Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jehovah no ‘Fiarovana Mafy ho Antsika Amin’ny Andro Fahoriana’

Jehovah no ‘Fiarovana Mafy ho Antsika Amin’ny Andro Fahoriana’

Jehovah no ‘Fiarovana Mafy ho Antsika Amin’ny Andro Fahoriana’

“Ny famonjena ny marina dia avy amin’i Jehovah; fiarovana mafy ho azy amin’ny andro fahoriana Izy.”—SALAMO 37:39.

1, 2. a) Inona no nangatahin’i Jesosy ho an’ny mpianany rehefa nivavaka izy? b) Inona no irin’Andriamanitra ho an’ny vahoakany?

HERY fara tampony i Jehovah. Manan-kery hiarovana ny mpanompony mahatoky izy, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Azony atoka-monina any amin’ny toerana milamina mihitsy aza ny vahoakany, mba tsy hiharoharo amin’ity tontolo ity. Izao anefa no nangatahin’i Jesosy ho an’ny mpianany, tamin’izy nivavaka tamin’ny Rainy tany an-danitra: “Tsy ny hanalanao azy eto amin’izao tontolo izao no angatahiko, fa ny mba hiarovanao azy amin’ilay ratsy.”—Jaona 17:15.

2 Tsy nanala antsika ‘teto amin’izao tontolo izao’ i Jehovah. Iriny kosa ny hiarahantsika miaina amin’ny olon-drehetra, mba hitoriantsika ilay hafatra mahavelom-panantenana sy mampionona avy aminy. (Romanina 10:13-15) Te hilaza anefa i Jesosy tao amin’ilay vavaka, fa ho mora amin’ilay “ratsy” ny hanafika antsika, noho isika miaina eto amin’ity tontolo ity. Miteraka fijaliana sy alahelo be ny ataon’ny olona tsy mankatò sy ny anjely ratsy, ary iharam-pahoriana koa ny Kristianina.—1 Petera 5:9.

3. Inona no tsy maintsy atrehin’ny mpanompon’i Jehovah mahatoky, nefa inona no fampaherezana omen’ny Teniny?

3 Tsy mahagaga raha kivy isika indraindray, rehefa iharam-pitsapana toy izany. (Ohabolana 24:10) Hita ao amin’ny Baiboly ny tantaran’ny olona maro be nahatoky, izay niharam-pahoriana. “Maro ny fahorian’ny marina”, hoy ny mpanao salamo, “nefa Jehovah manafaka azy amin’izany rehetra izany.” (Salamo 34:19) Na “ny marina” tokoa aza dia tojo zava-manahirana. Mety ‘ho marikoditra sady ho torovana indrindra’ mihitsy aza isika indraindray, toa an’i Davida, mpanao salamo. (Salamo 38:8) Mampahery anefa ny mahalala fa “akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy.”—Salamo 34:18; 94:19.

4, 5. a) Inona no tsy maintsy ataontsika mba harovan’Andriamanitra, araka ny Ohabolana 18:10? b) Inona avy ireo dingana azontsika atao mba hanampian’Andriamanitra antsika?

4 Miaro antsika tokoa i Jehovah, araka ilay vavaka nataon’i Jesosy. “Fiarovana mafy” ho antsika izy “amin’ny andro fahoriana.” (Salamo 37:39) Milaza mihitsy aza ny Ohabolana hoe: “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.” (Ohabolana 18:10) Asehon’io andinin-teny io fa miahy lalina ny zavaboariny i Jehovah. Asongadin’izy io fa ny olo-marina no tena arovany, rehefa manao zavatra hitadiavana azy, toy ny hoe mihazakazaka mitady fiarovana ao amin’ny tilikambo mafy.

5 Ahoana no hihazakazahantsika any amin’i Jehovah mba harovany, rehefa misy olana mampahory antsika? Handinika dingana telo lehibe azontsika atao isika, mba hanampiany antsika. Voalohany, tsy maintsy mivavaka amin’ilay Raintsika any an-danitra isika. Faharoa, tsy maintsy ekentsika ny tari-dalan’ny fanahiny masina. Ary fahatelo, tsy maintsy miaraka amin’ny Kristianina hafa, izay afaka manamaivana ny fahoriantsika isika. Anisan’ny fomba anampian’i Jehovah antsika koa mantsy izany.

Ny herin’ny vavaka

6. Ahoana no fiheveran’ny tena Kristianina ny vavaka?

6 Misy manam-pahaizana mampirisika ny olona hivavaka, mba hiadiana amin’ny fahaketrahana sy ny adin-tsaina. Marina fa mety hanamaivana ny adin-tsaina ny fisaintsainana mangina, toy ny rehefa mivavaka. Kanefa mety hahatsapa izany koa isika, rehefa miotra na mandre siokam-borona na zavaboary hafa any ambanivohitra. Tsy manamaivan-danja ny vavaka, na mihevitra azy io ho fampitonena saina fotsiny, ny tena Kristianina. Resaka feno fanajana amin’ilay Andriamanitra Mpamorona kosa izy io, ary maneho ny fifikirantsika aminy sy ny fatokisantsika azy. Tena anisan’ny fanompoantsika azy ny vavaka.

7. Inona no dikan’ny hoe matoky an’i Jehovah rehefa mivavaka, ary nahoana izany no manampy antsika hizaka fahoriana?

7 Tsy maintsy matoky an’i Jehovah isika, rehefa mivavaka aminy. Hoy ny apostoly Jaona: “Izao no toky ananantsika ny amin’Andriamanitra: Na inona na inona angatahintsika mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.” (1 Jaona 5:14) Tena mihaino ny vavaka avy amin’ny fo ataon’ny mpanompony i Jehovah, ilay Avo Indrindra, izay hany Andriamanitra marina sy manana ny hery fara tampony. Mampahery na dia ny mahafantatra fotsiny aza hoe mihaino antsika ilay Andriamanitsika be fitiavana, rehefa mamboraka aminy ny olana sy ny fanahiantsika isika.—Filipianina 4:6.

8. Nahoana ny Kristianina mahatoky no tsy tokony ho menamenatra, na hahatsiaro tena ho tsy mendrika hivavaka amin’i Jehovah?

8 Tsy tokony ho menamenatra, na hahatsiaro tena ho tsy mendrika, na hisalasala mihitsy ny Kristianina mahatoky, rehefa hivavaka amin’i Jehovah. Marina fa mety tsy te hivavaka isika, rehefa diso fanantenana amin’ny tenantsika, na tototry ny zava-manahirana. Amin’ireny fotoana ireny anefa isika no tokony hitadidy fa “mamindra fo amin’ny olony mahantra” i Jehovah, sady “mampionona an’ireo naetry.” (Isaia 49:13; 2 Korintianina 7:6) Rehefa malahelo sy ory indrindra isika, no mila miantehitra amin’ilay Raintsika any an-danitra, izay toy ny tilikambo mafy.

9. Nahoana no ilaina ny finoana rehefa mivavaka?

9 Tsy maintsy manana ny tena finoana isika, raha te handray soa feno avy amin’ny vavaka. Milaza ny Baiboly fa “izay manatona [an’Andriamanitra] dia tsy maintsy mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady azy fatratra.” (Hebreo 11:6) Tsy ampy fotsiny anefa ny mino hoe “misy” Andriamanitra. Mila miaiky koa isika fa afaka mamaly soa antsika sy maniry hanao izany izy, raha mankatò isika. “Ny mason’i Jehovah dia eo amin’ny olo-marina, ary ny sofiny mihaino ny fitalahoany.” (1 Petera 3:12) Lasa misy heviny manokana ny vavaka ataontsika, rehefa tadidintsika foana fa miahy sy tia antsika i Jehovah.

10. Tokony hanao ahoana ny vavaka ataontsika mba hanohanan’i Jehovah antsika?

10 Mihaino i Jehovah, rehefa mivavaka amin’ny fo manontolo isika. Hoy ny mpanao salamo: “Ny foko rehetra no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, Jehovah ô.” (Salamo 119:145) Tsy fombafomba na atao amim-pahazarana fotsiny, toy ny fahita any amin’ny fivavahana maro, ny vavaka ataontsika, fa vokatry ny fo. Misy heviny lalina ny teny ataontsika, rehefa mivavaka amin’i Jehovah ‘amin’ny fo rehetra’ isika. Manomboka mahatsiaro ho maivamaivana isika, rehefa mametraka aminy toy izany ny ‘entantsika.’ “Izy no hanohana” antsika, araka ny ampanantenain’ny Baiboly.—Salamo 55:22; 1 Petera 5:6, 7.

Manampy antsika ny fanahin’Andriamanitra

11. Ahoana no amalian’i Jehovah antsika, rehefa ‘mangataka hatrany’ ny fanampiany isika?

11 Tsy hoe Mpihaino vavaka fotsiny i Jehovah, fa Mpamaly vavaka koa. (Salamo 65:2) Hoy i Davida: “Amin’ny andro fahoriako dia miantso Anao aho, fa mamaly ahy Hianao.” (Salamo 86:7) Nampirisihin’i Jesosy àry ny mpianany mba ‘hangataka hatrany’ ny fanampian’i Jehovah, satria ‘hanome ny fanahy masina an’izay mangataka aminy ilay Ray any an-danitra.’ (Lioka 11:9-13) Manampy na mampionona ny vahoakan’Andriamanitra tokoa io hery ampiasainy io.—Jaona 14:16.

12. Hazavao ny fomba anampian’ny fanahin’Andriamanitra antsika, rehefa toa mavesatra loatra ny olana atrehintsika.

12 Afaka manome antsika “hery fanampiny” ny fanahin’Andriamanitra, na dia iharam-pitsapana aza isika. (2 Korintianina 4:7) Betsaka ny zavatra nampiady saina ny apostoly Paoly, nefa tsy nisalasala izy nilaza hoe: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.” (Filipianina 4:13) Kristianina maro koa ankehitriny no mahatsapa fa omen’i Jehovah tanjaka sy herin-tsaina, rehefa mitalaho aminy. Matetika no toa tsy dia mavesatra loatra intsony ny olana mampahory antsika, rehefa mahazo ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra isika. Noho izany hery omen’Andriamanitra izany, dia afaka milaza toy ilay apostoly isika hoe: “Voageja amin’ny lafiny rehetra izahay, nefa tsy hoe tery loatra ka tsy afa-mihetsika. Very hevitra izahay, nefa tsy hoe tsy misy lalan-kivoahana mihitsy. Enjehina izahay, nefa tsy afoy. Azera izahay, nefa tsy maty.”—2 Korintianina 4:8, 9.

13, 14. a) Ahoana no iarovan’i Jehovah antsika amin’ny alalan’ny Teniny? b) Manomeza ohatra mampiseho fa nanampy anao ny toro lalan’ny Baiboly.

13 Tamin’ny alalan’ny fanahy masina koa no nanoratana sy niarovana ny Tenin’Andriamanitra, mba hahasoa antsika. Ahoana no iarovan’i Jehovah antsika amin’ny alalan’ny Teniny, rehefa misy mahory antsika? Omeny ny tena fahendrena sy fisainana mazava isika. (Ohabolana 3:21-24) Mampiofana antsika ny Baiboly, mba hampiasa ny saintsika sy hahay hieritreritra kokoa. (Romanina 12:1) Afaka manana “fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy” isika, rehefa mamaky sy mianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra ary mampihatra azy io. (Hebreo 5:14) Ianao mihitsy angamba no efa nahatsapa fa nanampy anao handray fanapahan-kevitra tsara ny toro lalan’ny Baiboly, tao anatin’ny fotoan-tsarotra. Manome antsika ny fahendrena ilaina mba hamahana ny olana mampahory antsika izy io.—Ohabolana 1:4.

14 Manome hery fanampiny ho antsika koa ny Tenin’Andriamanitra, dia ny fanantenana famonjena. (Romanina 15:4) Milaza ny Baiboly fa tsy hitohy mandrakizay ny faharatsiana, ka na inona na inona fahoriantsika, dia mihelina ihany izany. (2 Korintianina 4:16-18) Mivelatra eo anoloantsika ny “fiainana mandrakizay, izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga, eny, efa nampanantenainy hatry ny ela be.” (Titosy 1:2) Hahavita hiaritra fahoriana isika, raha mifaly amin’io fanantenana io, sy mitadidy foana ilay hoavy sambatra ampanantenain’i Jehovah.—Romanina 12:12; 1 Tesalonianina 1:3.

Maneho fitiavana amin’ny alalan’ny fiangonana Andriamanitra

15. Ahoana no ahafahan’ny Kristianina mifanampy?

15 Fomba hafa anampian’i Jehovah antsika amin’ny andro fahoriana koa ny fiangonana kristianina. Hoy ny Baiboly: “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.” (Ohabolana 17:17) Mampirisika ny rehetra eo anivon’ny fiangonana ny Tenin’Andriamanitra mba hifanome voninahitra sy hifankatia. (Romanina 12:10) Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka ny tsirairay hitady mandrakariva, tsy izay hahasoa ny tenany, fa izay hahasoa ny hafa.” (1 Korintianina 10:24) Hanampy antsika hifantoka amin’izay ilain’ny hafa izany toe-tsaina izany, fa tsy amin’ny fitsapana mahazo antsika. Tsy hoe manasoa ny hafa fotsiny isika rehefa manampy azy ireo, fa faly sy afa-po koa, hany ka mora zakaina kokoa izay manavesatra antsika.—Asan’ny Apostoly 20:35.

16. Ahoana no ahafahan’ny Kristianina tsirairay mampahery ny hafa?

16 Afaka mandray anjara lehibe amin’ny fampaherezana ny hafa, ny lehilahy sy vehivavy matotra. Mba hahafahany hanao izany, dia vonon-kanampy izy ireo, ary ataony izay hahatonga ny olona tsy hisalasala hanatona azy. (2 Korintianina 6:11-13) Tena mandray soa ny fiangonana, rehefa maka fotoana hiderana ny tanora ary hampaherezana ny vaovao sy ny kivy, ny rehetra. (Romanina 15:7) Tsy hifampiahiahy koa isika satria mifankatia toy ny mpirahalahy. Tsy tokony hanatsoaka hevitra avy hatrany isika hoe malemy ara-panahy ny olona iray, matoa manan-java-manahirana. Nampirisika ny Kristianina kosa i Paoly mba “hanao teny mampahery ny kivy.” (1 Tesalonianina 5:14) Asehon’ny Baiboly fa iharam-pahoriana na dia ny Kristianina mahatoky aza.—Asan’ny Apostoly 14:15.

17. Rahoviana ny Kristianina no afaka manamafy ny firahalahiany?

17 Azontsika hararaotina tsara ny fivoriana kristianina mba hifampiononana sy hifampaherezana. (Hebreo 10:24, 25) Tsy any am-pivoriana ihany anefa ny vahoakan’Andriamanitra no afaka manao izany, fa afaka mifampahery koa izy ireo amin’ny fotoana hafa. Raha manao izany isika, dia ho vonona hifanampy avy hatrany rehefa tojo zava-tsarotra, satria efa lasa mpinamana akaiky. Hoy ny apostoly Paoly: “Tsy hisy fisaratsarahana eo amin’ny vatana, fa mba hifampiahy ireo rantsany. Ary raha mijaly ny rantsambatana iray, dia miara-mijaly aminy ny rantsambatana rehetra, ary raha misy rantsambatana omem-boninahitra, dia miara-mifaly aminy ny rantsambatana rehetra.”—1 Korintianina 12:25, 26.

18. Inona no tokony hohalavirina rehefa mahatsiaro ho kivy isika?

18 Mety hahatsiaro ho kivy tanteraka isika indraindray, ka tsy te hiaraka amin’ny Kristianina hafa. Tokony hifehy ny fihetseham-po toy izany isika. Raha tsy izany mantsy, dia tsy afaka hampionona sy hanampy antsika ny mpiray finoana amintsika. Mampitandrina antsika ny Baiboly hoe: “Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.” (Ohabolana 18:1) Miahy sy maneho fitiavana antsika amin’ny alalan’ireo rahalahy sy anabavintsika Andriamanitra. Hahita fanamaivanana amin’ny fotoam-pahoriana isika raha miaiky izany.

Ny lafy tsaran-javatra foana jerena

19, 20. Ahoana no anampian’ny Soratra Masina antsika mba tsy hijery lafy ratsin-javatra?

19 Mora erỳ ny tsy hijery afa-tsy lafy ratsin-javatra, rehefa kivy na malahelo isika. Mety hanomboka hisalasala, ohatra, ny sasany ka hihevitra fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra izy, matoa manana olana. Tadidio anefa fa tsy mitsapa na iza na iza “amin-javatra ratsy” i Jehovah. (Jakoba 1:13) “Tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak’olombelona”, hoy ny Baiboly. (Fitomaniana 3:33) Malahelo mafy kosa izy rehefa mijaly ny mpanompony.—Isaia 63:8, 9; Zakaria 2:12.

20 “Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra” i Jehovah. (2 Korintianina 1:3) Miahy antsika izy, sady hanandratra antsika amin’ny fotoana voatondro. (1 Petera 5:6, 7) Hahay hijery lafy tsaran-javatra isika, ary hifaly mihitsy aza, raha mitadidy foana fa tia antsika Andriamanitra. Hoy i Jakoba: “Rehefa tojo fitsapana maro samihafa ianareo, ry rahalahiko, dia raiso ho fifaliana lehibe izany.” (Jakoba 1:2) Nahoana? Namaly izy hoe: “Satria rehefa ankasitrahana izy, dia hahazo ny satroboninahitry ny fiainana, izay nampanantenain’i Jehovah an’ireo tia azy mandrakariva.”—Jakoba 1:12.

21. Inona no toky omen’Andriamanitra an’ireo tsy mivadika aminy, na dia miatrika zava-tsarotra aza izy ireo?

21 Efa nampitandrina i Jesosy fa hahita fahoriana isika eto amin’ity tontolo ity. (Jaona 16:33) Mampanantena anefa ny Baiboly fa tsy hisy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Jehovah sy ny Zanany, na ‘fahoriana, na fijaliana, na fanenjehana, na hanoanana, na fitanjahana, na loza.’ (Romanina 8:35, 39) Mampahery tokoa ny mahalala fa mihelina daholo izay fahoriana mianjady amintsika! Ary miaro antsika i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana, eo am-piandrasantsika ny fifaranan’ny fijaliana. Raha mihazakazaka mitady fiarovana any aminy isika, dia “ho fiarovana avo ho an’ny mahantra”, sy “ho fiarovana avo amin’ny andro fahoriana Izy.”—Salamo 9:9.

Inona no Nianarantsika?

• Inona no tokony hampoizin’ny Kristianina miaina eto amin’ity tontolo ratsy ity?

• Nahoana no manatanjaka antsika ny mivavaka mafy rehefa tojo fitsapana?

• Ahoana no anampian’ny fanahin’Andriamanitra antsika?

• Inona no azontsika atao mba hifanampiana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

Tsy maintsy mitady an’i Jehovah isika, toy ny hoe mihazakazaka ho any amin’ny tilikambo mafy

[Sary, pejy 20]

Manararaotra ny fotoana rehetra ny Kristianina matotra mba hiderana sy hampaherezana ny hafa