Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitadiavana Fitondram-panjakana Mahomby

Fitadiavana Fitondram-panjakana Mahomby

Fitadiavana Fitondram-panjakana Mahomby

“Noho ireo firenena mifampiankina kokoa, dia manjary mitombo ny olana iombonan’izy ireo, ka tsy voalamin’ny firenena tsirairay intsony. Tsy ho vitantsika ny hiatrika ireo loza sy zava-tsarotra mihamitombo atrehin’ny olombelona, raha tsy miara-miasa daholo ny firenena eran-tany.”—Ghulam Umar, Pakistaney, mpamakafaka politika.

BE DIA be ny toe-javatra mifanohitra ankehitriny. Maro no mitrongy vao homana, nefa miaina any amin’ny tany manan-karem-be. Ny olona miaina amin’izao andron’ny fandrosoana eo amin’ny lafiny elektronika izao angamba no nahita fianarana sy manam-pahalalana indrindra hatramin’izay. Mihamitombo anefa ireo sahirana vao mahita asa tsara. Toa be kokoa noho ny hatramin’izay ny fahalalahana misy, nefa an-tapitrisany no miaina ao anatin’ny tahotra sy tebiteby. Mahita hevitra tsara maro hampivoarana ny fiainana angamba isika, nefa voasakantsakana izany satria manjaka ny tsolotra sy ny fandikan-dalàna. Noho izany, dia maro no mamoy fo.

Be dia be mihitsy ny olana atrehin’ny olombelona, hany ka tsy voavahan’ny firenena iray izany, eny fa na dia firenena maromaro aza. Mpandinika maro àry no milaza fa tsy maintsy mivondrona ireo firenena rehetra, ary manangana fitondram-panjakana tokana, mba hisian’ny fandriampahalemana sy filaminana eran-tany. Efa hatry ny ela no nampirisika ny hanaovana izany ilay manam-pahaizana malaza atao hoe Albert Einstein. Hoy izy tamin’ny 1946: “Mino mafy aho fa tian’ny ankamaroan’ny olona kokoa ny miaina ao anatin’ny fandriampahalemana sy filaminana ... Tsy ho tanteraka anefa izany hetahetany izany, raha tsy atsangana ny fitondram-panjakana iray mifehy ny tany manontolo.”

Efa 50 taona mahery izay no lasa, nefa mbola tsy tanteraka ihany izany. Nitanisa ny olana atrehintsika amin’izao taonjato faha-21 izao ny gazety frantsay Le Monde, ka nilaza hoe: “Tena ilaina ny hisian’ny fitondram-panjakana tokana iraisam-pirenena, izay manana fahefana mpitsara sy fahefana mpanao lalàna ary fahefana mpanatanteraka. Tokony ho afaka handray fepetra avy hatrany io fitondram-panjakana io, raha vao misy fandripahana foko, na aiza na aiza hitrangan’izany. Ary rehefa mitsangana io fitondrana io, dia tena ilaina ny hanekena fa toy ny firenena iray ihany ny Tany manontolo.” Iza na inona no manana fahefana sy fahaizana hanatanterahana izany, mba hisian’ny fandriampahalemana amin’ny hoavy?

Ny Firenena Mikambana ve no vahaolana?

Maro no manantena fa hampisy fandriampahalemana sy fiadanana eto an-tany ny Firenena Mikambana (ONU). Tena afaka hanao izany tokoa ve izy io? Marina aloha fa maro be ny kabary politika ataony, izay toa mandrisika hanao zavatra sy mahavelom-panantenana. Toy izany, ohatra, ilay fanambarana ho an’ny taonarivo vaovao, nataon’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana, tamin’ny 2000. Izao no fanapahan-kevitra nolaniny: “Tsy hitsitsy aina mihitsy izahay mba hampitsaharana ny ady, na ady an-trano izany na adim-pirenena, izay nahafaty olona maherin’ny 5 tapitrisa tato anatin’ny folo taona.” Maro no midera sy manindrahindra ny ONU, noho ny fanambarana toy izany. Nomem-boninahitra mihitsy aza izy io, ka nahazo ny Loka Nobel ho An’ny Fandriampahalemana tamin’ny 2001. Nilaza toy izao ny komity norvezianina mizara ilay loka: “Amin’ny alalan’ny Firenena Mikambana ihany no hisian’ny fandriampahalemana sy fiaraha-miasa eran-tany.”

Na eo aza izany rehetra izany, moa ve tena afaka mitondra fandriampahalemana maharitra ho an’ny tany tokoa ny Firenena Mikambana, izay niorina tamin’ny 1945? Tsia, satria maro tamin’ny ezaka nataony no tsy nahomby, noho ny fitiavan-tena sy fanindrahindram-pirenen’ireo mpikambana ao aminy. Milaza ny mpampanonta gazety iray, fa toy ny hoe ‘natao hamantarana ny hevitry ny olona eran-tany’ fotsiny no fiheveran’ny olona ny ONU. Milaza koa izy fa “be dia be ny olana niadian-kevitra nandritra ny taona maro teo anivon’io fikambanana io, nefa zara raha nahitana vahaolana, na tsy ahitana mihitsy.” Mbola mipetraka ihany àry ny fanontaniana hoe: Mba ho tafaray tokoa ve ireo firenena eran-tany indray andro any?

Milaza ny Baiboly fa hitranga tsy ho ela izany. Amin’ny fomba ahoana? Ary fitondram-panjakan’iza no hahatanteraka izany? Asainay ianao hamaky ny lahatsoratra manaraka, mba hahitanao ny valiny.

[Sary, pejy 3]

Nampirisika ny hananganana fitondram-panjakana iray hifehy ny tany manontolo i Einstein

[Sary nahazoan-dalana]

Einstein: U.S. National Archives photo