Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Tsy Misy Zavatra Tsara Noho Izany Ange E!’

‘Tsy Misy Zavatra Tsara Noho Izany Ange E!’

‘Tsy Misy Zavatra Tsara Noho Izany Ange E!’

ZAZALAHY dimy taona i Alexis, ary mipetraka ao amin’ny tanànan’i Morelia, any Meksika. Mianatra Baiboly sy manatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-dreniny. Nahita fampisehoana momba ny fitoriana isan-trano izy, rehefa nanatrika fivoriamben’ny faritra niaraka tamin’ny fianakaviany. Avy hatrany izy dia nitodika tany amin’ny rainy ary niteny hoe: “Dada a! Dada a! Fa maninona kay Dada no tsy mitory?” Namaly ny rainy hoe: “Mbola mianatra aho aloha, anaka, mba hahaizako hitory.” Nentanim-pihetseham-po i Alexis sady niteny hoe: “Tsy misy zavatra tsara noho izany ange Dada e!”

Tsapan’io zaza io fa ilainy ny manao zavatra mifanaraka amin’ny fahalalany an’i Jehovah. Nisy zana-drahavavin-dreniny niray trano tamin-dry Alexis. Nivavaka tamin’i Jehovah àry izy aloha, avy eo dia niresaka tamin’izy ireo ny zavatra nampianarin’ny ray aman-dreniny azy avy tao amin’ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Tsy nahay namaky teny i Alexis, nefa hainy tsara ny nanazava ireo tantara, avy amin’ireo sary tao amin’ilay boky. Nilaza mihitsy aza izy fa naniry hitsidika ny olona mba hiresaka amin’izy ireo izay nianarany momba ny fikasan’Andriamanitra.

Na ny antitra na ny tanora àry, dia afaka mampifanaraka ny fiainany amin’izay takin’i Jehovah, ‘Ilay Masina.’ Hanana ny tombontsoa tsara indrindra izy ireo amin’izay, dia ny hitory momba an’i Jehovah any amin’ny firenena rehetra. (Isaia 43:3; Matio 21:16) Azo antoka fa tsy misy zavatra tsara noho izany.