Ahoana no Iatrehana ny Fahakiviana?
Ahoana no Iatrehana ny Fahakiviana?
KIVY ve ianao? Maro no kivy ankehitriny, noho ny fiainana mivadibadika sy feno ady. Kivy ny sasany satria tsy an’asa. Ny hafa indray miaritra ny voka-dratsin’ny loza nihatra taminy. Eo koa ny miatrika olana ara-pianakaviana, na marary mafy, na mahatsiaro ho manirery.
Aiza àry no hahitanao fanampiana raha kivy ianao? Mahita fampiononana ny olona an-tapitrisany eran-tany, rehefa mamaky ny Tenin’Andriamanitra. Mampahery azy ireo ny tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Isaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra! Mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra izy.” (2 Korintianina 1:3, 4) Nahoana raha vakina ao amin’ny Baibolinao mihitsy io andinin-teny io sy ny hafa koa? ‘Hampionona ny fonao sy hampahery anao’ ny fanaovana izany.—2 Tesalonianina 2:17.
Hanampy anao hiatrika ny fahakiviana koa, ny fifaneraserana amin’ireo olona manompo an’i Jehovah. Hoy ny Ohabolana 12:25: “Ny alahelo ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy; fa ny teny soa no mahafaly azy.” Rehefa manatrika ny fivoriana kristianina isika, dia mandre izany “teny soa” izany, izay “sady mamin’ny fanahy no mahatsara ny taolana.” (Ohabolana 16:24) Nahoana raha manatrika fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah? Ianao mihitsy amin’izay no hahatsapa fa tena mampahery ireo fivoriana.
Afaka mandray soa avy amin’ny vavaka koa ianao. Resaho amin’ilay “Mpihaino vavaka” ny fihetseham-ponao lalina indrindra, raha tsapanao fa tototry ny fanahiana ianao. (Salamo 65:2) Mahafantatra antsika tsara kokoa noho isika, i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona. Mahazo matoky isika fa hanampy izy. Mampanantena toy izao ny Teniny: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.” (Salamo 55:22) Azo antoka fa “izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery.”—Isaia 40:31.
Manome ny fanampiana rehetra ilaina i Jehovah Andriamanitra mba handresentsika ny fahakiviana. Hampiasa azy ireo ve ianao?