Manase tamin’ny farany. Noho izany, dia nanetry tena koa izy, ka namela ny helony ary nanao azy ho mpanjaka indray.

8 Misy lesona lehibe momba ny fanetren-tena azontsika tsoahina avy amin’ny fahavononan’i Jehovah hamela heloka sy ny fibebahan’i Manase. Tokony hotadidintsika foana fa misy fiantraikany eo amin’ny fomba itondran’i Jehovah antsika, ny fihetsitsika amin’ireo manafintohina antsika sy ny toe-tsaina asehontsika rehefa nanao fahotana. Mety hamindra fo amintsika i Jehovah, raha vonona hamela heloka sy manetry tena ary miaiky fahadisoana isika.—Matio 5:23, 24; 6:12.

Naseho tamin’ny manetry tena ny voninahitr’Andriamanitra

9. Fahalemena ve ny fanetren-tena? Hazavao.

9 Tsy tokony hoheverina ho fahalemena na fanalana tsiny ny faharatsiana anefa, ny fanetren-tena sy ireo toetra tsara hafa mifandray amin’izany. Asehon’ny Soratra Masina mantsy fa na dia manetry tena aza i Jehovah, dia tezitra sy mampiseho hery mahatahotra izy, rehefa rariny ny anaovana izany. Manetry tena i Jehovah, ka tena miahy ny olona maneho io toetra io, fa manalavitra ny mpiavonavona. (Salamo 138:6) Ahoana no ahitana fa tena miahy ny mpanompony manetry tena i Jehovah?

10. Inona no ampahafantarin’i Jehovah ny manetry tena, araka ny voalazan’ny 1 Korintianina 2:6-10?

10 Ampahafantarin’i Jehovah ny manetry tena, ny tsipiriany momba ny fahatanterahan’ny fikasany, amin’ny fotoana voatondrony sy amin’ny alalan’ny antokon’olona nofidiny hampitana hafatra. Afeniny amin’izay miavonavona sy mikiry hanaraka ny fahendren’olombelona na ny heviny kosa izany. (1 Korintianina 2:6-10) Voatosika hidera an’i Jehovah anefa ny manetry tena. Nampahafantarina ny marina momba ny fikasany mantsy izy ireo, ka vao mainka mankasitraka ny voninahiny mahatalanjona.

11. Inona no mampiseho fa tsy nanetry tena ny olona sasany tamin’ny taonjato voalohany, ary nahoana izany no tsy nitondra soa ho azy ireo?

11 Olona maro no tsy nanetry tena tamin’ny taonjato voalohany, anisan’izany ny sasany izay nilaza azy ho Kristianina. Nanafintohina azy ireo ny zavatra nolazain’ny apostoly Paoly momba ny fikasan’Andriamanitra. Lasa “apostoly ho an’ny hafa firenena” i Paoly, nefa tsy noho ny firazanany, na ny fanabeazana azony, ny taonany, na ireo asa tsara nataony efa hatry ny ela. (Romanina 11:13) Matetika ny olona manana fisainana araka ny nofo no mihevitra fa ireo lafiny ireo no tokony hojeren’i Jehovah, rehefa mifidy olona hampiasainy izy. (1 Korintianina 1:26-29; 3:1; Kolosianina 2:18) I Paoly anefa no nofidin’i Jehovah, ary nifanaraka tsara tamin’ny fitiavana sy hatsaram-panahiny ary ny fikasany izany. (1 Korintianina 15:8-10) Tsy nanaiky an’i Paoly ireo nantsoiny hoe ‘apostoly tsara loatra’ sy ireo mpanohitra hafa. Niezaka nandresy lahatra azy ireo tamin’ny alalan’ny Soratra Masina i Paoly, nefa tsy nanaiky izany izy ireo. Noho izy ireo tsy nanetry tena, dia tsy fantany na tsy azony ny fomba mahavariana anatanterahan’i Jehovah ny fikasany. Enga anie isika tsy hanao tsinontsinona mihitsy an’ireo fidin’i Jehovah hanatanteraka ny sitrapony, na hitsara an-tendrony azy ireo.—2 Korintianina 11:4-6.

12. Hazavao fa mankasitraka ny manetry tena i Jehovah, araka ny hita tamin’i Mosesy.

12 Misy ohatra maro be anefa ao amin’ny Baiboly mampiseho fa hataon’i Jehovah izay hahitan’ny manetry tena, ny sombiny amin’ny voninahiny. Nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy nifandray akaiky taminy, ohatra, i Mosesy, izay “nalemy fanahy mihoatra” noho ny olona rehetra. (Nomery 12:3) Nomen’ilay Mpamorona tombontsoa maro io lehilahy nanetry tena io, izay mpiandry ondry tany amin’ny Saikinosin’i Arabia, nandritra ny 40 taona teo ho eo. (Eksodosy 6:12, 30) Nampian’i Jehovah izy, ka lasa mpitondra tenin’ny firenen’ny Israely sy mpitarika azy io. Nifampiresaka tamin’Andriamanitra sy nahazo fahitana “ny endrik’i Jehovah” koa izy. (Nomery 12:7, 8; Eksodosy 24:10, 11) Notahina izay nanaiky an’io solontenan’Andriamanitra sy mpanompony nanetry tena io. Hotahina koa isika, raha manaiky sy mankatò an’i Jesosy, ilay mpaminany lehibe kokoa noho i Mosesy, sy ilay “mpanompo mahatoky sy malina” notendreny.—Matio 24:45, 46; Asan’ny Apostoly 3:22.

13. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah ny voninahiny tamin’ireo mpiandry ondry nanetry tena tamin’ny taonjato voalohany?

13 Tamin’iza no ‘nanjelanjelatra ny voninahitr’i Jehovah’, rehefa nisy anjely nanambara ny vaovao tsara momba ny nahaterahan’ny ‘Mpamonjy, dia i Kristy Tompo’? Tsy tamin’ny mpitondra fivavahana niavonavona na tamin’ny olona ambony, fa tamin’ireo mpiandry ondry nanetry tena, izay ‘nitoetra tany an-tsaha tamin’ny alina, niambina ny andian’ondriny.’ (Lioka 2:8-11) Tsy nohajaina loatra izy ireo, noho ny fari-pahaizany sy ny asa nataony. Izy ireo anefa no voamarik’i Jehovah sy nofidiny hilazana voalohany ny nahaterahan’ny Mesia. Asehon’i Jehovah amin’ny manetry tena sy ny matahotra azy tokoa ny voninahiny.

14. Inona no fitahiana omen’Andriamanitra ny manetry tena?

14 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Ny olona manetry tena no ankasitrahan’i Jehovah sy ampahafantariny ny fikasany. Tsy voatery hifanaraka amin’izay antenain’ny sasany ny olona fidin’i Jehovah sy ampiasainy mba hampahafantatra ny fikasany mahatalanjona. Noho izany, dia tokony hitady tari-dalana amin’i Jehovah sy ao amin’ny Teniny ary amin’ny fandaminany foana isika. Afaka matoky isika fa mbola hampahafantarin’i Jehovah foana amin’ny mpanompony manetry tena, ny fahatanterahan’ny fikasany mahatalanjona. Hoy i Amosa mpaminany: ‘Tsy manao na inona na inona i Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony.’—Amosa 3:7.

Manetre tena hatrany, dia hankasitrahan’Andriamanitra ianao

15. Nahoana isika no tsy maintsy miezaka hanetry tena foana, ary nahoana no manamarina izany ny ohatr’i Saoly mpanjakan’ny Israely?

15 Tsy maintsy manetry tena foana isika, raha te hankasitrahan’Andriamanitra hatrany. Tsy voatery hanetry tena foana akory ny olona iray manetry tena. Mety hanjary hiavonavona sy hanambony tena izy, ka hiana-kendry sy hidiran-doza. Izany no nitranga tamin’i Saoly, ilay mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely. ‘Nihevi-tena ho kely’ izy, tamin’izy vao nofidina. (1 Samoela 15:17) Nanjary niana-kendry anefa izy, rehefa avy nanjaka roa taona monja. I Samoela mpaminany mantsy no tokony hanolotra fanatitra, nefa tsy niraharaha izany fandaharan’i Jehovah izany i Saoly. Nitady fialan-tsiny kosa izy mba handraisana an-tanana ny raharaha. (1 Samoela 13:1, 8-14) Hita nanomboka hatreo fa tsy nanetry tena intsony izy. Tsy nahazo ny fanahin’Andriamanitra sy ny fankasitrahany intsony àry izy, ka niafara tamin’ny fahafatesana nanala baraka izany. (1 Samoela 15:3-19, 26; 28:6; 31:4) Mazava tsara araka izany fa tsy maintsy miezaka hanetry tena sy hankatò foana isika, ary tsy hanambony tena. Tsy hiana-kendry isika amin’izay, ka tsy hamoy ny fankasitrahan’i Jehovah.

16. Nahoana no manampy antsika hanetry tena ny fisaintsainana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah sy ny mpiara-belona amintsika?

16 Toetran’Andriamanitra tsy maintsy iezahantsika hananana ny fanetren-tena, na dia tsy anisan’ny vokatry ny fanahiny aza. (Galatianina 5:22, 23; Kolosianina 3:10, 12) Mitaky ezaka izany, satria ny toe-tsaintsika mihitsy no tafiditra, izany hoe ny fiheverantsika ny tenantsika sy ny olon-kafa. Afaka manampy antsika hanetry tena foana ny fisaintsainana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah sy ny mpiara-belona amintsika. Toy ny ahitra ny olona tsy lavorary rehetra eo imason’Andriamanitra. Maniry vetivety izy ireo, ary malazo avy eo. Toy ny valala any an-tsaha fotsiny koa ny olombelona. (Isaia 40:6, 7, 22) Tokony hiavonavona ve ny ahitra iray, satria lava kokoa noho ny ahitra hafa? Na tokony hirehareha ve ny valala iray, satria mahavita mitsambikina lavitra kokoa noho ny valala hafa? Mahatsikaiky na dia ny mieritreritra an’izany fotsiny aza. Nampahatsiahy ny Kristianina namany àry ny apostoly Paoly hoe: “Iza no mahatonga anao tsy hitovy amin’ny hafa? Inona tokoa moa no anananao izay tsy noraisinao? Koa raha nandray tokoa ianao, nahoana no mirehareha toy ny tsy nandray?” (1 Korintianina 4:7) Manampy antsika hanetry tena ny fisaintsainana andinin-teny toy izany.

17. Inona no nanampy an’i Daniela hanetry tena, ary inona no hanampy antsika hanao izany koa?

17 Nantsoin’Andriamanitra hoe “malala” i Daniela, mpaminany hebreo, satria ‘nampahory ny tenany’, izany hoe nanetry tena. (Daniela 10:11, 12) Inona no nanampy an’i Daniela hanetry tena? Natoky tanteraka an’i Jehovah aloha izy, ka nivavaka taminy tsy tapaka. (Daniela 6:11, 12) Nazoto nianatra ny Teniny koa izy, sady tsara ny antony nanosika azy hanao izany. Nanampy azy hifantoka hatrany tamin’ny fikasan’Andriamanitra mahatalanjona izany. Vonona hiaiky ny fahadisoany izy, fa tsy ny an’ny fireneny ihany. Tena naniry hanasongadina ny fahamarinan’Andriamanitra koa izy, fa tsy ny an’ny tenany. (Daniela 9:2, 5, 7) Afaka manahaka ny modely tsara dia tsara nomen’i Daniela ve isika, ka hiezaka hanetry tena sy haneho izany amin’ny lafim-piainana rehetra?

18. Inona no voninahitra ho azon’ireo manetry tena?

18 “Ny valin’ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’i Jehovah dia harena sy voninahitra ary fiainana”, hoy ny Ohabolana 22:4. Mankasitraka an’ireo manetry tena tokoa i Jehovah, ary ahazoana voninahitra sy fiainana izany. Saika tsy nanompo an’Andriamanitra intsony, ohatra, i Asafa, mpanao salamo. Nahitsin’i Jehovah anefa ny fomba fisainany, ka niaiky izy hoe: “Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin’ny voninahitra aho.” (Salamo 73:24) Ahoana ny amintsika? Inona no voninahitra ho azon’ireo manetry tena? Ankasitrahan’i Jehovah sy mihavana aminy izy ireo. Manantena hahita ny fahatanterahan’ireo teny nasain’i Jehovah nosoratan’i Davida Mpanjaka koa izy ireo. Hoy izy: ‘Ny mpandefitra no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.’ Hoavy sambatra tokoa izany!—Salamo 37:11.

Tadidinao Ve?

• Ahoana no ahitana fa nanetry tena i Stefana, ka nampisehoan’i Jehovah ny voninahiny?

• Ahoana avy no fomba nanehoan’i Jehovah Andriamanitra fanetren-tena?

• Inona avy no ohatra ahitana fa asehon’i Jehovah amin’ny manetry tena ny voninahiny?

• Nahoana ny modely nomen’i Daniela no manampy antsika hanetry tena?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 12]

Hentitra Nefa Nanetry Tena

Nisy fivoriamben’ny Mpianatra ny Baiboly (na Vavolombelon’i Jehovah) natao tany Cedar Point, any Etazonia, tamin’ny 1919. I J. Rutherford, 50 taona, no niandraikitra ny asa tamin’izany. Faly anefa izy nanolo-tena hitondra ny entan’ireo mpamonjy fivoriambe sy hanatitra azy ireo tany amin’ny efitranony. Nientanentana ireo mpanatrika 7 000 tamin’ny andro faran’ny fivoriambe, rehefa naheno azy nilaza hoe: ‘Irak’ilay Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo ianareo, [ka] manambara amin’ny olona ny fanjakana be voninahitry ny Tompontsika.’ Niaiky mafy ny zavatra ninoany ny Rahalahy Rutherford, ary hentitra izy rehefa niresaka momba izany. Tena nanetry tena teo anatrehan’Andriamanitra anefa izy. Hita taratra izany matetika rehefa nivavaka izy, nandritra ny fotoam-pivavahana maraina tany amin’ny Betela.

[Sary, pejy 9]

Nahay tsara ny Soratra Masina i Stefana, nefa nanetry tena ka nizara sakafo

[Sary, pejy 10]

Nahafaly an’i Jehovah ny fanetren-tenan’i Manase

[Sary, pejy 12]

Nahoana i Daniela no nantsoina hoe “malala”?