Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandre ny Vaovao Tsara Ireo Teratany any Meksika

Mandre ny Vaovao Tsara Ireo Teratany any Meksika

Mandre ny Vaovao Tsara Ireo Teratany any Meksika

NIARA-NIVORY tany San Miguel, any Quetzaltepec, ny Mixe maromaro, anisan’ireo teratany meksikanina, ny 10 Novambra 2002. Any atsimon’ny fanjakana kanton’i Oaxaca no misy ny tanànan’i San Miguel, ary fivoriamben’ny vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah no natrehin’izy ireo. Fampisehoana tantara iray no nisongadina tamin’ny fandaharana maraina.

Gaga be ny mpihaino rehefa nandre ireo teny voalohany tamin’ilay fampisehoana. Nitehaka mafy be izy ireo, ary maro no nitomany. Natao tamin’ny fiteny mixe mantsy ilay fampisehoana tantara! Maro no naneho fankasitrahana lalina an’io fitahiana tsy nampoizina io, rehefa nifarana ilay izy. Hoy ny vehivavy iray: “Sambany vao mba azoko tsara ny fampisehoana tantara. Tena nanohina ny foko ilay izy.” Hoy koa ny iray hafa: “Tsy mampaninona na ho faty aza aho izao, satria efa nataon’i Jehovah izay handrenesako ny fampisehoana tantara amin’ny fiteninay.”

Anisan’ny vokatry ny ezaka mafy ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika ny zava-niseho tamin’iny maraina iny. Vao haingana tokoa mantsy izy ireo no niezaka nizara ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana tamin’ireo teratany.—Matio 24:14; 28:19, 20.

Nihaino vavaka i Jehovah

Misy enina tapitrisa mahery ireo teratany meksikanina, ka ampy ho tonga firenena manana kolontsaina maro sy fiteny 62. Olona iray hetsy mahery no mampiasa ny tsirairay amin’ny 15 amin’ireo fiteny ireo. Ny iray tapitrisa mahery amin’ireo teratany no tsy mahay miteny espaniola, nefa izy io no fiteny ofisialy any Meksika. Misy ihany ny mahay miteny espaniola, nefa mora kokoa amin’ny ankamaroan’izy ireny ny mianatra ny fahamarinana amin’ny fitenin-drazany. (Asan’ny Apostoly 2:6; 22:2) Nisy efa nianatra Baiboly sy nivory tsy tapaka nandritra ny taona maro, nefa kely ihany ny zavatra takany. Nataon’izy ireo antom-bavaka àry ny handraisany ny hafatry ny fahamarinana amin’ny fiteniny.

Nanao zavatra ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika, na dia sarotra aza ny fanatanterahana izany. Nanomboka natao tamin’ny fitenin’ireo teratany àry ny fivorian’ny fiangonana, tamin’ny 1999. Nisy ekipana mpandika teny koa noforonina. Natao tamin’ny fiteny maya ny fampisehoana tantara tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, tamin’ny taona 2000, ary tamin’ny fiteny maromaro hafa tatỳ aoriana.

Ny fandikana ireo boky fianarana Baiboly no dingana manaraka natao. Ny bokikely Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay! no nadika voalohany tamin’ny fiteny huave, maya, mazatec, totonac, tzeltal, ary tzotzil. Nisy zavatra hafa koa nadika taorian’io, anisan’izany Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, navoaka tsy tapaka tamin’ny fiteny maya. Natao kasety koa ny boky aman-gazety sasany. Ampifanarahina amin’izay ilaina eo an-toerana ny bokikely Miezaha Mamaky Teny sy Manoratra mba hampianarana ireo teratany. Amin’ny fiteny 15 ampiasain’ny teratany izao no amoahana ireo boky ara-baiboly, ary mbola hisy havoaka amin’ny fiteny hafa koa.

“Miezaka mafy”

Tsy mora ny asa fandikan-teny. Ny antony iray dia satria tena vitsy, na tsy misy mihitsy aza, ny boky tsy ara-pivavahana amin’ny fitenin’ireo teratany meksikanina. Matetika no sarotra ny mahita diksionera, sady mbola manana fitenim-paritra maro koa ny fiteny sasany. Manana fitenim-paritra dimy, fara fahakeliny, ohatra, ny fiteny zapotèque. Lasa tena tsy mitovy izy ireny, ka tsy mifankahazo fiteny ireo Zapotèques avy amin’ny faritra samy hafa.

Ankoatra izany, raha tsy manaraka fitsipi-pitenenana voafaritra tsara ny fiteny iray, dia voatery mamorona ny azy manokana ireo mpandika teny. Mitaky famotopotorana sy fiaraha-midinika be izany. Tsy mahagaga àry raha nitovy fihetseham-po tamin’i Élida, mpandika teny huave, ny ankamaroan’izy ireo, tamin’ny voalohany! Hoy i Élida: “Sady faly aho no natahotra, rehefa nasaina handika teny teto amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, eto Meksika.”

Tsy maintsy mianatra mampiasa ordinatera sy mandamina asa ary mianatra ireo teknikan’ny fandikan-teny koa ny mpandika teny. Somary sarotra tamin’izy ireo ihany ilay asa. Tian’izy ireo ve anefa ilay izy? Hoy i Gloria, anisan’ny mpandika teny maya: “Tena faly izahay mandray anjara amin’ny fandikana ireo boky aman-gazety amin’ny fiteny maya, izay fitenin-drazanay.” Nanao fanamarihana toy izao momba ireo mpandika teny ny mpiandraikitra iray ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny: “Miezaka mafy handresy ny zava-tsarotra izy ireo, satria tena maniry hahazo boky aman-gazety amin’ny fiteniny.” Nahitam-bokatra ve izany?

“Misaotra Jehovah ô!”

Miharihary fa mitahy ny fitoriana eny amin’ny faritra misy ireo teratany i Jehovah. Mitombo be ny isan’ny mpanatrika ireo fivoriana sy fivoriambe kristianina. Tamin’ny 2001, ohatra, dia nivory mba hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy ireo Vavolombelona 223 miteny mixe. Nisy 1 674 anefa ny tontalin’ny mpanatrika, izany hoe avo fito heny sy sasany amin’ny isan’ireo Vavolombelona ireo!

Afaka mahatakatra tsara ny fahamarinana izao ny olona sasany, raha vao manomboka mianatra. Tadidin’i Mirna izay nitranga taminy talohan’ny nisian’ny fivoriana tamin’ny fiteny maya. Hoy izy: “Telo volana aho no nianatra Baiboly dia natao batisa. Fantatro fa tokony hanao io dingana io aho, nefa tsy maintsy ekeko fa tena tsy takatro araka ny tokony ho izy, ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Noho izahay miteny maya, sy ny tsy fahaizako niteny espaniola tsara no nahatonga izany, araka ny hevitro. Elaela ihany vao tena takatro ny fahamarinana.” Faly izy sy ny vadiny ankehitriny satria anisan’ny mpandika teny maya.

Tena fifaliana ho an’ireo fiangonana ny mahazo an’ireo boky sy gazety amin’ny fiteniny. Vao avy nadika tamin’ny fiteny tzotzil ilay bokikely hoe Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay! tamin’izay. Rehefa notolorana an’ilay bokikely ny vehivavy iray vao nanomboka nanatrika ny fivoriana kristianina, dia namihina azy io sady niteny hoe: “Misaotra Jehovah ô!” Asehon’ny tatitra fa maro ny mpianatra ny Baiboly mandroso haingana kokoa ho amin’ny batisa, lasa miverina mitory indray ireo tsy nitory intsony, ary rahalahy maro no mahatsapa fa mahafeno fepetra mba handray andraikitra eo anivon’ny fiangonana. Ankoatra izany, dia vonona kokoa handray sy hianatra boky ara-baiboly ny olona, satria amin’ny fiteniny ilay izy.

Nandeha nampianatra Baiboly ny Vavolombelona iray, indray andro, nefa tsy tratra ilay mpianatra. Ny vadiny no niseho teo am-baravarana, ka saika hamaky fanazavana avy tao amin’ny bokikely iray ilay Vavolombelona. “Aleo ho amin’izao ihany”, hoy ilay lehilahy. Niteny totonac ilay anabavy ka nilaza taminy fa tamin’ny fitenin’izy ireo ilay bokikely. Naka dabilio izy ary nipetraka rehefa nandre izany. Nandritra ny vakitenin’ilay anabavy, dia izao no naverimberin’ilay lehilahy: “Marina izany. Ie, marina izany.” Manatrika fivoriana izao io lehilahy io.

Nanohitra ny fahamarinana ny vadin’ny anabavy iray any Yucatán, ary nikapoka azy indraindray rehefa avy nivory izy. Nanapa-kevitra ny hanasa an’io vadiny io ilay anabavy, rehefa nanomboka natao tamin’ny fiteny maya ny fivoriana. Tonga ilay lehilahy ary tiany ireo fivoriana. Manatrika azy ireny tsy tapaka izy izao, mianatra Baiboly, ary tsy mikapoka ny vadiny intsony, mazava ho azy.

Nilaza tamin’ny Vavolombelona roa ny lehilahy iray miteny totonac, fa tsy mba nivavaka mihitsy izy satria ny vavaka amin’ny fiteny espaniola ihany, hono, no henoin’Andriamanitra, araka ny nolazain’ny pretra. Raha ny marina, dia voatery nanome vola an’ilay pretra izy mba hivavaka ho an’ireo miteny totonac. Nohazavain’ireo Vavolombelona fa mihaino ny vavaka amin’ny fiteny rehetra Andriamanitra. Nomen’izy ireo bokikely tamin’ny fiteny totonac koa ilay lehilahy, ary nandray tsara.—2 Tantara 6:32, 33; Salamo 65:2.

“Kualtsin tajtoua”

Maro ny mpitory ilay Fanjakana no faly mahita izany fandrosoana izany, ka miezaka mianatra fiteny iray ampiasain’ireo teratany, na manatsara ny fahaizany azy io. Izany indrindra no ataon’ny mpiandraikitra ny faritra iray, izay mitsidika fiangonana dimy miteny nahuatl, any avaratr’i Puebla. Hoy izy: “Rehefa miteny nahuatl aho, dia tena lasa mavitribitrika sy mihaino tsara ireo ankizy mpatory teo aloha. Indray mandeha, rehefa vita ny fivoriana, dia nanatona ahy ny ankizilahy kely efa-taona ary niteny hoe: ‘Kualtsin tajtoua’ (mahafinaritra ny fiteninao). Tsapako tamin’izay, fa tsy very maina ny ezaka nataoko.”

“Masaka hojinjaina” tokoa ny vokatra eny amin’ny saha misy ireo teratany, ary tena mahazo fampaherezana ireo rehetra mandray anjara amin’izany. (Jaona 4:35) Namintina izany i Roberto, izay nandamina ireo ekipana mpandika teny. Hoy izy: “Tsy hay hadinoina ny ranomasom-pifaliana narotsak’ireo rahalahy sy anabavy, rehefa nihaino ny fahamarinana tamin’ny fiteniny izy ireo, ka nahazo tsara an’ilay izy. Mihetsi-po aho rehefa mieritreritra an’izany.” Azo antoka fa mampifaly ny fon’i Jehovah koa ny fanampiana an’ireny olona tso-po ireny hiandany amin’ilay Fanjakana.—Ohabolana 27:11.

[Efajoro, pejy 10, 11]

Ny Sasany Amin’ireo Mpandika Teny

● “Vao nahatsiaro saina aho dia efa nampianarin’ny ray aman-dreniko ny fahamarinana. Nampalahelo anefa fa nandao ny fiangonana kristianina i Dada tamin’izaho 11 taona. Nandao anay i Neny, roa taona taorian’izay. Mbola nianatra aho, nefa tsy maintsy niantsoroka ny adidin’i Neny, satria izaho no zokiny indrindra taminay dimy mianadahy.”

“Nanampy anay tamim-pitiavana ireo anadahy sy rahavavy kristianina. Mafy anefa ny fiainana, ka nanontany tena aho indraindray hoe: ‘Fa nahoana aho no tratran’izao? Mbola kely loatra ange aho e!’ Tsy afaka niatrika ilay izy aho raha tsy noho ny fanampian’i Jehovah. Tena nanampy ahy ny nanaovako fanompoana manontolo andro, rehefa vita ny fianarako tany amin’ny lise. Nasaina ho anisan’ny ekipan’ny mpandika teny nahuatl aho, rehefa noforonina izy io.”

“Tafaverina eo anivon’ny fiangonana izao i Dada, ary manompo an’i Jehovah ireo zandriko lahy sy vavy. Tsy very maina ny ezaka nataoko mba tsy hivadihana hatrany tamin’i Jehovah. Nomeny fitahiana be dia be ny fianakaviako.”—Alicia.

● “Nisy Vavolombelona, mpiara-mianatra tamiko, nanao famelabelarana momba ny niandohan’ny fiainana. Tsy nianatra aho tamin’izay, ka natahotra sao hivoaka tany amin’ny fanadinana ilay foto-kevitra ka tsy ho hitako izay holazaina. Nasaiko nohazavain’ilay Vavolombelona tamiko àry ilay izy. Efa nanontany tena foana aho hoe nahoana ny olona no maty. Faly aho nandray ny boky Famoronana * nomeny, sy nanaiky ny fanasany hianatra Baiboly. Tena nanohina ny foko ny fahalalana ny fikasan’ny Mpamorona sy ny fitiavany.”

“Afaka nampianatra fiteny espaniola sy tzotzil aho, rehefa vita ny fianarako. Raha hanao izany anefa aho, dia ho voatery handeha lavitra sy hianatra mandritra ny faran’ny herinandro, ka tsy hahavonjy fivoriana. Naleoko àry nanao mpandatsa-biriky. Tena tsy faly tamin’io fanapahan-kevitra noraisiko io i Dada, izay tsy Vavolombelona. Nanao ny asan’ny mpisava lalana aho tatỳ aoriana. Tamin’izay no nisy ekipa nalamina mba handika boky sy gazety amin’ny fiteny tzotzil. Narisika handray anjara tamin’izany aho.”

“Hitako fa nahatsapa ho nanehoana fiheverana sy nomena haja ireo rahalahy sy anabavy, rehefa nahazo boky sy gazety tamin’ny fiteniny. Tena mitondra fahafaham-po izany. Raisiko ho voninahitra lehibe ny fanendrena azoko.”—Humberto.

● “Nandao anay i Neny tamin’izaho enin-taona. Nanomboka nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Dada, nandritra ny fotoana naha zatovo ahy. Nanasa ahy hianatra Baiboly ny rahavavy iray, indray andro. Hisy torohevitra ho an’ny tanora koa amin’izany. Zatovo tsy nanan-dreny intsony aho, ka nihevitra fa izany indrindra no nilaiko. Natao batisa aho teo amin’ny faha-15 taonako.”

“Nisy olona ratsy fanahy te hahazo ny tanin’i Dada, ka namono azy, tamin’ny 1999. Kivy tanteraka aho. Tratran’ny fahaketrahana mafy aho ka nihevitra fa tsy nisy fanantenana intsony ny amiko. Nangataka hery tamin’i Jehovah hatrany anefa aho. Tena nampahery ahy ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny. Tsy ela dia lasa mpisava lalana maharitra aho.”

“Voamariko, indray mandeha, fa nisy olona nandeha an-tongotra adiny enina, mba hihainoana lahateny maharitra 20 minitra monja, tamin’ny fiteny totonac. Natao tamin’ny fiteny espaniola, izay tsy azon’izy ireo kosa ny sisa tamin’ny fivoriana. Tena faly àry aho rehefa nasaina hanampy tamin’ny fandikana boky sy gazety tamin’io fiteny io.”

“Matetika aho no nilaza tamin’i Dada fa ny hanompo ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah no mba nofinofiko. Nolazainy tamiko fa mety tsy ho tonga amin’izany ny ankizivavy mbola tsy manambady toa ahy. Ho faly be àry izy rehefa hitsangana amin’ny maty, ka hahita fa tanteraka ilay nofinofiko. Mandika boky sy gazety amin’ny fiteninay ato amin’ny biraon’ny sampana mantsy aho izao!”—Edith.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 28 La vie: comment est-elle apparue? Évolution ou création?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1985.

[Sary, pejy 9]

Mpandika teny tzotzil miara-midinika momba ny teny iray sarotra adika