Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tianao ve ny namaky ireo nomerao faramparany tamin’ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:

• Inona moa ny Polyglotte de Complute, ary nahoana no tena nanan-danja izy io?

Baiboly vita pirinty misy fiteny maro izy io. Misy tsanganana maromaro ao anatiny, nahitana lahatsoratra araka ny marina indrindra tamin’ny teny hebreo sy grika ary latinina. Nisy koa ampahany tamin’ny teny aramianina. Io Baiboly io dia dingana lehibe nahafahana namoaka dikan-tenin’ny Baiboly marina kokoa, avy tamin’ireo fiteny nanoratana azy voalohany.—15/4, pejy 28-31.

• Ahoana no azontsika ampifaliana an’Andriamanitra?

Tena misy i Jehovah, ka afaka mieritreritra sy manao zavatra ary manana fihetseham-po. “Andriamanitra falifaly” izy, ary mahafinaritra azy ny manatanteraka ny fikasany. (1 Timoty 1:11; Salamo 104:31) Arakaraka ny ahafantarantsika ny fihetseham-pony no ahalalantsika izay azo atao mba hampifaliana ny fony.—15/5, pejy 4-7.

• Nahoana i Davida no namela an’i Mikala vadiny hanana terafima?

Nanao tetika hamonoana an’i Davida i Saoly Mpanjaka. Nanampy an’i Davida hitsoaka anefa i Mikala, ka napetrany teo ambony farafara ny sarivongana iray, izay angamba nitovy bika sy habe tamin-dehilahy. Nanana terafima izy satria nety ho tsy tena tia an’Andriamanitra tamin’ny fony manontolo. Tsy nahafantatra ny fisian’ilay terafima i Davida, na koa nandefitra ny fisian’izany izy, satria zanak’i Saoly Mpanjaka i Mikala. (1 Tantara 16:25, 26)—1/6, pejy 29.

• Nisarika ny saina ho amin’ny inona ireo didin’Andriamanitra momba ny ra?

Nisarika ny saina ho amin’ny soron’i Jesosy ny fitsipika nomen’Andriamanitra taorian’ny Safodrano, sy tao amin’ny Lalàn’i Mosesy, ary ny didiny ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:28, 29. Ny ra nalatsany ihany no ahazoantsika famelan-keloka sy fihavanana amin’Andriamanitra. (Kolosianina 1:20)—15/6, pejy 14-19.

• Firy ny fahagagana nataon’i Jesosy resahin’ny Baiboly?

Mitantara fahagagana 35 nataon’i Jesosy ny Filazantsara. Tsy voalaza ao anefa hoe firy marina ny fahagagana rehetra nataony. (Matio 14:14)—15/7, pejy 5.