Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahafo ny Fiheveran’i Kristy ny Fahamboniana

Tahafo ny Fiheveran’i Kristy ny Fahamboniana

Tahafo ny Fiheveran’i Kristy ny Fahamboniana

“Na iza na iza te ho lehibe aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo.”—MATIO 20:26.

1. Olona manao ahoana no heverin’ity tontolo ity ho lehibe?

MISY tsangambaton’i Farao Aménophis III, any akaikin’i Thèbes fahiny (na Karnak), any Ejipta. Dimanjato kilaometatra eo ho eo any atsimon’i Le Caire no misy an’io tsangambato goavana mahatratra 18 metatra io. Mahatsiaro tena ho kely dia kely izay mifampitaha aminy. Azo inoana fa natao hampirisihana ny olona hanaja fatratra an’ilay Farao izy io. Hita taratra amin’izy io koa fa izay miseho ho ambony sy mahatonga ny hafa hihevi-tena ho tsinontsinona, no heverin’ity tontolo ity ho lehibe.

2. Inona no modely nomen’i Jesosy ny mpanara-dia azy, ary inona no fanontaniana tokony hoeritreretintsika?

2 Nampianarin’i Jesosy Kristy fa mifanohitra amin’izany ny tokony ho fiheverantsika ny hoe lehibe. Na dia “Tompo sy Mpampianatra” ny mpanara-dia azy aza izy, dia nampianariny azy ireo fa izay manompo ny hafa no atao hoe lehibe. Nampiseho ny dikan’izany izy, rehefa nanasa ny tongotry ny mpianany, ny andro farany talohan’ny nahafatesany. Fanetren-tena tokoa re izany! (Jaona 13:4, 5, 14) Ary ianao? Inona no mahafinaritra anao kokoa: manompo sa tompoina? Manjary te hanetry tena toa an’i Kristy ve ianao, rehefa mandinika ny modely nomeny? Andeha àry hampitahaintsika ny fiheveran’i Kristy sy ny fiheveran’ity tontolo ity ny fahamboniana.

Aza maka tahaka ny fiheveran’ity tontolo ity

3. Manomeza ohatra avy ao amin’ny Baiboly, mampiseho fa ratsy fiafara ny olona maniry fatratra ny hahazo voninahitra.

3 Misy ohatra maro ao amin’ny Baiboly, mampiseho fa mitondra fahavoazana ny fiheveran’ity tontolo ity ny fahamboniana. Eritrereto i Hamana. Nanam-pahefana tao amin’ny lapa persanina izy, tamin’ny andron’i Estera sy Mordekay. Naniry laza fatratra anefa izy, ka naetry sy novonoina ho faty. (Estera 3:5; 6:10-12; 7:9, 10) Nanambony tena koa i Nebokadnezara ka lasa adala, tamin’ny fotoana nampahatanjaka indrindra ny fanjakany. Diso hevitra momba ny fahamboniana izy, satria nilaza hoe: “Tsy ity va no Babylona lehibe, izay nataoko ho lapan’ny fanjakana tamin’ny haben’ny heriko mba ho voninahitry ny fahalehibiazako?” (Daniela 4:27) Toy izany ihany i Heroda Agripa I. Nanaiky handray ny voninahitra tsy tokony ho azy izy, fa tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra. Izany no nahatonga azy ho ‘lanin’ny kankana, ka tapitra ny ainy.’ (Asan’ny Apostoly 12:21-23) Naetry sy naongana tamin’ny toerany ireo lehilahy ireo, satria tsy nitovy tamin’ny an’i Jehovah ny fiheverany ny fahamboniana.

4. Iza no mahatonga an’ity tontolo ity ho feno avonavona?

4 Ara-dalàna raha manao izay hahazoana voninahitra sy haja isika. Manararaotra izany faniriana izany anefa ny Devoly, ka mampirisika antsika hiavonavona toa azy. (Matio 4:8, 9) Aza hadinoina mihitsy fa izy no “andriamanitr’ity tontolo ity”, ary tapa-kevitra hampiely ny toe-tsainy eto an-tany izy. (2 Korintianina 4:4; Efesianina 2:2; Apokalypsy 12:9) Fantatry ny Kristianina hoe avy amin’iza izany toe-tsaina izany, ka tsy maka tahaka ny fiheveran’ity tontolo ity ny fahamboniana izy ireo.

5. Azo antoka ve fa hahazo fahafaham-po maharitra isika, rehefa tafita eo amin’ny fiainana sy fantatr’olona ary mpanankarena? Hazavao.

5 Ampirisihin’ny Devoly isika hieritreritra fa tsy maintsy sambatra foana ny olona, rehefa malaza sy derain’ny hafa ary manam-bola be. Marina ve izany? Azo antoka ve fa ho afa-po tanteraka amin’ny fiainana ianao, rehefa tafita sy fantatr’olona ary mpanankarena? Mampitandrina antsika mba tsy hamita-tena toy izany ny Baiboly. Hoy i Solomona, mpanjaka hendry: “Hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin’ny fifampialonan’ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.” (Mpitoriteny 4:4) Marina io torohevitra avy amin’Andriamanitra io, ary afaka manaporofo izany ny olona maro, izay nikely aina nandritra ny androm-piainany mba ho tafita. Anisan’izany ny lehilahy iray, izay nandray anjara tamin’ny fanamboarana sy fanandramana ilay sambon-danitra voalohany nitondra ny olona teny amin’ny volana. Hoy izy: ‘Niasa mafy aho ary lasa nahay tsara ny asako, nefa tsy nahita fahasambarana maharitra sy fiadanan-tsaina.’ * Tsy mitondra fahafaham-po maharitra ny fiheveran’ity tontolo ity ny fahamboniana, na eo amin’ny sehatry ny varotra, fanatanjahan-tena, na zavakanto.

Izay manompo ny hafa amim-pitiavana no lehibe

6. Ahoana no ahitana fa diso hevitra momba ny hoe lehibe i Jakoba sy Jaona?

6 Hazava amintsika ny tena atao hoe lehibe, rehefa dinihintsika ny fisehoan-javatra iray teo amin’ny fiainan’i Jesosy. Taona 33 tamin’izay, ary handeha hankalaza ny Paska tany Jerosalema izy sy ny mpianany. Teny an-dalana, dia hita fa diso hevitra momba ny hoe lehibe i Jakoba sy Jaona, zana-drahavavin-drenin’i Jesosy. Nasainy nangataka tamin’i Jesosy ny reniny hoe: ‘Aoka re izahay hipetraka eo anilanao, ka ny iray eo ankavananao, ary ny iray eo ankavianao, ao amin’ny fanjakanao.’ (Matio 20:21) Voninahitra lehibe ho an’ny Jiosy ny mipetraka eo amin’ny ankavia na ankavanan’ny olona iray. (1 Mpanjaka 2:19) Midika izany fa nitetika haka ny toerana mendri-kaja indrindra i Jakoba sy Jaona, noho ny fanirian-daza. Te hitaky ny anjara fahefany izy ireo. Fantatr’i Jesosy ny tao an-tsain’izy ireo, ka nanararaotra izy nanitsy ny fiheverany ny hoe lehibe.

7. Olona manao ahoana no nolazain’i Jesosy fa tena lehibe, eo anivon’ny Kristianina?

7 Fantatr’i Jesosy fa eto amin’ity tontolo feno avonavona ity, dia heverina ho lehibe ny olona iray, rehefa mifehy sy mibaiko ny hafa, ka tanterahina tsy misy hataka andro izay iriny. Izay manetry tena sy manompo ny hafa kosa anefa no atao hoe lehibe, eo anivon’ny mpanara-dia an’i Jesosy. Hoy izy: “Na iza na iza te ho lehibe aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo, ary na iza na iza te ho voalohany aminareo dia tsy maintsy manompo anareo.”—Matio 20:26, 27.

8. Inona no dikan’ny hoe manompo, ary inona avy no fanontaniana tsara hoeritreretintsika tsirairay?

8 Ilay teny grika nadika hoe “manompo” ao amin’ny Baiboly, dia milaza olona tsy mitsahatra ny miezaka mafy mba hanao izay hahasoa ny hafa. Izao àry no lesona lehibe nampitain’i Jesosy tamin’ny mpianany: Tsy ny fibaikoana ny hafa no maha lehibe, fa ny fanompoana azy noho ny fitiavana. Tsara àry ny manontany tena hoe: ‘Inona no ho nataoko, raha izaho no teo amin’ny toeran’i Jakoba na Jaona? Ho nazava tamiko ve fa izay manompo ny hafa noho ny fitiavana no tena lehibe?’—1 Korintianina 13:3.

9. Ahoana no fomba nitondran’i Jesosy ny olona?

9 Nasehon’i Jesosy ny mpianany fa tsy mitovy amin’ny fiheveran’ity tontolo ity, ny fiheverany ny fahamboniana. Tsy niseho ho ambony noho ny olona nampiany mihitsy izy, ary tsy nanao izay hahatonga azy ireo hihevi-tena ho ambany. Tsy sadaikatra ny olona isan-karazany niaraka taminy, na lehilahy izy, na vehivavy, ankizy, mpanankarena, mahantra, manam-pahefana, ary na dia ny olona nalaza ho mpanota aza. (Marka 10:13-16; Lioka 7:37-50) Matetika ny olona no mora sosotra amin’ireo manana kileman-toetra. Tsy toy izany i Jesosy. Tsy nieritreritra tsara sy nifanditra ny mpianany indraindray, nefa tsy sosotra izy fa nananatra azy ireo foana. Tena nanetry tena sy nalemy fanahy tokoa izy.—Zakaria 9:9; Matio 11:29; Lioka 22:24-27.

10. Ahoana no ahitana fa nahafoy tena ho an’ny hafa foana i Jesosy teo amin’ny fiainany?

10 Ny fahafoizan-tenan’io Zanak’Andriamanitra lehibe indrindra io no ahitantsika ny tena atao hoe lehibe. Tsy tonga mba hotompoina i Jesosy, fa mba hanompo, ka nanasitrana “aretina isan-karazany” sy namoaka demonia. Vizana ihany izy indraindray ka nila niala sasatra, nefa nitady izay hahasoa ny hafa foana, talohan’izay hahasoa ny tenany. Tsy nitandro hasasarana mihitsy izy nampionona azy ireo. (Marka 1:32-34; 6:30-34; Jaona 11:11, 17, 33) Tia ny olona izy, ka nanampy azy ireo ary nanao dia lavitra tamin’ny lalana namovoka, mba hitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Marka 1:38, 39) Azo antoka àry fa zava-dehibe tamin’i Jesosy ny fanompoana ny hafa.

Manetre tena toa an’i Kristy

11. Inona avy no toetra tokony hananan’ny rahalahy voatendry ho mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana?

11 Tany amin’ny faramparan’ireo taona 1800, dia nantitranterina ny toe-tsaina tokony hananan’ny mpiandraikitra kristianina. Nisy lehilahy nofidina ho solontena mpitety faritany tamin’izay, mba hikarakara izay ilain’ny vahoakan’Andriamanitra. Nilaza Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona (anglisy) 1 Septambra 1894, fa lehilahy ‘mahay mandefitra no tadiavina, mba tsy hahatonga azy hirehareha. Tokony hanetry tena koa izy ary tsy handoka tena, fa hanandratra an’i Kristy. Tokony tsy hampidera ny fahalalany izy, fa hanasongadina ny Tenin’i Kristy, izay tsotra sy manan-kery.’ Mazava arỳ fa tsy fanirian-daza no tokony hahatonga ny tena Kristianina haniry hitana andraikitra. Tsy te hahazo toerana ambony, na fahefana, na te hibaiko ny hafa koa izy. Mila tadidin’ny mpiandraikitra manetry tena fa “asa tsara” no ankinina aminy, fa tsy toerana ambony ahazoany voninahitra. (1 Timoty 3:1, 2) Tokony hanao izay farany azony atao ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana rehetra, mba hanompo ny hafa amim-panetren-tena, ary ho loha laharana amin’ny fanompoana masina. Ho fakan-tahaka izy ireo raha manao izany.—1 Korintianina 9:19; Galatianina 5:13; 2 Timoty 4:5.

12. Inona avy no fanontaniana tokony hoeritreretin’izay maniry hahazo tombontsoam-panompoana eo anivon’ny fiangonana?

12 Tokony hanontany tena toy izao ny rahalahy rehetra maniry tombontsoam-panompoana: ‘Mitady fomba hanompoana ny hafa ve aho, sa ny hotompoin’izy ireo no tadiaviko? Vonona hanao zavatra hanampiana ny hafa ve aho, na dia mety tsy ho hitan’ny olona aza izany?’ Mety hazoto hanao lahateny eo anivon’ny fiangonana kristianina, ohatra, ny rahalahy tanora iray, nefa tsy mazoto manampy ny zokiolona. Mahafinaritra azy angamba ny miaraka amin’ireo mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana, saingy tsy mazoto mitory izy. Tokony hanontany tena izy hoe: ‘Ireo lafim-panompoana voamariky ny olona sy ahazoana dera ve no tena ifantohako? Moa ve aho te hisongadina?’ Tsy manahaka an’i Kristy mihitsy izay mitady voninahitra avy amin’ny olona.—Jaona 5:41.

13. a) Inona no mety ho vokany eo amin’ny hafa, rehefa manetry tena ny mpiandraikitra? b) Nahoana ny Kristianina no tsy maintsy manetry tena?

13 Manjary maniry hanompo ny hafa isika, rehefa miezaka mafy hanetry tena toa an’i Kristy. Eritrereto, ohatra, ny nataon’ny mpiandraikitra iray mpitety ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Feno be ny fandaharam-potoanany, rehefa nitsidika sy nijery ny fandehan’ny asa tao amin’ny sampana iray izy. Betsaka koa ny andraikitra tsy maintsy nosahaniny. Mbola naka fotoana ihany anefa izy hanampiana rahalahy tanora iray, izay tsy nahavita nampandeha milina mpanambatra bokikely. “Tsy nampino ilay izy!”, hoy io rahalahy io. “Nilaza tamiko izy fa nitovy tamin’io mihitsy ilay milina nampiasainy tao amin’ny Betela, tamin’izy mbola tanora, ka fantany tsara fa sarotra ny mampandeha azy. Niara-nanamboatra ilay milina teo izahay elaela, na dia nisy asa lehibe kokoa niandry azy aza. Tena nampiaiky ahy mihitsy ny fihetsiny.” Mpiandraikitra ao amin’ny biraon’ny sampana iray an’ny Vavolombelon’i Jehovah koa io rahalahy io izao, ary mbola tadidiny foana ny fanetren-tenan’ilay mpiandraikitra mpitety sampana. Enga anie isika tsy hanambony tena mihitsy, ka hieritreritra fa tsy natao ho antsika ny asa heverina ho ambany. Aoka kosa isika ‘hanetry tena.’ Tsy maintsy manao izany isika, satria anisan’ny “toetra vaovao” izy io.—Filipianina 2:3; Kolosianina 3:10, 12; Romanina 12:16.

Ahoana no ananana ny fiheveran’i Kristy ny fahamboniana?

14. Nahoana isika no mila misaintsaina ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra sy ny mpiara-belona, raha te hitovy hevitra amin’i Kristy?

14 Inona no hanampy antsika hitovy hevitra amin’i Kristy momba ny hoe lehibe? Mila misaintsaina ny fifandraisantsika amin’i Jehovah Andriamanitra isika. Ambony lavitra noho isika olombelona malemy mantsy izy, rehefa dinihina ny fahalehibeazany sy ny heriny ary ny fahendreny. (Isaia 40:22) Hanjary hahay hanetry tena koa isika, rehefa misaintsaina ny fifandraisantsika amin’ny mpiara-belona. Diniho, ohatra, izao: Mahay kokoa noho ny hafa angamba isika amin’ny zavatra sasany. Kanefa, mety ho lasa lavitra kokoa noho isika izy ireo amin’ny zavatra hafa manan-danja kokoa, na mety hanana toetra tsara tsy ananantsika ny Kristianina hafa. Olona maro mihitsy aza no sarobidy amin’Andriamanitra, nefa matetika izy ireo no tsy misongadina, satria mandefitra sy manetry tena.—Ohabolana 3:34; Jakoba 4:6.

15. Nahoana no tsy misy olona tokony hihevi-tena ho ambony, rehefa jerena ny tsy fivadihan’ny vahoakan’Andriamanitra?

15 Mampiharihary izany ny tantaran’ireo Vavolombelon’i Jehovah nenjehina noho ny finoany. Matetika ny olona eritreretin’ity tontolo ity ho ambany no tsy nivadika tamin’Andriamanitra, rehefa niharan’ny fitsapana nivaivay. Hanampy antsika hanetry tena hatrany ny fisaintsainana ny ohatra navelan’izy ireo, ary hampianatra antsika mba ‘tsy hihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina.’—Romanina 12:3. *

16. Inona no azon’ny rehetra atao, mba hanahafana ny fiheveran’i Jesosy ny hoe lehibe?

16 Tokony hiezaka hanahaka ny fiheveran’i Kristy ny hoe lehibe ny Kristianina rehetra, na tanora na antitra. Misy asa isan-karazany tsy maintsy atao eo anivon’ny fiangonana. Aza sosotra mihitsy rehefa asaina manao asa heverina ho ambany ianao. (1 Samoela 25:41; 2 Mpanjaka 3:11) Ry ray aman-dreny, moa ve ianareo mampirisika ny zanakareo, na mbola kely izy na efa zatovo, mba hanao amim-pifaliana izay asa rehetra asaina ataony, ao amin’ny Efitrano Fanjakana sy any amin’ny toerana anaovana fivoriambe? Ary ianareo ve hitan’izy ireo manao asa heverina ho ambany? Mahatadidy tsara ny ohatra navelan’ny ray aman-dreniny, ny rahalahy iray manompo any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy: “Hitako fa tena zava-dehibe tamin’izy ireo ny fanadiovana ny Efitrano Fanjakana na ny toerana nanaovana fivoriambe. Matetika mantsy izy ireo no nanolo-tena hanao asa hanampiana ny fiangonana na ireo rahalahy, na dia mety hoheverina ho asa ambany aza ilay izy. Izany toe-tsaina izany no manampy ahy hanaiky izay asa rehetra asaina ataoko eto amin’ny Betela.”

17. Inona no azon’ny vehivavy manetry tena atao, mba hahasoa ny fiangonana?

17 Ohatra faran’izay tsara koa i Estera, izay lasa mpanjakavavin’ny Fanjakana Persanina tany amin’ny taonjato fahadimy T.K. Nitady izay hahasoa ny hafa aloha izy, vao ny an’ny tenany. Niaina tao anaty lapa izy, nefa vonona hamoy ny ainy, mba hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra hamonjy ny vahoakany. (Estera 1:5, 6; 4:14-16) Afaka manahaka ny toe-tsain’i Estera koa ny vehivavy kristianina ankehitriny, na mahantra na manan-karena. Azony atao, ohatra, ny mampahery ny ketraka, mamangy ny marary, mitory, ary miara-miasa amin’ny anti-panahy. Mandray soa tokoa ny fiangonana misy anabavy manetry tena toy izany!

Mahazo fitahiana izay manahaka ny fiheveran’i Kristy

18. Inona avy no soa azon’izay manahaka ny fiheveran’i Kristy ny hoe lehibe?

18 Mandray soa maro ianao, rehefa manahaka hatrany ny fiheveran’i Kristy ny hoe lehibe. Rehefa mahafoy tena manompo ny hafa, ohatra, ianao, dia samy faly ianareo. (Asan’ny Apostoly 20:35) Rehefa miezaka mafy mba hanao soa ho an’ny Kristianina hafa ianao, dia manjary tiany kokoa. (Asan’ny Apostoly 20:37) Toy ny fanati-piderana mahafaly an’i Jehovah mihitsy aza ny soa ataonao ho azy ireo.—Filipianina 2:17.

19. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?

19 Mila mandinika ny ao am-pontsika isika tsirairay, ka mieritreritra hoe: ‘Miezaka mafy ve aho hanahaka ny fiheveran’i Kristy ny hoe lehibe, sa an-tendro-molotra fotsiny no ilazako izany?’ Mazava tsara ny fiheveran’i Jehovah ny olona manambony tena. (Ohabolana 16:5; 1 Petera 5:5) Koa enga anie ho hita amin’ny ataontsika, fa faly tokoa isika manahaka ny fiheveran’i Kristy ny hoe lehibe, eo anivon’ny fiangonana sy ny fianakaviana, ary rehefa mifandray amin’ny olona isan’andro. Hanao ny zava-drehetra ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra isika amin’izay.—1 Korintianina 10:31.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Jereo ny lahatsoratra hoe “Naniry ny Hahomby Aho”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1982, pejy 3-5.

^ feh. 15 Jereo, ohatra, Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1993, pejy 27-31.

Hainao Hazavaina Ve?

• Nahoana isika no tsy tokony haka tahaka ny fiheveran’ity tontolo ity ny fahamboniana?

• Olona manao ahoana no nolazain’i Jesosy fa lehibe?

• Ahoana no ampisehoan’ny mpiandraikitra fa manetry tena toa an’i Kristy izy?

• Inona no hanampy antsika hanahaka ny fiheveran’i Kristy ny hoe lehibe?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 17]

Iza no Lazain’i Kristy fa Lehibe?

Izay te hotompoina, sa izay vonona hanompo?

Izay te hisongadina, sa izay manaiky hanao asa heverina ho ambany?

Izay manandra-tena, sa izay manandratra ny hafa?

[Sary, pejy 14]

Tsangambato lehibe mampiseho an’i Farao Aménophis III

[Sary, pejy 15]

Fantatrao ve hoe nahoana i Hamana no naetry?

[Sary, pejy 16]

Mitady fomba hanompoana ny hafa ve ianao?