Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Reraka Ara-batana fa Tsy Ara-panahy

Reraka Ara-batana fa Tsy Ara-panahy

Reraka Ara-batana fa Tsy Ara-panahy

‘Jehovah, izay namorona ny faran’ny tany, dia mampahatanjaka ny reraka, ary izay kely hery dia omeny hery be.’—ISAIA 40:28, 29.

1, 2. a) Inona no fanasana omena an’izay rehetra maniry hanaraka ny fivavahana marina? b) Inona no mety hanimba ny fihavanantsika amin’i Jehovah?

AMIN’NY maha mpianatr’i Jesosy antsika, dia fantatsika tsara ilay fanasany hoe: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho. ... Fa mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Matio 11:28-30) Afaka mahazo ‘famelombelomana avy amin’i Jehovah’ koa ny Kristianina. (Asan’ny Apostoly 3:19) Azo antoka fa mahatsiaro ho velombelona ianao, noho ianao mahafantatra ny fahamarinana ara-baiboly, sy manantena hoavy sambatra, ary mampihatra ny toro lalan’i Jehovah.

2 Misy mpanompon’i Jehovah kivy anefa indraindray. Mety hihelina ihany izany fahakiviana izany, nefa mety haharitra ela koa. Rehefa ela ny ela, dia mety hieritreritra ny sasany fa lasa enta-mavesatra ny andraikitry ny Kristianina, fa tsy mamelombelona araka ny nampanantenain’i Jesosy. Tena mety hanimba ny fihavanana amin’i Jehovah izany rehetra izany.

3. Nahoana i Jesosy no nanome ilay torohevitra ao amin’ny Jaona 14:1?

3 Nilaza toy izao tamin’ny mpianany i Jesosy, taloha kelin’ny nisamborana sy namonoana azy: “Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Minoa an’Andriamanitra ary minoa koa ahy.” (Jaona 14:1) Nadiva hiatrika zava-tsarotra ireo apostoly, tamin’i Jesosy nilaza izany. Nisy fanenjehana mafy taorian’izay. Fantatr’i Jesosy fa mety hiala amin’ny finoana ny apostoliny, raha kivy tanteraka. (Jaona 16:1) Raha tsy voafehin’izy ireo mantsy ny alahelony, dia mety hihena ny finoany, ka tsy hatoky an’i Jehovah intsony izy. Toy izany koa ny Kristianina ankehitriny. Raha maharitra ny fahakiviana, dia mety hampijaly antsika, ka hanavesatra ny fontsika. (Jeremia 8:18) Mety hihena ny herintsika, ka ho ketraka tanteraka isika ary tsy hahavita izay zavatra takin’i Jehovah, na tsy haniry hanompo azy intsony mihitsy aza.

4. Inona no hanampy antsika hiaro ny fontsika tsy ho reraka?

4 Tena mety ilay torohevitry ny Baiboly hoe: “Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian’ny aina.” (Ohabolana 4:23) Manampy antsika hiaro ny fontsika tsy ho kivy na ho sasatry ny manompo an’i Jehovah, ny torohevitry ny Baiboly. Ilaintsika hofantarina anefa aloha ny antony mahareraka antsika.

Tsy mampahory ny manaraka ny Kristianisma

5. Inona no zavatra toa mifanohitra nolazain’i Jesosy momba izay manara-dia azy?

5 Ekena aloha fa mitaky ezaka mafy izany hoe Kristianina izany. (Lioka 13:24) Nilaza mihitsy aza i Jesosy hoe: “Izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka ahy dia tsy afaka ny ho mpianatro.” (Lioka 14:27) Toa mifanohitra amin’ilay teniny tetsy aloha izany. Nilaza mantsy izy fa maivana sy mamelombelona ny entany. Tsy mifanohitra anefa izany, raha ny marina.

6, 7. Nahoana no azo lazaina fa tsy mandreraka ny fivavahana arahintsika?

6 Mahafa-po sy mamelombelona ny mikely aina sy miasa mafy, na dia mandreraka ny vatana aza, rehefa tsara ny antony anaovana azy. (Mpitoriteny 3:13, 22) Koa misy asa tsara kokoa noho ny fitoriana ny fahamarinana mahatalanjona ao amin’ny Baiboly ve? Marina koa fa miady mafy isika, mba hanarahana ny fitsipi-pitondran-tena avy amin’Andriamanitra. Kanefa, mihoatra lavitra noho izany ny soa azontsika. (Ohabolana 2:10-20) Ankoatra izany, na dia enjehina aza isika, dia raisintsika ho voninahitra ny mijaly noho ny Fanjakan’Andriamanitra.—1 Petera 4:14.

7 Mamelombelona tokoa ny entan’i Jesosy, indrindra rehefa oharina amin’ny haizina ara-panahy misy ireo olona mbola eo ambanin’ny ziogan’ny fivavahan-diso. Tena tia antsika i Jehovah Andriamanitra, ary tsy mangataka zavatra tsy ho vitantsika. ‘Tsy mavesatra ny didiny.’ (1 Jaona 5:3) Tsy mampahory ny manaraka ny tena Kristianisma, izay mifanaraka amin’ny Soratra Masina. Mazava àry fa tsy mandreraka na mahakivy ny fivavahana arahintsika.

‘Esory izay rehetra manavesatra’

8. Inona matetika no mahatonga antsika ho sasatry ny manompo an’i Jehovah?

8 Matetika isika no sasatry ny manompo an’i Jehovah, noho ny enta-mavesatra fanampiny ampitondrain’ity tontolo ratsy ity antsika. ‘Eo ambany fahefan’ilay ratsy izao tontolo izao’, ka ahitana toe-tsaina ratsy, izay mety handreraka antsika tanteraka, ka hampihena ny finoantsika. (1 Jaona 5:19) Misy zavatra tsy ilaina mety hanasarotra sy hanelingelina ny fanaovantsika ireo asa kristianina fanaontsika. Mety ho vao mainka hanavesatra antsika izany, ka hampahory antsika mihitsy aza. Mety tsara àry raha mampirisika antsika ny Baiboly mba “hanaisotra izay rehetra manavesatra antsika.”—Hebreo 12:1-3.

9. Nahoana ny vola sy ny zavatra hafa no mety hanavesatra antsika?

9 Tena mibahana ao an-tsain’ny olona eto amin’ity tontolo ity, ohatra, ny laza, vola, fialam-boly, fizahan-tany, sy ny toy izany. Mety ho voatarika hanaraka ny fomba fisainan’izy ireo isika. (1 Jaona 2:15-17) Tena nanasarotra ny fiainany ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nikatsaka harena. Nanazava ny apostoly Paoly hoe: “Izay tapa-kevitra ny ho tonga mpanan-karena dia latsaka ao amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny faniriana maro tsy misy antony sady manimba, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fanimban-tena. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny karazan-javatra ratsy rehetra. Ary nikely aina ho amin’izany ny sasany, ka voavily niala tamin’ny finoana, sy nanindrona ny tenany tamin-javatra maro mampanaintaina.”—1 Timoty 6:9, 10.

10. Inona no ianarantsika momba ny harena, rehefa dinihina ilay fanoharan’i Jesosy mahakasika ilay mpamafy voa?

10 Ahoana raha reraka isika na kivy eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra? Sao dia ny fikatsahana vola aman-karena no lasa mibahan-toerana eo amin’ny fiainantsika, ka nahatonga izany? Tena mety hitranga izany, araka ny hitantsika ao amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ilay mpamafy voa. “Ny fanahian’ity tontolo ity sy ny famitahan’ny harena ary ny faniriana ny zavatra hafa sisa” dia nampitahain’i Jesosy tamin’ny tsilo, izay ‘lasa mibahan-toerana tsikelikely ka mangeja’ ilay voa nafafy tao am-pontsika, dia ny tenin’Andriamanitra. (Marka 4:18, 19) Izany no mahatonga ny Baiboly hanoro hevitra antsika hoe: “Aoka ny fomba fiainanareo tsy hisy fitiavam-bola, fa aoka ianareo hianina amin’izay efa eo. Fa hoy izy: ‘Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao mihitsy.’ ”—Hebreo 13:5.

11. Ahoana no azontsika anesorana izay manavesatra antsika?

11 Ny fotoana lanintsika amin’ny zavatra efa ananantsika matetika no manasarotra ny fiainantsika, fa tsy dia ny fikatsahana zavatra hafa loatra. Mety ho kivy, ohatra, ny sasany noho izy marary mafy, na nisy maty ny havany, na manana olana hafa mampahory izy. Tsapany fa mila manao fiovana izy tsindraindray. Nisy mpivady nanapa-kevitra fa tsy hanohy intsony ny fialam-boly sasany nahazatra azy sy ny zavatra hafa tsy ilaina nokasainy hatao. Nahorony sy nampiriminy daholo ny zavatra mahakasika an’ireo, rehefa avy nijery ny fananany rehetra izy. Mety hahasoa antsika rehetra koa indraindray ny mandinika ny fahazarantsika sy ny fananantsika, ka manaisotra izay rehetra manavesatra sy tsy ilaina, mba tsy hahakivy na hahareraka antsika.

Mila mahay mandanjalanja isika

12. Inona no tokony hekentsika momba ny fahadisoantsika?

12 Mety hanasarotra tsikelikely ny fiainantsika koa ny fahadisoana ataontsika, na dia amin’ny raharaha madinika aza. Marina tokoa ny tenin’i Davida hoe: “Ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako.” (Salamo 38:4) Matetika no misy fiovana sasantsasany azo atao, mba hanamaivanana ny enta-mavesatra.

13. Nahoana isika no mila mahay mandanjalanja eo amin’ny fanompoana ataontsika?

13 Ampirisihin’ny Baiboly isika hiezaka hanana ‘fahendrena sy fahaiza-misaina’ bebe kokoa. (Ohabolana 3:21, 22) ‘Hahay handanjalanja’ isika raha manana fahendrena. (Filipianina 4:5) Misy mieritreritra fa tsy maintsy mitovy amin’ny an’ny Kristianina hafa ny fanompoana vitany. Manoro hevitra antsika anefa ny Baiboly hoe: “Aoka kosa ny tsirairay samy handinika izay ataony avy, ary amin’izay dia hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy amin’ny fampitahany ny tenany amin’ny hafa. Samy hitondra ny entany avy mantsy ny tsirairay.” (Galatianina 6:4, 5) Marina aloha fa mandrisika antsika hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo ny ohatra tsara omen’ny Kristianina hafa. Kanefa, raha hendry sy mahay mandanjalanja isika, dia hampifanaraka ny tanjona tiantsika hotratrarina amin’ny toe-javatra misy antsika.

14, 15. Ahoana no anehoantsika fahendrena, mba hikarakarana izay ilaintsika?

14 Tsy ho reraka loatra koa isika, raha mahay mandanjalanja na dia amin’ny zavatra hoatran’ny hoe madinika aza. Voalanjalanja tsara ve, ohatra, ny zavatra fanaontsika, ka mahasalama antsika? Eritrereto, ohatra, ny mpivady iray manompo ao amin’ny biraon’ny sampana iray an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsapany fa ilaina ny maneho fahendrena, mba tsy ho reraka loatra. Hoy ilay anabavy: “Na be asa toy inona aza izahay, dia miezaka matory amin’ny ora mitovy foana. Manao fanatanjahan-tena tsy tapaka koa izahay. Tena mahasoa anay izany rehetra izany. Fantatray hoe hatraiza no mety ho vitanay, ary arakaraka izay no ataonay. Tsy mampitaha tena amin’ireo toa tsy mety reraka mihitsy izahay.” Mba mihinana sakafo mahasalama ve isika, ary ampy torimaso tsara? Raha mitandro fahasalamana isika, dia hampihena ny fahakiviana ary tsy ho sasatry ny manompo an’i Jehovah.

15 Mila zavatra manokana ny sasany amintsika. Tsy mora ho an’ny anabavy iray, ohatra, ny nanompo manontolo andro tany amin’ny faritany samihafa nanendrena azy. Narary mafy koa izy ary voan’ny kansera. Inona àry no manampy azy hiaritra ny zava-tsarotra? Hoy izy: “Tena mila mitokana any amin’ny toerana mangina aho indraindray. Rehefa tena kivy sy reraka iny indrindra aho no mila mitokana, mba hamaky boky sy haka aina.” Manampy antsika hamantatra izay ilaintsika sy hanao zavatra mifanaraka amin’izany ny fahendrena sy ny fahaiza-misaina, mba tsy ho sasatry ny manompo an’i Jehovah isika.

Manome hery antsika i Jehovah Andriamanitra

16, 17. a) Nahoana no tena ilaina ny manolokolo ny fihavanantsika amin’i Jehovah? b) Inona no tokony hataontsika fahazarana isan’andro?

16 Tena ilaina ny manolokolo ny fihavanantsika amin’i Jehovah Andriamanitra. Rehefa mifandray tsara aminy mantsy isika, dia tsy ho sasatry ny manompo azy mihitsy, na dia mety ho reraka ihany aza ny vatantsika. ‘Mampahatanjaka ny reraka i Jehovah, ary izay kely hery dia omeny hery be.’ (Isaia 40:28, 29) Nahatsapa izany tsara ny apostoly Paoly, ka nilaza hoe: “Tsy kivy izahay, fa na mihaosa aza ny tenanay ivelany, dia azo antoka fa havaozina isan’andro kosa ny tenanay anaty.”—2 Korintianina 4:16.

17 Mariho ilay teny hoe “isan’andro.” Midika izany fa mila mandray fanampiana avy amin’i Jehovah isika isan’andro. Reraka sy kivy indraindray ny anabavy iray, misionera nandritra ny 43 taona. Tsy sasatry ny nanompo an’i Jehovah anefa izy. Hoy izy: “Nataoko fahazarana ny mifoha aloha isan’andro, mba hivavaka amin’i Jehovah sy hamaky ny Teniny, alohan’ny hanombohana ny asa aman-draharahako. Izany no nanampy ahy hiaritra hatramin’izao.” Afaka matoky tokoa isika fa hahazo hery avy amin’i Jehovah, raha mivavaka aminy tsy tapaka, ary “isan’andro” mihitsy aza, sady misaintsaina ny toetrany sy ny fampanantenany faran’izay tsara.

18. Ahoana no ampaherezan’ny Baiboly ny olo-mahatoky, izay mandroso taona na marary?

18 Ny olona kivy noho ny fandrosoan’ny taonany sy ny aretiny no tena mandray soa avy amin’izany. Tsy ny fampitahany ny tenany amin’ny hafa no mety hahaketraka azy, fa ny fampitahany ny zava-bitany amin’izay nataony taloha. Tena mampahery tokoa ny mahafantatra fa manome voninahitra ny zokiolona i Jehovah! Hoy ny Baiboly: “Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, ao amin’ny làlan’ny fahamarinana no ahazoana azy.” (Ohabolana 16:31) Mahafantatra ny fetran’ny mety ho vitantsika i Jehovah, ary sarobidy aminy ny fanompoana ataontsika amin’ny fo manontolo, na dia efa osa aza isika. Tsy afaka ao amin’ny fitadidiany koa ny asa tsara efa nataontsika. Manome toky antsika ny Soratra Masina hoe: ‘Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany, tamin’ny nikarakaranareo sady mbola ikarakaranareo ny olona masina.’ (Hebreo 6:10) Tena faly tokoa isika rehetra fa misy olona tsy nivadika tamin’i Jehovah, nandritra ny am-polony taona maro, eo anivontsika!

Aza malaky kivy

19. Inona no soa raisintsika, raha mazoto manao soa foana isika?

19 Maro no mino fa mampihena ny havizanana ny fanaovana fanatanjahan-tena tsy tapaka. Toy izany koa fa hisinda tsikelikely ny fahakiviantsika, ary tsy ho sasatry ny hanompo an’i Jehovah intsony isika, raha manao tsy tapaka ireo asa mifandray amin’ny fivavahana. Hoy ny Baiboly: “Aoka isika tsy halaky ho kivy rehefa manao ny tsara, satria amin’ny fotoana voatondro no hijinjantsika raha tsy reraka isika. Koa dieny mbola misy fotoana azontsika anaovan-tsoa, dia aoka isika hanao soa amin’ny rehetra, indrindra fa amin’ny mpiray finoana amintsika.” (Galatianina 6:9, 10) Mariho ny teny hoe “manao ny tsara” sy ‘manao soa.’ Midika izany fa mila manao zavatra isika. Hanampy antsika tsy ho sasatry ny hanompo an’i Jehovah tokoa ny fanaovan-tsoa ho an’ny hafa.

20. Iza no tsy tokony hifaneraserantsika, raha te hiady amin’ny fahakiviana isika?

20 Mety ho lasa enta-mavesatra sy hamizana kosa anefa, ny fifaneraserana sy fanaovan-javatra miaraka amin’ny olona tsy miraharaha ny lalàn’Andriamanitra. Mampitandrina antsika ny Baiboly hoe: “Mavesatra ny vato, ary mavesa-danja ny fasika; fa ny fahasosoran’ny adala dia manoatra noho izy roa tonta.” (Ohabolana 27:3) Tsy tokony hifanerasera amin’ny olona mijery lafy ratsin-javatra sy be fanakianana àry isika, raha te hiady amin’ny fahakiviana sy tsy te ho reraka.

21. Ahoana no ahafahantsika mampahery ny hafa any am-pivoriana?

21 Manome hery antsika hanompoana azy koa i Jehovah, amin’ny alalan’ny fivoriana kristianina. Tena afaka mifampahery isika any, sady mahazo fampianarana mamelombelona sy namana tsara. (Hebreo 10:25) Tokony hiezaka hampahery ny hafa ny rehetra, rehefa manome valin-teny na manana anjara. Ireo mampianatra ny fiangonana no tena antenaina hampahery. (Isaia 32:1, 2) Tokony hiezaka hamelombelona foana isika, na dia rehefa mandrisika na mananatra aza. (Galatianina 6:1, 2) Hanampy antsika tsy ho sasatry ny hanompo an’i Jehovah ny fitiavantsika ny hafa.—Salamo 133:1; Jaona 13:35.

22. Nahoana isika no afaka ny ho be herim-po, na dia tsy lavorary aza?

22 Mitaky asa mafy avy amintsika ny fanompoana an’i Jehovah amin’izao andro farany izao. Mety ho rera-tsaina sy halahelo ary hiady saina toy ny olon-drehetra ihany ny Kristianina. Marefo toy ny tanimanga mantsy isika olombelona tsy lavorary. ‘Manana izany harena izany ao anaty vilany tany anefa isika’, hoy ny Baiboly, ‘mba ho avy amin’Andriamanitra ny hery fanampiny, fa tsy ho avy amintsika.’ (2 Korintianina 4:7) Mety ho reraka tokoa isika, nefa enga anie isika tsy ho kivy na ho sasatry ny hanompo an’i Jehovah mihitsy. Aoka kosa isika ho ‘be herim-po, ka hilaza hoe: “Jehovah no mpanampy ahy.” ’—Hebreo 13:6.

Famerenana Fohy

• Inona avy ireo enta-mavesatra mety ho azontsika esorina?

• Inona avy no “soa” azontsika atao ho an’ny Kristianina hafa?

• Ahoana no ampaherezan’i Jehovah antsika, rehefa mahatsiaro ho reraka na kivy isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Fantatr’i Jesosy fa mety hahita olana ireo apostoly, raha tsy misinda ny fahakiviany

[Sary, pejy 24]

Nisy Kristianina tsy nanohy intsony ny fialam-boly sasany nahazatra azy, sy ny zavatra hafa tsy ilaina nokasainy hatao

[Sary, pejy 26]

Sarobidy amin’i Jehovah ny fanompoantsika azy amin’ny fo manontolo, na dia voafetra aza ny mety ho vitantsika