Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Irinay ny Hamaly hoe: ‘Eny!’”

“Irinay ny Hamaly hoe: ‘Eny!’”

“Irinay ny Hamaly hoe: ‘Eny!’”

NAHARAY taratasy iray ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Nizeria vao haingana. Milaza toy izao ny ampahany amin’izy io:

“Nodimandry i Anderson zanakay lahy, tamin’izy 14 taona. Niompy akoho roa izy talohan’ny nahafatesany. Naniry hivarotra izany izy ka handefa ny vola any amin’ny biraon’ny sampana, mba hatao fanomezana ho an’ny asa fitoriana maneran-tany. Maty talohan’ny nahalafosan’ireo akoho anefa izy.”

“Ho fanatanterahana ny fanirian’i Anderson dia nompianay mivady ireo akoho ary namidinay. Raiso ho toy ny fanomezana avy aminy àry ity vola ity. Matoky izahay fa tsy ho ela dia hahita azy indray, satria mampanantena izany i Jehovah. Irinay ny hamaly hoe: ‘Eny!’, rehefa hanontany izy raha notanterahinay ny faniriany. Tena tsy andrinay mihitsy ny hahita indray an’i Anderson. Tsy izy irery ihany anefa, fa eo koa ireo ‘vavolombelona maro be toy ny rahona’, izay hatsangana amin’ny maty.”—Hebreo 12:1; Jaona 5:28, 29.

Hita avy amin’io taratasy io fa mampahery ny tena Kristianina, ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Tena ho faly be mihitsy ireo fianakaviana an-tapitrisany, anisan’izany ny fianakavian’i Anderson, rehefa hitsena ny havany nindaosin’ny fahavalo, dia ny fahafatesana!—1 Korintianina 15:24-26.

Mampionona tokoa izany fanantenana fitsanganana amin’ny maty izany. Manome toky ny Tenin’Andriamanitra fa anisan’ny zavatra mahatalanjona ho tanteraka tsy ho ela izany, ao amin’ilay tontolo vaovao hitoeran’ny fahamarinana, eo ambanin’ny fanapahan’ny Fanjakany. (2 Petera 3:13) Milaza izay hataon’Andriamanitra ho an’ny olona amin’izany fotoana izany ny Baiboly, manao hoe: “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:4.