Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Tena Mampisy Heviny ny Fiainana?

Inona no Tena Mampisy Heviny ny Fiainana?

Inona no Tena Mampisy Heviny ny Fiainana?

NILAZA toy izao ny mpianatra iray 17 taona, antsoina hoe Jesse, rehefa nanontaniana momba ny hevitry ny fiainana: “Manao izay rehetra mampifalifaly ny tena, dieny mbola velona.” Hafa kosa anefa ny hevitr’i Suzie. Hoy izy: “Tena mino aho fa miankina amin’izay ataonao no mampisy heviny ny fiainanao.”

Efa mba nanontany tena ve ianao hoe inona no hevitry ny fiainana? Manan-java-kendrena iray ihany ve ny fiainan’ny olona rehetra? Sa marina ny tenin’i Suzie hoe, arakaraka izay ataon’ny tsirairay amintsika no mampisy heviny ny fiainantsika? Toa mbola irintsika mafy ny hamantatra ny hevitry ny fiainana, na dia tena mandroso aza ny teknolojia. Misy fotoana anontaniantsika tena toy izao: ‘Nahoana isika no eto an-tany?’

Miezaka mamaly izany fanontaniana izany ny siansa maoderina. Inona no valiny hitany? “Tsy misy heviny manokana ny fiainan’ireo zavamananaina mivoatra tsikelikely”, hoy i David Barash, profesora momba ny psikolojia sy ny siansa momba ny biby. Mihevitra ny manam-pahaizana mino ny evolisiona fa manan-java-kendrena iray ihany ny zavamananaina, dia ny hoe: Miady mafy mba ho velona ary miteraka. Nanao izao fanoloran-kevitra izao àry ny Profesora Barash: “Tsy misy zava-kendrena izao rehetra izao midadasika, ary tsy misy vidiny firy ny olona. Noho izany, dia anjaran’ny olombelona ihany ny mampisy heviny ny fiainany, arakaraka ny safidy ataony sy ny fanapahan-kevitra raisiny.”

Ny tena mampisy heviny sy zava-kendrena ny fiainana

Marina tokoa ve fa izay ataontsika ihany no mampisy heviny ny fiainantsika, ary tsy misy afa-tsy izay? Nolazain’ny Baiboly mialoha ny antony maha eto antsika, fa tsy navelany hirenireny eo amin’ny tontolo iray tsy misy zava-kendrena isika. Tsy vokatry ny kisendrasendra fotsiny akory ny fisiantsika. Voalaza fa naka fotoana lava be mihitsy ilay Mpamorona mba hanomanana ny tany ho an’ny olombelona. Nataony azo antoka fa “tsara indrindra” ny zava-drehetra, fa tsy vokatry ny kisendrasendra fotsiny. (Genesisy 1:31; Isaia 45:18) Nahoana? Satria manana fikasana ho an’ny olombelona Andriamanitra.

Marihina fa tsy nandahatra mialoha ny hoavin’ny tsirairay Andriamanitra, rehefa namorona antsika. Tsy mitarika mivantana ny fiainantsika koa izy. Marina fa misy heriny eo amintsika ny toetra nolovantsika, nefa voafehintsika ihany ny zavatra ataontsika. Afaka mifidy izay tiantsika hatao eo amin’ny fiainana isika rehetra.

Diso hevitra anefa isika raha tsy miraharaha ny Mpamorona, na dia isika ihany aza no mifidy izay ataontsika eo amin’ny fiainana. Olona maro no mahafantatra fa mifandray ny fisakaizana amin’Andriamanitra sy ny tena hevitry ny fiainana sy ny zava-kendreny. Misy ifandraisana amin’Andriamanitra tokoa ny zava-kendren’ny fiainana, araka ny asongadin’ny anarany hoe Jehovah. Midika ara-bakiteny mantsy izy io hoe “Mahatonga Izy.” (Eksodosy 6:3; Salamo 83:18) Manatanteraka tsikelikely izay rehetra ampanantenainy izy, ary tanterahiny foana ny fikasany. (Eksodosy 3:14; Isaia 55:10, 11) Saintsaino ange izany e! Ny anarany hoe Jehovah, dia manome antoka antsika fa izy no tena mampisy zava-kendrena ny fiainantsika, ary tsy miova io zava-kendrena io.

Misy vokany lalina eo amin’ny fomba fijerin’ny olona ny fiainana, ny fiekeny fotsiny fa misy ny Mpamorona. Nilaza toy izao i Linet, 19 taona: “Ny zava-mahatalanjona rehetra noforonin’i Jehovah sy ny zava-kendren’izy ireny, dia mampiseho fa misy antony koa matoa aho noforonina.” Hoy koa i Amber: “Misy olona milaza fa tsy fantany raha misy Andriamanitra na tsia. Velom-pankasitrahana anefa aho mahafantatra fa misy izy. Ny zavatra nataon’i Jehovah fotsiny dia efa manaporofo fa misy izy.” (Romanina 1:20) Mazava ho azy fa samy hafa ny hoe manaiky ny fisian’ny Mpamorona sy ny miezaka mifandray akaiky aminy.

Fisakaizana amin’Andriamanitra

Afaka manampy antsika hisakaiza amin’Andriamanitra koa ny Baiboly. Mampiseho mazava tsara ireo toko voalohandohany ao amin’izy io, fa Ray be fitiavana i Jehovah Andriamanitra. Tsy navelany haminavina ny momba azy, ohatra, i Adama sy Eva, rehefa avy noforoniny. Nifampiresaka matetika tamin’izy ireo kosa izy. Tsy hoe navelany hanao izay fantany fa mety fotsiny izy mivady tao amin’ny saha Edena, fa izy nanao zavatra hafa. Nomeny tari-dalana voafaritra tsara kosa izy ireo, mba hananany fiainana tsara indrindra. Nomeny asa mahafa-po izy ireo, sady nampianariny foana. (Genesisy 1:26-30; 2:7-9) Tsy izany ve no antenainao amin’ny ray aman-dreny mahay sy be fitiavana? Eritrereto ny hevitr’izany. Hoy i Denielle: “Tsapako fa tian’i Jehovah ho sambatra isika, rehefa fantatro fa namorona ny tany sy nanao antsika izy mba hankafizantsika ireo zavatra noforoniny.”

Toy ny ray be fitiavana rehetra koa, dia irin’i Jehovah ny hifandraisan’ny zanany rehetra aminy. Izany no nahatonga azy hanome toky antsika, ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:27 hoe: “Tsy lavitra antsika tsirairay izy.” Nahoana izany no zava-dehibe? Hoy i Amber: “Nanjary natoky aho fa tsy irery mihitsy, rehefa nahafantatra an’i Jehovah. Misy azoko ianteherana foana, na inona na inona mitranga.” Ho hitanao fa tsara fanahy sy marina ary azo ianteherana i Jehovah, rehefa mihamahafantatra azy ianao. Hoy koa i Jeff: “Rehefa lasa namako akaiky i Jehovah, dia fantatro fa izy no tena afaka manampy ahy raha ilaina izany.”

Mampalahelo anefa fa misy zavatra ratsy be dia be resahina momba an’i Jehovah. Misy milaza fa izy no tompon’andraikitra amin’ny ankamaroan’ny fahorian’ny olombelona sy ny olana ateraky ny fitondran-tena ratsin’ny mpivavaka. Natao tamin’ny anarany koa ny sasany tamin’ireo habibiana nahatsiravina indrindra nataon’ny olombelona. Manazava toy izao anefa ny Deoteronomia 32:4, 5: “Ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. ... Efa nasian-dratsy Izy; tsy zanany ireny—tsininy izany.” Noho izany, dia isika mihitsy no tokony handinika ny zava-misy.—Deoteronomia 30:19, 20.

Tanteraka ny fikasan’Andriamanitra

Na inona na inona anefa fanapahan-kevitsika, dia tsy hisy afaka hanakana an’Andriamanitra tsy hanatanteraka ny fikasany momba ity tany ity sy ny olombelona. Tokony hotadidintsika fa izy no Mpamorona. Inona àry io fikasany io? Niresaka momba izany i Jesosy Kristy, tamin’ny toriteniny teo an-tendrombohitra. Hoy izy: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” Nolazainy tamin’ny alalan’ny apostoly Jaona, tatỳ aoriana, fa tapa-kevitra ny ‘handringana izay manimba ny tany’ Andriamanitra. (Matio 5:5; Apokalypsy 11:18) Niaraka tamin’Andriamanitra i Jesosy nandritra ny famoronana. Fantany àry fa ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany dia ny iainan’ny olombelona lavorary mandrakizay, eto amin’ny tany paradisa. (Genesisy 1:26, 27; Jaona 1:1-3) Ary tsy miova Andriamanitra. (Malakia 3:6) Izao no nampanantenainy: “Araka izay noheveriko no hatao aminy, ary araka izay nokasaiko no hotovina aminy.”—Isaia 14:24.

Efa misy olona maro angonin’i Jehovah ankehitriny. Tafaray noho ny fitiavana azy sy ny mpiara-belona izy ireo, fa tsy noho ny fitiavan-karena na ny fitiavan-tena, toy ny fahita eto amin’ity tontolo ity. (Jaona 13:35; Efesianina 4:15, 16; Filipianina 2:1-4) Manan-java-kendrena io antokon’olona io, ary tena maniry mafy ny hanatanteraka izany, noho ny finoany. Tsy inona izany fa ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, alohan’ny hahatongavan’ny farany. (Matio 24:14; 28:19, 20) Kristianina enina tapitrisa mahery no efa miara-manompo an’Andriamanitra, any amin’ny tany maherin’ny 230. Toy ny fianakaviam-be iraisam-pirenena miray hina sy mifankatia izy ireo.

Ataovy misy heviny ny fiainanao

Raha tianao hisy heviny kokoa ny fiainanao, dia fantaro fa manasa anao hiaraka amin’ny vahoakany, dia ilay “firenena marina”, i Jehovah Andriamanitra, ankehitriny. (Isaia 26:2) Mety hanontany tena anefa ianao hoe: ‘Manao ahoana ny fiainana eo anivon’ny fiangonana? Tena maniry ho anisan’izany ve aho?’ Henoy ange izay lazain’ireto tanora ireto e:

Quentin: “Miaro ahy amin’ity tontolo ity ny fiangonana. Takatro fa manana anjara toerana eo amin’ny fiainako i Jehovah, ary manampy ahy izany hahafantatra fa misy izy sady iriny ho sambatra aho.”

Jeff: “Tena mahazo fampaherezana aho eo anivon’ny fiangonana. Any no misy ireo rahalahiko sy anabaviko, izay manampy sy mankasitraka ahy. Toy ny fianakaviako mihitsy izy ireo.”

Linet: “Tsy misy toy izany mihitsy ny fifaliana azo, rehefa mahita olona manaiky ny fahamarinana ara-baiboly, sy manapa-kevitra hanompo an’i Jehovah. Mitondra fahafaham-po lehibe ho ahy izany.”

Cody: “Tsy nisy dikany ny fiainako raha tsy teo i Jehovah. Toy ny olona maro, dia ho nirenireny nitady fahasambarana aho, kanefa tsy hahita izany. Nomen’i Jehovah tombontsoa tsy manam-paharoa kosa anefa aho. Manana fifandraisana aminy aho, ary mampisy heviny ny fiainako izany.”

Maninona moa raha ianao mihitsy no mandinika ny zava-misy? Ho hitanao, fa tena hisy heviny koa ny fiainanao, raha manatona akaiky an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona anao ianao.

[Sary, pejy 31]

Mampisy heviny ny fiainantsika ny fifandraisana amin’Andriamanitra

[Sary nahazoan-dalana, pejy 29]

NASA photo