Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nahoana no raisin’ny Vavolombelon’i Jehovah ara-bakiteny fa tsy an’ohatra ny isa 144 000, ao amin’ny Apokalypsy?

Nanoratra toy izao ny apostoly Jaona: “Reko ny isan’ireo voaisy tombo-kase, dia efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy.” (Apokalypsy 7:4) Lazain’ny Baiboly fa “ireo voaisy tombo-kase” dia ireo olona nofidina hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra, ary hitondra ny vahoaka ao amin’ilay Paradisa an-tany ho avy. (2 Korintianina 1:21, 22; Apokalypsy 5:9, 10; 20:6) Misy antony maromaro ilazana fa ara-bakiteny io isa 144 000 io. Hita eo amin’ny teny manodidina ny Apokalypsy 7:4 ihany, ny iray amin’izany.

Nampisehoana antokon’olona hafa ny apostoly Jaona, rehefa avy nahazo fahitana momba ireo 144 000. Nolazainy fa “vahoaka be tsy tambo isaina, avy tamin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra”, ilay antokon’olona faharoa. Io vahoaka be io dia ireo olona ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe”, izay handrava an’ity tontolo ratsy ity.—Apokalypsy 7:9, 14.

Mariho anefa ny fahasamihafana eo amin’ny andininy faha-4 sy ny faha-9 amin’ny Apokalypsy toko faha-7. Milaza i Jaona fa voafaritra tsara ny isan’ilay antokon’olona voalohany “voaisy tombo-kase.” Tsy voafaritra kosa anefa ny isan’ilay antokon’olona faharoa, dia ny “vahoaka be.” Mazava araka izany àry, fa ara-bakiteny ilay isa 144 000. Raha toa mantsy ka tsy milaza isa voafaritra tsara io isa io, fa raisina an’ohatra, dia hitovy ihany ireo andinin-teny roa ireo. Manondro mazava tsara àry ny teny manodidina, fa tsy maintsy ara-bakiteny ny isa 144 000.

Nanatsoaka hevitra toy izany koa ny manam-pahaizana maro momba ny Baiboly, na taloha na ankehitriny. Ara-bakiteny io isa io hoy izy ireo. Zato taona lasa izay, ohatra, dia nanazava ny Apokalypsy 7:4, 9 ny Pr. Ethelbert Bullinger, mpanao diksionera. Hoy izy: “Filazan-javatra tsotra fotsiny izy io: isa voafaritra tsara izay ampifanoherina amin’ilay isa tsy voafaritra ao amin’io toko io ihany.” (Ny Apokalypsy na “Ny Andron’ny Tompo”, pejy 282, anglisy) Toy izany koa ny hevitr’i Robert Thomas zanany, mpampianatra ny Testamenta Vaovao ao amin’ny Sekoly Ambony Fiofanana ho Pretra, any Etazonia. Tsy ela izay dia nanoratra izy fa tsy marim-pototra ny fandraisana an’ohatra ny isa 144 000. Nilaza koa izy fa “isa voafaritra tsara [ny eo amin’ny Apokalypsy 7:4], mifanohitra amin’ny isa tsy voafaritra hita eo amin’ny 7:9. Tsy misy isa azo raisina ara-bakiteny ao amin’io boky io, raha raisina an’ohatra io isa io.”—Fanazavana ny Apokalypsy (anglisy), Boky 1, pejy 474.

Misy anefa milaza fa feno teny an’ohatra ny Apokalypsy, ka tsy maintsy raisina an’ohatra koa ny isa rehetra ao anatiny, anisan’izany ny isa 144 000. (Apokalypsy 1:1, 4; 2:10) Tsy marina velively anefa izany. Ekena aloha fa mirakitra isa an’ohatra maro ny Apokalypsy, nefa misy isa ara-bakiteny koa ao. Miresaka momba “ny anaran’ny apostoly roa ambin’ny folon’ny Zanak’ondry”, ohatra, i Jaona. (Apokalypsy 21:14) Mazava ho azy fa ara-bakiteny ilay isa 12 eto, fa tsy an’ohatra. Miresaka momba ny “arivo taona” hanjakan’i Kristy koa ny apostoly Jaona. Tsy maintsy raisina ara-bakiteny io isa io, rehefa dinihina tsara izay lazain’ny Baiboly. * (Apokalypsy 20:3, 5-7) Miankina amin’ny teny manodidina àry ny hoe horaisina ara-bakiteny sa an’ohatra ny isa iray, ao amin’ny Apokalypsy.

Ara-bakiteny ny isa 144 000 ary milaza isa voafetra. Vitsy kokoa izy ireo raha oharina amin’ny “vahoaka be.” Mifanaraka amin’ny andinin-teny hafa ao amin’ny Baiboly izany. Nahazo fahitana momba ny 144 000 indray, ohatra, ny apostoly Jaona tatỳ aoriana. Voalaza fa “novidina avy teo amin’ny olombelona izy ireo ho voaloham-bokatra.” (Apokalypsy 14:1, 4) Solontena vitsivitsy notsongaina no atao hoe “voaloham-bokatra.” Niresaka momba ireo hiara-manjaka aminy any an-danitra koa i Jesosy fony tetỳ an-tany, ary nantsoiny hoe “ondry vitsy” izy ireo. (Lioka 12:32; 22:29) Marina tokoa fa vitsy kokoa ny olona hanjaka any an-danitra, raha oharina amin’ireo olona hiaina ao amin’ilay Paradisa eto an-tany.

Hita miharihary àry fa ara-bakiteny ny isa 144 000, rehefa jerena ny teny manodidina ny Apokalypsy 7:4 sy ny andinin-teny hafa. Izy ireo dia ny olona hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra, ary hitondra ny tany. Ho feno olona sambatra tsy tambo isaina manompo an’i Jehovah Andriamanitra io paradisa io.—Salamo 37:29.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Raha tianao ny hahazo fanazavana fanampiny momba ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, dia jereo Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza!, pejy 289-290, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 31]

Olona 144 000 ihany no mankany an-danitra

[Sary, pejy 31]

Tsy tambo isaina ny “vahoaka be”

[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]

Kintana: Courtesy of Anglo-Australian Observatory, photograph by David Malin