Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ankahalaina Tsy Amin’ny Antony

Ankahalaina Tsy Amin’ny Antony

Ankahalaina Tsy Amin’ny Antony

“Halany tsy amin’ny antony aho.”—JAONA 15:25.

1, 2. a) Nahoana no very hevitra ny sasany rehefa misy manaratsy ny Kristianina, nefa nahoana isika no tsy gaga amin’izany? b) Inona no hevitr’ilay teny hoe “mankahala”, izay hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

MIEZAKA manaraka ny toro lalana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah. Izany no mahatsara laza azy ireo any amin’ny tany maro. Misy manaratsy azy ireo anefa indraindray. Niteny toy izao, ohatra, ny olona ambony iray tao amin’ny fitondrana any Saint-Pétersbourg, any Rosia: “Nolazaina taminay fa sekta manao zavatra miafinafina ny Vavolombelon’i Jehovah. Mivory anaty haizina, hono, izy ireo, vonoiny ho faty ny zanany, ary mamono tena izy.” Nifampiraharaha tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa io rangahy io nandritra ny fivoriambe iray iraisam-pirenena, ka nilaza hoe: ‘Toy ny olon-drehetra ihany ny olona hitako tany, sady mitsikitsiky. Mihavana tsara sy milamina izy ireo, ary tena mifankatia.’ Hoy koa izy: “Tsy azoko mihitsy hoe nahoana ny olona no milaza lainga toy izany momba azy ireo.”—1 Petera 3:16.

2 Tsy mahafinaritra ny mpanompon’Andriamanitra ny endrikendrehina ho mpanao ratsy, nefa tsy gaga izy ireo rehefa haratsin’ny olona. Efa nampitandrina ny mpianany mantsy i Jesosy hoe: “Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia fantatrareo fa izaho efa halany talohanareo. ... Fa mitranga izany mba hahatanteraka ny teny voasoratra ao amin’ny Lalàna hoe: ‘Halany tsy amin’ny antony aho.’ ” * (Jaona 15:18-20, 25; Salamo 35:19; 69:4) Nilaza tamin’izy ireo koa izy talohan’izay hoe: “Raha ny tompon-trano aza antsoin’ny olona hoe Belzeboba, tsy mainka ve fa ny ankohonan’ilay tompon-trano?” (Matio 10:25) Fantatry ny Kristianina fa ny fiaretana izany fanaratsiana izany, dia anisan’ny ‘hazo fijaliana’ nekeny hoentina, rehefa lasa mpanara-dia an’i Kristy izy.—Matio 16:24.

3. Hazavao fa nenjehina foana ny tena mpivavaka hatramin’izay.

3 Efa hatramin’ny ela be ny tena mpivavaka no nenjehina, efa hatramin’ny andron’i “Abela olo-marina” mihitsy aza. (Matio 23:34, 35) Tsy olom-bitsy fotsiny anefa no niharan’izany, satria nilaza i Jesosy fa ho “halan’ny olona rehetra” ny mpianany, noho ny anarany. (Matio 10:22) Nanoratra koa ny apostoly Paoly fa tokony hanampo fanenjehana ny mpanompon’Andriamanitra rehetra, anisan’izany isika tsirairay. (2 Timoty 3:12) Fa nahoana?

Ilay tompon’andraikitra amin’ny fankahalana tsy ara-drariny

4. Iza no lazain’ny Baiboly fa tompon’andraikitra amin’ny fankahalana tsy ara-drariny rehetra? Hazavao.

4 Asehon’ny Baiboly fa zavaboary iray tsy hita maso no mahatonga ny fankahalana ny tena mpivavaka, hatrany am-boalohany. Tadidio ny namonoana tamin-kabibiana an’i Abela, ilay lehilahy nanam-pinoana voalohany. Milaza ny Baiboly fa i Kaina, ilay rahalahiny namono azy, dia “avy tamin’ilay ratsy”, izany hoe i Satana Devoly. (1 Jaona 3:12) Nanahaka ny toetran’i Satana i Kaina, ary nampiasainy hanatanteraka ny teti-dratsiny. Ahariharin’ny Baiboly koa fa i Satana no nahatonga an’i Joba sy Jesosy Kristy hijaly mafy. (Joba 1:12; 2:6, 7; Jaona 8:37, 44; 13:27) Mazava tsara ao amin’ny Apokalypsy koa hoe iza no mahatonga ny fanenjehana ny mpanara-dia an’i Jesosy. Izao no voalaza ao: “Ny Devoly tsy hitsahatra hanao ny sasany aminareo any am-ponja mba hotsapain-toetra tanteraka ianareo.” (Apokalypsy 2:10) I Satana tokoa no tompon’andraikitra amin’ny fankahalana tsy ara-drariny rehetra mihatra amin’ny vahoakan’Andriamanitra.

5. Inona no mahatonga an’i Satana hankahala ny tena mpivavaka?

5 Nahoana i Satana no mankahala ny tena mpivavaka? Nieboebo be mihitsy i Satana, ka nanao teti-dratsy. Nitsangana ho fahavalon’i Jehovah Andriamanitra, “Mpanjakan’ny mandrakizay”, izy. (1 Timoty 1:17; 3:6) Manizingizina izy fa feperan’Andriamanitra loatra ny zavaboariny, ary tsy misy manompo an’i Jehovah amin’ny fo madio, fa filan-javatra sy fitiavan-tena fotsiny no anompoan’izy ireo azy. Nihambo koa i Satana fa mahavita mitaona ny olona rehetra tsy hanompo an’Andriamanitra intsony izy, raha avela hitsapa azy ireo. (Genesisy 3:1-6; Joba 1:6-12; 2:1-7) Te ho mpitondra an’izao rehetra izao toa an’i Jehovah koa i Satana, ka manendrikendrika azy ho mpampahory sy mpandainga ary tsy mahay. Tezitra mafy amin’ny mpanompon’Andriamanitra àry izy, satria maniry fatratra ny hotompoina.—Matio 4:8, 9.

6. a) Nahoana no mahakasika antsika tsirairay ilay raharaha momba ny zon’i Jehovah hitondra? b) Nahoana no hanampy antsika tsy hivadika ny fahazoana tsara an’io raharaha io? (Jereo ilay efajoro, pejy 16.)

6 Mahakasika anao koa izany raharaha izany. Fantatrao ve hoe nahoana? Mpanompon’i Jehovah ianao, ka azo inoana fa tsapanao hoe na dia mitaky ezaka be aza ny fanaovana ny sitrapony, dia betsaka lavitra noho izany ny soa azo. Ahoana kosa anefa raha sarotra aminao ny manaraka hatrany ny lalàn’i Jehovah sy ny toro lalany, na mampahory anao mihitsy aza? Ary ahoana raha hoatran’ny tsy mandray soa avy amin’izany ianao? Hieritreritra ve ianao fa very maina ny fanohizana ny fanompoana an’i Jehovah? Sa kosa handeha amin’ny lalany rehetra foana ianao, satria tia azy sy tena mankasitraka ny toetrany mahatalanjona? (Deoteronomia 10:12, 13) Rehefa mamela an’i Satana hitsapa antsika i Jehovah, dia manome fahafahana antsika tsirairay mba hanaporofo fa mandainga izy.—Ohabolana 27:11.

Rehefa haratsin’ny olona ianareo

7. Inona ny hafetsena iray ampiasain’ny Devoly, mba hampiala antsika amin’i Jehovah?

7 Hodinihintsika izao ny hafetsena iray ampiasain’i Satana, mba hanaporofoana ny fiampangany an’i Jehovah sy ny mpanompony. Tsy inona izany fa ny fanaratsiana. Nantsoin’i Jesosy hoe “rain’ny lainga” i Satana. (Jaona 8:44) Mampiseho ny maha izy azy ilay anarany hoe Devoly, izay midika hoe “Mpanendrikendrika.” Izy mantsy no tena mpanendrikendrika an’Andriamanitra sy mpanohitra ny teniny ary mpanoso-potaka ny anarany masina. Manaratsy an-kolaka sy miampanga lainga ary mandainga mihitsy ny Devoly, mba hanoherana ny zon’i Jehovah hitondra sy hanendrikendrehana ny mpanompony mahatoky. Manao izay hanaratsiana tanteraka an’ireo Vavolombelona ireo i Satana, amin’izay dia sarotra kokoa amin’izy ireo ny miaritra ny fitsapana mafy mahazo azy.

8. Ahoana no nanaratsian’i Satana an’i Joba, ary inona no vokany?

8 Diniho ny nanjo an’i Joba. “Ankahalaina” no dikan’ny anarany. Nataon’i Satana izay hamoizany ny fivelomany sy ny zanany, ary hahazoany aretina. Nataony koa izay hiheverana an’i Joba ho mpanota nosazin’Andriamanitra. Nohajaina fatratra izy taloha, nefa lasa nanamavo azy ny olona, na dia ny havany sy ny namany akaiky aza. (Joba 19:13-19; 29:1, 2, 7-11) Nitady ‘hanorotoro an’i Joba tamin’ny fiteny’ koa i Satana, ka nandefa mpampionona sandoka. Nolazaina an-kolaka aloha fa tsy maintsy ho nanao fahotana lehibe i Joba. Avy eo dia nomelohina ho mpanao ratsy mihitsy izy. (Joba 4:6-9; 19:2; 22:5-10) Tsy isalasalana fa nahakivy an’i Joba izany!

9. Ahoana no nanaratsiana an’i Jesosy ka niheverana azy ho mpanota?

9 Ny Zanak’Andriamanitra no nankahalain’i Satana indrindra, satria izy no tena mpiaro ny zon’i Jehovah hitondra. Fony i Jesosy tetỳ an-tany, dia nataon’i Satana izay haharatsy laza azy sy hiheverana azy ho mpanota, toy ny nataony tamin’i Joba ihany. (Isaia 53:2-4; Jaona 9:24) Nolazain’ny olona fa tenda an-kanina sy mpiboboka divay ary ‘nisy demonia’ izy. (Matio 11:18, 19; Jaona 7:20; 8:48; 10:20) Nendrikendrehina ho nanevateva an’Andriamanitra koa izy. (Matio 9:2, 3; 26:63-66; Jaona 10:33-36) Nampahory an’i Jesosy izany, satria fantany fa nanala baraka ny Rainy. (Lioka 22:41-44) Nofantsihana toy ny mpanao heloka bevava voaozona izy tamin’ny farany. (Matio 27:38-44) Maro tokoa ny “teny fanoheran’ny mpanota” niaretan’i Jesosy, noho izy tsy nivadika mihitsy.—Hebreo 12:2, 3.

10. Ahoana no amelezan’i Satana ny sisa voahosotra amin’izao andro izao?

10 Ankahalain’ny Devoly koa ny sisa voahosotra mpanara-dia an’i Kristy ankehitriny. Lazain’ny Baiboly fa i Satana no ‘mpiampanga ny rahalahin’i Kristy, dia ilay miampanga azy ireo andro aman’alina eo anatrehan’Andriamanitsika.’ (Apokalypsy 12:9, 10) Hatramin’ny nandroahana an’i Satana avy tany an-danitra ho etỳ amin’ny manodidina ny tany, dia vao mainka izy manao izay hahatonga ny fiaraha-monina hanamavo ireo rahalahin’i Kristy sy hihatakataka aminy. (1 Korintianina 4:13) Toy ny Kristianina voalohany, dia endrikendrehina ho sekta mampidi-doza izy ireo any amin’ny tany sasany. (Asan’ny Apostoly 24:5, 14; 28:22) Araka ny voalaza tetsy am-piandohana, dia misy manely lainga hanaratsiana azy ireo. Manetry tena anefa ireo voahosotra rahalahin’i Kristy, izay tohanan’ny “ondry hafa.” Koa na ‘omem-boninahitra izy ireo, na alam-baraka’, ary na ‘manana laza ratsy, na manana laza tsara’, dia miezaka foana ‘mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitory momba an’i Jesosy.’—2 Korintianina 6:8; Jaona 10:16; Apokalypsy 12:17.

11, 12. a) Inona no mety hahatonga ny Kristianina hoharatsina? b) Ahoana no mety hahatonga ny Kristianina hijaly tsy ara-drariny noho ny finoany?

11 Tsy “noho ny fahamarinana” foana anefa no anaratsiana ny mpanompon’Andriamanitra. (Matio 5:10) Ny tsy fahalavorariantsika no miteraka olana indraindray. Tsy misy antony ireharehana raha ‘manota isika ka mahazo tahamaina, ary miaritra izany.’ Raha misy kosa anefa Kristianina ‘mizaka fahoriana sy mijaly tsy ara-drariny, noho ny feon’ny fieritreretana eo anatrehan’Andriamanitra, dia ankasitrahan’i Jehovah izany.’ (1 Petera 2:19, 20) Rahoviana izany no mety hitranga?

12 Nisy nampijalina satria tsy nety nandray anjara tamin’ny fombafombam-pandevenana tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina. (Deoteronomia 14:1) Nopetahana anarana maneso koa ny tanora Vavolombelona, satria manaraka ny fitsipi-pitondran-tena avy amin’i Jehovah. (1 Petera 4:4) Nendrikendrehina ho “mpanao an-tsirambina” na “mpampijaly” ny ray aman-dreny kristianina sasany, noho izy ireo nitady fitsaboana tsy ampiasana ra ho an-janany. (Asan’ny Apostoly 15:29) Nailikiliky ny havana sy ny mpiara-monina ny Kristianina, satria fotsiny hoe lasa mpanompon’i Jehovah. (Matio 10:34-37) Manaraka ny modely navelan’ny mpaminany sy Jesosy ireo olona rehetra mijaly tsy ara-drariny ireo.—Matio 5:11, 12; Jakoba 5:10; 1 Petera 2:21.

Vonona hiaritra ny fanaratsiana

13. Ahoana no ahafahantsika manompo an’i Jehovah amim-pifaliana foana, na dia misy manaratsy be antsika aza?

13 Mety ho kivy toa an’i Jeremia isika, rehefa misy manaratsy be antsika noho ny finoantsika. Mety hieritreritra isika fa tsy hahavita hanompo an’Andriamanitra intsony. (Jeremia 20:7-9) Ahoana no ahafahantsika manompo azy amim-pifaliana foana, na dia izany aza? Miezaha hitovy hevitra amin’i Jehovah. Toy ny mpandresy fa tsy resy no fahitany ny olona iharam-pitsapana nefa tsy mivadika. (Romanina 8:37) Eritrereto ireo lehilahy sy vehivavy nanohana ny zon’i Jehovah hitondra, na dia nataon’ny Devoly aza izay hahafa-baraka tanteraka azy ireo. Anisan’izany i Abela, Joba, Maria renin’i Jesosy, ny olo-mahatoky fahiny, ary ny mpiara-manompo amintsika ankehitriny. (Hebreo 11:35-37; 12:1) Saintsaino ny tsy fivadihany. Efa naharesy izao tontolo izao ireo vavolombelona maro be toy ny rahona ireo, noho ny finoany. Alao sary an-tsaina koa hoe manasa antsika izy ireo hiaraka aminy eo amin’ny filaharan’ny mpandresy.—1 Jaona 5:4.

14. Nahoana no manatanjaka antsika tsy hivadika mihitsy ny mivavaka mafy?

14 Afaka mivavaka mafy amin’i Jehovah isika, ‘raha be ny fanahiana ao anatintsika’, ary izy kosa hampionona sy hampahery antsika. (Salamo 50:15; 94:19) Hanome antsika ny fahendrena ilaina mba hizakana ilay fitsapana izy, ary hanampy antsika hifantoka amin’ilay raharaha lehibe momba ny zony hitondra. Io mantsy no tena mahatonga ny mpanompony hankahalaina tsy amin’ny antony. (Jakoba 1:5) Homeny antsika koa “ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.” (Filipianina 4:6, 7) Ho tony sy ho tapa-kevitra ny tsy hivadika àry isika, na dia misy olana faran’izay sarotra aza, fa tsy ho resin’ny fisalasalana na ny tahotra. Hanohana antsika amin’ny alalan’ny fanahiny i Jehovah, na inona na inona avelany hianjady amintsika.—1 Korintianina 10:13.

15. Inona no hanampy antsika tsy hitana lolompo, rehefa mijaly isika?

15 Inona no hanampy antsika tsy hitana lolompo amin’izay mankahala antsika tsy amin’ny antony? Tadidio fa i Satana sy ny demonia no tena fahavalontsika. (Efesianina 6:12) Marina fa misy minia manenjika ny vahoakan’Andriamanitra. Ny ankamaroany anefa dia manao izany noho ny tsy fahalalana, na nataon’ny hafa ho fitaovana fotsiny. (Daniela 6:5-17; 1 Timoty 1:12, 13) Irin’i Jehovah koa ny ‘hahavoavonjy ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.’ (1 Timoty 2:4) Lasa rahalahintsika mihitsy aza izao ny mpanohitra sasany, noho izy nahita ny fitondran-tenantsika tsy misy hokianina. (1 Petera 2:12) Ankoatra izany, dia afaka mandray fianarana avy amin’i Josefa, zanakalahin’i Jakoba, isika. Nijaly be izy noho ny nataon’ireo rahalahiny, nefa tsy nitana lolompo tamin’izy ireo. Nahoana? Satria fantany fa i Jehovah no namela izany hitranga, mba hanatanterahana ny fikasany. (Genesisy 45:4-8) Hain’i Jehovah koa ny manao izay hankalazana ny anarany, avy amin’ny fijaliana tsy ara-drariny mety hihatra amintsika.—1 Petera 4:16.

16, 17. Nahoana no tsy tokony hampanahy antsika loatra ny fiezahan’ny mpanohitra hanakantsakana ny fitoriana?

16 Tsy tokony hanahy be loatra isika, raha hoatran’ny hoe mahavita misakana ny fielezan’ny vaovao tsara ny mpanohitra. Manozongozona ireo firenena amin’ny alalan’ny fitoriana eran-tany mantsy i Jehovah ankehitriny, ka izay zavatra faniry no manaiky hanompo azy. (Hagay 2:7) Hoy koa i Kristy Jesosy, ilay Mpiandry Tena Tsara: ‘Ny ondriko mihaino ny feoko, ary izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy. Dia omeko fiainana mandrakizay izy, ary tsy hisy haharombaka azy amin’ny tanako.’ (Jaona 10:27-29) Ankoatra izany, dia mandray anjara amin’ilay fijinjana ara-panahy lehibe ny anjely masina. (Matio 13:39, 41; Apokalypsy 14:6, 7) Tsy hahasakana ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra mihitsy àry ny mpanohitra, na inona na inona lazainy na ataony.—Isaia 54:17; Asan’ny Apostoly 5:38, 39.

17 Matetika no mifanohitra amin’izay kasain’ny mpanohitra ny vokatry ny ezaka ataony. Betsaka ny lainga nahatsiravina naely momba ny Vavolombelon’i Jehovah, tao amin’ny tanàna iray tatsy Afrika. Nolazaina mihitsy aza fa mpivavaka amin’ny Devoly izy ireo. Isaky ny tonga tany amin’i Grace àry izy ireo, dia nihazakazaka izy nankany ambadiky ny tranony, ary niafina tao mandra-pahalasan’izy ireo. Nampiseho bokintsika anankiray ny pasiteran-dry Grace indray mandeha, ary nilaza tamin’ny olona rehetra teo mba tsy hamaky ilay izy, fa hampivadi-pinoana azy ireo izany. Nanitikitika ny sain’i Grace anefa ilay izy. Rehefa tonga indray ny Vavolombelona, dia tsy niafina intsony izy, fa niresaka tamin’izy ireo ary naka ilay boky. Nanomboka nianatra Baiboly izy, ary natao batisa tamin’ny 1996. Izao i Grace dia mampiasa ny fotoanany, mba hitadiavana ireo olona izay mety ho nilazana zavatra diso momba ny Vavolombelon’i Jehovah.

Izao no fotoana hanatanjahana ny finoanao

18. Nahoana isika no mila manatanjaka ny finoantsika dieny mbola tsy misy fitsapana mafy, ary ahoana no anaovantsika izany?

18 Izao isika no mila manatanjaka ny finoantsika, satria mety hamely tampoka i Satana, ka hahatonga antsika hankahalaina tsy amin’ny antony. Ahoana àry no hanatanjahana ny finoana? Izao no voalaza tao amin’ny tatitra voaray avy tany amin’ny tany iray nanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah: “Niharihary fa izay nanana fahazarana tsara sy nankasitraka lalina ny fahamarinana ara-baiboly, no tsy nivadika na dia nisy fitsapana aza. Ireo tapatapaka tamin’ny fivoriana sy ny fitoriana, ary nanaiky lembenana tamin’ny zavatra tsy dia nanao ahoana loatra kosa tamin’ny fotoana tsy nisian’ny fanenjehana, dia lavo matetika rehefa tratran’ny fitsapana ‘mivaivay.’ ” (2 Timoty 4:2) Raha tsapanao fa mbola mila mihatsara ianao amin’ny lafiny sasany, dia aza mitaredretra, fa miezaha avy hatrany hanao izany fanatsarana izany.—Salamo 119:60.

19. Inona no vokany, rehefa tsy mivadika ny mpanompon’Andriamanitra, na dia ankahalaina tsy ara-drariny aza?

19 Ny tsy fivadihan’ny tena mpivavaka, izay mijaly noho ny fankahalan’i Satana, dia manaporofo fa manana zo hitondra i Jehovah, mendrika izany izy, ary mahasoa ny fitondrany. Mampifaly ny fony ny fahatokian’ireo olona ireo. Na manaratsy azy ireo toy inona aza ny olona, dia “tsy menatra ny amin’izy ireo Andriamanitra”, ilay manamboninahitra indrindra eran’izao rehetra izao. “Eny, tsy menatra hantsoina hoe Andriamaniny” izy. Azo lazaina mihitsy aza fa “tsy mendrika [an’ireo olo-mahatoky rehetra ireo] izao tontolo izao.”—Hebreo 11:16, 38.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Mifono heviny maromaro ny teny hoe “mankahala” ao amin’ny Soratra Masina. Midika fotsiny hoe tsy dia tia loatra izy io indraindray. (Genesisy 29:31, 33) Mety hidika koa izy io hoe tsy tia mainty, nefa tsy manan-kevitra hanisy ratsy, fa manalavitra ilay zavatra na olona ankahalaina, satria mihevitra azy io ho maharikoriko. Mety hilaza fihetseham-po lalina sy maharitra koa anefa ny hoe “mankahala”, ka mety hidika hoe mitsangana ho fahavalo sady matetika no mitady hanisy ratsy. Io heviny farany io no hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no mahatonga ny tena mpivavaka hankahalaina tsy amin’ny antony?

• Ahoana no nanaratsian’i Satana an’i Joba sy Jesosy, mba hitaomana azy ireo hivadika?

• Ahoana no anatanjahan’i Jehovah antsika mba tsy hivadika, na dia ankahalain’i Satana aza?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 16]

Azon’izy Ireo Tsara Ilay Raharaha

Voarara nandritra ny 50 taona mahery ny fitoriana ilay Fanjakana tany Ukraine. Hoy ny Vavolombelon’i Jehovah iray mipetraka any: “Tsy ny fomba nitondran’ny olona ny Vavolombelon’i Jehovah fotsiny no tokony hifantohana, rehefa mieritreritra ny zavatra nanjo azy ireo. ... Tsy nanao afa-tsy ny asany ny ankamaroan’ireo mpiasam-panjakana. Rehefa niova ny fitondram-panjakana, dia niova nanaraka izany izy ireny, fa izahay kosa tsy mba niova. Takatray fa efa nambaran’ny Baiboly ny tena anton’ny zava-tsarotra nahazo anay.”

“Tsy hoe olona tsy manan-tsiny niharan’ny tsindry hazo lena fotsiny no niheveranay ny tenanay. Nanampy anay hiaritra ny fahatakarana mazava an’ilay raharaha niadian-kevitra tany Edena, dia ny zon’Andriamanitra hitondra. ... Niaiky izahay fa tsy ny tombontsoan’ny olombelona fotsiny no voakasika amin’io raharaha io, fa ny tombontsoan’ilay Tompon’izao rehetra izao koa. Lalina kokoa ny fahatakaranay ireo raharaha tafiditra. Nanatanjaka anay izany, ka nahatonga anay tsy hivadika mihitsy, na dia tao anatin’ny fitsapana faran’izay mafy aza.”

[Sary]

Victor Popovych, nosamborina tamin’ny 1970

[Sary, pejy 13]

Iza no nahatonga ny fanaratsiana an’i Jesosy?

[Sary, pejy 15]

Nanohana ny zon’i Jehovah hitondra i Joba sy Maria ary ny mpanompony ankehitriny, toa an’i Stanley Jones