Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Misy ny Fanjakan’Andriamanitra

Tena Misy ny Fanjakan’Andriamanitra

Tena Misy ny Fanjakan’Andriamanitra

“Ahoana no hampifanaraka ny firenena maro, nefa samy hafa be ny kolontsainy sy ny fandrosoany? Nisy nilaza fa fanafihana avy amin’ny planeta hafa ihany vao afaka hampiray ny olombelona rehetra.”—Gazety aostralianina.

FANAFIHANA avy amin’ny planeta hafa ve? Tsy azo antoka aloha raha hampiray ny firenena eran-tany izany na tsia. Ny faminanian’ny Baiboly kosa anefa dia miresaka momba ny loza mananontanona iray, izay hampiray hina ny firenena. Ary hery hafa tsy avy eto an-tany tokoa no hahatonga izany loza izany.

Naminany momba izany i Davida mpanjakan’ny Israely fahiny. Nahazo herin’ny fanahy masina izy, ka nanoratra hoe: “Ireo mpanjakan’ny tany mitsangana, ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an’i Jehovah sy ny mesiany ka manao hoe: ‘Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany.’ ” (Salamo 2:2, 3; Asan’ny Apostoly 4:25, 26) Mariho fa hivondrona ny mpitondra eto an-tany, mba hanohitra an’i Jehovah, ilay Mpamorona izao rehetra izao, sy Jesosy Kristy, ilay Mesia notendreny ho Mpanjaka. Ahoana no hahatanteraka izany?

Rehefa jerena ny datin’ny fisehoan-javatra ara-baiboly sy ny faminaniana tanteraka, dia hita fa notendrena ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra tany an-danitra i Jesosy Kristy tamin’ny 1914. * Niray hevitra ireo firenena eran-tany tamin’izay. Tsy nanaiky hofehezin’ilay Fanjakan’Andriamanitra vao naorina izy ireo, fa rafitra niady fahefana, tamin’ny Ady Lehibe I.

Ahoana ny hevitr’i Jehovah Andriamanitra momba ny fihetsik’ireo mpitondra ireo? Ambaran’ilay faminaniana fa ‘mihomehy Ilay mipetraka any an-danitra, ny Tompo maneso ireo. Dia hiteny azy amin’ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin’ny fahatezerany.’ Avy eo i Jehovah dia hiteny toy izao amin’ny Zanany, izay voahosotra ho Mpanjakan’ilay Fanjakana: “Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran’ny tany ho fanananao. Hotorotoroinao amin’ny tehimby izy: Toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy.”—Salamo 2:4, 5, 8, 9.

Toy ny hoe hotorotoroina amin’ny tehim-by ireo firenena mpanohitra ireo amin’ny Hara-magedona. Antsoina hoe “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra, izay Hery Fara Tampony” io fisehoan-javatra io ao amin’ny Apokalypsy, boky farany ao amin’ny Baiboly. Voalaza ao koa fa angonina ho amin’izany “ireo mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina.” (Apokalypsy 16:14, 16) Hotaomin’ny demonia ireo firenena eto an-tany, ka hiray hina hanatanteraka zava-kendrena iray ihany, izany hoe hiady amin’Andriamanitra.

Efa kely sisa dia hivondrona hanohitra ny fahefan’Andriamanitra ny olombelona. Na dia “hiray hina” aza anefa izy ireo, dia tsy hitondra soa ho azy izany. Aorian’izany kosa vao hisy ny fandriampahalemana, izay nirin’ny olona hatry ny ela. Fa nahoana? Satria amin’io ady farany io, dia ‘hanorotoro sy handevona ireo fanjakana rehetra [eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra], fa izy kosa hitoetra mandrakizay.’ (Daniela 2:44) Tsy fikambanan’olombelona àry, fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hanatanteraka ny faniriantsika, ka hampisy fandriampahalemana eto an-tany.

Ny filohan’ilay Fanjakana

Ny Fanjakan’Andriamanitra no antenain’ny olona tso-po, rehefa mivavaka izy hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:10) Tsy toe-po fotsiny anefa izy io, fa tena fitondram-panjakana, ary efa nanao zavatra faran’izay tsara nanomboka tamin’ny nanorenana azy tany an-danitra tamin’ny 1914. Andeha isika izao handinika porofo sasany manamarina fa tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra, sady efa eo am-perinasa.

Voalohany indrindra, dia mahay miasa sy mahavita zavatra tsara ny fahefana mpanatanteraka ao amin’io fitondrana io. I Jesosy Kristy Mpanjaka no filohany. Notendren’i Jehovah Andriamanitra ho Lohan’ny fiangonana kristianina izy tamin’ny taona 33. (Efesianina 1:22) Nampihatra ny fahefany i Jesosy nanomboka tamin’izay, ka nampiseho fa mahay mitantana tokoa izy. Avy hatrany, ohatra, dia namonjy ireo rahalahiny ny fiangonana kristianina, rehefa nisy mosary lehibe tany Jodia tamin’ny taonjato voalohany. Nirahina avy tany Antiokia i Barnabasy sy Paoly mba hitondra izany fanampiana izany.—Asan’ny Apostoly 11:27-30.

Mbola tsara noho izany no azontsika antenaina avy amin’i Jesosy Kristy amin’izao andro izao, satria efa eo am-perinasa ilay Fanjakana. Isaky ny misy loza, dia karakarain’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah avy hatrany izay ilain’ny mpiray finoana aminy sy ny olon-kafa, any amin’izay toerana itrangan’ilay loza. Mety ho horohoron-tany izany, na mosary, tondra-drano, rivo-doza, tafio-drivotra, na volkano mipoaka. Nisy horohoron-tany nahatsiravina, ohatra, tany Salvadaoro, tamin’ny Janoary sy Febroary 2001. Nisy fanampiana nalefa eran’i Salvadaoro, ary samy nitondra ny anjara birikiny avy ny Vavolombelon’i Jehovah avy tany Kanada, Goatemalà, ary Etazonia. Tao anatin’ny fotoana fohy, dia voamboatra ny 3 tamin’ny toeram-pivavahan’izy ireo sy trano simba 500 mahery.

Ny vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra

Nanomboka nanangona sy nandamina ny vahoakany avy amin’ny firenena eran-tany ny Fanjakan’Andriamanitra, raha vao niorina tany an-danitra tamin’ny 1914. Izany dia manatanteraka izao faminaniana miavaka nosoratan’i Isaia izao: “Izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah [na ny fivavahana marina nasandratra] dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra ... ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.” Asehon’ilay faminaniana fa hisy ‘firenena maro’ hiakatra any amin’io tendrombohitra io, ka hanaiky ny fampianaran’i Jehovah sy ny lalàny.—Isaia 2:2, 3.

Noho izany, dia tafaray ao amin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena iray ihany ny Kristianina 6 000 000 mahery, any amin’ny tany 230 mahery. Vahoaka miavaka tokoa izy ireo! Matetika no talanjona ny olona manatrika ny fivoriambe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mifankatia sy miray hina ary milamina mantsy ireo olona maro be ireo, na dia samy hafa aza ny fireneny sy ny kolontsainy ary ny fiteniny. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Azo antoka fa mahay miasa sy mafy orina ary tena misy ny fitondram-panjakana iray, matoa mahavita mampiray tsara olona maro be avy amin’ny foko samy hafa. Sa tsy izany?

Ny fampianaran’ny Fanjakan’Andriamanitra

Mametraka fitsipika tsy maintsy arahin’ny vahoakany ny fitondram-panjakana rehetra, ary tsy maintsy manaraka izany izay te ho anisan’ny olom-peheziny. Toy izany koa ny Fanjakan’Andriamanitra. Manana ny fitsipiny izy io, ary tsy maintsy manaraka izany ny olona maniry ho anisan’ny vahoakany. Asa be anefa ny mitaona olona maro samy hafa fiaviana, mba hanaiky sy hankatò fitsipika mitovy. Noho izany, dia misy fandaharam-pampianarana ataon’ilay Fanjakana. Io no porofo iray hafa fa tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy vitan’ny hoe mampitombo ny fahalalana sy manohina ny fo fotsiny ny fampianarany, fa mampivoatra ny saina sy manova ny fo koa.

Ahoana no anatanterahana an’io asa sarotra io? Amin’ny fitoriana “isan-trano” sy ny fanampiana ny olona tsirairay hianatra ny Tenin’Andriamanitra, toy ny nataon’ny apostoly. (Asan’ny Apostoly 5:42; 20:20) Inona no vokatr’izany? Niezaka handresy lahatra ny renim-pianakaviana tanora iray, mba tsy hianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ohatra, i Jacques Johnson, mompera katolika. Hoy izy: “Tsy hitako izay natao, satria fantatro fa tsy maintsy ho resy ihany aho. Nifanerasera tamin’ny vehivavy Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny volana maromaro mantsy, io madama kely marary ao an-trano io. Nanjary nifandray be àry ry zareo. Nanampy azy koa ireo vehivavy ireo ary ninamana taminy, ka nanjary niraiki-po izy ireo. Vetivety dia lasa nafana fo tamin’ny fivavahan’izy ireo ilay madama, ary tsy nahita fomba hisakanana izany aho.” Nanohina ny fon’io Katolika taloha io ny hafatra ara-baiboly notorin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fitondran-tena tsaran’izy ireo. Manohina ny fon’ny olona maro hafa eran-tany koa izany.

Mifototra amin’ny Baiboly ny fampianaran’ilay Fanjakana, ary mampirisika ny olona hanana toetra tsara sy hanaraka ny fitsipi-pitondran-tena voalaza ao. Mampianatra ny olona hifankatia sy hifanaja koa izy io, na inona na inona fiavian’izy ireo. (Jaona 13:34, 35) Ampiany koa ny olona hanaraka izao teny izao: “Aza manaiky hovolavolain’ity tontolo ity intsony, fa miovà ka havaozy ny sainareo, mba handinihanareo tsara ka hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.” (Romanina 12:2) Maro no niala tamin’ny fomba fiainany taloha, ka faly manaraka ny lalàna sy toro lalan’ilay Fanjakana. Miadan-tsaina sy sambatra àry izy ireo izao, sady manantena hoavy tsara.—Kolosianina 3:9-11.

Ny Tilikambo Fiambenana no tena fitaovana mahatonga izany firaisan-tsaina eran-tany izany. Mitovy mantsy ny fomba andikana an’ity gazety ity, ary misy fitaovana fanontana mamoaka azy amin’ny fiteny maro. Noho izany, dia miara-mivoaka amin’ny fiteny 135 ireo lahatsoratra lehibe ao aminy, ary 95 isan-jato maherin’ny mpamaky eran-tany no miara-mianatra azy io amin’ny fiteniny avy.

Nisy Mormon iray nanao lisitry ny misionera mahomby indrindra avy amin’ny fivavahana hafa. Nolazainy fa Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, no gazety tena mampiely ny vaovao tsara. Hoy izy: “Tsy misy afaka milaza mihitsy hoe mahatonga ny olona ho varimbariana Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Tsy mbola nahita boky ara-pivavahana hafa mampirisika ny olona hiambina toy izany mantsy aho. Mahafinaritra ny mamaky ireo gazety ireo, satria zavatra tena misy sy nanaovana fikarohana tsara no resahina ao, ary mahasoa.”

Maro tokoa ny porofo fa tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra ary efa eo am-perinasa. Faly sy mazoto mitory ny “vaovao tsaran’ilay Fanjakana” ny Vavolombelon’i Jehovah, ka mampirisika ny mpiara-belona aminy hanaiky ho anisan’ny vahoakan’izy io. (Matio 24:14) Maniry ho anisan’io vahoaka io koa ve ianao? Handray fitahiana ianao, raha miaraka amin’ny olona mianatra ny fitsipik’ilay Fanjakana sy miezaka manaraka izany. Ho afaka hiaina ao amin’ilay tontolo vaovao “hitoeran’ny fahamarinana” mihitsy aza ianao, eo ambany fitondran’ilay Fanjakana.—2 Petera 3:13.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Misy tsipiriany bebe kokoa ao amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Jereo ny toko 10, “Manapaka ny Fanjakan’Andriamanitra”, pejy 90-97.

[Sary, pejy 4, 5]

Rafitra niady ireo firenena eran-tany tamin’ny 1914

[Sary, pejy 6]

Porofon’ny fifankatiavan’ny Kristianina ny fanampiana an-tsitrapo ireo tra-boina

[Sary, pejy 7]

Manaraka fandaharam-pampianarana mitovy ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany