Ilay Sahisahy ‘Mirenireny Noho ny Filazantsara’
Ilay Sahisahy ‘Mirenireny Noho ny Filazantsara’
VOALAZA fa nahay fiteny 12 i George Borrow teo amin’ny faha-18 taonany, ary “nahay tsara” nandika fiteny 20 izy, roa taona taorian’izany.
Nasaina ho any Londres, any Angletera, io manam-pahaizana niavaka io tamin’ny 1833, teo amin’ny faha-30 taonany, mba hoadinadinin’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Britanika sy Vahiny. Tapa-kevitra ny hanararaotra an’io fahafahana io izy, na dia tsy nanam-bola hatao saran-dalana aza. Nandeha an-tongotra 180 kilaometatra avy tao Norwich tanànany izy, ary nanao izany tao anatin’ny 28 ora monja.
Nohazavain’ny Fikambanana Mampiely Baiboly taminy ny momba ny asa sarotra iray, dia ny fianarana fiteny mandchou, ampiasaina any amin’ny faritra maromaro any Chine, tao anatin’ny enim-bolana. Nangataka boky momba ny fitsipi-pitenenana izy, nefa ny Filazantsaran’i Matio amin’ny teny mandchou sy diksionera mandchou-frantsay ihany no mba azon’izy ireo nomena azy. Tao anatin’ny dimy volana latsaka kely anefa, dia nanoratra ho an’ilay fikambanana izy hoe: “Voafehiko tsara ny mandchou [noho ny] fanampian’Andriamanitra.” Vao mainka nahatalanjona ilay zava-bitany, satria nanitsy ny Filazantsaran’i Lioka tamin’ny teny nahuatl koa izy. Iray amin’ireo teny ampiasain’ny teratany meksikanina io fiteny io.
Baiboly tamin’ny teny mandchou
Tamin’ny taonjato faha-17 no natao an-tsoratra voalohany ny teny mandchou, ka ny endri-tsoratry ny Mongol Uighur no abidy nampiasaina. Avy hatrany ilay izy dia lasa fiteny fampiasan’ny manam-pahefana sinoa. Tsy nampiasaina firy intsony izy io, rehefa nandeha ny fotoana. Na izany aza, dia mbola maika hanao pirinty sy hizara Baiboly amin’ny fiteny mandchou ilay fikambanana. Izy ireo no nanome vola hanontana Filazantsaran’i Matio niisa 550, nadikan’i Stepan Lipoftsoff tamin’ny teny mandchou, tamin’ny 1822. Mpiasan’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Rosianina izy, ary efa nipetraka tany Chine nandritra ny 20 taona. Tany Saint-Pétersbourg ilay izy no natao pirinty. Vao ny vitsivitsy tamin’ilay izy anefa no voazara, dia efa simban’ny tondra-drano ny ambiny.
Vita tsy ela taorian’izay ny Soratra Grika Kristianina manontolo. Nitombo ny fahalianana amin’ny Baiboly tamin’ny 1834, rehefa hita ny sora-tanana tranainy mirakitra ny ankamaroan’ny Soratra Hebreo. Iza no afaka handrindra ilay asa hanavaozana ny Baiboly amin’ny teny mandchou, sy hamita ilay fandikan-teny? I George Borrow no nirahin’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Britanika sy Vahiny hanao izany.
Hankany Rosia
Nanokana fotoana hianarana bebe kokoa ny mandchou i Borrow rehefa tonga tany Saint-Pétersbourg, hahafahany hanitsy ireo andinin-teny amin’ny fomba marina kokoa. Nila ezaka mafy anefa ilay asa, ary niasa mafy nandritra ny
adiny 13 teo ho eo isan’andro izy, mba hanampiana teo amin’ny fanamboarana lohavỳ ho an’ny Testamenta Vaovao. Nolazalazaina ho “asa soratra kanto tatsinanana” izy io, tatỳ aoriana. Arivo tamin’izy io no natao pirinty tamin’ny 1835. Tsy afaka nitondra azy ireo ho any Chine sy hizara azy ireo tany anefa i Borrow. Natahotra mantsy ny fitondram-panjakana rosianina sao hoheverina ho asa misionera izany, ka hanimba tsy amin’ny antony ny fihavanana tsara nananany tamin’i Chine. Tsy nety nanome alalana an’i Borrow mba ho any amin’ny sisin-tanin’i Chine àry izy ireo, raha toa i Borrow ka nitondra “na dia iray aza tamin’ireo Baiboly amin’ny teny mandchou.”Nisy vitsivitsy tamin’ilay Baiboly anefa nozaraina, folo taona teo ho eo tatỳ aoriana. Nivoaka tamin’ny 1859 kosa ny Filazantsaran’i Matio sy Marka, izay nisy karazana tabilao. Teo amin’ny andaniny iray ny teny mandchou ary teo ankilany kosa ny teny sinoa. Naleon’ireo afaka namaky ny mandchou anefa namaky ny teny sinoa, ka nihavery an-javona ny fanantenana hahazo Baiboly iray manontolo tamin’ny teny mandchou. Efa nihavitsy mpampiasa raha ny marina ny mandchou, ka efa hisolo azy ny teny sinoa. Tsy nampiasaina intsony àry ilay fiteny tamin’ny 1912, rehefa lasa repoblika i Chine.
Portogaly sy Espaina
Nahazo traikefa tamin’ny zavatra niainany i George Borrow ka niverina tany Londres. Nasaina ho any Portogaly sy Espaina indray izy tamin’ny 1835, mba “hahitana tsara ny fahavononan’ny olona handray ny fahamarinan’ny Kristianisma”, araka ny nilazany azy. Mbola tsy voakasiky ny Fikambanana Mampiely Baiboly Britanika sy Vahiny ireo firenena roa ireo tamin’izany, satria nisy hotakotaka be tany. Faly erỳ i Borrow niresaka momba ny Baiboly tamin’ireo Portogey nonina tany ambanivohitra. Tsy ela anefa dia nanosika azy handeha ho any Espaina, ny tsy firaikan’ny olona tamin’ny fivavahana.
Niatrika zava-tsarotra izy tany Espaina, indrindra fa teo amin’ireo Tziganes. Vetivety anefa izy dia niraiki-po tamin’ireo satria nahay ny fiteniny. Nanomboka nandika ny “Testamenta Vaovao” ho amin’ny fitenin’ny Tziganes espaniola izy raha vao tonga kelikely tany. Nisy ampahany tamin’izany nanasany vehivavy tziganes roa hanampy azy. Novakiny aloha ny dikan-teny espaniola, ary nasainy nadikan’izy ireo. Izany no nahaizany ny fomba fampiasa an’ireo oha-pitenenan’ny Tziganes. Nivoaka tamin’ny 1838 àry ny Filazantsaran’i Lioka, ka nahatonga ny eveka iray hilaza toy izao momba an’i Borrow: “Hiova finoana ny any Espaina manontolo, noho ny fampiasany ny fitenin’ny Tziganes.”
Nomena alalana hitady “olona mahay mba handika ny Soratra Masina amin’ny teny basque, i George Borrow.” Nanoratra i Borrow hoe ny Dokotera Oteiza “no nasaina nanao ilay asa, satria tena hainy io fitenim-paritra io, ary izaho koa aza mba mahita rirany kely amin’izy io.” Ny Filazantsaran’i Lioka no lasa boky ao amin’ny Baiboly voalohany voadika amin’ny teny basque espaniola, tamin’ny 1838.
Tena te hampianatra ny sarambaben’olona i Borrow, ka matetika no nanao dia lavitra sy sarotra
tany ambanivohitra, mba hizarana boky ao amin’ny baiboly tamin’ny mahantra. Tiany ny hanafaka azy ireo tamin’ny finoanoam-poana sy ny tsy fahafantarana na inona na inona momba ny fivavahana. Naharihariny fa tsy misy dikany ny nanomezana vola hahazoana famelan-keloka, ka nampisaintsaininy toy izao izy ireo: “Mety hanaiky ny fanomezam-bola hahazoana famelan-keloka ve ilay Andriamanitra tsara?” Natahotra anefa ny Fikambanana Mampiely Baiboly, sao hitarika ho amin’ny fandrarana ny asany ny fanakianana toy izany, ka nasainy nifantoka tamin’ny fizarana Baiboly fotsiny i Borrow.Nahazo alalana am-bava i Borrow mba hanao pirinty ny El Nuevo Testamento, na Testamenta Vaovao espaniola, tsy misy an’ireo fanazavana ny foto-pinoan’ny Katolika. Nahazo io alalana io izy, na dia nanohitra izany aza ny praiminisitra tamin’ny voalohany, ka nilaza fa “boky tsy ara-dalàna” sady mampidi-doza ny fandikan-teny toy izany. Nanokatra trano fanatobiana entana tany Madrid i Borrow avy eo, mba hivarotana io Testamenta Vaovao amin’ny teny espaniola io. Izany no nampifanditra azy tamin’ireo mpitondra fivavahana sy manam-pahefana. Nampidirina am-ponja nandritra ny 12 andro izy. Nasaina niala mangingina i Borrow, rehefa tsy nanaiky an’izany. Fantany tsara fa tsy ara-dalàna ny fampidirana am-ponja azy. Niresaka momba ny ohatry ny apostoly Paoly àry izy, ary nifidy ny hijanona tao mandra-panafaka azy madiodio, tsy nisy fanalam-baraka.—Asan’ny Apostoly 16:37.
Ny Fikambanana Mampiely Baiboly no naniraka an’i Borrow, ka afaka nilaza toy izao izy ireo tamin’ny 1840, rehefa nandao an’i Espaina ilay iraka be zotom-po: “Baiboly 14 000 teo ho eo no voaely tany Espaina tao anatin’ny dimy taona.” Nandray anjara lehibe tamin’izany i Borrow, ary namintina ny zavatra niainany tany Espaina ho ny ‘taona nahafaly indrindra teo amin’ny fiainany.’
Tamin’ny 1842 no natonta voalohany ilay boky hoe Ny Baiboly any Espaina, ary mbola mitohy hatramin’izao ny fanontana azy io. Tantarain’i George Borrow amin’ny fomba velombelona ao amin’io boky io ny dia nataony sy ireo zavatra niavaka niainany. Nahaliana ny olona avy hatrany ilay boky, raha vao nivoaka. Nilaza ny tenany ho “mpirenireny noho ny Filazantsara” izy tao. Hoy ny nosoratany: “Nikasa hitsidika an’ireo faritra mitokana sy miafina any amin’ireo havoana sy tendrombohitra aho, mba hiresahana amin’ny olona momba an’i Kristy, amin’ny fomba firesako.”
Nafana fo tamin’ny fizarana sy fandikana ny Baiboly i Borrow. Tamin’izany àry no nametrahany fototra ho an’ireo hanohy io asa io, ary tombontsoa sarobidy tokoa no azony!
[Sarintany, pejy 29]
(Jereo ny gazety)
Niala avy tany 1) Angletera, i George Borrow mba handika sy hizara Baiboly tany: 2) Rosia, 3) Portogaly, ary 4) Espaina
[Sary nahazoan-dalana]
Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.
[Sary, pejy 28]
Teny fampidirana ny Filazantsaran’i Jaona amin’ny teny mandchou, natao pirinty tamin’ny 1835, vakina midina, avy any ankavia miankavanana
[Sary nahazoan-dalana]
Avy amin’ny boky The Bible of Every Land, 1860
[Sary nahazoan-dalana, pejy 27]
Avy amin’ny boky The Life of George Borrow, nataon’i Clement Shorter, 1919