Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mila Torohevitra Tsara ve Isika?

Mila Torohevitra Tsara ve Isika?

Mila Torohevitra Tsara ve Isika?

MARO ankehitriny no mino fa mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy ny tenany, ka manan-jo hanao izay tiany. Ny hafa indray milaza fa mety daholo izay atao, rehefa mahasambatra. Tena manimba tokantrano sy fiainam-pianakaviana maro izany, nefa ireo no andry iankinan’ny fiaraha-monina.—Genesisy 3:5.

Diniho, ohatra, ny nanjo an’i Verónica, * izay mipetraka any Meksika. Mitantara izy hoe: “Taloha kelin’ny faha-15 taonan’ny mariazinay, dia nilaza tamiko ny vadiko fa misy olon-kafa miaraka aminy. Tsy hisaraka aminy, hono, izy satria tanora kokoa ilay vehivavy sady nahatsiaro ho sambatra kokoa izy niaraka taminy. Nivarahontsana aho rehefa nieritreritra fa tsy ho eo anilako intsony ilay namako akaiky indrindra. Nihevitra foana aho taloha fa ny fahafatesan’ny havan-tiana no fahoriana mangidy indrindra. Tsapako anefa izao fa mbola mafy noho izany ny fanitsakitsaham-bady. Efa tsy eo anilako intsony mantsy ilay olo-malalako, nefa mbola mandratra ny foko foana ny zavatra ataony.”

Diniho koa ity tovolahy 22 taona ity. Efa nisara-panambadiana izy ary manan-janaka lahy, nefa tsy mety miantsoroka ny andraikiny. Ny reniny no antenainy hikarakara azy mianaka. Rehefa tsy manaiky hanao ny sitrapony rehetra ilay reniny, dia misafoaka sy mikitakita azy izy, toy ireny zaza ratsy taiza ireny. Tsy hitan-dreniny izay hatao amin’izany toetrany manafintohina izany.

Tsy maningana ny fisehoan-javatra toy izany. Na aiza na aiza, dia mihabetsaka ny mpivady misara-toerana sy misara-panambadiana. Maro ny ray na reny mandao ny zanany, ka manomboka fiainam-baovao. Tsy manaja na iza na iza intsony ny tanora sasany, anisan’izany ny ray aman-dreniny. Misy koa manao ditra tsy noeritreretina ho vitan’izy ireo mihitsy taloha. Fahita any amin’ny tany maro ny tanora manao firaisana, mampiasa zava-mahadomelina, manao herisetra, mamono mahafaty ray aman-dreny na mpampianatra. Ary ekenao angamba fa tsy ny fitaizan-janaka sy ny fanambadiana ihany no manahirana amin’izao andro izao.

Rehefa mandinika izany rehetra izany isika, dia mety hieritreritra hoe inona àry no nahatonga ny fiaraha-monina ho toy izany. Raha tena mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy tokoa ny olona, nahoana no mbola maro be ny olana tsy voavaha? Mila torohevitra tsara ve isika? Aiza no ahitana torohevitra mahasoa sady azo itokisana? Maro no mihambo ho mino an’Andriamanitra sy ny Teniny, nefa tsy hita loatra izay vokatr’izany eo amin’ny fanapahan-kevitra raisiny. Inona anefa no soa ho azontsika, raha mitady sy mahazo torohevitra avy amin’Andriamanitra isika? Handinika izany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana.