Velona Izahay Noho ny Herin’i Jehovah
Tantaram-piainana
Velona Izahay Noho ny Herin’i Jehovah
NOTANTARAIN’I ERZSÉBET HAFFNER
“Tsy havelako handroaka anao ry zareo”, hoy i Tibor Haffner, rehefa fantany fa nasaina niala tany Tsekoslovakia aho. Hoy koa izy: “Hanambady anao aho, raha manaiky ianao, ary hiaraka amiko mandrakizay ianao.”
NIVADY izahay sy Tibor, ilay Kristianina nitory voalohany tamin’ny fianakavianay, tamin’ny 29 Janoary 1938. Herinandro vitsivitsy monja talohan’io izy no nangataka ahy ho vady, ary tena tsy nampoiziko ilay izy. Tsy mora ny nanapa-kevitra. Vao 18 taona aho, sady Vavolombelon’i Jehovah nanompo manontolo andro. Tiako ho natokana hanompoana tanteraka an’Andriamanitra ny fahatanorako. Nitomany aho, nivavaka, ary rehefa nitony aho vao takatro fa tsy hoe tsara fanahy tamiko fotsiny i Tibor. Naniry hiaraka tamin’io lehilahy tena tia ahy io koa aho.
Fa nahoana àry aho no noroahina tany Tsekoslovakia, kanefa nirehareha ho nampihatra ny demokrasia sy nanana fahalalahana ara-pivavahana io tany io? Tokony holazaiko aminareo angamba aloha ny momba ahy.
Teraka tamin’ny 26 Desambra 1919 aho tany Sajószentpéter, any Hongria. Any amin’ny 160 kilaometatra eo ho eo any atsinanan’i Budapest no misy an’io tanàna io. Katolika Grika ny ray aman-dreniko, saingy mampalahelo fa maty talohan’ny nahaterahako i Dada. Taoriana kelin’izay dia nanambady lehilahy maty vady sy manan-janaka efatra i Neny. Avy eo izahay dia nifindra tany Lučenec, izay anisan’i Tsekoslovakia tamin’izany fotoana izany. Tena sarotra ny niaina tao amin’ny fianakaviana nisy raikely. Izaho no zandriny indrindra taminay dimy mianadahy, ka nahatsiaro ho natao an-kilabao. Sarotra ny fiainana tamin’izany, ka tsy nanana na inona na inona aho. Tsy tena tian’ny ray aman-dreniko koa aho, ary tsy voakarakara tsara.
Nisy nahafantatra ny valiny ve?
Nisy fanontaniana lehibe nanahiran-tsaina ahy, tamin’izaho 16 taona. Nahaliana ahy ny namaky ny tantaran’ny Ady Lehibe I, ary tena gaga aho noho ny famonoana olona tany amin’ny firenena mandroso, izay nilaza ho Kristianina. Hitako koa fa lasa nindrahindraina be ny tafika tany amin’ny faritra maro. Tsy nifanaraka tamin’izay nianarako tany am-piangonana momba ny fitiava-namana, izany rehetra izany.
Nanatona pretra katolika àry aho, ary nanontany azy hoe: “Inona no didy tokony hifehy ny Kristianina: Mandeha miady sy mamono ny namantsika sa tia azy ireo?” Nahasorena azy ny fanontaniako, ary namaly izy fa izay nolazain’ireo manam-pahefana ambony ihany no nampianariny. Izany koa no nitranga, rehefa nitsidika mpitondra fivavahana protestanta sy raby jiosy aho. Gaga noho ilay fanontaniako hafakely fotsiny izy ireo, fa tsy nanome valiny. Farany, dia nankany amin’ny mpitondra fivavahana loteranina iray aho. Sosotra izy, kanefa hoy izy talohan’ny nandehanako: “Ny Vavolombelon’i Jehovah anontaniana, raha tena te hahafantatra ny momba izany ianao.”
Niezaka nitady Vavolombelon’i Jehovah àry aho, nefa tsy nahita. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, rehefa nody avy niasa aho, dia hitako fa tsy nikatona tsara ny varavaranay. Hay nisy tovolahy bikàna iray namaky Baiboly tamin’i Neny. Tonga tampoka tao an-tsaiko ny eritreritra hoe: ‘Tsy maintsy ho Vavolombelon’i Jehovah io.’ Nasainay nandroso tao an-trano izy, izany hoe i Tibor Haffner, ary napetrako taminy ny fanontaniako. Tsy novaliany araka ny heviny izany. Nasehony ahy kosa izay lazain’ny Baiboly ny amin’ny fomba hamantarana ny Kristianina marina, sy momba ny vanim-potoana iainantsika amin’izao fotoana izao.—Jaona 13:34, 35; 2 Timoty 3:1-5.
Vita batisa aho volana vitsivitsy taorian’izay, talohan’ny faha-17 taonako. Tokony handre izany fahamarinana sarobidy izany ny olona rehetra, araka ny hevitro. Efa sahirana mafy erỳ mantsy aho vao nahita azy io. Nanomboka nitory manontolo andro aho. Tena nanahirana anefa izany tany Tsekoslovakia, nandritra ny faramparan’ireo taona 1930. Voasoratra ara-dalàna tany amin’ny fanjakana ny asanay, kanefa nanenjika mafy anay ny mpitondra fivavahana.
Nanomboka ny fanenjehana
Nitory niaraka tamin’ny rahavavy kristianina iray tany akaikin’i Lučenec aho, indray andro, tamin’ny faramparan’ny 1937. Tsy ela dia nosamborina izahay ary nalefa tany am-ponja. “Ho faty atỳ ianareo”, hoy ilay mpiambina, sady nakarapony ny varavaran’ilay efitra figadrana.
Niampy vehivavy efatra izahay nony hariva. Nanomboka nampahery sy nitory tamin’izy ireo izahay. Nihatony izy ireo, ary variana niresaka taminy ny fahamarinana ara-baiboly izahay ny alina tontolo.
Nantsoin’ny mpiambina tao amin’ny efitra figadrana aho tamin’ny enina maraina. Nilaza tamin’ilay namako aho hoe: “Any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra indray isika mihaona.” Nasaiko nilaza tamin’ny fianakaviako izay nitranga izy, raha velona soa aman-tsara. Nivavaka mangina aho, ary nanaraka ilay mpiambina. Nentiny tany an-tranony aho, ary tao amin’ilay fonja ihany izy io. Hoy izy: “Misy fanontaniana tiako hapetraka aminao, ry tovovavy. Nilaza ianao omaly alina fa Jehovah no anaran’Andriamanitra. Azonao aseho ahy ao amin’ny Baiboly ve izany?” Tena tsy nampoiziko ilay izy! Maivamaivana erỳ aho! Nalainy ny Baiboliny, ary nasehoko azy mivady ilay anarana hoe Jehovah. Nametraka fanontaniana maro hafa koa izy, momba ireo foto-kevitra izay efa noresahinay tamin’ireo vehivavy efatra, nandritra ny alina. Nahafa-po azy ny valiny, ka nasainy nanao sakafo maraina ho ahy sy ilay namako ny vadiny.
Nafahana izahay, roa andro tatỳ aoriana. Nanapa-kevitra anefa ny mpitsara fa tokony handao an’i Tsekoslovakia aho, satria Hongroà. Taorian’izay indrindra i Tibor Haffner no nangataka ahy ho vadiny. Nivady izahay, ary nipetraka tany amin’ny tranon’ny ray aman-dreniny avy eo.
Nihamafy ny fanenjehana
Nanohy nitory izahay mivady, na dia nanana andraikitra hafa koa aza i Tibor. Teraka i Tibor zanakay lahy, andro vitsivitsy talohan’ny nahatongavan’ny miaramila hongroà tao amin’ny tanànanay, tamin’ny Novambra 1938. Efa nananontanona ny Ady Lehibe II teto Eoropa, ary lasan’i Hongria ny tapany lehibe amin’i Tsekoslovakia. Nihamafy àry ny fanenjehana ireo Vavolombelon’i Jehovah, tany amin’ireo faritra lasan’i Hongria.
Nankany Debrecen mba hihaona tamin’ny rahalahy sasantsasany i Tibor, tamin’ny 10 Oktobra 1942. Tsy niverina nody anefa izy tamin’izay. Nolazainy tamiko izay nitranga, tatỳ aoriana. Nisy polisy tsy nanao fanamiana teo amin’ilay tetezana tokony hihaonan’izy ireo, fa ireo rahalahy kosa tsy teo. I Pál Nagypál sy ny vadiko no tonga farany, ary izy ireo no nandrasan’ny polisy. Nentiny tany amin’ny paositry ny polisy izy ireo, ary nokapohiny tamin’ny hazo ny tongony, mandra-pahatoran’izy ireo noho ny fanaintainana.
Nasaina nanao ny baotiny sy nitsangana izy ireo avy eo, ary noterena nankeny amin’ny gara, na dia teo aza ny fanaintainana. Nisy lehilahy iray nentin’ny polisy, nifono ny lohany ka sahirana izy vao afaka nahita. Hay ny Anadahy András Pilling io lehilahy io. Tonga tamin’ilay fotoana koa izy. Nalefa lamasinina tany amin’ny toerana iray tany Alag, any akaikin’i Budapest, ny vadiko. Naneso toy izao ny mpiambina iray, rehefa nahita ny tongotr’i Tibor, izay nokapohina: “Mba ratsy fanahy koa ny olona sasany a! Aza manahy fa hotsabointsika io.” Nanomboka nikapoka an’i Tibor teo amin’ny tongony ny mpiambina roa, ka nipitipitika ny rany. Safotra izy, rehefa afaka minitra vitsivitsy.
Notsaraina i Tibor sy ny anadahy sy rahavavy hafa maherin’ny 60, ny volana nanaraka. Voaheloka ho faty (hahantona) ny Anadahy András Bartha, Dénes Faluvégi, ary János Konrád. Voaheloka higadra mandra-pahafatiny ny Anadahy András Pilling, ary ny vadiko kosa higadra 12 taona. Inona no heloka vitan’izy ireo? Nampangain’ny mpampanoa lalàna ho namadika tanindrazana izy ireo, nanda tsy hanao raharaha miaramila, mpitsikilo, ary nanendrikendrika ny eglizy masina indrindra. Niova ho fanagadrana mandra-pahafaty avy eo ireo fanamelohana ho faty.
Nosamborina toy ny vadiko aho
Nipasoka tao an-trano aho, roa andro taorian’ny nandehanan’i Tibor tany Debrecen. Tamin’ny enina maraina teo ho eo tamin’izay. Tampoka teo dia nisy olona nandondòna mafy tao am-baravarana. ‘Tonga ry zareo’, hoy aho. Nisy polisy enina niditra ary nilaza fa nahazo lalana hanao fisavana. Nosamborina daholo izay rehetra tao an-trano, ary nentina tany amin’ny paositry ny polisy, anisan’izany ilay zanakay lahy kely telo taona. Ny androtr’iny ihany izahay dia nafindra tany amin’ny fonjan’i Pétervására, any Hongria.
Voan’ny tazo aho raha vao tonga tany, ka nosarahina tamin’ireo mpigadra hafa. Nisy miaramila roa nifamaly momba ahy, tao amin’ny efitra figadrako, raha vao sitrana aho. Hoy ny iray tamin’izy ireo: “Tsy maintsy tifirintsika izy! Tifiriko izy a!” Tian’ilay iray ho fantatra anefa aloha raha efa salama aho. Niangavy azy ireo aho mba tsy hamono ahy. Navelan’izy ireo tao amin’ilay efitra figadrana aho tamin’ny farany. Nisaotra an’i Jehovah aho, noho ny fanampiany.
Hafakely ny fomba fiasan’ireo mpiambina rehefa nanadihady. Nasain’izy ireo nihohoka tamin’ny tany aho, nasiany ba kiraro tao am-bavako, nofatorany ny tanako sy ny tongotro, ary nokaravasiny aho mandra-pivoa-dra ahy. Tsy nijanona mihitsy izy ireo, raha tsy nisy miaramila iray nilaza fa reraka. Nanontany ahy izy ireo hoe iza no tokony ho nihaona tamin’ny vadiko, tamin’ilay andro nisamborana azy. Tsy namaly aho, ka nitohy ny kapoka nandritra ny telo andro. Navela nanatitra ny zanako tany amin’i Neny aho ny andro fahefatra. Nobabeko izy, na dia naratra
be aza ny lamosiko. Nangatsiaka be tamin’izay, ary nandeha an-tongotra 13 kilaometatra nankany amin’ny gara izahay. Nandeha lamasinina nankany an-trano izahay avy eo. Tsy maintsy niverina tany am-ponja anefa aho ny androtr’iny ihany.Voaheloka higadra enin-taona tany amin’ny fonjan’i Budapest aho. Fantatro fa tao koa i Tibor, raha vao tonga tany aho. Faly erỳ izahay rehefa nomena lalana hifampiresaka, na dia minitra vitsy monja aza, ary na dia nisy fefy vy aza nanelanelana anay! Tsapanay ny fitiavan’i Jehovah, ary nanatanjaka anay ireny fotoana sarobidy ireny. Samy tsy maintsy niatrika fitsapana nahatsiravina izahay, ary matetika saika maty koa, talohan’ny nihaonanay indray.
Nafindrafindra fonja izahay
Nisy 80 mirahavavy teo ho eo izahay no nafatratra tao amin’ny efitra figadrana iray. Naniry sakafo ara-panahy mafy izahay, kanefa toa tsy nahitana na inona na inona tao amin’ilay fonja. Mety hahazo zavatra avy tao am-ponja ihany ve izahay? Aleo holazaiko aminareo izay nataonay. Nanolo-tena hanjaitra ny ba kiraro rovitr’ireo mpiandraikitra tao am-ponja aho. Nasiako taratasy kely tao anatin’ny ba kiraro iray. Nasiana nomerao daholo mantsy ny boky rehetra tao amin’ny fitehirizam-bokin’ny fonja, ka nangatahiko tao amin’io taratasy kely io ny nomeraon’ny Baiboly. Nampiako lohatenina boky roa hafa ilay izy, mba tsy hahamahina azy ireo.
Naharay ba kiraro maro hafa avy tamin’ny mpiandraikitra ny fonja aho, ny ampitson’iny. Tao amin’ny iray tamin’izy ireo ny valin’ilay taratasy. Nomeko ny mpiambina ireo nomerao, ary nangataka ireo boky aho. Faly erỳ izahay nahazo azy ireo, anisan’izany ny Baiboly! Notazoninay ilay Baiboly, fa ireo boky sisa kosa nosoloanay isan-kerinandro. Izao foana no nolazainay, rehefa nanontany ilay Baiboly ny mpiambina: “Boky lehibe izy io, sady te hamaky daholo ny rehetra.” Afaka namaky Baiboly àry izahay.
Nasain’ny tompon’andraikitra iray nankao amin’ny biraony aho, indray andro. Toa nahalala fomba tsy toy ny isan’andro izy tamin’izay.
“Manana vaovao tsara ho anao aho, Rtoa Haffner”, hoy izy. “Mahazo mody ianao, angamba rahampitso. Afaka mandeha androany aza ianao, raha misy lamasinina.”
“Tena mahafinaritra izany”, hoy aho.
“Tena mahafinaritra mihitsy”, hoy izy. “Manan-janaka ianao, ary mino aho fa irinao ny hitaiza azy.” Hoy koa izy avy eo: “Soniavo fotsiny ity taratasy ity.”
“Inona ity?”, hoy aho nanontany.
“Aza manahy”, hoy izy nanizingizina. “Soniavo fotsiny io, dia afaka mandeha ianao.” Nilaza tamiko izy avy eo hoe: “Afaka manao izay rehetra tianao ianao, raha vao tonga any an-tranonao. Kanefa, tsy maintsy manao sonia aloha ianao fa tsy ho Vavolombelon’i Jehovah intsony.”
Nihemotra aho, ary nanda tamin’ny fomba hentitra.
“Ho faty atỳ izany ianao!”, hoy izy nikiakiaka tamim-pahatezerana sady nandroaka ahy.
Nafindra tany amin’ny fonja iray hafa, tany Budapest aho, tamin’ny Mey 1943, ary nalefa tany amin’ny tanànan’i Márianosztra indray tatỳ aoriana. Nipetraka tao amin’ny monasitera iray nisy masera 70 teo ho eo izahay tany. Nazoto nitory ny fanantenanay tamin’izy ireo izahay, na dia teo aza ny hanoanana sy ny zava-tsarotra hafa. Tena liana tamin’ny hafatra nentinay ny masera iray, ka nilaza hoe: “Mahafinaritra ilay izy. Mbola tsy nandre zavatra ohatr’izany mihitsy aho. Dia ahoana koa?” Noresahinay taminy fa hisy tontolo vaovao ary tena hahafinaritra ny fiainana amin’izay. Teo am-piresahana izahay, no tonga ny lehiben’ny masera. Nasaina niala teo avy hatrany ilay masera liana. Nesorina ny akanjony, ary nokaravasina izy. Niangavy toy izao izy, rehefa nihaona indray izahay: “Raha mba
azo atao dia mivavaha amin’i Jehovah mba hamonjeny ahy sy hanesorany ahy ato. Te ho tonga Vavolombelon’i Jehovah aho.”Nalefa tany amin’ny fonja iray efa tranainy be, tany Komárom indray izahay avy eo. Tanàna iray any akaikin’ny Reniranon’i Danube izy io, any amin’ny 80 kilaometatra eo ho eo any andrefan’i Budapest. Tena nahatsiravina ny fiainana tany. Narary mafy voan’ny areti-mifindra avy amin’ny parasy aho tany, toy ireo rahavavy maro hafa. Nandoa ra aho, ary lasa nalemilemy be. Tsy nanana fanafody izahay ka noheveriko fa ho faty aho. Nitady olona afaka nanao asa birao anefa ny tompon’andraikitra avy eo. Nolazain’ireo rahavavy fa afaka aho. Nomena fanafody àry aho, ka nihasalama.
Nihaona tamin’ny fianakaviako indray
Nihananatona avy tany atsinanana ny tafika sovietika, ka voatery nifindra nankany andrefana izahay. Raha tantaraina daholo ny zava-nahatsiravina nihatra taminay, dia ho lava be. Imbetsaka aho no efa saika maty. Mbola velona soa aman-tsara ihany anefa aho, noho ny fiarovan’i Jehovah. Tany Tábor izahay, rehefa nifarana ny ady. Any amin’ny 80 kilaometatra eo ho eo avy ao Prague no misy io tanàna tseky io. Naharitra telo herinandro mahery teo ho eo ny dianay sy Magdalena zaobaviko, vao tonga tany amin’ny tanànanay any Lučenec, tamin’ny 30 Mey 1945.
Vao lavitra aho dia efa nahita ny rafozambaviko sy Tibor zanako malalako teo an-tokotany. Nanganohano ny masoko, ary niantso aho hoe: “Tibike!” Nihazakazaka sy niantsampy tetỳ an-tratrako izy. “Tsy handeha intsony i Neny ô, any ô?” Izany no teniny voalohany, ary tsy hohadinoiko mihitsy.
Namindra fo tamin’i Tibor vadiko koa i Jehovah. Nalefa tany amin’ny toby fiasana an-terivozona tany Bor, niaraka tamin’ny rahalahy 160 teo ho eo izy, rehefa avy tany amin’ny fonjan’i Budapest. Imbetsaka izy ireo no efa saika maty, kanefa voatsimbina ny ain’izy ireo. Nody tamin’ny 8 Aprily 1945 i Tibor, izany hoe iray volana talohan’ny nahatongavako.
Mbola nila ny herin’i Jehovah izahay taorian’ny ady, mba ho tafavoaka velona tamin’ireo 40 taona nanaraka, teo ambanin’ny fitondrana kominista tany Tsekoslovakia. Mbola voaheloka higadra elaela indray i Tibor, ka voatery nikarakara irery ny zanakay aho. Lasa mpiandraikitra mpitety faritany izy, rehefa nafahana. Nanararaotra ny fahafahana rehetra izahay mba hiresahana ny finoanay, nandritra ireo 40 taona nisian’ny Kominisma. Afaka nanampy olona maro hahafantatra ny fahamarinana izahay, ka lasa toy ny zanakay mihitsy izy ireny.
Faly erỳ izahay rehefa nahazo fahalalahana ara-pivavahana tamin’ny 1989! Nanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany teo amin’ny taninay izahay ny taona nanaraka, taorian’izay fotoana lava be izay. Rehefa nahita ireo anadahinay sy rahavavinay an’arivony izay tsy nivadika izahay, dia fantatray fa i Jehovah no loharanon’ny herin’izy ireo.
Nahatoky teo anatrehan’i Jehovah mandra-pahafatiny tamin’ny 14 Oktobra 1993, i Tibor vady malalako. Eto Žilina, Slovakia, aho izao no mipetraka, eto akaikin’ny zanako. Efa osa aho, kanefa matanja-tsaina kosa noho ny herin’i Jehovah. Matoky tanteraka aho fa afaka hiatrika ny fisedrana rehetra eto amin’ity tontolo ity, noho ny heriny. Tsy andriko koa ny fotoana hahafahantsika hiaina mandrakizay, noho ny hatsaram-panahin’i Jehovah tsy manam-paharoa.
[Sary, pejy 20]
Tibor zanakay (4 taona), tamin’izy tsy maintsy nilaozako
[Sary, pejy 21]
Tibor vadiko, niaraka tamin’ny rahalahy hafa tany Bor
[Sary, pejy 22]
Niaraka tamin’i Tibor sy Magdalena zaobaviko, tamin’ny 1947, tany Brno
[Sary, pejy 23]
Imbetsaka aho no efa saika maty. Mbola velona soa aman-tsara ihany anefa aho, noho ny fiarovan’i Jehovah