Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Hitako fa efa nazera sahady toy ny tselatra avy any an-danitra i Satana.” Inona no tiany hambara tamin’izany?

Vao avy nifidy ireo mpianany 70 i Jesosy, ary “naniraka azy tsiroaroa hialoha azy tany amin’ny tanàna sy ny toerana rehetra izay mbola halehany.” Faly tokoa izy 70 lahy rehefa tafaverina, satria nahita vokatra tamin’ny asa nanendrena azy. Hoy izy ireo: “Tompo ô, manaiky anay hatramin’ny demonia noho ny fampiasanay ny anaranao.” Tamin’izay no nilazan’i Jesosy hoe: “Hitako fa efa nazera sahady toy ny tselatra avy any an-danitra i Satana.”—Lioka 10:1, 17, 18.

Toy ny nilaza zavatra efa nitranga i Jesosy teo. Mbola nilaza teny nitovy tamin’izany ihany anefa ny apostoly Jaona zokiolona, 60 taona tatỳ aoriana. Izao no nosoratany: “Natsipy mafy ilay dragona lehibe, ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka ny tany rehetra misy mponina. Natsipy mafy tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niara-natsipy taminy.”—Apokalypsy 12:9.

Mbola tany an-danitra i Satana, tamin’ny fotoana nanoratan’i Jaona ireo teny ireo. Ahoana no ahafantarantsika izany? Satria tsy boky mitantara zavatra efa lasa tsinona ny Apokalypsy, fa mirakitra faminaniana kosa. (Apokalypsy 1:1) Noho izany, dia mbola tsy nazera tetỳ an-tany i Satana, tamin’ny andron’i Jaona. Misy porofo mihitsy aza mampiseho fa tsy nitranga izany, raha tsy taoriana kelin’ny naha lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra an’i Jesosy, tamin’ny 1914. *Apokalypsy 12:1-10.

Nahoana àry i Jesosy no nilaza fa toy ny efa noroahina avy tany an-danitra sahady i Satana? Nisy manam-pahaizana nilaza fa mety ho niteny mafy ny mpianany i Jesosy teo, satria nirehareha loatra izy ireo. Mihevitra izy ireo fa toy ny niteny i Jesosy hoe: ‘Nandresy ny demonia ianareo, nefa aza mieboebo. Nanjary niavonavona mantsy i Satana, ka izany no nandroahana azy avy tany an-danitra.’

Tsy afaka manizingizina ny tena marina momba izany isika. Azo inoana kokoa anefa hoe nifaly niaraka tamin’ny mpianany i Jesosy, ary nisarika ny saina ho amin’ny fampietrena an’i Satana tatỳ aoriana. Nahafantatra tsara ny hasiahana sy ny habibian’ny Devoly izy, mihoatra noho ireo mpianany. Eritrereto ange ny fifaliana tsapany, rehefa nandre fa nanaiky ireo mpianany tsy lavorary, ireo demonia mahery e! Nampiseho izay hitranga tatỳ aoriana izany, rehefa niady tamin’i Satana i Jesosy, na i Mikaela arkanjely, ka nanjera azy tetỳ an-tany.

Miharihary àry fa nanamafy ny maha azo antoka ny fianjeran’i Satana i Jesosy, rehefa nilaza fa efa hitany “nazera sahady” izy. Izany dia mitovy amin’ny faminaniana hafa ao amin’ny Baiboly, izay milaza zavatra ho avy ho toy ny efa nitranga. Mariho, ohatra, fa toy ny efa tanteraka sahady ny fomba ilazana ny faminaniana sasany momba ny Mesia, ao amin’ny Isaia 52:13–53:12. Toa te hilaza àry i Jesosy hoe matoky izy fa hitranga araka izay nokasain’ny Rainy, ny fanjerana an’i Satana. Nahazo antoka koa izy fa hatsipy any amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana sy ireo demoniany, amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra. Horinganina tsy hisy intsony mandrakizay izy ireo aorian’izany.—Romanina 16:20; Hebreo 2:14; Apokalypsy 20:1-3, 7-10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Jereo ny Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, toko 10, sy Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza! toko 27, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.