Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Nomery

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Nomery

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Nomery

NALAMINA ho firenena iray ny Israelita, taorian’ny nifindran’izy ireo avy tany Ejipta. Afaka ny hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo taoriana kelin’izany, nefa tsy tafiditra. Tsy maintsy nirenireny tany amin’ny “efitra lehibe sady mahatahotra” nandritra ny 40 taona teo ho eo izy ireo. (Deoteronomia 8:15) Nahoana? Milaza amintsika izay nitranga ny fitantarana ao amin’ny bokin’ny Nomery. Tokony ho takatsika avy amin’izy io, fa ilaina ny mankatò an’i Jehovah Andriamanitra sy manaja ireo solontenany.

Tany an’efitra sy teo amin’ny Lemak’i Moaba no nanoratan’i Mosesy ny bokin’ny Nomery. Mahafaoka fe-potoana naharitra 38 taona sy 9 volana izy io, izay nanomboka tamin’ny 1512 T.K., ary nifarana tamin’ny 1473 T.K. (Nomery 1:1; Deoteronomia 1:3) Mizara telo ilay fitantarana, ka ny voalohany momba ireo zava-nitranga teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, ny faharoa momba izay nitranga tamin’ny fotoana nivezivezen’ny Israely tany an’efitra, ary ny fahatelo farany momba ireo fisehoan-javatra teo amin’ny Lemak’i Moaba. Mety ho tsara ny hanontanianao tena toy izao, eo am-pamakiana ilay fitantarana: ‘Inona no ianarako avy amin’ireny zava-nitranga ireny? Misy toro lalana azoko ampiharina amin’izao fotoana izao ve ao amin’io boky io?’

TEO AMIN’NY TENDROMBOHITRA SINAY

(Nomery 1:1–10:10)

Nisy fanisam-bahoaka roa natao teo amin’ny Israely. Natao teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay ny voalohany tamin’izany. Niisa 603 550 ny lehilahy rehetra 20 taona no ho miakatra, ankoatra ny Levita. Miharihary fa natao mba hahalalana ny isan’ny miaramila io fanisam-bahoaka io. Mety ho telo tapitrisa mahery ny olona tao an-toby, ka anisan’izany ny vehivavy sy ny ankizy ary ny Levita.

Nahazo ireto toromarika ireto ny Israelita, taorian’izany: Ny fandehanana amin’ny fomba mirindra tsara, ireo tsipiriany mahakasika ny andraikitry ny Levita sy ny asa tao amin’ny tranolay, ireo didy momba ny fanokanan-toerana, ary ireo lalàna mifandray amin’ny fialonana sy ny voady nataon’ny Nazirita. Ny toko faha-7, dia mirakitra fanazavana momba ny fanatitra mifandray amin’ny fitokanana ny alitara, izay ataon’ireo filohan’ny fokon’ny Israely. Miresaka momba ny fankalazana ny Paska kosa ny toko faha-9. Nomena toromarika momba ny famelarana sy fangoronana ireo tranolay hitobiany koa ny fiangonana.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

2:1, 2—Inona ireo “faneva” nitangoronan’ny toby tsirairay, rehefa nitambatra tsitelotelo ny fokon’ny Israely, tany an’efitra? Tsy manome filazalazana momba izany ny Baiboly. Tsy noheverina ho zava-masina anefa izy ireny na natao hivavahana. Famantarana tsotra fotsiny izy ireny, mba hahitan’ny olona ny toerana tokony hitobiany.

5:27—Inona no tiana hambara amin’ny hoe ‘hifezaka ny fen’ny’ vehivavy meloka ho nanitsakitsa-bady? Ampiasaina mba hanondroana ireo taovam-pananahana ny teny hoe “fe” eto. ‘Nifezaka’ na nihasimba àry ny taovam-pananahan’ilay vehivavy, ka tsy afaka niteraka intsony izy.

Lesona ho antsika:

6:1-7. Tokony hifady divay sy toaka ny Nazirita, ary nila fandavan-tena izany. Mankatò an’i Jehovah toy ny ataon’ny vehivavy amin’ny vadiny na ny rainy izy ireo, ka tokony havelany haniry ny volon-dohany mba hanehoana an’izany. Tokony hadio foana ny Nazirita ka tsy hikasika faty, na dia ny an’ny havany akaiky aza. Mahafoy tena toy izany koa ireo mpanompo manontolo andro ankehitriny, ka mandà tena ary manaiky an’i Jehovah sy ny fandaharana ataony. Mety ho lavitra ny toerana sasany anendrena azy ireo, ka ho sarotra na tsy ho azony atao mihitsy ny hody any aminy, rehefa misy havany akaiky maty.

8:25, 26. Nodidiana hiala tamin’ny fanompoana nasaina nataony ireo zokiolona, mba hahazoana antoka fa ho vita araka ny tokony ho izy ny asan’ny Levita. Natao koa izany mba ho fiheverana ny taonan’izy ireo. Afaka nanolo-tena mba hanampy ireo Levita hafa anefa izy. Mpitory ilay Fanjakana foana kosa isika ankehitriny, fa tsy misy fisotroan-dronono. Mampianatra antsika lesona sarobidy anefa ilay toro lalana ao amin’io lalàna io. Afaka manao endri-panompoana hafa mety ho vitany ny Kristianina, raha tsy afaka manao ny adidy sasantsasany, noho izy efa antitra.

NIVEZIVEZY TANY AN’EFITRA

(Nomery 10:11–21:35)

Nisy rahona teo ambonin’ny tranolay, ka niainga ny Israelita rehefa niala teo ilay izy. Tonga tany amin’ny tany lemak’i Moaba izy ireo, 38 taona sy iray na roa volana tatỳ aoriana. Mety ho tsara ny hanarahanao ny dian’izy ireo, ao amin’ilay sarintany eo amin’ny pejy 9 amin’ilay bokikely hoe ‘Jereo Ilay Tany Soa.’ Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io.

Nitaraina intelo, fara fahakeliny, ny Israelita, tamin’izy ireo ho any Kadesy, tany an’efitr’i Parana. Nitsahatra ny voalohany tamin’izany, rehefa nandefa afo nandevona ny olona sasany i Jehovah. Nitaraina nitady hena indray ny Israelita, ka nomen’i Jehovah papelika. Nitaraina momba an’i Mosesy i Miriama sy Arona, ka izany no nahatonga an’i Miriama ho lasa boka nandritra ny fotoana fohy.

Nirahin’i Mosesy hisafo ny Tany Nampanantenaina ny lehilahy 12, raha mbola nitoby tany Kadesy ny Israelita. Niverina izy ireo, 40 andro tatỳ aoriana. Nino ny tatitra ratsy nataon’ireo mpisafo tany folo ny olona, ka nitady hitora-bato an’i Mosesy sy Arona ary ireo mpisafo tany nahatoky, dia i Josoa sy Kaleba. Nilaza i Jehovah fa naniry hamely ny olona tamin’ny areti-mandringana izy. Nanelanelana anefa i Mosesy, ka nolazain’Andriamanitra fa hirenireny any an’efitra mandritra ny 40 taona izy ireo, mandra-pahafatin’ireo rehetra voaisa tamin’ilay fanisam-bahoaka voalohany.

Nanome lalàna fanampiny i Jehovah. Nikomy tamin’i Mosesy sy Arona i Kora sy ny namany, ka nolevonin’ny afo na natelin’ny tany. Nimonomonona tamin’i Mosesy sy Arona ny vahoaka rehetra ny ampitson’iny. Vokatr’izany, dia olona 14 700 no matin’ny loza avy tamin’i Jehovah. Nataon’Andriamanitra nitsiry ny tehin’i Arona, mba hampahafantarana ny fifidianana azy ho mpisoronabe. Nanome lalàna fanampiny momba ny andraikitry ny Levita sy ny fanadiovana ny vahoaka i Jehovah avy eo. Manondro ny fanadiovana amin’ny alalan’ny soron’i Jesosy ny fampiasana ombivavy mena.—Hebreo 9:13, 14.

Niverina tao Kadesy ny zanak’Israely, ary maty tao i Miriama. Nitaraina tamin’i Mosesy sy Arona indray ny fiangonana, satria tsy nisy rano. Tsy nanamasina ny anaran’i Jehovah i Mosesy sy Arona rehefa nanome rano tamin’ny fomba mahagaga, ka tsy nahazo niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Niala tao Kadesy ny Israely, ary maty teo amin’ny Tendrombohitra Hora i Arona. Reraka ny Israelita raha mbola nihodidina an’i Edoma, ka nanome tsiny an’Andriamanitra sy Mosesy. Nandefa bibilava misy poizina mba hanafaizana azy ireo i Jehovah, ary nanelanelana indray i Mosesy. Nasain’Andriamanitra nanamboatra bibilava varahina sy hanantona izany amin’ny hazo àry izy, mba ho sitrana ireo voakaikitry ny bibilava rehefa nijery izany. Ilay bibilava dia mifanitsy amin’ny nanomboana an’i Jesosy Kristy, mba hahasoa antsika mandrakizay. (Jaona 3:14, 15) Resin’ny Israely i Sihona sy Oga, Mpanjaka Amorita, ka azony ny tanin’izy ireo.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

12:1—Nahoana i Miriama sy Arona no nanome tsiny an’i Mosesy? Noho i Miriama naniry hahazo fahefana bebe kokoa angamba no tena anton’izany. Mety ho natahotra izy, sao tsy hoheverina ho ny vehivavy voalohany tao an-toby intsony, rehefa nanaraka an’i Mosesy tany an’efitra i Zipora vadiny.—Eksodosy 18:1-5.

12:9-11—Nahoana no i Miriama ihany no lasa boka? Azo inoana fa izy no nitarika ilay fitarainana sy nandresy lahatra an’i Arona. Nanana toe-tsaina tsara i Arona rehefa niaiky ny fahadisoany.

21:14, 15—Inona ilay boky resahina eto? Miresaka boky samihafa izay nampiasain’ireo mpanoratra Baiboly ho loharanon-kevitra, ny Soratra Masina. (Josoa 10:12, 13; 1 Mpanjaka 11:41; 14:19, 29) Iray amin’izany ny “Bokin’ny Adin’i Jehovah.” Hita ao amin’izy io ny fitantarana momba ireo ady nataon’ny vahoakany.

Lesona ho antsika:

11:27-29. Nanome modely tena tsara ny amin’izay tokony ho fihetsitsika i Mosesy, rehefa misy olona mahazo tombontsoam-panompoana. Tsy nialona izy, ary tsy nitady voninahitra ho an’ny tenany. Faly kosa izy rehefa nanomboka naminany i Eldada sy Medada.

12:2, 9, 10; 16:1-3, 12-14, 31-35, 41, 46-50. Manantena i Jehovah fa hanaja an’ireo nomeny fahefana isika.

14:24. Zava-dehibe ny iezahantsika hanana toe-tsaina na “fanahy hafa”, mba hanoherana ny faneren’izao tontolo izao. Tsy tokony hitovy amin’ny toe-tsain’ny olona eo amin’izao tontolo izao ny toe-tsaintsika.

15:37-41. Hafakely ny morontongotr’akanjon’ny Israelita. Nampahatsiahy azy ireo izany, fa vahoaka voatokana hanompo an’Andriamanitra sy hankatò ny didiny izy ireo. Tokony hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra sy hiavaka amin’izao tontolo izao koa isika.

TEO AMIN’NY LEMAK’I MOABA

(Nomery 22:1–36:13)

Raiki-tahotra ny Moabita, rehefa nitoby teo amin’ny tany lemak’i Moaba ny zanak’Israely. Nanakarama an’i Balama àry i Balaka Mpanjakan’i Moaba, mba hanozona ny Israelita. Nanery an’i Balama hitso-drano azy ireo anefa i Jehovah. Nasaina nanangoly an’ireo lehilahy israelita àry ny vehivavy moabita sy midianita, mba ho ratsy fitondran-tena sy hanompo sampy izy ireo. Vokatr’izany, dia naringan’i Jehovah ireo mpanao ratsy nisy 24 000. Nifarana ilay loza rehefa nasehon’i Finehasa fa tsy nilefitra tamin’ny fandrafiana an’i Jehovah izy.

Hita tamin’ilay fanisam-bahoaka faharoa, fa tsy nisy velona intsony ireo lehilahy voaisa tao amin’ilay voalohany, afa-tsy i Josoa sy Kaleba. Voatendry ho mpandimby an’i Mosesy i Josoa. Nisy toromarika nomena ny Israelita, momba ny fandaminana ireo fanatitra samihafa sy ny fanaovana voady. Namaly faty an’ireo Midianita koa izy ireo. Nitoetra tany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana ny fokon’i Robena sy Gada, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase. Nomena toromarika momba ny fiampitana an’i Jordana ny Israely ary naka ilay tany. Nofaritana tsara ny sisin’ilay tany, ary natao antsapaka ny fizarana ny lova. Nomena tanàna 48 ny Levita, ka tanàna fandosirana ny 6 tamin’ireo.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

22:20-22—Nahoana no nirehitra tamin’i Balama ny fahatezeran’i Jehovah? Nilaza taminy i Jehovah mba tsy hanozona ny Israelita. (Nomery 22:12) Niaraka tamin’ny olon’i Balaka anefa ilay mpaminany, ary tena nikasa ny hanozona ny Israely. Nirin’i Balama ny hampifaly ny mpanjaka moabita sy handray valisoa avy taminy. (2 Petera 2:15, 16; Joda 11) Mbola nitady izay hahazoana sitraka tamin’ilay mpanjaka ihany i Balama, na dia noterena hitso-drano ny Israelita aza. Nandroso hevitra ny hampiasana ireo vehivavy mpivavaka tamin’i Bala izy, mba hanangolena ireo lehilahy israelita. (Nomery 31:15, 16) Nanana faniriana tsy nety afa-po sy maty eritreritra àry i Balama, ka izany no nahatonga an’Andriamanitra ho tezitra taminy.

30:7-9—Afaka manafoana ny voady nataon’ny vadiny ve ny lehilahy kristianina? Raharaha mahakasika an’i Jehovah sy ny mpanompony tsirairay ny voady, ankehitriny. Voady ataon’ny tsirairay, ohatra, ny fanoloran-tena ho an’i Jehovah. (Galatianina 6:5) Tsy afaka manafoana voady toy izany ny lehilahy manambady. Ny vehivavy manambady kosa dia tsy tokony hanao voady mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra, na amin’ny andraikiny amin’ny vadiny.

Lesona ho antsika:

25:11. Tena ohatra tsara ho antsika ny zotom-pon’i Finehasa teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah! Mety ho nahafantatra Kristianina iray nanjary ratsy fitondran-tena isika. Tokony horesahintsika amin’ireo anti-panahy kristianina izany, raha te hiaro ny fahadiovan’ny fiangonana isika.

35:9-29. Tsy maintsy nandao ny tranony ary nandositra tany amin’ny tanàna fandosirana nandritra ny fotoana kelikely, izay nahafaty olona tsy nahy. Mampianatra antsika izany fa masina ny aina, ary tsy maintsy manaja azy io isika.

35:33. Voaloton’ny ran’ny tsy manan-tsiny ny tany, ary tsy azo avotana amin’izany, raha tsy amin’ny ran’ireo nandatsaka azy ihany. Rariny àry raha handringana ny ratsy fanahy i Jehovah, alohan’ny hanovana ny tany ho paradisa!—Ohabolana 2:21, 22; Daniela 2:44.

Mahery ny Tenin’Andriamanitra

Tsy maintsy manaja an’i Jehovah sy ireo notendrena ho mpiandraikitra eo anivon’ny vahoakany isika. Vao mainka manamafy an’izany ny bokin’ny Nomery. Lesona lehibe ho antsika tokoa izany, mba hihazonantsika ny fiadanana sy ny firaisan-tsaina eo anivon’ny fiangonana!

Hita avy amin’ireo zava-nitranga resahina ao amin’ny Nomery, fa izay manao tsirambina ny finoany dia mety ho latsaka mora foana amin’ny fanaovan-dratsy. Anisan’izany ny fimonomononana sy ny fitondran-tena ratsy ary ny fanompoan-tsampy. Azo ampiasaina amin’ny zavatra ilain’ny fiangonana, mandritra ny Fivoriana Momba ny Fanompoana, ny sasany amin’ireo ohatra sy lesona avy amin’io boky io. Tena ‘velona sy manan-kery’ eo amin’ny fiainantsika tokoa ny Tenin’Andriamanitra.—Hebreo 4:12.

[Sary, pejy 24, 25]

Notarihin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny rahona nahagaga teo ambonin’ny tranolay, ny famelarana sy ny fangoronana ny tobin’ny Israelita

[Sary, pejy 26]

Mendrika ny hankatoavintsika i Jehovah, ary mitaky ny hanajantsika ny solontenany